Ho An’ny Romanina 4:1-25

  • Naneho finoana i Abrahama, ka nambara hoe olo-marina (1-12)

    • Abrahama, ilay rain’izay rehetra manam-pinoana (11)

  • Nahazo an’ilay fampanantenana satria nanam-pinoana (13-25)

4  Raha izany àry, inona no holazaintsika fa azon’i Abrahama, ilay razambentsika ara-nofo?  Raha nambara hoe olo-marina i Abrahama noho ny zavatra nataony, dia ho nanana antony nireharehana izy. Tsy ho afaka nirehareha teo anatrehan’Andriamanitra anefa izy.  Fa inona no lazain’ny Soratra Masina? “Naneho finoana an’i Jehovah* i Abrahama, ka nekena hoe olo-marina.”*+  Ho an’izay miasa, dia tsy heverina* hoe hatsaram-panahy miavaka ny karama omena azy, fa zavatra* tsy maintsy aloa aminy.  Fa ho an’izay tsy miasa* kosa nefa mino an’Ilay manambara ny ratsy fanahy hoe olo-marina, dia ekena ho olo-marina izy satria manam-pinoana.*+  I Davida koa nilaza fa sambatra izay eken’Andriamanitra* hoe olo-marina na dia tsy noho ny zavatra ataony aza. Hoy izy:  “Sambatra izay voavela ny helony, ary voasarona* ny fahotany.  Sambatra ny olona izay tsy hisain’i Jehovah* mihitsy ny fahotany.”+  Ny voafora ihany àry ve izany no afaka ny ho sambatra hoatr’izany, sa ny tsy voafora koa?+ Hoy mantsy isika: “Nekena* hoe olo-marina i Abrahama satria nanam-pinoana.”+ 10  Oviana àry izy no nekena* hoe olo-marina? Tamin’izy efa voafora sa tamin’izy mbola tsy voafora? Tsy tamin’izy efa voafora, fa tamin’izy mbola tsy voafora. 11  Ary nahazo famantarana+ izy, dia ny famorana. Io no antoka* hoe olo-marina izy satria nanam-pinoana tamin’izy mbola tsy voafora. Dia izany no nahatonga azy ho lasa rain’izay rehetra manam-pinoana+ nefa tsy voafora, mba heken’Andriamanitra* hoe olo-marina ireny. 12  Dia izany koa no nahatonga azy ho lasa rain’ny taranaka voafora, ary tsy hoe rain’izay mpandala ny famorana ihany, fa izay mampiseho amin’ny fomba fiainany koa hoe manana finoana hoatran’ny an’i Abrahama+ raintsika tamin’izy mbola tsy voafora. 13  Tsy hoe satria nankatò lalàna i Abrahama na ny taranany dia nampanantenaina hoe handova tontolo iray,+ fa satria nekena hoe olo-marina izy noho izy nanam-pinoana.+ 14  Fa raha izay manaraka lalàna no mpandova, dia lasa tsy misy ilana azy ny finoana, sady foana ilay fampanantenana. 15  Mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra mantsy ny Lalàna,+ satria rehefa tsy misy lalàna, dia tsy misy fandikan-dalàna.+ 16  Noho izany, dia nahazo an’ilay fampanantenana i Abrahama satria nanam-pinoana, ary hatsaram-panahy miavaka no nahazoany an’izany.+ Amin’izay dia azo antoka fa ho tanteraka amin’ny taranany rehetra ilay fampanantenana,+ tsy ho an’izay manaraka ny Lalàna ihany, fa ho an’izay mampiseho finoana hoatran’ny an’i Abrahama raintsika rehetra koa.+ 17  —Izao mantsy no voasoratra: “Notendreko ho rain’ny firenena maro ianao.”+— Natao teo imason’ilay Andriamanitra ninoany izany, dia Ilay mamelona ny maty ary milaza ny zavatra mbola tsy mitranga ho toy ny efa mitranga.* 18  Mbola nanantena ihany i Abrahama na dia hoatran’ny tsy nisy azo nantenaina intsony aza, ka nino hoe mety ho lasa rain’ny firenena maro izy, araka ilay voalaza hoe: “Ho tahaka izany ny taranakao.”+ 19  Ary na dia tsy nihanalemy aza ny finoany, dia fantany fa toy ny efa maty ny vatany,—efa 100 taona teo ho eo mantsy i Abrahama+—ary efa maty* koa ny kibon’i Saraha.+ 20  Efa nampanantena anefa Andriamanitra, ka nino i Abrahama fa tsy nisalasala mihitsy. Dia nahazo hery izy noho ny finoany, ka nanome voninahitra an’Andriamanitra, 21  ary niaiky tanteraka fa vitan’Andriamanitra ny manatanteraka an’izay nampanantenainy.+ 22  Koa “nekena* hoe olo-marina izy.”+ 23  Tsy ho azy ihany anefa no nanoratana an’ilay hoe: “Nekena* hoe olo-marina izy”,+ 24  fa ho antsika koa. Natao ho antsika koa izany, satria mino an’Ilay nanangana an’i Jesosy Tompontsika tamin’ny maty isika.+ 25  Fa natolotra ho faty noho ny helotsika izy,+ ary natsangana tamin’ny maty mba hanambarana antsika hoe olo-marina.+

Fanamarihana

Na: “nisaina ho fahamarinany izany.”
Jereo F.F. A5.
Na: “isaina.”
Na: “trosa.”
Izany hoe tsy miantehitra amin’izay ataony.
Na: “dia isaina ho fahamarinany ny finoany.”
Na: “isain’Andriamanitra.”
Na: “voavela.”
Jereo F.F. A5.
Na: “Nisaina.”
Na: “nisaina.”
Abt: “tombo-kase.”
Na: “hisain’Andriamanitra.”
Na mety hoe “ary mampisy ny zavatra tsy misy.”
Na: “ary momba.”
Na: “nisaina.”
Na: “Nisaina.”