Hijery ny anatiny

11 FEBROARY 2021
LIBERIA

Navoaka Tamin’ny Teny Kisi ny Soratra Grika Kristianina

Navoaka Tamin’ny Teny Kisi ny Soratra Grika Kristianina

Navoaka tamin’ny teny kisi Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, tamin’ny 7 Febroary 2021. Nandritra ny herintaona sy tapany no nandikana azy io.

Ny Rahalahy Joseph Mensah, anisan’ny Komitin’ny Sampana any Liberia no namoaka an’ilay Baiboly, ary nalaina video mialoha ny fandaharana.

Tany amin’ny sampan’i Eoropa Afovoany no natao ny pirinty, ary nalefa tany Guinée sy Liberia ary Sierra Leone avy eo. Narahina tsara ny toromarika natao hiarovana amin’ny COVID-19 rehefa nozaraina tamin’ny mpitory miteny kisi ilay Baiboly. Misy 1 200 eo ho eo ny mpitory miteny kisi.

Ekipa iray nisy mpandika teny telo no nandika an’ilay Baiboly. Hoy ny iray amin-dry zareo: “Ho faly izao ny mpiara-manompo miteny kisi hamaky an’ilay Baiboly satria mora azo ilay izy. Hahasoa an’izay olona miteny kisi koa izy io satria hanampy azy hianatra ny fahamarinana sy ho tia an’izany.”

Hoy ny mpandika teny iray hafa: “Tena fanomezana miavaka avy amin’i Jehovah ilay Baiboly. Nataony ho an’ahy ilay izy, dia ho an’ny olon-kafa rehetra miteny kisi koa satria tiany daholo izahay.”

Matoky izahay hoe hanampy ny mpiara-manompo mba hihaino sy hankatò foana ny Tenin’Andriamanitra ilay fandikan-teny.—Jakoba 1:22.