Hijery ny anatiny

Ho Ringana Tsy ho Ela ny Fivavahan-diso!

Ho Ringana Tsy ho Ela ny Fivavahan-diso!

Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 37

Hafatra ho An’izao Tontolo Izao

Ho Ringana Tsy ho Ela ny Fivavahan-diso!

▪ Inona no atao hoe fivavahan-diso?

▪ Ahoana no handringanana azy io?

▪ Inona no ho vokatr’izany eo aminao?

Inona no atao hoe fivavahan-diso?

Kivy ve ianao mahita ny heloka bevava atao amin’ny anaran’ny fivavahana? Mifanohitra tanteraka amin’ny atao hoe rariny ve ny fahitanao ireo ady sy fampihorohoroana ary zava-dratsy hafa, ataon’ny olona milaza ho mpanompon’Andriamanitra? Nahoana ny fivavahana no toa mahatonga olana maro be toy izany?

Tsy ny fivavahana rehetra no tompon’andraikitra amin’izany, fa ny fivavahana diso. Nilaza i Jesosy Kristy fa mahatonga ny olona hanao ratsy ny fivavahan-diso, toy ‘ny hazo ratsy [izay] mamoa voa ratsy.’ (Matio 7:15-17) Mamoa voa manao ahoana ny fivavahan-diso?

Ny Fivavahan-diso dia ...

MANDRAY ANJARA AMIN’NY ADY SY NY POLITIKA: Izao no lazain’ny gazety Vaovaon’i Azia (anglisy): “Na atỳ Azia na any an-tany hafa, ireo mpitondra fivavahana fatra-paniry fahefana dia manararaotra ny fitiavan’ny olona fivavahana, mba hahazoany izay tadiaviny.” Mampitandrina àry ilay gazety, fa “atahorana hisafotofoto tanteraka izao tontolo izao” vokatr’izany. Nanambara toy izao ny mpitondra fivavahana iray fanta-daza any Etazonia: “Tsy maintsy vonoina ny mpampihorohoro mba tsy hamonoany olona intsony.” Inona no soso-kevitra nomeny? “Aringano amin’ny anaran’ny Tompo izy rehetra”, hoy izy. Ny Baiboly kosa anefa milaza hoe: “Raha misy manao hoe: ‘Tia an’Andriamanitra aho’, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy.” (1 Jaona 4:20) Nilaza mihitsy aza i Jesosy hoe: “Tiavo foana ny fahavalonareo.” (Matio 5:44) Firifiry anefa ny fivavahana mandray anjara amin’ny ady!

MAMPIELY FAMPIANARAN-DISO: Milaza ny ankamaroan’ny fivavahana fa manana fanahy tsy mety maty ny olona. Ampiasain’izy ireo izany mba hanararaotana ny mpiangona ao aminy, izay ampandoaviny vola ho takalon’ny fanaovana fotoam-pivavahana ho an’ny maty. Izao kosa anefa no voalaza ao amin’ny Baiboly: “Fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona.” (Mpitoriteny 9:5) Nilaza i Jesosy fa hatsangana ny maty. Koa raha manana fanahy tsy mety maty ve ny olona, mbola hila hatsangana amin’ny maty indray? (Jaona 11:11-25) Moa ve ny fivavahanao mampianatra fa manana fanahy tsy mety maty ny olona?

MILEFITRA AMIN’NY FITONDRAN-TENA MALOTO: Any amin’ny tany maro, dia misy fiangonana manendry lehilahy miray amin’ny lehilahy na vehivavy miray amin’ny vehivavy, mba ho mpitondra fivavahana. Mampirisika ny fitondram-panjakana koa izy ireny, mba hanaiky ny fanambadian’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy. Misy fiangonana milaza ho tsy manaiky ny fitondran-tena ratsy, nefa mbola ekeny ho mpitondra fivavahana ao aminy ihany ny lehilahy nametaveta ankizy. Inona anefa no lazain’ny Baiboly? Mazava tsara ny voalaza ao hoe: “Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Fa na mpijangajanga, na mpanompo sampy, na mpanitsakitsa-bady, na lehilahy manaiky hanaovan-dehilahy firaisana, na lehilahy miray amin’ny lehilahy, ... dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra.” (1 Korintianina 6:9, 10) Moa ve ianao mahalala fivavahana milefitra amin’ny fitondran-tena maloto?

Inona no hiafaran’ireo fivavahana mamoa voa ratsy? Nampitandrina i Jesosy hoe: “Hokapaina ka hatsipy any anaty afo ny hazo rehetra tsy mamoa voa tsara.” (Matio 7:19) Toy izany koa no hiafaran’ny fivavahan-diso. Haringana tanteraka izy ireny! Ahoana anefa no hitrangan’izany, ary rahoviana? Mahita ny valin’izany isika, ao amin’ny faminaniana iray ao amin’ny Apokalypsy toko faha-17 sy 18.

Ahoana no handringanana ny fivavahan-diso?

Alao sary an-tsaina ny mpivaro-tena iray, mipetraka eo ambonin’ny bibidia iray mampahatahotra. Manana loha fito sy tandroka folo ilay bibidia. (Apokalypsy 17:1-4) Iza io mpivaro-tena io? Manana fahefana eo amin’ireo “mpanjakan’ny tany” izy. Mitafy lamba volomparasy izy, mampiasa emboka manitra, ary manan-karem-be. ‘Mamitaka ny firenena rehetra’ koa izy amin’ny alalan’ny fifandraisany amin’ny fanahy ratsy. (Apokalypsy 17:18; 18:12, 13, 23) Fantatsika avy amin’ny fanazavana omen’ny Baiboly, fa tsy mpivaro-tena ara-bakiteny izy io, fa fikambanana ara-pivavahana misy eran-tany. Tsy fivavahana iray monja anefa, fa ny fivavahana rehetra mamoa voa ratsy.

Ilay bibidia itaingenan’ilay mpivaro-tena, dia ireo fitondram-panjakana eo amin’izao tontolo izao. * (Apokalypsy 17:10-13) Toy ny hoe mitaingina an’io bibidia io ilay mpivaro-tena, satria miezaka mibaiko azy io amin’ny fanapahan-kevitra raisiny sy izay tokony hataony.

Hisy zava-mahagaga hiseho anefa tsy ho ela. Hoy ny Baiboly: “Ny tandroka folo efa hitanao, sy ilay bibidia, dia hankahala an’ilay mpivaro-tena ka handroba izay ananany rehetra sy hampitanjaka azy, ary hanapitra ny nofony sy handoro azy tanteraka amin’ny afo.” (Apokalypsy 17:16) Hamely tampoka sy handringana tanteraka ny fivavahan-diso ireo fitondram-panjakana eo amin’izao tontolo izao! Inona no hahatonga azy ireo hanao izany? Izao no valiny omen’ny Baiboly: “Nataon’Andriamanitra tao am-pon’izy ireo ny hanatanteraka ny heviny.” (Apokalypsy 17:17) Hampamoahina tokoa ny fivavahan-diso, noho ireo zavatra mahatsiravina ataony amin’ny anaran’Andriamanitra. Hanao zavatra ara-drariny tanteraka Andriamanitra, ka ireo fitondram-panjakana nifandray tamin’ny fivavahan-diso ihany, no hampiasainy handringana azy io.

Inona no tsy maintsy ataonao raha tsy tianao ny ho ringana miaraka amin’ny fivavahan-diso? Mampirisika antsika ny irak’Andriamanitra hoe: “Mivoaha ao aminy, ry oloko.” (Apokalypsy 18:4) Izao mihitsy àry no fotoana tokony hialana ao amin’ny fivavahan-diso! Inona anefa no hataonao avy eo? Tsy hino an’Andriamanitra intsony ve ianao? Tsy mety izany satria ho ratsy fiafara koa ny olona toy izany. (2 Tesalonianina 1:6-9) Ny fivavahana marina ihany no fialofana azo antoka. Ahoana no hamantaranao ny fivavahana marina?

Ahoana no hamantarana ny fivavahana marina?

Inona no voa tsara tokony hovokarin’ny fivavahana marina?—Matio 7:17.

Ny Fivavahana Marina dia ...

ANJAKAN’NY FITIAVANA: “Tsy anisan’izao tontolo izao” ny tena mpivavaka, sady tsy voazarazara noho ny firazanany na ny kolontsainy, fa “mifankatia.” (Jaona 13:35; 17:16; Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Tsy mifamono izy ireo, fa vonona hamoy ny ainy ho an’ny namany, raha ilaina izany.—1 Jaona 3:16.

MATOKY NY TENIN’ANDRIAMANITRA: Tsy mampianatra “fomban-drazana” na “didin’olombelona” ny fivavahana marina. Ny Baiboly kosa no ataony fototry ny fampianarany. (Matio 15:6-9) Nahoana? Satria “ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso.”—2 Timoty 3:16.

MAMPIFANDRAY KOKOA NY MPIANAKAVY ARY MAMPIRISIKA NY OLONA HO TSARA FITONDRAN-TENA: Ny fivavahana marina dia mampiofana ny lehilahy ‘ho tia ny vadiny tahaka ny tenany’, manampy ny vehivavy “hanaja fatratra ny vadiny”, ary mampianatra ny ankizy ‘hankatò ny ray aman-dreniny.’ (Efesianina 5:28, 33; 6:1) Tsy maintsy fakan-tahaka koa ny fitondran-tenan’ireo manana andraikitra eo anivon’ny fivavahana marina.—1 Timoty 3:1-10.

Misy fivavahana manaraka ireo fitsipika ireo ve? Hoy ny boky iray nivoaka tamin’ny 2001: “Mety ho tsy nitranga ilay Famonoana Tambabe [nataon’ny Nazia tany Alemaina], raha betsaka kokoa ny olona nanaraka ny fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fitondran-tenany. Ary raha manao izany koa ny olona ankehitriny, dia mety tsy hisy intsony ny fandripahana foko.”—Famonoana Tambabe Noho ny Antony Politika (anglisy).

Sady mampirisika ny olona hanaraka ny fitsipi-pitondran-tenan’ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany 235, no mampihatra izany koa. Manasa anao izahay hangataka fanampiana amin’izy ireo, mba hahafantaranao izay takin’Andriamanitra aminao. Ho afaka hivavaka amin’Andriamanitra araka ny sitrapony koa ianao amin’izay. Aza mangataka andro, fa izao no fotoana tokony hanaovan-javatra. Ho ringana tsy ho ela ny fivavahan-diso!—Zefania 2:2, 3.

Manorata any amin’ilay adiresy eto ambany, raha te hahafantatra bebe kokoa an’ilay hafatra ara-baiboly torin’ny Vavolombelon’i Jehovah ianao.

□ Mba andefaso ilay bokikely hoe Miambena Hatrany! aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 17 Manazava ny tsipiriany momba izany ny boky Ny Fanambarana—Akaiky ny Fiafarany Malaza! navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Teny notsongaina, pejy 3]

Manana fahefana eo amin’ireo “mpanjakan’ny tany” ny fivavahan-diso

[Teny notsongaina, pejy 3]

“Mivoaha ao aminy, ry oloko”