Vavolombelon’i Jehovah Gadraina Noho ny Finoany (Isaky ny Tany)
Vavolombelon’i Jehovah gadraina noho ny finoany (Novambra 2024)
TANY |
ISA |
ANTONY |
---|---|---|
12 |
|
|
64 |
|
|
131 |
|
|
8 |
|
|
Tany Hafa |
10 mahery |
|
Tontaliny |
225 mahery |
|
Milaza ny Andininy Faha-18 amin’ny Fifanarahana Iraisam-pirenena Momba ny Zo Sivily sy Politika a fa anisan’ny zo fototra ananan’ny olona ny “zo haneho hevitra sy hanaraka ny feon’ny fieritreretana ary hanana fivavahana.” Tsy avela mampiasa an’izany zony izany anefa ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany sasany, fa gadraina tsy ara-drariny ary misy aza ampijalina mihitsy. Nosamborina ny ankamaroan’ireo migadra ireo satria fotsiny hoe manaraka ny fivavahany. Ny hafa kosa nosamborina satria tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany.
a Jereo koa ny Andininy Faha-18 amin’ny Fanambarana Iraisam-pirenena Momba ny Zon’olombelona, sy ny Andininy Faha-9 amin’ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona.