Amosa 9:1-15

  • Tsy hisy ho afaka handositra ny didim-pitsaran’Andriamanitra (1-10)

  • Hatsangana ny trano rantsankazon’i Davida (11-15)

9  Nahita an’i Jehovah+ teo ambonin’ny alitara aho. Ary hoy izy: “Kapohy eo amin’ny lohany ny andry dia hihozongozona ny fotony. Tapaho eo amin’ny lohany ireo, ary hovonoiko amin’ny sabatra ny olona sisa tavela. Tsy hisy ho tafavoaka na izay mandositra na izay mitady hitsoaka.+   Raha mangady lavaka ho any amin’ny Fasana* izy ireo,Dia any no hakan’ny tanako azy.Ary raha miakatra eny amin’ny lanitra izy,Dia avy eny no hampidinako azy.   Raha miafina eny an-tampon’i Karmela izy,Dia eny no hikarohako sy hakako azy.+ Ary raha miafina any amin’ny farany ambany amin’ny ranomasina izy mba tsy ho hitako,Dia any ny bibilava no hasaiko hanaikitra azy.   Raha entina babo any amin’ny tanin’ny fahavalony izy,Dia any ny sabatra no hasaiko hamono azy.+Hifantoka aminy ny masoko mba hanisy ratsy azy, fa tsy hanao soa.+   Fa i Jehovah Tompon’ny tafika sady Tompo Fara Tampony no mikasika ny tany,Ka hihozongozona izy io,+ ary hisaona ny mponina rehetra eo aminy.+Hisondrotra toy ny ranon’i Neily ny tany manontolo,Sady hihena hoatran’i Neily any Ejipta.+   ‘Ilay manao ny tohatra mankany an-danitra,Sy manao tafo boribory* eo ambonin’ny tany,Ilay miantso ny ranomasinaMba handraraka azy eny ambonin’ny tany.+Jehovah no anarany.’+   ‘Tsy mitovy amin’ny taranaky ny Kosita ihany ve ianareo amiko, ry vahoakan’Israely?’, hoy i Jehovah. ‘Angaha tsy izaho no nitondra ny Israely avy tany Ejipta,+Sy nitondra ny Filistinina avy tany Kreta,+ ary ny Syrianina avy tany Kira?’+   ‘Mijery an’ilay fanjakana mpanota ny mason’i Jehovah Tompo Fara Tampony,Ka hofoanany tsy hisy intsony eny ambonin’ny tany izy io.+ Tsy haringako tanteraka anefa ny taranak’i Jakoba’,+ hoy i Jehovah.   ‘Hanome baiko aho,Ka hohozongozoniko eny amin’ny firenena rehetra ny taranak’Israely,+Hoatran’ny manozongozona sivana,Mba tsy hisy vatokilonjy hilatsaka amin’ny tany. 10  Ho fatin’ny sabatra ny mpanota rehetra amin’ny vahoakako,Dia izay milaza hoe: “Tsy hanakaiky anay na hahatratra anay ny loza.”’ 11  ‘Amin’izany andro izany, dia hatsangako ny trano rantsankazon’i* Davida+ izay efa nirodana,Ary hotampenako izay gorobaka.*Haveriko amin’ny laoniny izay sisa tsy rava tamin’ilay izy.Hamboariko indray ilay izy dia ho lasa hoatran’ny taloha,+ 12  Amin’izay mba ho azony alaina ny sisa tavela amin’i Edoma,+Sy ny firenena rehetra izay antsoina amin’ny anarako’, hoy i Jehovah, izay hanao an’izany. 13  ‘Ho avy ny andro’, hoy i Jehovah,‘Ka ho tratran’ny mpiasa tany ny mpijinja,Ary ho tratran’ny mpanitsakitsaka voaloboka ny mpamafy voa.+Hisy divay mamy hitete eny an-tendrombohitra,+Ka hikoriana eny amin’ny* havoana rehetra.+ 14  Hampodiko izay babo amin’ny Israely vahoakako.+Haorin’izy ireo indray ny tanàna rava, ka ao izy no hipetraka.+Hamboly voaloboka koa izy ireo ka hisotro ny divay azo avy amin’izany,+Sady hanao zaridaina ka hihinana ny vokatra amin’izany.+ 15  ‘Hamboleko eo amin’ny taniny izy ireo,Ka tsy hongotana hiala amin’ilay tany nomeko azy intsony’,+Hoy i Jehovah Andriamanitrao.”

Fanamarihana

Jereo F.T.
Na: “manao andohalambo.”
Na: “tranolain’i; tranokelin’i.”
Na: “izay gorobaka eo amin’izy ireo.”
Abt: “hitsonika ny.”