Hijery ny anatiny

Misy Filma na Hira na Boky Tsy Azon’ny Vavolombelon’i Jehovah Jerena na Henoina na Vakina Ve?

Misy Filma na Hira na Boky Tsy Azon’ny Vavolombelon’i Jehovah Jerena na Henoina na Vakina Ve?

 Tsia. Tsy mandinika filma na boky na hira izahay, mba hahitana hoe iza avy no tsy azon’ny olona jerena na vakina na henoina. Nahoana?

  Mampirisika ny olona tsirairay ny Baiboly mba hanazatra ny ‘fahaizany misaina’, amin’izay izy mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy.​—Hebreo 5:14.

  Misy toro lalana ao amin’ny Baiboly manampy ny Kristianina hifidy fialam-boly. a Miezaka ‘mamantatra tsara foana izay ankasitrahan’ny Tompo’ izahay, na inona na inona ataonay.​—Efesianina 5:10.

  Milaza ny Baiboly fa manana fahefana amin’ny ankohonany ny loham-pianakaviana. Azony atao àry ny tsy mamela azy ireo hanao an’izay fialam-boly hitany hoe tsy mety. (1 Korintianina 11:3; Efesianina 6:1-4) Ao anatin’ny fianakaviana ihany anefa izany no mihatra. Tsy azon’iza na iza atao ny mamoaka lalàna hoe ireto avy ny filma na boky na hira tsy azon’ny Vavolombelon’i Jehovah jerena na vakina na henoina.​—Galatianina 6:5.

a Raran’ny Baiboly, ohatra, izay zavatra rehetra misy resaka herin’ny maizina, na fijangajangana, na herisetra.​—Deoteronomia 18:10-13; Efesianina 5:3; Kolosianina 3:8.