Hijery ny anatiny

12 JONA 2020
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Mahazo Sakafo Fanampiana ny Rahalahy sy Anabavy any Rwanda sy Zimbabwe Mandritra ny Fiparitahan’ny Coronavirus

Mahazo Sakafo Fanampiana ny Rahalahy sy Anabavy any Rwanda sy Zimbabwe Mandritra ny Fiparitahan’ny Coronavirus

Miara-miasa amin’ny anti-panahy ny biraon’ny sampan’i Rwanda sy Zimbabwe mba hanampiana ny rahalahy sy anabavy hahazo an’izay tena ilainy isan’andro. Betsaka mantsy no tsy manam-bola noho ny fiparitahan’ny coronavirus.

Rwanda

Nandefa filazana tany amin’ny anti-panahy ny Komitin’ny Sampan’i Rwanda tamin’ny 2 Aprily 2020. Nasaina nojeren’izy ireo sy nampiany izay rahalahy sy anabavy tsy manam-bola, vokatry ny fiparitahan’ilay aretina. Nanao fandaharana àry ny anti-panahy rehetra manerana an’i Rwanda mba hanomezana sakafo sy zavatra hafa tena ilain’ireo rahalahy sy anabavy ireo.

Komitin’ny Vonjy Rano Vaky (KVRV) 31 no natsangan’ny sampan’i Rwanda, tamin’ny tapatapaky ny volana Aprily. Ireto no nozarain’ny KVRV tamin’ny fianakaviana sahirana: Koban-katsaka, vary, tsaramaso, sira, siramamy, ary menaka. Fianakaviana 7 000 mahery izao no efa nahazo fanampiana.

Izao no nolazain’ny Ranabavy Nizeyimana Charlote sy ny zanany telo: “Misaotra betsaka mikarakara anay foana na amin’ny lafiny ara-panahy na ara-batana, amin’izao fotoan-tsarotra iparitahan’ny coronavirus izao. Tsy hitanay izay teny hilazana ny fihetseham-ponay!”

Mitantara ny rahalahy iray hoe inona no nitranga, tamin’ilay andro nahafantarany hoe hahazo fanampiana izy mianakavy. Hoy izy: “Safotry ny hanoanana ny vadiko tamin’izay. Niantso ahy avy eo ny rahalahy iray ary nilaza tamiko fa afaka maka sakafo ho anay mianakavy aho. Tsy nampoiziko mihitsy ilay izy dia tena gaga be aho. Nivavaka tamin’i Jehovah aho ny alina manontolo mba hisaotra azy.”

Zimbabwe

Efa nisy mosary tany Zimbabwe ka vao mainka nihamafy ilay izy rehefa niparitaka ny COVID-19.

Nanangana KVRV dimy ny sampan’i Zimbabwe mba hikarakarana ny fanampiana vonjy rano vaky. Nanao fandaharana koa ny sampana mba hahafahan’ny rahalahy sy anabavy manome sakafo sy zavatra hafa ho an’ny mpiara-manompo sahirana. Mizara an’ireo fanomezana ireo izao ny KVRV.

Ireto avy izao no efa voazaran’ny KVRV tamin’ny mpitory 7 319: Koban-katsaka 62 669 kilao, menaka 6 269 litatra, pirina maina 3 337 kilao, ary tsaramaso 5 139 kilao.

Misy mpivady iray efa mianatra Baiboly ary efa mivory tsy tapaka. Tsy ampy ny sakafon’izy mivady. Nanatitra sakafo ho azy ireo ilay rahalahy mampianatra Baiboly azy, ary tena nanohina ny fon’izy mivady izany. Vao avy niantso azy mivady ny pasiteran’izy ireo ny omalin’io mba hitaky rakitra satria mila miantsena, hono, ilay pasitera sy ny vadiny. Hitan’ilay mpivady mianatra Baiboly hoe tena tsy mitovy amin’ilay pasiterany ny Vavolombelon’i Jehovah ka nanapa-kevitra izy ireo hoe hiala tanteraka amin’ilay fiangonany.

Azo antoka hoe hitahy an’izao fandaharam-panampiana izao foana i Jehovah ka hahazo an’ilay ilainy ny rahalahy sy anabavy any Rwanda sy Zimbabwe.—Asan’ny Apostoly 11:29.