Hijery ny anatiny

NISY NAMORONA VE?

Ny Nonon-dreny

Ny Nonon-dreny

 “Tsy hahasolo ny nonon-dreny mihitsy ny vovo-dronono namboarina ho an’ny zazakely”, hoy ny boky iray miresaka torohevitra ho an’ny vehivavy mampinono. Fa maninona ny nonon-dreny no tsara indrindra ho an’ny zanany? Satria vitan’ny vatany ny manova an’ilay ronono mba hifanaraka amin’izay ilain’ilay zazakely.

 Diniho izao: Miovaova ny zavatra ao anatin’ny nonon-dreny, isaky ny minono ilay zaza. Proteinina, vitaminina, mineraly ary rano, ohatra, amin’ny voalohany no betsaka ao amin’ilay ronono, isaky ny minono ilay zaza. Tavy indray anefa avy eo no lasa betsaka kokoa ao anatin’ilay ronono, dia lasa mahatsiaro hoe voky izy. Miovaova arakaraka ny taonan’ilay zaza sy ny vanim-potoana mihitsy aza ny nonon-dreny.

 Mitombo be mandritra ny alina ny hormonina sasany ao amin’ny nonon-dreny, ohatra hoe ny mélatonine. Mitombo be indray ny hormonina sasany mandritra ny andro. Miovaova ny hormonina ao anatin’ny nonon-dreny mandritra ny andro, dia izay no mahatonga an’ilay zaza ho taitra na hatory. Manampy an’ilay zaza ho zatra koa izany hoe rehefa inona izy no tokony hatory na hifoha.

 Mamoaka ronono somary mavomavo antsoina hoe colostrum na ranombatsy ny vehivavy, mandritra an’ireo andro vitsivitsy aorian’ny iterahany. Mora levonina sady be otrikaina ny ranombatsy, dia na dia kely amin’ilay izy fotsiny aza no tonga ao amin’ny vavony kelin’ilay zaza dia efa mitondra soa be ho an’azy. Be hery fiarovana koa ilay ranombatsy, dia voaro amin’ny aretina ilay zaza mbola marefo. Manampy an’ilay zaza mba ho poritra sy hamoaka maloto koa ilay izy, dia lasa madio ny taovam-pandevonan-kaniny.

 Tsy tokony hanahy ny reny hoe ho ampy ho an’ny zanany ve sa tsia ny nonony, na dia kambana aza ny zanany. Mitombo arakaraka izay ilain’ny zanany mantsy ny habetsahan’ny nonony.

 Ahoana ny hevitrao? Tongatonga ho azy ve ireo zavatra mampiavaka ny nonon-dreny, sa nisy namorona?