Hijery ny anatiny

Ambony ankavia: Ilay taratasy nalefan’ny minisitry ny fampianarana, tamin’ny 15 Martsa 2023. Ambany: Ny sasany tamin’ireo ankizy Vavolombelona noroahina tany am-pianarana, sy ny ray aman-drenin’izy ireo

1 MEY 2023
RWANDA

Miaro ny Zon’ny Ankizy Hanana Fahalalahana Ara-pivavahana ny Minisitry ny Fampianarana any Rwanda

Miaro ny Zon’ny Ankizy Hanana Fahalalahana Ara-pivavahana ny Minisitry ny Fampianarana any Rwanda

Namoaka baiko ny minisitry ny fampianarana any Rwanda, tamin’ny 15 Martsa 2023 hoe tokony havela hiverina any an-tsekoly ny mpianatra Vavolombelon’i Jehovah. Tsy navela nankany an-tsekoly mantsy ireo mpianatra ireo satria tsy nanaiky handray anjara tamin’ny fotoam-pivavahana tany am-pianarana, noho ny feon’ny fieritreretany. Ankizy 80, fara fahakeliny, tamin’izay no voaroaka tany am-pianarana.

Nasain’ny minisitry ny fampianarana natsahatra ilay fandroahana mpianatra, ka nanoratra tany amin’ny ben’ny tanàna sy ny manam-pahefana any an-tsekoly eran’i Rwanda izy. Hoy izy momba ny Lalàm-panorenan’ny Repoblikan’i Rwanda: “Manana zo hianatra ny rwandais rehetra. Ny Fanjakana no miantoka ny fahalalahan’ny olona haneho hevitra, hanaraka ny feon’ny fieritreretany, hifidy ny fivavahany, ary hampiseho ny finoany amin’ny besinimaro.” Nanoratra koa ilay minisitra hoe na iza na iza manakana ankizy tsy hianatra, dia “manao fahadisoana ka azon’ny fanjakana sazina.” Nampahatsiahiviny koa ny manam-pahefana any an-tsekoly hoe “tsy misy mpianatra tokony horoahina any am-pianarana satria hoe naneho ny heviny, nanaraka ny feon’ny fieritreretany, na nanaraka ny fivavahany . . . Tsy maintsy atsahatry ny manam-pahefana àry ny fandroahana mpianatra, ary tokony haverina hianatra indray ny mpianatra noroahina.”

Anisan’ny mpianatra noroahina tany am-pianarana ny anabavy Jeanette Niyonkuru. Hoy izy: “Tsy nianatra nandritra ny herintaona aho, taorian’ny nandroahana ahy. Nahita sekoly nanaiky handray ahy ihany aho tamin’ny farany, nefa tsy maintsy nandeha an-tongotra adiny roa isan’andro vao tonga tany.” Tsy afaka nianatra intsony kosa izay tsy nahavita nandeha tany amin’ny sekoly lavitra be.

Noroahina tany am-pianarana koa ny ankizy anankitelo, zanaky ny Rahalahy Hakizimana mivady, satria tsy nety nandray anjara tamin’ny fotoam-pivavahana nasain’ny sekoly hatao. Hoy ny Rahalahy Hakizimana: “Nanoratra tany amin’ny mpiandraikitra an’ilay sekoly izahay saingy tsy namaly izy. Nanatona ny talen’ilay sekoly mihitsy izahay. Nohenoiny tsara ny zanakay rehefa nanazava ny zavatra inoany avy ao amin’ny Baiboly, nefa mbola tsy nilamina ihany ilay olana. Faly be izahay rehefa naheno ny toromarik’ilay minisitra. Nihaona tamin’ny manam-pahefana etỳ aminay izahay taorian’izay, dia navela hiverina hianatra indray ny zanakay.”

Faly isika satria namoaka an’io toromarika io ilay minisitry ny fampianarana any Rwanda. Miaro ny zon’ny Vavolombelon’i Jehovah mbola mianatra mantsy ilay izy. Miezaka ny hanana “feon’ny fieritreretana madio” ireny ankizy ireny, ka mahazo voninahitra ny anaran’i Jehovah.​—1 Petera 3:16.