Hijery ny anatiny

Hoavy Azo Antoka — Afaka ny Hahita Izany Ianao

Hoavy Azo Antoka — Afaka ny Hahita Izany Ianao

Hoavy Azo Antoka — Afaka ny Hahita Izany Ianao

1. Karazam-pilaminana manao ahoana moa no katsahinao ho an’ny tenanao sy ny ankohonanao?

NA MANAO ahoana na manao ahoana fari-piainan’ny olona, dia maniry hahita filaminana izy. Tsy isalasalana mihitsy fa maniry filaminana ianao ho an’ny tenanao sy ireo olon-tsy foinao. Tsy ampy ny mahazo fampanantenana fa hihatsara ny toe-piainana any amin’ny ho avy tsy dia azo antoka sy lavitra. Ny fiainana dia mametraka amintsika zava-manahirana mitady fanafodiny maika dia maika. Ilaintsika ny tena filaminana dieny izao sy ao anatin’ireo taona ho avy. Mety hisy ve ny filaminana toy izany?

2. a) Ao amin’ny Isaia 32:17, 18, inona moa no lazain’ny Baiboly mikasika ny filaminana? b) Manintona ny sainao ve ny ho avy toy izany?

2 Maneran-tany dia misy olona avy amin’ny firazanana rehetra mino fa mety hisy ny filaminana toy izany. Ny toe-piainana manintona ny sain’izy ireo dia voambara fahiny tamin’ny alalan’ny mpaminanin’Andriamanitra izay nanoratra toy izao: “Ny asan’ny fahamarinana ho fiadanana; ary ny vokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy fahatokiana mandrakizay; ary ny oloko hitoetra ao amin’ny fonenana mandry fahizay sy ao amin’ny fitoerana mahatoky ary ao amin’ny fialan-tsasatra feno fiadanam-po”. (Isaia 32:17, 18 *). Na dia ao aza ireo zava-manahirana mampitebiteby hitan’izao tontolo izao ankehitriny, dia olona ana hetsiny maro monina saika hatraiza hatraiza eo ambonin’ny tany no efa manomboka sahady mahita fiadanana sy filaminana. Ny mbola tsaratsara kokoa ihany, dia ny fananany antony tena tokony hinoana ho avy mbola ho feno fahasambarana kokoa ihany. Afaka mahita soa toy izany ianao.

3. Inona avy moa no fampanantenana hafa voarakitra ao amin’ny Baiboly, mikasika ny filaminana ho an’ny olona? (Apokalypsy 21:4, 5)

3 Ireny olona ireny dia miandry ny fotoana efa antomotra izao, ‘tsy hisian’ny hanaitaitra azy’, dia fotoana tsy hisian’ny heloka bevava intsony ka tsy hatahorany intsony ny amin’ny fananany sy ny tenany (Mika 4:4). Manana antony mafy orina tokony hinoana izy ireo fa olona marobe velona amin’izao andro izao no hahita ny andro hahafoana ny hanoanana satria “hahavoka-bary betsaka ny tany”. (Salamo 72:16). Ankoatr’izany, izy ireo dia manantena ny ho vavolombelon’ny fahatanterahan’ny fampanantenana nilazana fa “hofafany [hofafan’Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha”. (Apokalypsy 21:3, 4). Ahoana no mety hahatonga ireny olona ireny hahazo antoka toy izany fa hanjary zavatra tena hisy ny fampanantenana toy izany? Ny antony dia satria hita ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, izany.

4. Na dia nosoratan’olona aza ny Baiboly, nahoana moa izy io no mirakitra hafatra avy amin’Andriamanitra? (II Timoty 3:16, 17.)

4 Ny ho avy ampanantenain’ny Baiboly antsika dia tsy vokatry ny fiezahana hilaza hevitry ny fandehan’ny tantara fotsiny. Marina fa olona no nanoratra ny Baiboly, nefa ny fanahin’Andriamanitra no nitarika ny sainy. Avy amin’Andriamanitra àry ny hafatra raketiny. Mikasika ny loharanon’ny voalaza ao amin’ny Baiboly, dia izao no vakintsika: “Ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin’ny Soratra Masina dia tsy efan’ny fisainan’ny olona fotsiny ihany; fa tsy nisy faminaniana avy tamin’ny sitrapon’ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy.” (II Petera 1:20, 21). Tsy tokony ho sahirana isika hahatakatra ny fomba nahafahan’Andriamanitra nanome tsindrimandry ireny olona ireny. Nisy aza mpamily sambondanitra, tamin’ny diany teny amin’ny habakabaka, nandefa tety an-tany, hafatra horaisina tamin’ny fomba nazava nahatalanjona. Raha izany no izy, moa ve ilay Andriamanitry ny lanitra tsy afaka nampita tamin’ny fomba ambony lavitra, hafatra ho an’ny olona tsy nivadika taminy? Tsy isalasalana mihitsy fa izany no izy. Rariny tokoa àry ny anasanay anao handinika ny Baiboly, mba hahitana ny fomba mety hahitanao ho avy azo antoka.

FANAMPIANA AZO ANTOKA

5. Inona moa no fiheverana mihevitra ny zavatra tena misy omen’ny Baiboly antsika mikasika ny vola sy ny fananana ara-nofo? (Mpitoriteny 7:12.)

5 Ny Baiboly dia manampy antsika hibanjina ny fiainana amin’ny fiheverana ny zavatra tena izy. Mba hahasoa antsika, dia mamporisika antsika izy hametraka ny fitokisantsika amin’ny zavatra maharitra. Amin’izao andro izao, dia olona an-tapitrisany maro no miantehitra amin’ny fananany ara-nofo. Sady manaiky ny vidin’ny vola sy ny fananana anefa ny Baiboly no manazava fa tsy izany no zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainana. Manonona fahamarinana tsy azo lavina izy rehefa manambara fa “ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny habetsahan’ny zavatra ananany”. (Lioka 12:15.) Mety tsy hisy vidiny intsony ny fananana. Mety hisy hangalatra na hanimba izy ireny. Mety hahatonga ny tompony hamoy ny ainy aza izany raha misy mamono azy mba hakana an-keriny ilay fananana. Tsy mitondra filaminana àry izany. Aiza no mety hahitana filaminana?

6. Nahoana moa no tsy ho fahamalinana ny hanorenana ny fanantenantsika rehetra amin’ny fampanantenan’ireo mpitondra?

6 Ny olona sasany dia manorina ny fanantenany rehetra ny amin’ny ho avy amin’ireo fampanantenana omen’ny mpitondra. Fahamalinana ve izany? Tsy manohitra ny tsy fahamarinana na ny tsy fahaizan’ireo filoha ara-politika ny Baiboly, fa mampahatsiahy antsika zava-misy tsy azo lavina iray: mety maty daholo izy rehetra! Izany no antony ampitandremany antsika amin’izao teny izao: “Aza matoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy. Miala ny fofonainy, ka miverina amin’ny taniny izy; ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany.” (Salamo 146:3, 4) Araka izany, ireo mpitondra olombelona dia afaka, fara fahabetsany, manan-kery eo amin’ny raharahan’ny olona sasany mandritra ny taona vitsivitsy. Noho izany, izy ireny dia tsy afaka miantoka amin’ny fomba maharitra ny filaminana ho anao na ho an’ny tenany.

7. a) Iza moa no afaka miantoka filaminana maharitra ho antsika, ary nahoana? (Asan’ny apostoly 17:28.) b) Mba hahitana filaminana toy izany, inona moa no tokony hataontsika?

7 Misy anefa afaka miantoka ny filaminana ho anao. Tsy iza izany fa ny Mpamorona ny lanitra sy ny tany. Efa nisy ela talohan’ny niforonan’ny tany izy io, ary mbola hisy foana, elabe aorian’ny fahataperan’ny taonjato faharoapolo. Ao amin’ny Salamo 90:2, dia natao taminy izao teny izao: “Andriamanitra Hianao hatramin’ny taloha indrindra ka mandrakizay.” Izy no Loharanon’aina, ilay nanome ho an’ny planetantsika ny fahafahana hitana ny fiainana. Miankina aminy àry ny fiadanantsika ankehitriny sy ny fanantenantsika ny amin’ny ho avy. Izany no ilàna hitanana fifandraisana tsara aminy raha irintsika ny hahita ny tena filaminana.

8. a) Mpivavaka manao ahoana moa no tadiavin’Andriamanitra? b) Koa tokony ho vonona ny hanao inona isika? (Matio 7:21-23.)

8 Amin’izany, ampy ve ny hanarahana fivavahana iray na inona izany na inona? Tsia, ho fahadisoankevitra raha izany. Mankasitraka karazan’olona sasany Andriamanitra. Iza izany? Izao no avalin’ny Baiboly: “Ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana.” (Jaona 4:23, 24). Moa ve ianao mivavaka amin’Andriamanitra ‘amin’ny fahamarinana’? Nandinika ny zavatra inoanao araka ny fahazavan’ny Tenin’Andriamanitra ve ianao mba hahitana raha mifanaraka an-tsakany sy an-davany amin’ny fampianaran’ilay “Andriamanitry ny fahamarinana” izany? (Salamo 31:5). Vonona ny hanao izany ve ianao? Tsy mitondra soa maharitra ireo fampianarana sy ireo fanao mifanohitra amin’ny fahamarinana. Manafina ny zavatra tena misy izany ary mampiditra ny olona ao anatin’ny fahadisoan-kevitra. Tsy azo ny fahafaham-po entin’ny tena filaminana raha tsy irina amim-pahatsorana ny hahalala ny fahamarinana ka vonona ny tena hanao eo amin’ny fiainan’ny tena ireo fiovana ilaina mba hanarahana izany. Ny anankiray amin’ireo fahamarinana lehibe indrindra dia mikasika ny maha-izy ny tenan’Andriamanitra mihitsy.

9, 10. a) Iza moa no anarana manokan’Andriamanitra? b) Inona moa no andininy azonao raisina mba hampisehoana fa manana anarana Andriamanitra? d) Ahoana moa no nanandraman’ny mpandika tenin’ny Baiboly sasany nanafina an’io anarana io?

9 Fantatrao ve ny anarany manokana? Tsy hoe “Andriamanitra” na “Tompo” akory ny anarany. Izany dia anaram-boninahitra, toy ny hoe “Andriamatoa” na “mpanjaka”. Izao anefa no ambaran’ny Salamo 83:18: “Ary aoka ho fantany fa Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no Ilay Avo Indrindra ambon’ny tany rehetra.” Tsy ny olona akory no nanome an’io anarana io an’Andriamanitra. Araka ny Baiboly ihany, dia izao no ambaran’Andriamanitra: “Izaho no Jehovah, izany no anarako.” (Isaia 42:8). Ny fandikana sasany ny Soratra hebreo dia mandika ny anaran’Andriamanitra amin’ny hoe “Iaoeh” na “Iaveh”. Ny Baiboly hafa dia mametraka ho solon’ny anaran’Andriamanitra ny anarana toy ny hoe “Mandrakizay” na “Tompo”.

10 Aoka horaisintsika, ohatra, ny Salamo 8:10 (Salamo 8:9, malagasy) araka ny nandikana azy ao amin’ny Fandikan-teny eokimenikan’ny Baiboly (navoakan’ny antokon’olona mpivaofy teny katolika sy protestanta ary ortodoksa tamin’ny 1975). Izao no vakintsika ao: “TOMPO, Tomponay ô, endrey ny hatsaran’ny anaranao amin’ny tany rehetra!” Mariho ny tsy fitovian’ny tarehin-tsoratra nampiasaina mba hanoratana indroa ny teny hoe “Tompo” ao amin’io andinin-teny io. Amin’ny voalohany izy dia soratana amin’ny sora-baventy daholo, fa amin’ny faharoa kosa, dia ny litera voalohany ihany no amin’ny sora-baventy. Amin’io hafetsena io, ireo mpandika teny dia manandrana miala amin’ny zavatra mahasanganehana azy noho ny soratra hebreo. Tsy nivadika kokoa tamin’ny teny tany am-boalohany ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao fa mandika toy izao an’io andininy io (9 ao amin’io Baiboly io): “Jehovah ô, Tomponay, lehibe sady mahagaga ny anaranao amin’ny tany rehetra!”

11. a) Tena zava-dehibe tokoa ve ny hahalalana sy hampiasana ny anaran’Andriamanitra? (Asan’ny apostoly 15:14.) b) Raha tia an’i Jehovah isika, ahoana moa no tokony hampiasantsika ny anarany? (Isaia 43:10.)

11 Mieritreritra angamba ny mpandika teny sasany amin’ny tsy filazana ny anaran’Andriamanitra manokana, dia manao izay hahatonga ny Baiboly heken’ny vahoaka betsaka kokoa izy. Nefa moa ve fanaovana ny marina ny fanafenana anarana iray hita matetika lavitra noho ny anarana hafa rehetra ao amin’ny soratra tany am-boalohany? Maniry ny hahalalan’ny olona ny anarany ilay Andriamanitra marina. Milaza mazava izany izy ao amin’ny hafatra nomeny ho an’i Mosesy mpanompony natao ho an’ny faraon’i Egypta. Raha nanazava tamin’io farao io ny antony nitsimbinany ny ainy Andriamanitra, dia izao no nambarany taminy: “Ny hampahita anao ny heriko mba hambara any amin’ny tany rehetra ny anarako.” (Eksodosy 9:16). Zava-dehibe ny hampiasana ny anaran’Andriamanitra, mazava ho azy fa amim-panajana. Raha tia ny fahamarinana àry isika, dia tsy hisalasala hampahafantatra ny tenantsika ho mpivavaka amin’i Jehovah, ilay hany Andriamanitra marina.

12. Ahoana moa no fiheveran’Andriamanitra ny fampiasana sary amin’ny fivavahana? (Salamo 115:3-8; Deotoronomia 7:25.)

12 Tokony hitandrina anefa isika mba tsy hampiaraka ny anaran’Andriamanitra amin’ny zavatra iray tsy ankasitrahany. Aoka tsy hohadinointsika fa “Andriamanitra dia Fanahy” ka “izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”. (Jaona 4:24). Raha ekentsika fa “Andriamanitra dia Fanahy”, ary raha mivavaka aminy “amin’ny fanahy”, izany hoe amin’ny fomba ara-panahy isika, dia tsy hampiasa zavatra hita maso heverina ho mampiseho azy. Araka ny Jaona 1:18, dia “tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana”, hany ka tsy azo atao ny mampiseho azy amin’ny alalan’ny sary na tsangambato. Azo antoka fa tsy mety hampiseho ilay Andriamanitra velona ny sary iray tsy afaka mahita, na mandre, na miteny, na manainga rantsan-tanana iray monja aza hanampiana ireo izay mivavaka aminy. Marina fa tsy mampiseho an’Andriamanitra mihitsy akory ny sary sasany, nefa ilaina ny hahafantarana raha zavatra natao hivavahana izany. Ao amin’ny Didy Folo, dia nolazain’Andriamanitra mazava fa tsy tokony hisy fanamboarana sary mihitsy. Nandidy toy izao izy: “Tsy hanao sarin-javatra voasokitra ho anao (...). Tsy hiankohoka eo anatrehan’ireny na hanompo azy akory hianao.” (Eksodosy 20:4, 5, Kat). Tsy hitarika antsika hampiasa zavatra tsy ankasitrahan’i Jehovah ny fitiavantsika ny fahamarinana fa hanosika antsika haniry hahalala an’Andriamanitra araka ny tena maha-izy azy tokoa.

13. a) Karazan’Andriamanitra manao ahoana moa Jehovah? b) Inona moa no toetran’Andriamanitra manintona anao indrindra?

13 Tsy maintsy hiteraka fitokisana ho an’izay rehetra tia ny rariny ireo toetran’Andriamanitra. Ny sasany amin’izany, toy ny maha-tsitoha azy sy ny fahendreny, izay mihoatra lavitra noho ny an’ny olombelona rehetra, dia miharihary amin’ny zavatra noforoniny hita maso. Tsy hitanao ve fa ny filentehan’ny masoandro kanto, ny hiran’ny vorona, ny hanitry ny voninkazo sy ireo zavatra tsara ankafizin’ny vava, dia ahitana taratry ny fitiavan’Andriamanitra ny olombelona? Lasa lavitra kokoa ihany anefa ny Baiboly. Aharihariny fa raha miaro izay ara-drariny Jehovah, dia feno fahatakarana ny fihevitry ny olona sy manana fangoraham-po koa. Milazalaza izany amin’izao teny izao izy: “Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo ho an’ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka.” (Eksodosy 34:6, 7). Hazavain’ny Baiboly amintsika koa ny nataon’Andriamanitra nandritra ny taonjato maro tamin’ny firenen’Isiraely fahizay, ka izany dia manome antsika fampisehoana velona ny amin’ireo toetrany. Porofoin’io filazana ara-tantara io koa fa “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (Asan’ny apostoly 10:34, 35.) Iriny ny hisian’ny karazan’olona rehetra manana fifandraisana tsara aminy, ka taminkatsaram-po no nanaovany fandaharana mba hahafahany manao izany.

14. Ahoana moa no iovan’ny fiainan’izay mametraka ny fitokisany amin’i Jehovah? (Ohabolana 3:5, 6.)

14 Arakaraka ny ankamamin’ny olona iray tsaratsara kokoa ireo toetra maro mahagaga ananan’ilay Andriamanitra marina, inona no mitranga? Mifono heviny lalina kokoa ho azy ny ‘anaran’Andriamanitra’; Mametraka ny fitokisany amin’i Jehovah izy ary manao araka ny iriny. Amin’ny fanaovana toy izany, dia voaro izy, araka ny voalaza ao amin’ny Ohabolana 18:10, manao hoe: “Ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy; ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy.”

15. a) Nahoana moa no miankina amin’i Jehovah ny ho avintsika? b) Inona moa no fanapahan-kevitra tena lehibe ampanaovina ny tsirairay avy amintsika? (Deotoronomia 30:19, 20.)

15 Mikasika ny ho avintsika koa izany fiarovana izany. Marina tokoa fa miankina amin’i Jehovah ny ho avin’ny taranak’olombelona manontolo. Nahoana? Satria namorona ny tany izy ary miankina amin’ny fanomezany endri-piainana velona rehetra hita eo mba hahavelomana hatrany. Nambarany ao amin’ny Baiboly ny fikasany hiantoka ho an’ny olona ny fiainana ao anatin’ny filaminana sy ny fahasambarana. Ary anefa, tsy misy na inona na inona any an-danitra na eto an-tany hahasakana an’ilay Andriamanitra Tsitoha tsy hahatanteraka izany fikasany izany. Mihevitra ny safidintsika anefa Andriamanitra amin’io fikasana io. Tsy nametra ny ho anjaran’ny tsirairay avy amintsika tsy misy fakana hevitra amintsika akory izy. Koa tonga eo anoloan’ny fanapahan-kevitra lehibe iray isika: Hampifanaraka ny fiainantsika amin’ny sitrapon’i Jehovah ve isika mba hampisehoana aminy ny fankasitrahantsika noho izay rehetra nataony sy mbola hataony amintsika? Ny fandavana tsy hino an’i Jehovah dia tsy manova ny maha-Andriamanitra marina azy ary tsy hampiova na amin’inona na amin’inona ny fikasany. Ny fanapahan-kevitsika anefa no hametra na handray soa manokana na tsia amin’io fikasana mampiseho fahamoram-panahy io isika. Raha fintinina, dia izay hofidintsika na ny fiainana na ny fahafatesana.

NAHOANA NO MANIMBA NY FIAINAN’NY OLONA NY TSY FILAMINANA

16. Manonona anton-javatra mitondra tsy filaminana eo amin’ny fiainan’ny olona.

16 Mba hahafantarana ny fomba hitondran’ny fikasan’i Jehovah ny tena filaminana, dia hahasoa ny hitadidiantsika voalohany indrindra, ny sasany amin’ny zavatra mitondra tsy filaminana ao amin’ny fiainana amin’izao andro izao. Aoka hotononintsika, ankoatry ny zavatra hafa, ny tsy fisian’ny fitiavana, ny tsy firaharahana lalàna, ny tsy fanajana ny fananan’ny hafa sy ny fampiasana lainga mbamin’ny herisetra mba hahatrarana ny zava-kendren’ny tena. Aoka tsy hohadinointsika koa ny aretina sy ny tsy maintsy hahafaty na ho ela na ho haingana. Fantatsika amin’ny fanandramana sy ny fandinihantsika fa mitondra tsy filaminana eo amin’ny fiainan’ny olona ireo zavatra ireo. Fa ahoana no nanombohan’izany rehetra izany? Manome ny valiny antsika ny Baiboly.

17. Nahoana moa Adama sy Eva no afaka nahatsiaro filaminana? (Genesisy 1:31; 2:8, 15.)

17 Ampahafantarin’ny boky voalohany ao amin’ny Baiboly antsika fa fony Jehovah namorona ireo ray aman-drenintsika voalohany, Adama sy Eva, dia nambarany fa tsara dia tsara avokoa izay rehetra nataony. Tsy nisy kilema izy ireo, noho izany dia tsy nanana aretina. Nanana fahatsinjovana ny ho velona mandrakizay teo anoloany izy ireo. Naneho ny fitiavany tamin’izy ireo Andriamanitra tamin’ny fanomezana azy zaridaina na saha iray, paradisa iray tao Edena, ho fonenany. Navelany haniry tamim-pahalalahan-tanana sy be dia be tao ny zavamaniry misy voa famafy sy ny hazo fihinam-boa ho sakafon’izy ireo. Notendreny hanan-java-kendrena eo amin’ny fiainana koa izy ireo, ka nodidiany hampanompo ny hazandrano, ny vorona mbamin’ny biby rehetra, hiasa ny tany sy hitombo mandra-pahatongan’ny planeta manontolo ho paradisa sahala amin’ilay zaridaina nomeny azy ireo. Hita avy hatrany fa nahatsiaro ho tsy nanana ahiahy Adama sy Eva tao anatin’ny toerana toy izany. Tsy hitohy anefa izany filaminana izany raha tsy feno ny fepetra iray.

18. a) Mba hitanana ny filaminan’izy ireo, inona moa no fepetra tokony hofenoin’i Adama sy Eva? b) Ahoana moa no nitsapan’i Jehovah ny fankatoavan’izy ireo, ary nahoana no zava-dehibe io fitsapana io? (Lioka 16:10.)

18 Tokony hanaiky ny toerany teo anatrehan’Andriamanitra Adama sy Eva. An’ilay Mpamorona azy ireo ny tany sy ny zavatra rehetra eo aminy, hany ka nanana zo hametra ny fampiasana azy izy. Fanomezana nisy fepetra na dia ny fiainana aza; raha lazaina amin’ny teny hafa, dia afaka nifaly tamin’izany Adama sy Eva raha nankatò hatrany sy tamim-pitiavana ny Rainy any an-danitra. Mba hanasoritana ny maha-zava-dehibe an’io fepetra io, dia nanome izao baiko izao ho an’ny olona Jehovah: “Ny hazo rehetra eo amin’ny saha dia azonao ihinanana ihany; fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao.” (Genesisy 2:16). Amin’ny fankatoavany no hampisehoan’ny olona fa nanaiky an’Andriamanitra ho Filoha izy; amin’ny tsy fankatoavany no hanaporofoany fa nandà ny sitrapon’Andriamanitra tanteraka izy. Tsy hoe tsy ara-drariny akory io lalana io. Tsy hanaisotra amin’ny olona ny zavatra ilaina eo amin’ny fiainana izany. Izany dia fitsapana, tsotra nefa ampy sy nifanaraka tamin’ny toerana niainany. Izany dia nanome an’i Adama sy ny vadiny, fahafahana haneho ny fitiavany ny Rainy any an-danitra.

19. a) Inona avy moa no zavatra mitondra tsy filaminana nanomboka tamin’ny nanotan’i Adama sy Eva? b) Araka ny Romana 5:12, ahoana moa no nizakan’ny taranak’i Adama rehetra ny vokany?

19 Manazava ny toko fahatelo amin’ny Genesisy fa resy Adama sy Eva. Tamim-piniavana no nihinanany ny hazo nandraran’Andriamanitra azy. Nafoin’izy ireo tamin’izany ny filaminana nananany. Niseho tamin’izay fotoana izay ireo zavatra mitondra tsy filaminana amin’izao fotoana izao. Tsy nanam-pitiavana an’Andriamanitra tokoa Adama sy Eva, tsy niraharaha ny lalàny ary tsy nanaja ny fananany. Tsy nahazo sitraka tamin’Andriamanitra intsony izy ireo ka noroahina tsy ho ao amin’ny saha Edena. Tany ivelan’ny paradisa, dia marobe tamin’ny taranak’izy ireo, anisan’izany Kaina zanany, no mbola nietry kokoa ihany tamin’ny fampiasana herisetra. Na dia ireo anisan’izy ireo tsy ninia tsy nihevitra ny lalàn’Andriamanitra aza dia nahatsapa tao amin’ny tenany ny vokatry ny fahotana nolovana. Mikasika izany, dia izao no vakintsika ao amin’ny Romana 5:12: “Koa amin’izany dia tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray [Adama] ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.”

20. a) Teo amin’iza moa no nanomboka ny fikomiana tany Edena? (Apokalypsy 12:9.) b) Ahoana moa no nahatonga an’io fanahy io ho Satana Devoly? (Jakoba 1:14, 15.)

20 Aoka homarihintsika anefa fa tsy nanomboka tamin’i Adama na ny vadiny akory ny fikomiana. Lazain’ny Baiboly fa niteny tamin’i Eva ny “menarana” iray ka nitarika azy an-kafetsena handika ny lalàn’Andriamanitra. Mazava ho azy fa tsy mahay miteny ny menarana; koa ampahafantarin’ny Baiboly fa fanahy (esprit) iray, persona tsy hita maso iray, ilay hery niafina tao ambadiky ny menarana. Tsy noforonina ho ratsy fanahy akory io fanahy io. Nefa, sahala amin’ireo olona voalohany, io zanaka ara-panahin’Andriamanitra io dia nanana safidy, dia ny fahefana hifidy ny fomba hampiasany ny fahaizany. Tamin’ny fanolokoloana fanirian-dratsy, dia nampitombo fiavonavonana izy. Niriny ny hisian’ny zavaboary hafa hanolotra fankalazana azy toy ny amin’ny andriamanitra. Tamin’ny nataony ho fanatrarana izany zava-kendrena izany no nanaovany ny tenany ho mpanohitra an’Andriamanitra, ho Satana, sy ho mpanendrikendrika na Devoly.

21. a) Rehefa niresaka tamin’i Eva izy, inona moa no nolazain’i Satana? b) Nahoana moa no tsy nanatsara ny anjarany Eva tamin’ny fihainoana an’i Satana?

21 Nanatona an’i Eva Satana ary nanomboka nametraka fanontaniana taminy. Raha efa izany, dia nanomboka nanohitra mivantana an’Andriamanitra izy, tamin’ny filazana tamin’i Eva hoe: “Tsy ho faty tsy akory hianareo [raha mihinana amin’ny hazo voarara]; fa fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.” (Genesisy 3:1-5). Nety ho nieritreritra ilay vehivavy fa nanolotra azy tombontsoa tsy nananany Satana. Nefa tamin’ny fanarahana azy, moa ve ravehivavy tena nahazo filaminana lehibe kokoa tokoa? Nanatsara ny anjarany ve ny lahy tamin’ny fanarahana azy tamin’ny fandikany lalàna? Tsia, satria lainga izany. Voamarina izany tamin’ny andro nahafatesan’izy ireo. Mbola maty ihany ny olona hatramin’izao.

22. a) Inona avy moa no fanontaniana lehibe nipetraka tany Edena, ary ahoana no nikasihany ny filaminana teo amin’ny zavatra noforonina rehetra? b) Tamin’ny andron’i Joba, inona moa no fiampangana nataon’i Satana, ary inona no tiany holazaina? (Joba 1:7-12; 2:1-5.)

22 Tamin’izany no nipetraka tany Edena ny fanontaniana tena lehibe mikasika ny filaminan’ny zavatra noforonina rehetra. Nolavina ny fahamarinan’Andriamanitra, nolavina koa ny maha-ara-dalàna sy ara-drariny ny fanapahany. Namosaka hevitra Satana fa hahazo tombontsoa ny olona raha ny tenany ihany no manapaka ny amin’izay ho tsara sy ho ratsy, raha manorina fitsipika ho an’ny tenany ihany izy ary manao zavatra toy ny hoe tsy manana filoha hafa afa-tsy ny tenany ihany izy. Ny fikomian’i Satana sy ny fivadihan’ny olona mpivady voalohany tamin’Andriamanitra dia nametraka fanontaniana ny amin’ny ataon’ny zavaboarin’Andriamanitra manan-tsaina hafa. Hisy anankiray monja aminy tsy hivadika amin’Andriamanitra ve? Taty aoriana, tamin’ny andron’i Joba, dia nilaza Satana fa ireo izay manompo an’Andriamanitra dia manao izany, tsy noho ny fitiavana, fa noho ny fanantenan-javatra. Hoy ny fanontaniana napetrany: “Moa tsy fanantenan-javatra va no atahoran’i Joba an’Andriamanitra?” (Joba 1:9). Te-hilaza izy fa tsy hisy zavaboary tsy hivadika amin’i Jehovah sy ny fanapahany mihitsy raha sedrain’ny tenany, fahavalon’Andriamanitra. Tsy afaka nanana filaminana feno ny olona raha mbola tsy voavaly izany fanontaniana izany. Fantatr’i Jehovah anefa fa mety ho tapaka izany, ho an’ny sakaizan’ny rariny rehetra. Koa nanao fandaharana ho amin’izany izy.

NISY FANDAHARANA NATAO HIANTOKA NY FILAMINANA HO AVY

23. a) Rehefa nitsara an’ireo ray aman-drenintsika voalohany izy, inona moa no fikasana noforonin’i Jehovah noho ny amintsika? (II Petera 3:9.) b) Mifofotra amin’iza moa ny fikasan’i Jehovah ny amin’ny olona?

23 Tsy nohadinoin’i Jehovah ireo taranany ho avy fony izy nitsara ireo ray aman-drenintsika voalohany noho ny fikomian’izy ireo taminy. Tamim-pitiavana no namoronany fikasana iray mahatonga ny tsirairay avy amintsika ho afaka hifidy amim-pahalalahana ny hiaina eo ambany fitondram-panjakan’Andriamanitra. Mifototra amin’ny Zanak’Andriamanitra, Jesosy Kristy, izany.

24. a) Inona moa Jesosy talohan’ny hahatongavany teto an-tany? b) Nahoana moa no tokony hohalavirintsika ny filazana fa Jesosy no Andriamanitra na mitovy amin’Andriamanitra? (Jaona 17:3.)

24 Io Zanaka io no voalohany indrindra tamin’ny zavatra noforonin’Andriamanitra tany an-danitra. Izao no nambaran’ny Baiboly: “Tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy ety ambonin’ny tany.” (Kolosiana 1:15-17). Tamin’ny fotoana voatendrin’Andriamanitra anefa, dia namoy ny voninahiny tany an-danitra ny Zanany ka teraka tamin’ny fomba mahagaga ho olona teto an-tany. Ny anjely Gabriela, izay nirahina hanambara ny nahaterahany dia tsy nilaza hoe ho Andriamanitra ilay zaza hateraka. Nanambara ny hahaterahan’ny “Zanak’Andriamanitra” kosa izy. (Lioka 1:35). Tsy nilaza ho Andriamanitra koa ny tenan’i Jesosy. Tsy nanahaka an’i Satana izay nitady ny hivavahana izy. Nilaza ny marina Jesosy rehefa nanantitrantitra hoe: “Ny Ray dia lehibe noho Izaho.” (Jaona 14:28). Koa raha maniry ny hitana fifandraisana tsara amin’ilay Andriamanitry ny fahamarinana isika, dia hohalavirintsika ny firesahana ny amin’ny Zanany toy ny hoe Andriamanitra izy na mitovy amin’Andriamanitra.

25. Tamin’ny tsy fivadihany hatrany tao anatin’ireo fitsapana nihatra taminy teto an-tany, inona moa no notontosain’i Jesosy?

25 Teto an-tany Jesosy dia tsy maintsy nisetra fahasahiranana tsy hitany mihitsy teo aloha. Niseho ho tsy nanan-tsiny izy tany an-danitra teo amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’ny Rainy. Nefa moa ve tsy hivadika hatrany izy amin’ny maha-olombelona, na dia ampijaliana sy aetry tsy amin’ny antony aza? Tapa-kevitra Satana ny hanaporofo fa tsy misy olona na dia iray aza, na dia ny Zanak’Andriamanitra voalohany aza, tsy hivadika ao amin’ny memin’ny fitsapana. Nifikitra tamim-pahatokiana hatrany tamin’ny Tenin’Andriamanitra anefa Jesosy ka nanaiky hotarihiny ary naka teny avy ao mba hanoherana ny fakam-panahy. Nolaviny mafy ireo fitaomana hanao ratsy ka hoy ny nambarany: “Mandehana hianao, ry Satana; fa voasoratra hoe: “Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao.” (Matio 4:10). Hatramin’ny fahafatesany Jesosy dia tsy nivadika hatrany tamin’i Jehovah Filohany, na dia tao aza ny fitsapana mafy lavitra noho izay rehetra nihatra tamin’i Adama. Toy izany no nanomezany voninahitra indray ny anaran’ny Rainy ka nanoherany ny fiampangana lainga nataon’i Satana taminy. Tamin’ny ohatra nomeny no nampisehoan’i Jesosy tamintsika ny fomba hahatoherana ny fakam-panahy ka hanaporofoantsika koa fa manohana amim-pahatokiana ny fanapahan’i Jehovah isika.

26. Inona koa moa no nataon’i Jesosy tamin’ny nahafatesany, ary fahafahana hanao inona no atolotra antsika amin’izany? (I Timoty 2:3-5.)

26 Tsy nianina tamin’ny fampisehoana tamintsika ny ohatra tsara anefa ny Zanak’Andriamanitra. Nohazavain’i Jesosy fa tonga izy “mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.” (Marka 10:45). Nilaina io fanavotana io, raha tsy izany dia tsy ho afaka na oviana na oviana amin’ny fahotana, ny aretina ary ny fahafatesana, tamin’ny ota, ny olombelona. Araka ny lalàn’Andriamanitra, ny vidin’ny fanavotana dia tokony ho ain’olombelona tanteraka, ny mitovy indrindra amin’izay verin’i Adama. Tsy nisy taranak’i Adama tsy tanteraka na dia iray aza afaka nandoa an’io vidiny io. Tamim-pitiavana no nanomezan’i Jehovah an’io avotra io tamin’ny fanirahana ny Zanany teto an-tany. Raha efa izany, dia novonoina Jesosy. Nanangana azy tamin’ny naha-fanahy (esprit) anefa Andriamanitra ary nanaiky ny vidin’ny ain’olombelona nananany ho sorona natolotra ho an’ny olona. Tamin’izany no nananantsika fahafahana hahita indray izay verin’i Adama. Izao no lazain’ny Baiboly: “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16). Toy inona moa ny fahatsinjovan-javatra kanto atolotra antsika, nefa raha toa ihany isika ka maneho finoana ny Zanak’Andriamanitra, mianatra ny amin’ny fampianarany ary miaina mifanaraka tanteraka amin’izany!

27. a) Nahoana moa izy no tsy nitsabaka tamin’ny raharaha ara-politika? (Jaona 18:36.) b) Inona moa no nampahafantarin’i Jesosy ny mpianany mikasika ireo fitondram-panjakana? (Matio 22:17-21.)

27 Mba hanehoana finoana toy izany, dia ilaina koa ny hanekena ny raharaha ara-pitondram-panjakana nankinin’i Jehovah tamin’ny Zanany. Tsy nitsabaka tamin’ny raharaha ara-politika tamin’ny androny Jesosy, satria fantany fa tsy nisy fitondram-panjakan’olombelona na dia iray aza nanohana ny fanapahan’i Jehovah. Nihambo ho nino an’Andriamanitra ny filoha ara-politika sasany, nefa raha ny marina, izy rehetra dia nanorina ny fitsipiky ny tenany ihany mikasika ny tsara sy ny ratsy. Araka izany, na niniana natao na tsia, izy rehetra dia nipetraka teo ambany fitarihan’ilay fahavalon’Andriamanitra, dia Satana Devoly, ampahafantarin’ny Baiboly ho “filohan’izao tontolo izao.” (Jaona 14:30, MN.) Nampianarin’i Jesosy an’ireo mpianany fa tokony handoa ny hetrany izy ireo ary hanara-dalàna raha mbola avelan’Andriamanitra hisy koa ireo fitondram-panjakan’olombelona. Nohazavainy tsara amin’izy ireo anefa fa ny filaminana ho avy dia tsy ho tonga afa-tsy amin’ny alalan’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia io fitondram-panjakana tena araka ny rariny io izay hampihatra ny fahefany eo amin’ny olona rehetra, avy any amin’ny lanitra ambony. Koa nampianariny ny mpianany izao vavaka izao: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.” Namporisika azy ireo izy mba hiaina mifanaraka amin’ireo lalan’io Fanjakana io, araka ny anambarana izany ao amin’ny Baiboly. Nankininy tamin’izy ireo koa ny fanirahana hitory “ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity” amin’ny olona maneran-tany. — Matio 6:10; 24:14, MN.

28. Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra, ary ahoana no tokony hanaporofoantsika fa manaiky izany isika? (Matio 6:33.)

28 Io Fanjakana io no fiasana hampiasain’i Jehovah mba hanatanterahana ny sitrapony. Io fitondram-panjakana io no hampiray indray ny zavatra noforonina manan-tsaina rehetra ho eo ambany fiandrianan’i Jehovah. Ny mpikambana ao aminy, nofidina teo amin’ny mponina amin’ny tany, dia ho nanaporofo fa manohana amim-pahatokiana ny fiandrianana sy ny fanapahan’i Jehovah izy ireo. Atao hoe “ondry vitsy” izy ireo. (Lioka 12:32). Ny boky farany ao amin’ny Baiboly dia mampiharihary fa ny isan’izy ireo dia voafetra ho “efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy izay navotana niala tamin’ny tany.” (Apokalypsy 14:1, 3). Nefa ny fahefan’ny mpanjaka dia ankinina indrindra amin’ny Zanak’Andriamanitra, Jesosy Kristy. Araka ny faminanian’Andriamanitra, dia izy no omen’i Jehovah “fanapahana sy voninahitra ary fanjakana (...), mba hanompoan’ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy.” (Daniela 7:13, 14). Tena ilaina ny hiainan’ny tsirairay avy amintsika mifanaraka tanteraka amin’io fitondram-panjakana io. Tsy havelan’Andriamanitra foana hahatandindomin-doza ny filaminan’ny hafa ireo izay tsy mety manaiky izany.

29. a) Hatramin’ny fotoana toy inona moa izay no naharetan’ny fanapahan’olombelona, nefa nahoana izany no hifarana tsy ho ela? (Jeremia 17:5.) b) Inona no ho vokatr’izany ho an’i Satana? d) Inona no hiafaran’ireo fitondram-panjakan’olombelona? e) Inona no hanjo ny ratsy fanahy? f) Hanao ahoana ireo izay miseho ho tsy miraharaha ny fanapahan’i Jehovah? (II Tesaloniana 1:6-9.)

29 Hatramin’ny fikomiana tany Edena dia nanana enina arivo taona teo ho eo ny olombelona mba hanaovana ny fanandramana mampalahelo ny amin’ny fanapahan’olombelona. Nampidi-doza izany. Soa ihany fa asehon’ny Baiboly fa ao anatin’ny taranaka ankehitriny Andriamanitra dia hampihatra ny didim-pitsarany. Inona no ho vokany ho an’ilay fahavalon’ny olona lehibe indrindra, dia Satana Devoly? Hatao tonga tsy manan-kery tanteraka izy sy ireo demoniany, ‘hatsipy ho amin’ny lavaka tsy hita noanoa’, izay tsy hahafahany hampaniasia ny olona intsony (Apokalypsy 20:1-3). Ary inona no ho vokatry ny fampiharana ny didim-pitsaran’Andriamanitra eo amin’ny fitondram-panjakan’olombelona? Izao no avalin’ny Baiboly: “Ireo fanjakana rehetra ireo [an’ny olombelona] dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” (Daniela 2:44). Inona no hiafaran’ireo mpandainga, ireo mpangalatra sy ireo mampihatra herisetra? “Tsy hisy ny ratsy fanahy; handinika ny fonenany hianao, fa tsy ho hita izy.” (Salamo 37:10). Ahoana ny amin’ireo izay miseho ho tsy miraika amin’ny fanapahan’i Jehovah? Tamin’ny andron’i Noa, dia “tsy fantany mandra-pihavin’ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra”, ary ho toy izany koa no hitranga rehefa hampihatra ny didim-pitsarany amin’ny alalan’ny Zanany Andriamanitra. — Matio 24:39.

30. Inona no ho vokatr’izany eo amin’ireo izay ho nanaporofo ny fifikirany amin’ny fanapahan’i Jehovah? (Apokalypsy 7:9, 10, 13, 14.)

30 Fa inona no hiafaran’ny olona izay ho nanaporofo ny fifikirany amin’ny fanapahan’i Jehovah? Hafahana izy ireny ary hiditra ao amin’ny fandaharan-javatra vaovao sy marina nampanantenain’Andriamanitra. Hovana ny fiainan’izy ireo, araka ny asehon’ny nataon’Andriamanitra teo amin’ny firenen’Isiraely fahizay. Tsy nisy hafa tamin’ny nanambaran’Andriamanitra azy tamin’ny alalan’i Mosesy ny fitrangan-javatra, dia izao: ‘Honina any amin’ny tany izay omen’i Jehovah Andriamanitra anareo holovana [hianareo], ary homeny fitsaharan’ady amin’ny fahavalonareo rehetra manodidina hianareo ka mandry fahizay.” (Deotoronomia 12:10). Mikasika ny toe-piainana nisy nandritra ny andro nanjakan’i Solomona mpanjaka, dia izao no ambaran’ny Baiboly: “Ary ny Joda sy ny Isiraely nandry fahizay tamin’ny andron’i Solomona rehetra, samy teny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny ny olona hatrany Dana [tany amin’ny farany avaratra] ka hatrany Beri-sheba [any atsimo].” (1 Mpanjaka 5:5). Araka ny lalàn’Andriamanitra, ny fianakaviana tsirairay avy dia nanana tany azony nipetrahana sy novolena. Nitahy an’ireo izay nankato azy Andriamanitra, ary tsy nivadika tamin’ny fampanantenany fa nanome azy ireo “ny ranonorana amin’ny fotoany”. (Deotoronomia 11:13-15). Nanana filaminana ara-toe-karena àry ny olona.

31. Araka ny Salamo 72, toe-piainana manao ahoana no hanjaka eto an-tany eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra?

31 Tantaraina ao amin’ny Baiboly izany zava-nisy izany, tsy hoe mba hamenoana ny filazana ara-tantara fotsiny, fa ho fampaherezana antsika. Raha niresaka ny amin’i Jesosy Kristy Tompo, ilay notendren’i Jehovah ho Mpanjaka amin’ny tany rehetra, ny Soratra Masina, dia milaza fa “lehibe noho Solomona” izy. (Lioka 11:31). Mandritra ny andro hanjakan’i Kristy, ny tany manontolo dia hahita toe-piainana mbola tsara lavitra noho izay nanjaka teo amin’ny Joda sy teo amin’ny Isiraely tamin’ny andron’i Solomona. Milazalaza amin’ny fomba mahatalanjona ny amin’izany fitahiana izany ny Salamo 72, araka izao teny izao: “Ny marina hitrebona amin’ny androny, ary ho be ny fiadanana mandra-paha-tsy hisy volana intsony. Ary hanjaka hatramin’ny ranomasina ka hatramin’ny ranomasina izy, ary hatramin’ny Ony [Eofrata] ka hatramin’ny faran’ny tany. (...) Hanavotra ny fanahiny amin’ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy; ary ho zava-dehibe eo imasony ny rany. (...) Hahavoka-bary betsaka ny tany, na dia any an-tampon’ny tendrombohitra aza.” (Salamo 72:7, 8, 14, 16). Amin’izay ny tarehin-javatra dia ho sahala amin’ny noresahin’i Jesosy Kristy tamin’ny lehilahy iray nangataka taminy mba hahatsiaro azy rehefa ho tafiditra ao amin’ny Fanjakany izy. Hoy ny nambaran’i Jesosy: “Ho ao amin’ny Paradisa hiaraka amiko ianao.” — Lioka 23:43, MN.

32. a) Nahoana moa no ho afaka ny handray izany fitahiana izany na dia ireo maty aza? b) Avy aiza moa no hananganana ny maty? (Ezekiela 18:4; Joba 14:13.)

32 Tsy hohadinoina ireo olona maty noho ny fahotana nolovany tamin’i Adama. Izy ireny koa dia handray soa amin’ny sorom-panavotan’ny Zanak’Andriamanitra. Mirakitra izao teny mampahery izao ny Baiboly: “Hisy fitsanganan’ny marina sy ny meloka.” (Asan’ny apostoly 24:15). Milaza inona izany? Lazain’ny Baiboly mazava fa “fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona.” (Mpitoriteny 9:5). Tsy manana aina ao am-pasana izy ireny. Ho velona indray izy, amin’ny alalan’ny fitsanganana amin’ny maty. Ankoatr’ireo anisan’ny “ondry vitsy” izay hanana anjara amin’ny fiainana any an-danitra dia hiverina amin’ny maha-olombelona, amin’ny fanantenana ny hiaina mandrakizay eto an-tany.

33. a) Ahoana moa no haharesy ny aretina sy ny fahafatesana? (Marka 2:1-12.) b) Irinao ve ny handray soa manokana amin’izany fampanantenana nataon’Andriamanitra ho amin’ny filaminanao izany?

33 Ho fotoam-panavaozana ho an’ny taranak’olombelona izany. Eo ambany fitarihan’ilay Fanjakana any an-danitra, sy noho ny vidin’ny soron’i Jesosy hampiharina amin’izy ireo, izay haneho finoana dia hahita ny fanjavonan’izay rehetra mety ho soritry ny fahotana sy ny vokany. Nandritra ny fivahiniany teto an-tany, dia nasehon’i Jesosy ny soa horaisin’ny olona. Nanasitrana izao karazan’aretina rehetra izao izy, na dia ny jamba sy ny mandringa aza. Ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovaon’Andriamanitra, ny tany dia ho feno olona handray soa toy izany. Raha niresaka ny amin’Andriamanitra ny Baiboly dia nanome izao fampanantenana izao: “ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.” (Apokalypsy 21:4). Eny, ho efa nanjavona koa ny zavatra rehetra mitondra tsy filaminana amin’izao andro izao. Fahatsinjovan-javatra mahatalanjona re izany!

34. Mety hahita filaminana dieny izao ve isika?

34 Tsy voatokana ho amin’ny ho avy anefa ny antonanton-javatra rehetra mitondra filaminana ho anao. Afaka manana filaminana lehibe dieny izao ianao.

NY FILAMINANA METY HANANANAO DIENY IZAO

35. Inona avy moa no anton-javatra mitondra be dia be, filaminana manokana ho antsika?

35 Na manao ahoana na manao ahoana zava-manahirana hafa eo amin’ny fiainana, dia hanaiky ny ankamaroan’ny olona fa raha manan-kohanina sy hotafina izy, dia efa mahita filaminana lehibe. Raha tena mifankatia koa ny olona iarahany, moa ve tsy mitondra filaminana amboniny ho azy ireny? Farany, raha fantany izay tehirizin’ny ho avy ho azy ireny, izany dia mampihena be dia be izay rehetra mety ho fahatsiarovana fisalasalana. Tsy mandray soa amin’ny filaminana toy izany anefa ny ankamaroan’olona. Moa ve tsy mikasika afa-tsy ny ho avy ireo fanomezan-toky avy amin’ny Tenin’Andriamanitra? Sa kosa azo atao ny mahita filaminana dieny izao, amin’ny finoana ireo fampanantenan’Andriamanitra sy amin’ny fanaovan-javatra mifanaraka amin’izany? Misy olona efa mahita izany filaminana izany ve?

36. a) Amin’ny fepetra inona moa no anomezan’Andriamanitra dieny izao izay ilaintsika? b) Iza moa no efa manana izany filaminana izany ary nahoana? (Efesiana 4:28.)

36 Ny kristiana fantatra amin’ny anarana hoe vavolombelon’i Jehovah dia miaiky fa marina ny Tenin’Andriamanitra ary noporofoin’izy ireo fa ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipiny eo amin’ny fiainany dia mitondra soa mahatalanjona dieny izao. Mba handraisan-tsoa toy izany, dia tokony hoheverina ho zava-dehibe araka ny mendrika azy ny zavatra ara-panahy. Marina fa ny mponina rehetra amin’ny tany, na mankamamy ny zavatra ara-panahy izy na tsia, dia afaka mandray soa amin’ny vokatry ny tany. Asehon’ny Baiboly anefa fa mihevitra indrindra an’ireo izay manome ny toerana voalohany ho an’ny fanompoana azy Andriamanitra. Ho fanatanjahana ny finoan’ny mpianany, dia izao no nambaran’i Jesosy: “Dia aza manahy hianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona no hotafianay? Fa izany rehetra izany dia katsahin’ny jentilisa fatratra; fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany. Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.” (Matio 6:31-33). Fa ahoana no andraisan’ny vavolombelona “izany rehetra izany”, dia ireo zavatra ilaina mba hitanana ny fiainany? Tsy tohanan’ny kongregasiona kristiana amin’ny ara-bola akory izy ireny, fa mpiasa be herim-po daholo izy rehetra. Ary rehefa mametraka ny Fanjakan’i Jehovah sy ny Fahamarinany ho eo amin’ny toerana voalohany ny olona iray, dia mitahy ny fiezahany hamelon-tena Andriamanitra. Henoiny izao vavaka izao: “Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay.” (Matio 6:11). Marina fa tsy mampanantena an’ireo mpanompony akory Jehovah fa eo amin’izao tontolo izao ankehitriny dia hanome azy ireo zavatra ara-nofo be dia be izy, fa omeny toky kosa izy ireo fa hanana izay ilaina eo amin’ny fiainana izy. Tsy misy mihitsy afaka ny hanome izany azy mihoatra noho ny tenany.

37. a) Fitondrantena sy fihetsika manao ahoana moa no miteraka fahatsiarovana tsy filaminana? b) Inona moa no toetra tsy hita indrindra eo amin’ny olona amin’izao andro izao? d) Araka ny filazan’i Jesosy, aiza moa no mety hahitana fitiavana toy izany?

37 Ilay Andriamanitra lehibe manome ny ilaina ara-nofo eo amin’ny fiainana dia manipika koa ny maha-zava-dehibe ny zavatra hafa iray mitondra filaminana ho antsika. Tsy holavinao fa tsy hahatsiaro sambatra na tsy hanana ahiahy ny olona iray manana ny zavatra ara-nofo rehetra raha toa ny olona manodidina ka tsy mihevitra azy mihitsy. Ho teraka ao aminy ny fahatsiarovana ho be ahiahy raha toa ny olona ka mandainga aminy sy mifetsy azy, raha miresaka ny aminy tsy misy fahamoram-panahy firy izy ireny, raha mitsara azy araka ny fananany ara-nofo, ny volon-kodiny na ny fireneny izy ireny, na tsy miseho ho tsara fanahy aminy raha tsy rehefa atosiky ny antony mampiseho fitiavan-tena. Izay tsy ampy indrindra eo amin’ny olona tokoa dia ny fitiavana, — fihetseham-po feno fahatsorana sy tsy mitady valiny aseho amin’ny hafa. Moa ve ny fitiavana toy izany misy amin’izao andro izao, tsy eo amin’ny olona vitsivitsy etsy sy eroa fotsiny, fa toy ny toetra mampiavaka vahoaka iray manontolo? Manome toky antsika ny amin’izany Jesosy Kristy. Hoy ny nambarany: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” Raha nanamarina izy fa hisy mpianatra toy izany na dia amin’izao androntsika izao aza, dia nanantitrantitra toy izao izy: “Indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.” — Jaona 13:35; Matio 28:20.

38. Ahoana moa no anampian’ny Baiboly anao hamantatra ireo izay maneho fitiavana toy izany? (I Jaona 4:20, 21.)

38 Raha tsy hitanao teo amin’ny manodidina anao izany fitiavana izany, dia tokony hotadiavinao any an-toeran-kafa. Ao amin’ny 1 Jaona 4:8, dia manome filazana iray anao ny Baiboly ka manao hoe: “Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an’Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana.” Araka izany, dia eo amin’ny vahoaka “tia an’Andriamanitra” no mety hahitanao an’io fitiavana io. Mazava ho azy fa tsy hahita izany eo amin’izay rehetra milaza tena ho mpino akory ianao; fantatrao izany. Misy anefa io fitiavana io eo amin’ireo izay mahalala an’i Jehovah, ilay hany Andriamanitra marina, izay manaja ny anarany ka miezaka amim-pahatsorana mba hampifanaraka ny fiainany amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Miharihary ny tombontsoa azo amin’ny fiarahana amin’ny olona toy izany.

39. Ankoatry ny fiarahana amin’ny kristiana toy izany, ahoana no hahafahanao mampitombo ny filaminanao sy ny fifalianao amin’ny fiainana?

39 Hita avy hatrany fa tsy hiaro anao amin’ny zava-dratsy ataon’ny olon-kafa akory ny fiarahana amin’ireny kristiana ireny. Na dia izany aza, raha ekenao manokana fa miankina amin’Andriamanitra ianao, ary raha ekenao an-tsakany sy an-davany ny filazalazan’Andriamanitra ny amin’ny tsara sy ny ratsy araka ny amelabelarana azy ao amin’ny Baiboly, dia handray soa marobe ianao. Tsy hanao asa tsy hiteraka afa-tsy alahelo ho anao ianao. Izao no vakintsika, ao amin’ny Ohabolana 1:33: “Fa izay mihaino Ahy [ny fahendren’Andriamanitra] kosa hitoetra tsy manana ahiahy, eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy.” Hisy zava-kendrena eo amin’ny fiainanao raha ampifanarahinao amin’ny sitrapon’ny Mpamorona izany. Tsy hiharan’ny fahadisoam-panantenana fahitan’ny olona marobe amin’izao andro izao ianao, fa hanana fifaliana amin’ny fanampiana ny hafa hahita ny hany tena fanafodin’ireo zava-manahirana ny olombelona, dia: ny Fanjakan’Andriamanitra. Nambaran’i Jesosy Kristy ara-paminaniana ny amin’io asa io, tamin’ny filazana hoe: “Ary hotoriana amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” — Matio 24:14.

40. Ahoana moa no fiheveran’ny vavolombelon’i Jehovah ny ho avy, ary nahoana? (Lioka 21:28-32.)

40 Rehefa mihevitra ny ho avy ireo izay mandray anjara amin’io fitoriana io, dia tsy matahotra izy ireo. Nianatra ny Baiboly izy ireo ary mino ny hafatra entiny izy ka mahalala izay tehirizin’ny ho avy ho azy. Tsy mivarahontsana velively izy ireo isaky ny manjary mampidi-doza ny raharahan’izao tontolo izao, fa hitany amin’izany kosa ny fahatanterahan’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly mikasika ny faran’ny fandehan-javatra. Fantany fa tsy ho ela, ao anatin’ny taranaka ankehitriny, dia haringan’Andriamanitra izay rehetra tsy miraharaha hatrany ny fanapahany marina ka mikiry misakana ny mpiara-belona aminy tsy hanana ny fiainana. Andrasan’izy ireo amim-pitokisana sy amim-pifaliana ny fahatanterahan’ny fanantenana aseho ao amin’ny II Petera 3:13, izay amakiantsika toy izao: “Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana.”

41, 42. a) Nahoana moa ny vavolombelon’i Jehovah no efa manana filaminana lehibe? b) Ho tianao ve ny mba hahita koa ny filaminana hitan’ny vavolombelon’i Jehovah?

41 Izany no filaminana hita dieny izao eo amin’ireo kristiana manaraka ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah Andriamanitra, izay ‘mivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana’. Izany filaminana izany dia vokatry ny fanekena ireo fitsipi-pahamarinan’Andriamanitra sy ny fampiharany izany eo amin’ny fiainany. Manambara toy izao ny faminanian’Isaia 32:17, 18: “Ny asan’ny fahamarinana ho fiadanana; ary ny vokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy fahatokiana mandrakizay; ary ny oloko hitoetra ao amin’ny fonenana mandry fahizay sy ao amin’ny fitoerana mahatoky ary ao amin’ny fialan-tsasatra feno fiadanam-po.” Manohana amim-pahatokiana ny fiandrianan’i Jehovah ireny kristiana ireny. Tsy mametra ny fitsipiky ny tenany ihany mikasika ny tsara sy ny ratsy izy ireny. Tsy manandrana mandamina araka ny fomban’ny zava-manahirana eo amin’izao tontolo izao izy ireo. Amim-pankasitrahana no anekeny sy anohanany ilay fiasana nomen’i Jehovah noho ny fahamoram-panahiny, dia: ilay Fanjakana nankininy amin’i Jesosy Kristy.

42 Ho tianao ve ny mba hanana koa ny filaminana hitan’ny vavolombelon’i Jehovah? Afaka manao izany ianao.

IZAY AZONAO ATAO

43. Inona moa no ho hitanao ao amin’ny Efitrano Fanjakana iray an’ny vavolombelon’i Jehovah?

43 Ny anankiray amin’ireo zavatra voalohany indrindra tokony hatao dia ny fiarahana amin’izany vahoaka manana filaminana izany. Ho azonao atao amin’izay ny hahatsapa raha izany tokoa no tadiavinao. Manasa anao amim-kafanam-po ny vavolombelon’i Jehovah hanatrika ireo fivoriana ataony ao amin’ny Efitrano Fanjakana akaiky anao indrindra. Tsy hahita fombafomba na fanatazan-drakitra ao ianao. Ny hatrehinao ao kosa dia famakafakana ny Tenin’Andriamanitra mahavariana, ary hianaranao ny fomba hampiharana izany eo amin’ny fiainanao. Manome izao torohevitra izao ny Baiboly: “Ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany, fa mifananara kosa.” (Hebreo 10:24, 25). Izany no toe-tsaina ho hitanao ao amin’ny Efitrano Fanjakana.

44. a) Mba hananana manokana ny filaminana hitan’ireo hihaona aminao ao amin’ny Efitrano Fanjakana, inona moa no tokony hataonao? b) Mandeha ho azy ve ny fifandraisana amin’Andriamanitra toy izany? Raha tsy izany no izy, ahoana no azontsika andraisan-tsoa avy amin’izany?

44 Ireny fivoriana ireny dia hahatonga anao ho afaka hahatsapa fa manana filaminana ireo mpanatrika, ary tsy isalasalana fa hahita fahafinaretana ianao amin’ny fifankahalalana amin’izy ireny. Nefa, mba hahitan’ny tenanao izany filaminana izany, dia tokony hanao zavatra mihoatra noho izany ianao. Ny zava-dehibe indrindra dia ny hanorenana fifandraisana tsara amin’i Jehovah Andriamanitra. Miankina aminy ny fahasambaranao ankehitriny sy ny fanantenanao ny amin’ny ho avy. Tsy mandeha ho azy akory izany fifandraisana amin’Andriamanitra izany; tsy nolovana izany. Taranak’i Adama mpanota daholo isika rehetra, hany ka teraka teo anivon’ny fianakavian’olombelona lavitra an’Andriamanitra isika. Mba hahazoana sitraka amin’i Jehovah, dia tokony hihavana aminy isika, ary tsy mety hisy izany raha tsy inoantsika ny sorom-panavotan’ny Zanany, izay nanambarana toy izao: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.” — Jaona 14:6.

45. a) Inona moa no tokony hekentsika aloha mikasika ny fomba fiainantsika? (Apokalypsy 4:11.) b) Mba hahazoana sitraka amin’i Jehovah, tokony hiaiky ny amin’inona moa isika? d) Nahoana moa no ilaina ny hanaovana batisa ny tena, nefa inona no tokony hialoha ny batisa? (Matio 28:19, 20.)

45 Ilaina ny hiaikena fa avy amin’Andriamanitra ny aintsika, nefa raha tsy mety mankato azy isika dia manao ratsy. Raha toa, tamin’ny lasa, ka tsy niaina mifanaraka tamin’ny sitrapon’Andriamanitra isika, ka manenina ny amin’izany, dia hialantsika izany lalan-dratsy izany, hiverina isika ary hiezaka hanao hatramin’izao ny sitrapon’i Jehovah. Nilaza tamin’ny mpianany tokoa Jesosy fa tokony “handa ny tenany” izy ireo. (Matio 16:24). Raha manao toy izany isika, dia tsy hilaza intsony fa manana “zo” hiaina ny fiainantsika araka izay heverintsika fa tsara, araka ny faniriantsika feno fitiavan-tena sy tsy misy fiahiana ny amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Hanolo-tena tanteraka ho an’Andriamanitra kosa isika mba hanatanteraka ny sitrapony ary hankato ny Zanany. Hanao izany isika noho ny fahalalantsika fa marina izany sy noho ny finoantsika mafy fa izay rehetra ataon’i Jehovah, dia ataony amin’ny fikasana feno fahamoram-panahy sy mahitsy. Hitondra fitahiana ho antsika ny fahatanterahan’io fikasana io, raha tia ny rariny isika. Ho tia an’i Jehovah ‘amin’ny fontsika rehetra sy ny fanahintsika rehetra sy ny saintsika rehetra ary ny herintsika rehetra’ tokoa isika. (Marka 12:29, 30). Ho tapa-kevitra tsara ao am-pontsika isika ka ho vonona ny hiseho ho amin’ny batisa ampahibemaso, toy ny nataon’i Jesosy Kristy sy araka ny toromarika nomeny ny mpianany. Izany, araka ny Tenin’Andriamanitra, no hany fomba hidirana amin’ny fifandraisana amin’ilay Andriamanitra marina sy hananana ny fankasitrahany mbamin’ny filaminana hitan’ireo mpanompony amin’izao andro izao.

46. Ahoana no hampisehoantsika fa maniry an’i Jehovah ho Filohantsika tokoa isika?

46 Manaraka izany, dia tena ilaina ny hampisehoana hatrany fa nialantsika mandrakizay ny lalan’ny tsy fiankinana nasain’i Satana narahina, fa tsy mitoky amin’izay heverin’ny tenantsika ho tsara sy ho ratsy isika ary tena maniry tokoa ny haha-Filohantsika an’i Jehovah. Tokony hanao araka ny voasoratra toy izao ao amin’ny Ohabolana 3:5, 6, isika: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.” Eny, hitarika ny diantsika ho amin’ny lalan’ny tena filaminana maharitra izy.

47. Filaminana manao ahoana moa no ho hitan’ireo izay manaiky amim-pahatsorana ireo fandaharan’i Jehovah?

47 Toy inona moa ny fitahiana mahatalanjona voatokana ho an’izay rehetra manaiky amim-pahatsorana ireo fandaharana maneho fahamoram-panahy nataon’i Jehovah ho an’ny olona! Ireo izay miandany amin-kerim-po amin’ny fanapahany dia ho voaro amin’izao fotoana izao, ary afaka miandry ny ho avy amim-pitokisana izy ireo. Noho ny hatsaram-po sy ny tsy fivadihan’i Jehovah, izy ireny dia hanana anjara amin’ny filaminana ho hitan’ny olona rehetra eo ambanin’ny Fanjakany hoentin’i Jesosy Kristy Zanany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Ny filazana toko sy andininy ao amin’ny Baiboly tsy arahin’ny fanafohezana dia avy amin’ny fandikan-teny malagasy.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 4]

Misy olona velona amin’izao fotoana izao hahita ny andro hanjavonan’ny hanoanana.

[Sary, pejy 7]

Miankina amin’Ilay namorona ny lanitra sy ny Tany ny fanantenantsika ny amin’ny ho avy.

[Sary, pejy 13]

Ny fitantarana ao amin’ny Baiboly mikasika ireo ray aman-drenintsika voalohany dia manazava ny antony nahatonga ny fiainan’ny olona ho simban’ny tsy filaminana.

[Sary, pejy 22]

Tsy hisy heloka bevava intsony eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra; tsy hotandindomin-doza intsony ny tenantsika sy ny fananantsika.

[Sary, pejy 24]

Ampanantenain’ny Tenin’Andriamanitra fa foanany ny aretina sy ny fahafatesana ary ho velona indray koa aza ireo olon-tsy fointsika efa maty.