Hijery ny anatiny

15 MEY 2014
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Hanao Fivoriambe Iraisam-pirenena ny Vavolombelon’i Jehovah

Hanao Fivoriambe Iraisam-pirenena ny Vavolombelon’i Jehovah

NEW YORK—Hanao fivoriambe iraisam-pirenena maharitra telo andro, any amin’ny tanàn-dehibe maro maneran-tany ny Vavolombelon’i Jehovah, manomboka amin’ny Jona 2014 ka hatramin’ny Janoary 2015. Any Etazonia ny voalohany ary avy eo any Alemaina, Angletera, Aostralia, Ekoatera, Gresy, Korea Atsimo, Meksika, ary Zimbabwe. Hisy fivoriamben’ny vondrom-paritra koa any an-tany hafa mandritra an’io fotoana io, toy ny efa fanao isan-taona, fa amin’ny toerana kely kokoa no hanaovana azy.

Hanomboka ny 6 Jona 2014 any Ford Field, any Etazonia, ilay fivoriambe iraisam-pirenena. Olona 45500 no antenaina ho tonga, anisan’izany ny vahiny 2500 avy any an-tany hafa.

Hisy vahiny avy any an-tany hafa amin’ireo fivoriambe iraisam-pirenena ireo. Hisy misionera koa any amin’ny sasany. Hoy i J. Brown, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny foiben’izy ireo any Brooklyn, any New York: “Mahafinaritra be ny fivoriambe iraisam-pirenena ataonay. Mino izahay fa ho faly koa izay olon-kafa tonga any. Hifankahita daholo ny havana aman-tsakaiza amin’ireo fivoriambe tsy manan-tsahala ireo.”

Izao no foto-kevitr’ilay fivoriambe: “Katsaho Foana Aloha ny Fanjakan’Andriamanitra!” Milaza Atoa Brown fa “hisy zavatra hisongadina amin’ilay fivoriambe. Loha hevitra lehibe ao amin’ny Baiboly ilay izy sady tena inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy inona izany fa hoe tamin’ny 1914 ny Fanjakan’Andriamanitra no natsangana ary i Jesosy Kristy no Mpanjakany. Tena hiavaka io fivoriambe io satria feno 100 taona amin’ity taona ity ny Fanjakan’Andriamanitra.”

Hisy ezaka manokana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany mba hanasana ny olona hanatrika an’izay fivoriambe akaiky azy. Tsy hisy vidim-pidirana na fanantazan-drakitra any, toy ny any amin’ny fivoriana fanaon’ny Vavolombelon’i Jehovah ihany.

Azo jerena ato amin’ny jw.org, tranonkala ofisialin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ny daty sy ny toerana hanaovana an’ireo fivoriambe ireo. Azon’ny mpanao gazety atao ny manontany ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe iza ny olona azon’izy ireo anontaniana raha te hamoaka vaovao momba an’ilay fivoriambe izy ireo, ka misy fanazavana ilainy.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000