Habakoka 3:1-19

  • Nivavaka i Habakoka mba hanao zavatra i Jehovah (1-19)

    • Hamonjy ny vahoakany voahosotra i Jehovah (13)

    • Hifaly noho ny amin’i Jehovah na dia misy fahoriana aza (17, 18)

3  Ny vavak’i Habakoka mpaminany izay nataony hira fisaonana:   Jehovah ô, efa henoko izay nolazain’ny olona momba anao. Matahotra be aho noho izay nataonao, Jehovah ô! Velomy indray izany mandritra an’ireo taona.* Ampahafantaro izany mandritra an’ireo taona.* Enga anie ho tadidinao ny hamindra fo, ao anatin’ny korontana be!+   Tonga avy tany Temana Andriamanitra,Ary avy tany amin’ny Tendrombohitra Parana Ilay Masina.+ (Sela)* Nanarona ny lanitra ny voninahiny,+Ary nidera azy ny olona eran-tany.   Hoatran’ny hazavana ny famirapiratany.+ Tara-pahazavana roa no nanjelanjelatra avy teny an-tanany,Ary teny ny heriny no niafina.   Areti-mandringana no nandeha teo alohany,+Ary fanaviana mahery no nanaraka tao aoriany.   Nijanona izy dia nohozongozoniny ny tany.+ Nijery izy dia nitsamboatra ireo firenena.+ Potipotika ireo tendrombohitra efa nisy hatrizay,Ary niondrika ireo havoana efa nisy taloha.+ Eo amin’ny lalana efa nisy hatry ny ela be Izy no mandeha.   Hitako fa nisy loza tao amin’ny tranolay any Kosana, Ary nangovitra ny tranolay any Midianina.+   Amin’ny renirano ve, Jehovah ô,Amin’ny renirano ve ianao no tezitra be? Sa ianao misafoaka amin’ny ranomasina?+ Fa nitaingina ny soavalinao ianao,+Ary ny kalesinao no nandresy.*+   Nesorina tamin’ny tranony ny tsipìkanao ka efa vonona. Efa voaomana ny kibay* sady natao ny fianianana.* (Sela) Renirano no nampiasainao hampitresaka ny tany. 10  Nanaintaina be ny tendrombohitra rehefa nahita anao.+ Avy be ny orana ka nisy riaka be. Nitabataba be ny rano lalina,+ Sady nanandratra ny tanany. 11  Tsy nihetsika teny amin’ny toerany eny ambony ny masoandro sy ny volana.+ Nandeha haingana hoatran’ny hazavana ny zana-tsipìkanao,+ Ary namirapiratra sady nanjelanjelatra ny lefonao. 12  Tezitra be ianao tamin’ianao nitety ny tany. Tezitra koa ianao rehefa nanitsakitsaka* an’ireo firenena. 13  Nivoaka ianao mba hamonjy ny vahoakanao, dia ny voahosotrao. Dia nataonao torotoro ilay lehiben’ny* tranon’ny ratsy fanahy. Narodana hatrany amin’ny fototra ka hatrany amin’ny tafo* ilay izy. (Sela) 14  Ny fiadiany* ihany no nanindronanao ny lohan’ny miaramilany,Tamin’izy ireo nanao rodobe sady tezitra mba hanaparitaka ahy. Faly be izy ireo nandrapaka olona mijaly, tany amin’ny toerana miafina. 15  Nitaingina ny soavalinao ianao ka nandeha teny amin’ny ranomasina,Teny amin’ny rano manonja be. 16  Nandre aho dia nangovitra,*Sady nipararetra ny molotro. Nihalò ny taolako,+Ary nangozohozo ny tongotro. Tony anefa aho miandry ny andro fahoriana,+Satria hamely an’ilay vahoaka manafika antsika izany. 17  Na tsy mamony aza ny aviavy,Ary tsy mamoa ny voaloboka,Na tsy mamokatra koa aza ny oliva,Ary tsy mahavokatra sakafo ny tanimboly,*Na tsy misy ondry intsony aza ao am-bala,Sady tsy misy omby ao am-pahitra, 18  Dia mbola ho falifaly foana aho noho ny amin’i Jehovah,Sady ho ravoravo foana noho ny amin’ilay Andriamanitra mpamonjy ahy.+ 19  I Jehovah Tompo Fara Tampony no heriko.+Hataony hoatran’ny tongotry ny serfa ny tongotro,Ary hampandehaniny eny amin’ny toerana avo aho.+

Fanamarihana

Na mety hoe “amin’ny andronay.” Abt: “eny antenatenan’ireo taona.”
Na mety hoe “amin’ny andronay.” Abt: “eny antenatenan’ireo taona.”
Jereo F.T.
Na: “namonjy.”
Na mety hoe “zana-tsipìka.”
Na mety hoe “Efa voalaza ny fianianan’ireo foko.”
Abt: “nanosihosy.”
Abt: “lohan’ny.”
Abt: “hatoka.”
Abt: “tehiny.”
Abt: “nikorontana ny kiboko.”
Na: “tanimboly mikitohatohatra.”