Hijery ny anatiny

Hifankatia ve ny Olona Rehetra Indray Andro Any?

Hifankatia ve ny Olona Rehetra Indray Andro Any?

Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 35

Hifankatia ve ny Olona Rehetra Indray Andro Any?

Nihamangatsiaka ny Fitiava-namana

OLONA an-tapitrisany maro no mahatsiaro ho nafoin’ny rehetra sy faran’izay ory, tsy mahita itodihana mba hahazoana fanampiana. Nanao izao fanamarihana izao ny vehivavy mpandraharaha iray efa misotro ronono: ‘Indray takariva, dia nandondòna teo am-baravarako ny vehivavy maty vady iray izay iray rihana tamiko, ka nilaza fa nanirery, hono, izy. Nilaza taminy tamim-pahalalam-pomba nefa nivantana aho fa be atao. Niala tsiny izy noho ny nanelingelenany ahy ary nandeha.’

Nampalahelo fa ny alin’iny, dia namono tena ilay vehivavy maty vady. Nilaza ilay vehivavy mpandraharaha taorian’izany hoe: ‘Anatra ho ahy izay’.

Mampahonena matetika ny tsy fisian’ny fitiava-namana. Nandritra ireo fifamelezana ara-poko tany Bosnia-Herzegovina, anisan’i Iogoslavia teo aloha, dia olona maherin’ny iray tapitrisa no voatery nandao ny tranony ary an’aliny maro no novonoina. Novonoin’iza? “Ireo mpiara-monina taminay ihany”, hoy ny fitarainan’ny tovovavy iray izay voatery nandao ny vohitra nisy azy. “Fantatray izy ireny”.

Tatsy Rwanda, dia olona ana hetsiny maro no naripaka, ary naripaky ny mpiara-monina aminy ihany matetika. “Niara[-nonina] ny Hutu sy ny Tutsi, nifanambady, tsy niraharaha na nahafantatra akory aza hoe iza no Hutu ary iza no Tutsi”, hoy ny tatitra nataon’ny The New York Times. “Tampoka teo, dia nisy zavatra nitsimbadika”, ary dia “nanomboka ilay famonoana olona”.

Mitovy amin’izany koa, ny Jiosy sy ny Arabo any Israely dia miara-monina, kanefa maro no mifankahala. Tsy misy hafa amin’izany ihany koa ny tarehin-javatra eo amin’ny Katolika sy ny Protestanta maro any Irlande ary eo amin’ny olona hafa mihamitombo isa any an-tany hafa. Mbola tsy nisy mihitsy fotoana teo amin’ny tantara, tsy nisian’ny fitiavana toy izao.

Nahoana no Nihamangatsiaka ny Fitiava-namana?

Manome ny valiny ny Mpamorona antsika. Ny Teniny, ny Baiboly, dia miantso ny fotoana iainantsika hoe “ny andro farany”. Izany dia fe-potoana izay tsy hananan’ny olona “firaiketam-po voajanahary”, araka ny lazain’ny faminanian’ny Baiboly. Momba izao ‘fotoan-tsarotra tsy mora setraina’ izao, antsoina koa hoe “fifaranan’ny fandehan-javatra” ao amin’ny Soratra Masina, dia nanambara mialoha i Jesosy Kristy fa “hihamangatsiaka ny fitiavan’ny ankamaroan’ny olona”. 2 Timoty 3:1-5, NW; Matio 24:3, 12, NW.

Ny tsy fisian’ny fitiavana amin’izao andro izao dia iray amin’ireo porofo manamarina fa miaina amin’ny andro faran’itỳ tontolo itỳ isika. Soa ihany fa izany koa dia midika fa hisolo toerana tsy ho ela an’itỳ tontolo voaforon’ny olona tsy tia an’Andriamanitra itỳ ny tontolo vaovao marina iray hotapahin’ny fitiavana. — Matio 24:3-14; 2 Petera 2:5, NW; 3:7, 13, NW.

Kanefa, tena manana antony hinoana tokoa ve isika fa hisy ny fiovana toy izany — fa ho afaka ny hianatra hifankatia sy hiara-monina amim-pihavanana ny olona rehetra?

Fitiava-namana — Zavatra Tena Misy

“Iza ary no namako?”, hoy ny fanontanian’ny mpahay lalàna iray tamin’ny taonjato voalohany tamin’i Jesosy. Tsy isalasalana fa nantenainy ny hilazan’i Jesosy hoe: ‘Ireo Jiosy tahaka anao’. Kanefa, tao amin’ny tantara iray momba ny Samaritana iray tia namana, dia nasehon’i Jesosy fa namantsika koa ny olona hafa firenena. — Lioka 10:29-37; Jaona 4:7-9.

Noantitranterin’i Jesosy fa, nanarakaraka ny fitiavana an’Andriamanitra, dia ny fitiava-namana no tokony hanapaka ny fiainantsika. (Matio 22:34-40). Kanefa, mba efa nisy antokon’olona tena tia marina ny mpiara-belona taminy ve? Nanao izany ireo Kristiana tany am-boalohany! Voamarika noho ny fitiavana nananany ho an’ny hafa izy ireo. — Jaona 13:34, 35.

Ahoana ny amin’izao andro izao? Mampihatra ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy ve ny olona na iza na iza? Manao izao fanamarihana izao ny Encyclopedia Canadiana: “Ny Kristianisma tany am-boalohany narahin’i Jesosy sy ny mpianany dia hita velona indray sy tafaorina indray eo amin’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah (...). Mpirahalahy avokoa izy rehetra.”

Inona no dikan’izany? Midika izany fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy mamela na inona na inona — na firazanana, na firenena, na fiaviana ara-poko — hahatonga azy ireo hankahala ny namany. Tsy hamono olona, na iza na iza, koa izy ireo, satria efa nanefy ara-panoharana ny sabany ho fangady sy ny lefony ho fanetezam-boaloboka. (Isaia 2:4). Ny Vavolombelona, raha ny marina, dia voamarika noho ny fanaovany dingana voalohany mba hanampy ny hafa. — Galatiana 6:10.

Tsy mahagaga raha nanao izao fanamarihana izao ny lahatsoratry ny mpampanonta tao amin’ny Sacramento Union any Kalifornia: “Ampy ny milaza fa raha niaina araka ny foto-pinoan’ny Vavolombelon’i Jehovah izao tontolo izao manontolo, dia hifarana ny fandatsahan-dra sy ny fankahalana, ary hanjaka ny fitiavana.” Nanao izao fanamarihana izao ny mpanoratra iray tao amin’ny gazetiboky Ring any Hongria: “Tonga amin’ny fanatsoahan-kevitra aho fa raha tsy misy afa-tsy Vavolombelon’i Jehovah eto ambonin’ny tany, dia hitsahatra ny ady, ka ny hany asa hataon’ny polisy dia ny mandamina ny fifamoivoizana sy ny mamoaka pasipaoro.”

Ekena anefa fa hilaina ny fiovana goavana maneran-tany, raha tiana ny hifankatiavan’ny olona rehetra. Ahoana no hitrangan’izany fiovana izany? (Jereo ny pejy farany, aza fady.)

Rehefa Hifankatia ny Olona Rehetra

Asehon’ny vavaka iray nampianarin’i Jesosy Kristy fa efa antomotra ny fiovana iray manaitra. Tao amin’ilay Toriteniny nalaza teo An-tendrombohitra, dia nampianatra antsika hivavaka toy izao i Jesosy: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” — Matio 6:10.

Inona no atao hoe Fanjakan’Andriamanitra? Tena fitondram-panjakana iray izay manapaka avy any an-danitra izy io. Izany no antony iantsoana azy io hoe “ny fanjakan’ny lanitra”. I Jesosy, ilay “Andrian’ny fiadanana” no notendren’ny Rainy ho Mpanapaka azy io. — Matio 10:7; Isaia 9:5, 6; Salamo 72:1-8.

Rehefa tonga ny Fanjakan’Andriamanitra, inona no hanjo an’itỳ tontolo feno fankahalana itỳ? ‘Izany fanjakana izany dia hanorotoro sy handevona’ ireo fitondram-panjakana rehetra tsy misy fahitsiana eo amin’izao tontolo izao. (Daniela 2:44). Manazava toy izao ny Baiboly: “Mandalo izao fiainana izao (...) fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” — 1 Jaona 2:17.

Momba ny tontolo vaovaon’Andriamanitra, dia hoy ny Baiboly: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” (Salamo 37:9-11, 29; Ohabolana 2:21, 22). Ho vanim-potoana hahatalanjona re izany! “Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana”. (Apokalypsy 21:4). Na dia ireo maty aza dia ho velona indray, ary ho zary paradisa ara-bakiteny ny tany manontolo. — Isaia 11:6-9; Isaia 35:1, 2; Lioka 23:43, NW; Asan’ny Apostoly 24:15.

Mba hiainana ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra, dia tsy maintsy mifankatia isika, dia araka ny ampianarin’Andriamanitra antsika. (1 Tesaloniana 4:9). Hoy ny mpianatra Baiboly iray avy any Atsinanana: ‘Tsy andriko izay hahatongavan’ny fotoana izay ho nianaran’ny olona rehetra hifankatia, araka ny ampanantenain’ny Baiboly.’ Ary afaka matoky isika fa hanatanteraka ireo fampanantenany Andriamanitra! “Sady efa niteny izany Aho”, hoy izy, “no hahefa azy.” — Isaia 46:11.

Kanefa, mba hahazoana ireo fitahiana eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia tsy maintsy mandray fahalalana ao amin’ny Baiboly ianao, toy ny ataon’ny olona tso-po an-tapitrisany maro maneran-tany. (Jaona 17:3). Hanampy anao ilay bokikely 32 pejy hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? Afaka mahazo iray amin’izy io ianao amin’ny famenoana ny tapakila ao amin’ny pejy eo aloha sy amin’ny fandefasana izany any amin’ny adiresy voalaza ao.

□ Ho tiako ny hahazo ny bokikely Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? Ampiarahiko amin’itỳ tapakila itỳ ny hajia 500 FMG ho fandraisana anjara amin’ny fandefasana azy.

□ Mba anoraty aho, aza fady, momba ny fianarana Baiboly maimaim-poana atỳ an-tokantranoko.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]

Mpitifitra mitokana sy fandevenana any Bosnia: Reuters/Corbis-Bettmann