Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tonga Tany Azia Atsimoatsinanana Ilay Mpitondra Hazavana

Tonga Tany Azia Atsimoatsinanana Ilay Mpitondra Hazavana

 Mbola tsy nisy Vavolombelon’i Jehovah nitory mihitsy tany Indonezia sy Malezia ary Papouasie-Nouvelle-Guinée teo am-piandohan’ny 1930. Ahoana àry no nahafahan’ny olona tany nandre ny vaovao tsara? Nividy sambolay misy maotera ny sampan’i Aostralia (sampan’i Aostralazia ankehitriny), ary nirefy 16 metatra izy io. Nomena anarana hoe Lightbearer (Mpitondra Hazavana) ilay sambo, satria hampiasaina mba hitondrana hazavana ara-panahy any amin’ny faritra lavitra be. (Matio 5:14-16) Mpisava lalana a fito no nitaingina an’ilay izy.

Nitory tany Nouvelle-Guinée

 Niainga tao Sydney, any amin’ny morontsiraka atsinanan’i Aostralia, ireo mpisava lalana ireo tamin’ny Febroary 1935, ary nizotra nankany Port Moresby, any Nouvelle-Guinée. Nanjono izy ireo teny an-dalana, ary nijanona teny amin’ny seranan-tsambo vitsivitsy mba haka solika sy hividy sakafo fanampiny ary hanamboatra ny simba. Niala tao Cooktown, any Queensland, izy ireo tamin’ny 10 Aprily 1935. Nalefan’izy ireo ny maoteran’ilay sambo rehefa handeha hamakivaky an’ilay Haran-dranomasina Lehibe mampidi-doza izy ireo. Nanomboka namoaka feo hafahafa anefa ilay maotera dia tsy maintsy novonoina. Hiverina ve ry zareo sa mbola hanohy ny diany ho any Nouvelle-Guinée ihany? Hoy i Eric Ewins, kapitenin’ilay sambo: “Tsy te hiverin-dalana izahay.” Novelarin-dry zareo àry ny lain-tsambo, dia roso indray ny dia. Tonga soa aman-tsara tao Port Moresby ny Lightbearer tamin’ny 28 Aprily 1935.

Ireo rahalahy nandeha tamin’ny Lightbearer, avy eo ankavia: William Hunter, Charles Harris, Alan Bucknell (ao aoriana), Alfred Rowe, Frank Dewar, Eric Ewins, Richard Nutley

 Namboarina ny maoteran’ilay sambo rehefa tonga tao Port Moresby. Ireo rahalahy kosa nanararaotra nitory ny vaovao tsara tao an-tanàna, ankoatra an’i Frank Dewar. Hoy i Frank, izay nantsoin’ny iray tamin’ireo rahalahy hoe “mpisava lalana mafy toto”: ‘Naka boky be dia be aho dia nandeha an-tongotra efa ho 32 kilaometatra angamba na mihoatra an’izany mba hitory tamin’ny mpifindra monina.’ Lalan-kafa avy eo no niverenany, ary tsy maintsy niampita renirano kely nisy voay izy. Nitandrina tsara anefa izy ka tafaverina soa aman-tsara tao an-tanàna ihany. Nody ventiny ny rano nantsakaina, tatỳ aoriana. Lasa Vavolombelon’i Jehovah mantsy ny sasany tamin’ireo olona nandray boky ara-baiboly tamin’izany fotoana izany.

Nitory tany Java

 Rehefa voamboatra ny maoteran’ilay sambo, dia niala tao Port Moresby ireo rahalahy ary nizotra nankany Java. Any Holandy any Atsinanan’i Inde (Indonezia ankehitriny) no misy azy io. Niantsona tao Batavia (Jakarta ankehitriny) ilay sambo tamin’ny 15 Jolay 1935, rehefa avy nijanona imbetsaka mba haka vatsy.

 Anisan’ny nandeha tamin’ny Lightbearer koa i Charles Harris. Nijanona tao Java anefa izy rehefa tonga tao ry zareo, ary nazoto nitory ny vaovao tsara eran’ilay nosy. b Hoy izy: “Ny nametraka boky ara-baiboly no tena nataonay tamin’izany, dia avy eo izahay nifindra tany amin’ny tanàna hafa indray. Nitondra boky sy gazety tamin’ny teny anglisy, arabo, holandey, indonezianina, ary sinoa aho. Tena tian’ny olona izy ireny ka nahatratra 17 000 ny boky sy gazety voazarako isan-taona.”

Ny Lightbearer

 Nazoto nitory be i Charles ka tsikaritry ny manam-pahefana holandey izany. Nisy manam-pahefana iray, indray mandeha, niresaka tamin’ny rahalahy iray nitory tany Java. Nanontany izy hoe firy ny Vavolombelon’i Jehovah mitory any Java Atsinanana, izany hoe any amin’ilay misy an’i Charles. “Iray ihany”, hoy ilay rahalahy. Nibetroka ilay manam-pahefana hoe: “Izaho ve dia hino an’izany? Tsy maintsy ho vahoaka be mihitsy no mitory any, matoa be dia be ny boky voazara etsy sy eroa!”

Nitory tany Singapour sy Malezia

 Niala tany Indonezia ny Lightbearer ary tonga tany Singapour tamin’ny 7 Aogositra. Nandefa lahateny ara-baiboly noraisim-peo ireo rahalahy isaky ny nijanona. Matanjaka be ny fanamafisam-peon’ilay sambo ka izay no nampiasain’izy ireo. Matetika io fomba fitory io nahasarika olona be dia be. Izao, ohatra, no noresahin’ilay gazety hoe Singapore Free Press: ‘Nisy feo nanakoako avy any an-dranomasina tamin’ny alarobia alina. Hay ilay izy toriteny nalefa avy tao amin’ilay sambo “Lightbearer.” Mandefa toritenin’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Singapour io sambo io hatramin’ny nahatongavany avy any Aostralia.’ Nilaza koa ilay gazety fa ‘raha tsara ny andro, dia heno tsara mihitsy ireny toriteny ireny, na dia any amin’ny telo na efatra kilaometatra miala eo aza.’

 Mbola nijanona tao Singapour ny Lightbearer. I Frank Dewar kosa lasa ary nandeha namonjy faritany vaovao. Hoy izy rehefa nahatsiaro ny fotoana nandehanany: “Tao amin’ilay sambo ihany izahay no nipetraka tamin’izahay nanomboka nitory tao Singapour. Tena nanaitra an’ahy ny zavatra notenenin’i Eric Ewins rehefa tonga amin’izay ny fotoana hiaingan’ny Lightbearer. Hozy izy hoe: ‘Frank a, ianao moa izany efa niteny hoe i Siam (Tailandy ankehitriny) no faritany nofidinao. Eto ny farany azonay anaterana anao, ka mahazo mandeha amin’izay ianao!’ Taitra be aho ka niakanakana sady niteny hoe: ‘Ka tsy haiko akory ange hoe aiza ho aiza no misy an’izany Siam izany e!’” Nilaza tamin’i Frank i Eric hoe ho tonga any izy raha mandeha lamasinina avy eo Kuala Lumpur, any Malezia ankehitriny. Nandeha nankany Kuala Lumpur àry i Frank ary tonga tany Tailandy volana vitsivitsy taorian’izay. c

 Namakivaky ny morontsiraka andrefan’i Malezia ny Lightbearer, ary nijanona tao Johore Bahru, Muar, Malacca, Klang, Port Swettenham (Port Klang ankehitriny), ary Penang. Nandefa lahateny ara-baiboly noraisim-peo avy tao amin’ilay sambo ireo rahalahy isaky ny nijanona. Hoy i Jean Deschamp, Vavolombelon’i Jehovah nanompo tany Indonezia tamin’izany: ‘Na zavatra avy any amin’ny planeta hafa aza tsy hahasarika olona be dia be hoatr’izany.’ Nidina avy tao amin’ilay sambo ireo rahalahy rehefa avy nandefa lahateny, ary nizara boky sy gazety tamin’ny olona liana.

Nitory tany Sumatra

 Namakivaky ny andilan-dranomasin’i Malacca ilay sambo rehefa avy tao Penang, ary nizotra nankany Medan, any Sumatra (any Indonezia ankehitriny). Hoy i Eric Ewins: “Nahafinaritra be anay ilay nijanona tao Medan, sady be dia be no nihaino ny vaovao tsara.” Boky sy gazety 3 000 teo ho eo no voazaran’ireo rahalahy tao amin’io faritra io.

 Nianatsimo ihany ny Lightbearer ary nandalo an’ireo seranan-tsambo lehibe tany amin’ny faritra atsinanan’i Sumatra. Nitory foana ireo rahalahy rehefa nijanona teny amin’ireny seranana ireny. Niverina tany Singapour ilay sambo tamin’ny Novambra 1936, ary tsy nandeha tamin’ilay izy intsony i Eric Ewins. Nanambady an’i Irene Struys, Vavolombelona nipetraka tany Singapour, i Eric herinandro vitsivitsy taorian’izay. Niara-nanao mpisava lalana tany Sumatra izy mivady avy eo. Nila kapiteny vaovao indray àry ny Lightbearer.

Nitory tany Bornéo

 I Norman Senior, tantsambo za-draharaha, indray no lasa kapitenin’ilay sambo. Tonga avy any Sydney izy tamin’ny Janoary 1937. Niala tao Singapour àry ireo rahalahy ary nankany Bornéo sy Célèbes (Sulawesi ankehitriny). Nitory tamin’ny toerana maro izy ireo rehefa tonga tany ka nandeha hatrany amin’ny 480 kilaometatra.

 Rehefa tonga teo amin’ny seranan-tsambon’i Samarinda, any Bornéo, ny Lightbearer, dia tsy namela an’ireo rahalahy hitory tao an-tanàna ny lehiben’ny seranana. Nohazavain’i Norman taminy anefa ny asa fitoriana ataontsika, ka nanaiky ihany izy ary nandray boky vitsivitsy mihitsy aza.

 Nisy mpitondra fivavahana iray koa, indray mandeha, nanasa an’i Norman hitory teny tao amin’ny fiangonany. Tsy nanao lahateny anefa i Norman, fa lahateny ara-baiboly noraisim-peo niisa dimy no nalefany tamin’ny grafofaonina. Tian’ilay mpitondra fivavahana ny zavatra henony, ka naka boky sy gazety vitsivitsy mihitsy izy mba homeny ny namany. Tsy faly tamin’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa ny mpitondra fivavahana hafa. Romotra izy ireo nahita an’ireo rahalahy sahy nitory, ary notereny mihitsy aza ny manam-pahefana mba tsy hamela ny Lightbearer hiditra any amin’ny seranana hafa.

Ny dia nataon’ny Lightbearer sy ny anarana niantsoana an’ireo tany tamin’izany

Niverina tany Aostralia

 Niverina tany Aostralia ny Lightbearer tamin’ny Desambra 1937, vokatr’ilay fandrarana nataon’ny mpitondra fivavahana. Tonga ara-potoana tao amin’ny seranan’i Sydney ireo rahalahy, ka afaka nanatrika an’ilay fivoriamben’ny vondrom-paritry ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny Aprily 1938. Tafaverina tao Sydney indray ny Lightbearer telo taona mahery taorian’ny nialany tao. Namidy ilay sambo teo am-piandohan’ny 1940, taoriana kelin’ny nandrarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Aostralia. Hoy ny Rahalahy Ewins: “Tena nahavita be ilay sambo.” Nilaza koa izy hoe ny fanompoana nataony tamin’izy nandeha tamin’ny Lightbearer no fotoana mamy indrindra teo amin’ny fiainany.

Namela lova sarobidy ny Lightbearer

 Namafy ny voan’ilay Fanjakana tany amin’ny faritra midadasika sady be mponina ireo rahalahy nandeha tamin’ny Lightbearer. Namoa tsikelikely ireny voa ireny, na dia teo aza ny fandrarana. (Lioka 8:11, 15) Misy mpitory 40 000 mahery mantsy izao any amin’ny tany nitorian’ireo mpisava lalana voalohandohany ireo. Namela lova sarobidy tokoa ireo rahalahy vitsivitsy be herim-po ireo sy ilay sambo mpitondra hazavana.

a Vavolombelon’i Jehovah mitory ny vaovao tsara manontolo andro no atao hoe mpisava lalana.

b Navoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona 1994 ny tantaram-piainan’i Charles Harris.