Hijery ny anatiny

16 AOGOSITRA 2019
DANEMARK

Nasian’ny Vavolombelon’i Jehovah Tranombakoka Momba ny Baiboly any Danemark

Nasian’ny Vavolombelon’i Jehovah Tranombakoka Momba ny Baiboly any Danemark

Nosokafana tamin’ny Jolay 2019 ny tranombakoka momba ny Baiboly, ao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Skandinavia. Any Holbæk, Danemark, no misy azy, izany hoe 65 kilaometatra eo ho eo avy any Copenhague. “Ny Baiboly sy ny Anaran’Andriamanitra any Skandinavia” no anaran’ilay tranombakoka.

Hita ao amin’ilay tranombakoka ny Baiboly manan-tantara sy vitsy mpanana amin’ny teny danoà, féroïen, groenlandey, islandey, norvezianina, saami, ary soedoà. Baiboly 50 mahery no hita ao amin’ilay tranombakoka.

Anisan’ny miavaka ilay Baibolin’i Gustav Vasa tamin’ny 1541, satria io no Baiboly manontolo voadika voalohany ho amin’ny fiteny ampiasaina any Skandinavia. Be dia be amin’ny voambolana sy fitsipi-pitenenana soedoà no nalaina avy amin’ny Baibolin’i Gustav Vasa. Io Baiboly io no nampiasaina mba handikana ny Baiboly amin’ny fiteny soedoà, nandritra ny 300 taona.

Baibolin’i Gustav Vasa (1541) ao amin’ilay tranombakoka

Anisan’ny Baiboly vitsy mpanana hita ao koa ny Baibolin’i Christian III tamin’ny 1550. Io no Baiboly manontolo voadika voalohany ho amin’ny fiteny danoà. Nisy vokany be teo amin’ny teny danoà io Baiboly io ary nisy vokany be tany amin’ny firenena maro any Eoropa Avaratra koa.

Baibolin’i Christian III (1550)

Hoy i Erik Jørgensen avy ao amin’ny biraon’ny sampan’i Skandinavia: “Hita amin’ilay tranombakoka momba ny Baiboly fa efa nanaja ny Tenin’Andriamanitra sy ilay anarany be voninahitra hoe Jehovah ny olona atỳ Skandinavia, nandritra ny taonjato maro.”