Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Halfpoint Images/Moment via Getty Images

MIAMBENA FOANA!

Mampitandrina ny Amin’ny Voka-dratsin’ny Tambazotran-tserasera eo Amin’ny Tanora ny Tompon’andraikitra Ambony Momba ny Fahasalamana: Inona no Lazain’ny Baiboly?

Mampitandrina ny Amin’ny Voka-dratsin’ny Tambazotran-tserasera eo Amin’ny Tanora ny Tompon’andraikitra Ambony Momba ny Fahasalamana: Inona no Lazain’ny Baiboly?

 Misy tompon’andraikitra ambony momba ny fahasalamana any Etazonia nilaza tamin’ny 23 Mey 2023 hoe misy vokany ratsy amin’ny tanora maro ny tambazotran-tserasera.

  •   “Mety hahasoa ny ankizy sy ny tanora sasany ny tambazotran-tserasera. Be dia be koa anefa ny porofo hoe mety hanimba be ny sain’izy ireo sy ny fahasalamany izy io.”​—Social Media and Youth Mental Health: The U.S. Surgeon General’s Advisory, 2023.

 Noresahin’io boky io ny voka-pikarohana mampiseho hoe inona avy no antony mampanahy momba ny tambazotran-tserasera.

  •   Ny ankizy 12 hatramin’ny 15 taona “nampiasa tambazotran-tserasera mihoatra ny adiny 3 isan’andro, dia atahorana kokoa ho voan’ny aretin-tsaina, anisan’izany ny ho lasa kivy be sy hitebiteby be.”

  •   Ny ankizy 14 taona “nampiasa tambazotran-tserasera be dia matetika no tsy ampy torimaso, nisy nanadala tao amin’ny Internet, nihevitra ny tenany ho ratsy tarehy sy ratsy bika, nihevitra ny tenany ho tsisy dikany koa, ary lasa kivy be. Dia ny ankizivavy no betsaka kokoa nanao hoatran’izany.”

 Inona àry no azon’ny ray aman-dreny atao mba hiarovana ny zanany amin’izany? Ireto misy torohevitra tena manampy avy ao amin’ny Baiboly.

Inona no azon’ny ray aman-dreny atao?

 Fantaro ny zava-misy. Fantaro hoe inona no mety hahavoa ny zanakao ao amin’ny tambazotran-tserasera, amin’izay ianao afaka manapa-kevitra raha tokony hampiasa azy io ny zanakao na tsia.

 Raha avelanao hampiasa tambazotran-tserasera ny zanakao, dia fantaro hoe inona avy ny zavatra mety hampidi-doza ao amin’ilay izy, dia jereo hoe inona avy no ataon’ny zanakao ao. Ahoana no hanaovanao an’izany?

 Arovy amin’izay zavatra mety hanimba azy ny zanakao. Ampiofano ny zanakao mba hahafantatra hoe inona avy no mety hanimba azy ao amin’ny tambazotran-tserasera, dia ahoana no hatao mba tsy hidirana amin’izany.

  •   Torolalan’ny Baiboly: “Aza avela hotononina eo aminareo akory izay resaka momba ny fijangajangana sy izay rehetra mety ho fahalotoana na faniriana tsy mety afa-po. ... Aza avela hotononina koa izay fitondran-tena mahamenatra na resaka adaladala na vazivazy vetaveta.”​—Efesianina 5:3, 4.

  •   Raha te hahita soso-kevitra afaka manampy anao ianao, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Ampianaro ny Zanakao mba ho Voaro Rehefa Mampiasa Tambazotran-tserasera.”

 Asio fetrany ilay izy. Fero, ohatra, ny fotoana ampiasan’ny zanakao tambazotran-tserasera, dia isaky ny inona izy no mahazo mampiasa an’ilay izy.

  •   Torolalan’ny Baiboly: “Mitandrema tsara foana amin’izay ataonareo, mba ho hita hoe hendry ianareo ..., ka ampiasao tsara ny fotoananareo.”​—Efesianina 5:15, 16.

  •   Ampiasao ilay kisarisary hoe Mbà Fetsifetsy Amin’ny Internet! mba hanampiana ny zanakao hahazo hoe nahoana no mila ferana ny fotoana ampiasana ny tambazotran-tserasera.