Hijery ny anatiny

Fonjan’i Gaète teo aloha, any Italia. Tao no nigadra noho ny finoany ny rahalahintsika sasany

9 JOLAY 2020
ITALIA

Noho ny Nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia Lasa Manaiky i Italia Hoe Manana Zo Tsy Hanao Miaramila ny Olona Iray Raha Tsy Eken’ny Feon’ny Fieritreretany Izany

Noho ny Nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia Lasa Manaiky i Italia Hoe Manana Zo Tsy Hanao Miaramila ny Olona Iray Raha Tsy Eken’ny Feon’ny Fieritreretany Izany

Betsaka ny firenena manaiky hoe manana zo tsy hanao miaramila ny olona iray raha tsy eken’ny feon’ny fieritreretany izany, ary anisan’izy ireny i Italia. Tsy hoatr’izany anefa ny tany amin’io firenena io taloha. Ny ohatra miavaka nasehon’ny Vavolombelon’i Jehovah no tena nahatonga an’i Italia hanaiky an’io zon’olombelona io.

Mbola nantsoina hanao miaramila foana ny lehilahy tany Italia, na dia am-polony taona taorian’ny Ady Lehibe II aza. Tamin’ny faran’ilay ady, tamin’ny 1946, dia 120 fotsiny ny Vavolombelon’i Jehovah nanerana an’ilay firenena. Nihabetsaka foana anefa izy ireo, dia nihabetsaka koa ny tanora Vavolombelona tsy nanaiky hanao miaramila satria tsy neken’ny feon’ny fieritreretany izany. Nianaran-dry zareo tao amin’ny Baiboly mantsy fa tsy tokony hidikiditra amin’ny ady sy ny politika izy ireo, tsy tokony hahery setra, ary tokony ho tia ny mpiara-belona aminy.

Be dia be ny rahalahy nogadraina satria tsy nety nanao miaramila. Vao haingana izay no nanao fanadihadiana momba an’ireny rahalahy ireny ny biraon’ny sampan’i Italia, ka hita tamin’izany fa 14 180 amin’izy ireo no mbola velona amin’izao fotoana izao. Raha atambatra ny fotoana nigadran’izy ireo dia mahatratra 9 732 taona, ary teo anelanelan’ny taona 1965 sy 1998 ny ankamaroan’izy ireo no nigadra.

Vavolombelon’i Jehovah ny “ankamaroan’ireo tanora nogadraina satria tsy nety nanao miaramila”, araka ny tenin’i Sergio Albesano, mpahay tantara mandalina momba ny olona tsy mety hanao miaramila, any Turin, any Italia. Nilaza koa izy fa tsy niova hevitra mihitsy ireo tanora Vavolombelona ireo, ka “be dia be ny olona lasa nahafantatra an’ilay olana.”

Te hahafantatra i Giulio Andreotti, praiministra italianina teo aloha, hoe inona no nahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah tsy hanaiky hanao miaramila. Nandeha nitsidika Vavolombelona vitsivitsy nogadraina àry izy, tamin’izy mbola Minisitry ny Fiarovam-pirenena tamin’ny 1959 ka hatramin’ny 1966. Izao no nosoratany tatỳ aoriana: “Tena nahavariana ahy ilay hoe nanaraka ny zavatra ninoany foana ry zareo sady tsy nety niditra tamin’ny politika mihitsy. Tsy mahagaga raha tsy nanaiky hanao miaramila izy ireo, sady vonona hiaritra tany am-pigadrana nandritra ny taona maro.”

Tamin’ny 1972 no nivoaka ny lalàna voalohany mamela ny olona tsy hanao miaramila. Afaka nanao fanompoana sivily àry izay olona tsy nanaiky hanao miaramila. Nampalahelo anefa fa ny miaramila ihany no niandraikitra an’ilay fanompoana sivily, dia mbola tsy nety tamin’ny rahalahintsika ny nanao an’ilay izy.

Namoaka lalàna indray ny fitondrana italianina tamin’ny 8 Jolay 1998 hoe azo atao ny manao fanompoana sivily tsy misy ifandraisany amin’ny miaramila. Izay ny Vavolombelon’i Jehovah vao afaka nanao an’ilay izy. Namoaka lalàna indray i Italia tamin’ny Aogositra 2004, ary voalaza tao fa tsy hantsoina hanao raharaha miaramila intsony ny lehilahy. Tamin’ny Janoary 2005 io lalàna io no nanomboka nihatra.

Betsaka ny manam-pahaizana mino fa ny Vavolombelon’i Jehovah no nahatonga ny lalàna italianina hiova. Anisan’izy ireny i Sergio Lariccia, mpisolovava sy mpampianatra lalàna any amin’ny Oniversiten’i La Sapienza, any Roma. Izao no nolazainy: “Nilaza ny mpitondra fivavahana sasany niara-niasa tamin’ny tafika fa ‘maniratsira firenena’ izay olona tsy mety manao miaramila, ary ‘tsy misy ifandraisany amin’ilay didy hoe tokony hifankatia ny Kristianina ilay izy, fa hakanosana tsotra izao.’ Be dia be anefa ny Vavolombelon’i Jehovah tsy nety niala tamin’ny zavatra ninoany, ka nahatonga ny lalàna sy ny fomba fisainan’ny olona hiova.”

Tsy ny lalàna italianina ihany no niova, rehefa tsy niala tamin’ny zavatra ninoany ireo rahalahintsika. Betsaka koa ny mpiambina fonja lasa Vavolombelon’i Jehovah, rehefa nahita ny toetra tsaran’ireo Vavolombelona voafonja. Anisan’izany i Giuseppe Serra. Nilaza izy hoe: “Lasa nianatra Baiboly aho rehefa nahita ny nataon’ireo tanora Vavolombelona nigadra.” Lasa Vavolombelon’i Jehovah izy tamin’ny 1972. (Jereo ny efajoro etsy ambany)

Tena faly isika fa be herim-po ireo rahalahintsika tany Italia sy ny fianakavian’izy ireo. Faly koa isika fa be dia be ny rahalahy maneran-tany miezaka mafy mba hanaraka an’ilay baiko hoe “tsy hianatra ady intsony.”—Isaia 2:4.