Hijery ny anatiny

“Indro, Havaoziko ny Zavatra Rehetra”

“Indro, Havaoziko ny Zavatra Rehetra”

“Indro, Havaoziko ny Zavatra Rehetra”

1-4. a) Inona no zavatsoa ho avy azon’ny olona rehetra andrandraina amin’izao fotoana izao? b) Inona no anton’ny tokony handinihina tsara ny zavatra voalaza ho porofon’izany?

JEREO kely ange ny fahafinaretan’ireto olona asehon’ny sary eto amin’ity fonon’ity boky ity ê! Tsy mba mampitsiriritra anao va ny ho toa azy ireo koa? Izany tokoa, satria iza moa no tsy mangetaheta fiadanana sy firaisam-po? Karazan’olona maro — mainty, fotsy, mavo — no miara-miriaria eto, toy ny fianakaviana iray. Hafaliana re izany! Firaisana re izany! Lavitra azy ireo ny tahotra ny loza ateraky ny baomba atomika. Madio tanteraka koa ny habakabaka fa tsy mba hahitàna ny firiotran’irony fiaramanidin’ny tafika faingam-pandeha irony, ary tsy mba simban’ny fitalakotrokotrony ny sofina. Tsy mba tsinjonao eo koa: na miaramila, na tafondro, na kalesim-by fananiham-bohitra, izay mety hanova ny endrika soan’ity saha ity; eny, fa na dia ny hazofotsin’ny polisy aza dia tsy ilaina eto intsony handaminana ny fifamoivoizana. Nanjavona ny ady sy ny vonoan’olona. Foana koa ny fahoriana eo amin’ny fitadiavan-trano, satria efa tompon’ny trano tsy misy tomika hipetrahany ny olona tsirairay avy.

2 Fa iretsy ankizy iky! Mahafinaritra aoka izany ny manara-maso ny fikarenjiny! Ary izatsy biby miara-mikorana aminy iky! Aiza intsony irony trano vy nampitoka-monina azy irony: eto dia miray amim-piadanana na biby na olona. Ny liona sy ny zanak’ondry aza dia manjary mpisakaiza. Ary mba manao ahoana ny fijerinao ny hamevan’ny soratr’iretsy vorona? Zary mozika arahan’ny fitokelaky ny hehin’ny ankizy ny feon’izy ireo. Na tranom-borona iray koa aza dia tsy tazana eto: foana izany, fa ny fahafahana sy ny fihavanana tsy an-terivozona kosa no efa manjaka eto amin’ity saha ity. Mamerovero aoka izany ny fofon’itony voninkazo, heno mibitsika malemy iroa rian-drano, ary ny taratry ny masoandro dia mahavelombolo aoka izany. Handramo kely iretsy voankazo ao anaty harona. Ny tsara indrindra amin’ny vokatry ny tany ireo. Tsy mahagaga fa tsy misy tsininy tokoa izay rehetra tazana eto amin’ity saha ity.

3 Fa nankaiza kosa ny antitra rehetra na lahy na vavy? Fa angaha hoy hianao tsy mba azon’izy ireny atao ny hiara-miaina amim-piadanana amin’ireto olona ireto? Tsia, nisy antitra tokoa tamin’izy ireo, saingy efa nihatanora ireny. Eto amin’ity saha ity mantsy dia tsy mba misy fahafatesana ateraky ny fahanterana. Rehefa mby eo amin’ny mahaolon-dehibe azy ny ankizy, dia mijanona eo fa tsy miha-antitra intsony. Koa na roam-polo na roan-jato taona aza ny hiainan’ny olona izay monina an-tapitrisany ao amin’io saha io, dia tanora lalandava izy ireny satria tsy mba azon’aretina mihitsy. Antapitrisany hoe? Izany tokoa, satria ity saha ity dia efa mitatra hatramin’ny faran’ny tany rehetra. Ho voatahiry ao avokoa ny zavatsoan’ny tany rehetra, hatreo Fouji-Yama ka hatrany amin’ny havoanan’i Hymalaya, hatreo Hong-Kong ka hatrany amin’ny ranomasin’i Méditerranée. Zary Edena avokoa ny globy manontolo. Henika ny paradisa izao rehetra izao.

4 Sarotra aminao va ny hino izany? Alohan’ny hamalianao io fanontaniana io, dia miangavy anao izahay handinika ny zavatra hasehonay manaraka ho porofon’ny fahamarinan’izany. Hianao sy ny ankohonanao dia mety hiditra ka hivelona amin’io tany vaovao io, izay asehon’ity sary ity ny sationam-piainana ao, rehefa ho ringana sy ho levona izao fombam-piainana tsy mahomby mbola misy antsika izao. *

NY BOKY MITORY NY PARADISA

5. a) Inona no boky manazava izany zavatra izany? b) Momba ny inona indrindra no mahafatratra ity boky ity?

5 Ireo zavatra mendri-boninahitra ireo, sy ny fahafantarana marimarina ny hahatanterahany, dia voazava ao amin’ilay boky tsy misy toa azy: dia ny Baiboly izany. Izy no boky antitra indrindra, satria efa ho enina arivo taona izao no voasoratra ny teny voalohany ao anatiny. Fiasàna ilaina fatratra amin’izao andro izao koa nefa izy ity, noho ny toro-hevitra mahasoa tehiriziny momba ny adim-piainana ankehitriny. Fanantenana mamirapiratra no ateraky ny faminaniana raiketiny. Izy no boky fatra-piely indrindra noho izy efa voadika amin’ny fiteny zato sy arivo mahery samihafa, ary mahatratra roa hetsy tapitrisa ny isany.

6. Inona no hiavahan’ny Baiboly amin’ny boky masina hafa rehetra?

6 Tsy misy koa boky masina hafa voaely hoatra ny Baiboly, ary raha ny fahamaitimolaliny no heverina, dia tsy mbola nisy boky nahatratra ny atsasaky ny fetaona naha Baiboly azy. 2.500 taona lasa izay no niainan’i Bouddha mbamindr’i Conficius, nefa vao tamin’izany fotoana izany monja koa no nipoiran’ny boky nosoratan’izy ireo. Ny an’ny Shinto dia vao 1.200 taona monja koa izay no nisehoany, ary ny an’ny Mormona dia vao 140 taona monja kosa. Tsy misy na iray aza, amin’ireo boky atao hoe masina ireo, milaza amim-pahamarinana toa an’ny Baiboly, ny zavatra niseho teo amin’ny tantaran’ny olombelona enina arivo taona lasa izay. Tianao ho fantatra va ny niandohan’ny fivavahana? Raiso ka zahao ny Baiboly. Boky tokana izy, nefa kosa ho an’ny olon-drehetra ny hafatra entiny.

7. Inona no zavatra lazain’ny mpandinika sasany momba ny Baiboly?

7 Ny fahendrena sy ny hasoan’izany hafatra entin’ny Baiboly izany, dia efa notorin’ny mpandinika maro samihafa avy amin’ny firenen-drehetra. Newton, lehilahy malaza sy manam-pahaizana, izay nahita ny “lalàna momba ny hery misintona” na amin’ny teny baiko hoe: “la loi de l’attraction universelle”, dia niloa-bava hoe: “Tsy misy fahalalana marim-pototra toa izay voambaran’ny Baiboly”. Patrick Henry, ilay lehiben’ny mpikomy amerikana iray, nalaza tamin’ny teny nataony hoe: “Ny fahafahana na ny fahafatesana, ny iray amin’ireo ihany no tadiaviko,” dia efa nanambara koa hoe: “Amin’ny boky voatonta printy rehetra dia tsy misy hoatra ny Baiboly”. Ary na i Mahatma Gandhi aza, ilay olonkendry lehibe hindou, dia tafaresaka tamin’ny governora anglisin’i Indes indray andro izay, ka hoy izy: “Raha eo amin’ny taniko sy ny taninao no misy firaisan-kina miorina eo amin’ny fampianaran’i Kristy raha nitory teny teo an-tendrombohitra izy, dia hilamina mora foana ny raharaham-pirenentsika roa tonta, ary tsy ny antsika hiany fa ny an’izao tontolo izao koa.” Ny toko faha 5 faha-6 sy faha-7 ao amin’ny boky iray ao amin’ny Baiboly no tian’i Gandhi tsiahivina eto, dia araka ny Evanjily nosoratan’i Matio izany. Vakionao ireo toko ireo fa hampieritreritra anao fatratra ny hafatra mafonja raiketiny.

NY BAIBOLY: BOKY TATSINANANA

8. a) Ahoana no niandohan’ny Baiboly? b) Karazam-boky toy inona ny Baiboly raha ny momba ilay tena Nahary azy no heverina?

8 Maro no mino, fa avy amin’ny sivilizasionan’ny tandrefana no nipoiran’ny Baiboly. Mifanohitra amin’izany nefa ny marina, satria saiky tany amin’ny tany atsinana rehetra no namolavolàna ny Baiboly, ary ny mpanoratra azy dia tatsinana avokoa. Ny laha-tsoratra voalohany nosoratan’ny tanan’olombelona, dia vita tany Moyen-Orient, ary Adama, lehilahy voalohany, no nanoratra azy, 6.000 taona lasa izay. Tokon’ny ho 3.500 taona talohan’ny nahaterahan’i Bouddha, dia nalahatr’i Adama an-tsoratra ny tantaran’ny nanorenana ny lanitra sy ny tany (Genesisy 1:1 – 2:4) ary koa, ny “boky mitahiry ny tantaran’i Adama” (Genesisy 2:5 – 5:2). Fantatr’i Adama tsara ny momba izany rehetra izany. Ny Mpamorona no nampianatra azy izany, ary mety ho nandray anjara, na vavolombelona nanatrika izany mihitsy aza izy. Eny, fa afaka hitahiry tanteraka antsoratra an’izany izy, saingy tsy nankatò ny Mpamorona Adama. Sahabo ho 2.500 taona taty aoriana, na arivo taona talohan’i Bouddha, dia nisy lehilahin’Andriamanitra iray, dia i Mosesy izany, namoaka an-tsoratra indray miseho ny tantaran’i Adama, sy tantara sivy hafa koa voasoratry ny ntaolo. Miantomboka amin’io fitantarana io indrindra mantsy ny boky voalohany ao amin’ny Baiboly, izay atao hoe: Genesisy. Hatreo amin’ny Genesisy ka hatramin’ny boky farany, dia ny Apokalypsy, dia tokana sy mirindra aoka izany, ny foto-kevitra arahin’ny Baiboly. Ny Apokalypsy dia vita efa ho enin-jato taona taorian’i Bouddha. Moa fantatrao fa 66 no isan’ny boky maha-Baiboly ny Baiboly? Boky re izany! Nandritra ny 1.600 taona miatomboka amin’i Mosesy, dia 35 eo ho eo no isan’ny olona nandray anjara tamin’ny fanoratana ny Soratra Masina, izay tsy hahitàna hevitra mifanipaka ao anatiny na dia iray aza, hatreo am-piandohany ka hatrany am-piafarany. Ireo mpanoratra ireo dia nanao fanambarana, fa ny fototeniny dia tolo-tsaina avy amin’ilay hery ambony lavitra noho izay sain’olombelona. — Samoela faha II toko-faha 23, andininy faha-2; Petera faha-II toko:1, and. 21; Lioka 1:70.

9. a) Fomba manao ahoana no nahatahiry ny Baiboly hatramin’izao androtsika izao? b) Inona no azo hambara momba ny fahamarinan’ny Baiboly ankehitrio?

9 Fa ny zavatra mahagaga indrindra dia ny nahavoatahiry ny Baiboly hatramin’izao androntsika izao. Nandritra ny arivo taona maro, izany hoe raha ny tena marina, hatramin’ny namoronana ny fanaova-printy, sahabo ho diman-jato taona lasa izay, dia sora-tanana hiany no mbola nandikàna ny Teny Masina. Izany nefa tsy nahasakana ny fampielezana azy maro dia maro, ary ny fandikàna an’izy ireny dia voakaly fatratra tokoa. Amin’izao androntsika izao, dia mbola misy 16.000 no isan’ny Soratra Masina na ny sombintsombiny, vita tamin’ny sora-tanana. Ny sasany amin’izy ireny aza dia efa voasoratra tamin’ny taon-jato faharoa talohan’i Kristy. Raha ny tao-zavatra teo amin’ny ntaolo fahagola no heverina, dia ny asa fandikàna ny Baiboly no vita tamin’ny zotom-po indrindra. Raha nampitahaina ny maro tamin’ireo boky vita sora-tanana ireo, dia miharihary koa fa vitsy dia vitsy tokoa ny dika vilana, ka tsy sarotra loatra ny famerenana ny tena izy teo amin’ny laoniny voalohany. Hoy Frederic Kenyon, lehilahy manam-pahaizana manokana amin’ny fandinihina ny Baiboly vita sora-tanana: “Tsy misy intsony hisalasalàna na kely aza, fa ny Soratra Masina toy izay naha-izy azy teo am-piandohana, dia efa eto am-pelatanantsika izao”. Ankoatr’izany, dia efa saika tapitra voadika ara-dalàna amin’ny fiteny rehetra eran-tany izao ny Baiboly, dia ny Baiboly izay voasoratra tamin’ny teny hebreo, sy arameana ary grika, teo am-boalohany.

10. Inona no manamarina ny Baiboly raha ny fikarohana sy ny zavatra hita vao haingana ny amin’izany no heverina?

10 Efa nisy olona nanandrana ny hampietry ny fahambonian’ny Baiboly, ka nanendrikendrika azy ho tsy mari-pototra. Raha natao nefa ny fikarohana teo amin’ny renivohitra fahiny efa rava, dia teo amin’ireo toerana izay toa nipoiran’ny Baiboly indrindra izany, dia nifongatra avy tao anaty tany tao: taratasy voasoratra mirakitra tantara, porofo velona tsy azo lavina, sy mampibaribary fa, ny olona sy ny toerana voalaza anarana ao amin’ny Baiboly, eny fa na dia ireo tranainy indrindra aza, dia tsy lainga fa nisy marimarina tokoa. Ireo manam-pahaizana manokana momba ny fikarohana ny nataon’ny ntaolo (na antsoina amin’ny teny baiko hoe: “archéologue”) dia nahita zavatra maro hahafantarana fa nisy ny safo-drano, dia ilay safo-drano lazain’ny Baiboly fa nandrakotra an’izao tontolo izao, 4.000 taona lasa izay, tamin’ny andron’i Noa. Izany indrindra no nahatonga an’i Mikasa, ilay andriandahy fata-bahoaka sy malaza eo amin’ny arkeolojy, hiteny hoe: “Nisy marina va ny safo-drano? Raha ny fikarohana nataon’ireo manam-pahaizana momba izany, nandritra ny taona vitsy faraparany teo no jerena, dia azo hitokiana fa nisy ny safo-drano.” *

NY ANDRIAMANITRY NY BAIBOLY

11. a) Misy Andriamanitra iray Tsy-Toha va? b) Iza no anarana entiny?

11 Ao ny olona sasany maneso ny Baiboly; ao koa no milaza fa mahatsikaiky hono ny fiheverana ny fisian’izany Andriamanitra Tsy-Toha izany (Petera faha-2 3:3-5). Hoy ireo: “Andriamanitra tsy hitan’ny masoko ve dia hinoako? Amin’ny fomba manao ahoana no hisainako izany Andriamanitra tsy hita maso izany? Fa moa va Andriamanitra tsy efa eo amin’ny zavatra rehetra tsirairay avy?” Hoy koa ny hafa: “Tsy misy izany Andriamanitra izany, tsy misy koa izany Bouddha izany”. Ny Baiboly nefa dia manazava, fa tahaka ny nandraisako aina avy amin’ny raiko, ny nandraisanao aina avy amin’ny rainao, no nandraisan’ny razantsika voalohany aina koa, avy amin’ilay Ray any an-danitra, dia ilay Mpamorona mitondra ny anarana hoe: Jehovah. — Salamo 100:3.

12, 13. Milazà toejavatra vitsivitsy mahatalanjona momba an’i Jehovah Andriamanitra.

12 Jehovah no tompon’ny Baiboly. Izy no ilay Fanahy Lehibe hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay (Jaona 4:24; Salamo 90:1, 2). Ny anarany hoe Jehovah dia mitarika ny saina handinika ny fikasàny momba ny zava-boariny, dia ny fikasàny ny hamerina indray eo amin’ny hasiny rehetra io anaram-boninahitra io, ny fikasàny ny hanadio azy tsy ho azon’ny loton’ny fanevatevana sy ny fanalam-baraka intsony, ny fikasàny koa ny handringana ny ratsy fanahy ka hamaha fatorana izay mahafatra-po azy ka hampiditra an’ireo ho eo amin’ny fiainana feno firavoravoana, dia eo amin’ilay tany vaovao (Eksodosy 6:2-8; Isaia 35:1, 2). Tsy-Toha Jehovah, ka tsy hisy na inona na inona hahasakana ny zavatra notinapany. Mpamorona izao rehetra izao Izy, ka avo sy ambony lavitra noho ny andriamanitry ny firenena sy ny sampy rehetra. — Isaia 42:5, 8; Salamo 115:1, 4-8.

13 Boky roa no hisehoan’i Jehovah amin’ny olona. Ny iray lehibe indrindra dia ny Baiboly, izay mitory ny fikasàny (Jaona 17:17; I Petera 1:24, 25). Ny boky faharoa, dia izao zavaboahary rehetra izao, izay mibaribary sy azon’ny rehetra vakiana eo amin’ny endriny manontolo.

14. Inona no habaribarin’ny zavaboahary momba an’Andriamanitra.

14 Nandritra ny taon-jato faramparany teo, dia nandany ny ankamaroan’androny tamin’ny fianarana ny bokin’ny natiora ny manam-pahaizana. Inona no soa notoazany avy amin’izany? Lord Kelvin, manam-pahaizana ngezalahy anglisy, iray tamin’ireo izay nahita ny hery elektrika, dia nanambara hoe: “Mino aho fa arakaraka ny fandalinana ny fahalalàna, no hanalavirana kosa ny fiheverana ny tsy fisian’Andriamanitra”. Nanambara Albert Einstein, manam-pahaizana malaza iray hafa koa hoe: “Ampy ahy ny fandinihina ny zava-mahatalanjona àry eo amin’izao tontolo izao, izay tsy takatry ny saina ho-eritreretina akory, ka mandrisika ahy hianatra amim-panetretena, mba hahafantarako, na dia sombiny kely monja aza ny momba ilay fanahy izay miharihary eo amin’ny zavaboahariny ny fahendreny.” Hoy koa Arthur Holly Compton, fizisiana amerikana nahazo ny loka atao hoe “prix Nobel”: “Ny filantoana manjaka eo amin’izao àry rehetra izao, dia vavolombelon’ny fahamarinan’ireto teny mendri-kaja sy tsy misy toa azy ireto hoe: Ary teo am-boalohany Andriamanitra.” Ny teny voalohany ao amin’ny Baiboly no tian’ity manam-pahaizana ity holazaina eto.

15, 16. a) Fomba manao ahoana no anandratan’izao àry rehetra izao ny fahendren’Andriamanitra? b) Asehoy fa hadalàna ny finoana ny tsy fisian’Andriamanitra.

15 Mirehareha izay tsy izy ny filohan’ny firenena mahery, nohon’ny fahaizany sy ny herim-po asehony eo amin’ny fandefasana spoutnik sy ny hafa taty aoriana. Nefa toy inona no habitik’ireny fiaran’habakabaka ireny raha hoarina amin’ny fanodidin’ny volana ny tany, sy ireo planeta hafa manodidina ny masoandro. Zavam-poana tokoa ireny zavabitan’ny olona ireny raha hampitahaina amin’ny asatanan’i Jehovah, dia ilay Andriamanitra namorona ireny kintana alin-kisa toa mitambatra maro mitsilopilopy ireny, nefa ny haben’ny iray monja amin’izy ireny dia mitovy amin’ny haben’ny masoandro, sady fotoana tsy misy fetra no nametrahany azy ireny eny amin’ny habakabaka! (Salamo 19:2, 3; Joba 26:7, 14). Tsy mahagaga velively raha heverin’i Jehovah ho toy ny “valala” fotsiny tokoa ny olombelona, ary ny firenena mahery dia tahaka ny tsinontsinona eo anatrehany. — Isaia 40:13-18, 22.

16 Angamba tsy hianao no nanao ny trano hipetrahanao ary mety tsy ho fantatrao mihitsy koa aza ny olona nanorina azy. Izany tsy fahafantaranao izany nefa dia tsy misakana anao kosa hino, fa raha tsy nisy saina hendry nikarakara ny fanorenana an’io trano io dia tsy ho tafatsangana akory ilay trano. Tsy vita ho azy teo izany, ary hadalàna koa ny fiheverana izany. Ary toy izany koa: Tsy àry ho azy fotsiny izao rehetra izao raha tsy nisy hery sy fahaizana faratapony mihitsy nanantotosa ny asa. Noho izany, moa va tsy hadalàna ny filazàna fa tsy misy Andriamanitra, dia ilay Mpamorona hendry? Marina loatra ny voalazan’ny mpanao Salamo amin’ny toko faha 14:1 hoe “Ny adala manao anakampo hoe: Tsy misy Andriamanitra”.

17. Asehoy fa misy Andriamanitra ary mendrika ny haja rehetra Izy.

17 Ny zava-mahatalanjona vita-Nanahary, ny voninkazo, ny vorona, ny biby, ilay taozavatra lavorary: dia ny olona izany, ny aina, ny fiterahana mahagaga, izany rehetra izany, dia mitory avokoa, fa misy fahendrena iray avo dia avo, izay loharanon’ireo fahagagana ireo (Romana 1:20). Ny fahendrena dia avy amin’ny saina. Ny saina dia avy amin’ny olona. Noho izany, ny fahendrena ambony indrindra dia avy eo amin’ny olona ambony indrindra, dia ny Mpamorona izay rehetra miaina, ny Loharanon’aina (Salamo 36:10). Mendrika loatra ny dera rehetra sy ny haja rehetra ny Mpamorona. — Salamo 104:24; Apokalypsy 4:11.

18. Nahoana no tsy mba mandray anjara eo amin’ny adim-pirenena Andriamanitra?

18 Ny fitsapana mahamay vokatr’iny Ady Lehibe Faharoa teo iny, dia nampihena fototra ny finoan’ny maro an’Andriamanitra. Nandritra iny Ady iny, ny tany tsirairay avy, na finoana katolika, na finoana protestà, na finoana tatsinanana, dia samy nivavaka tamin’izay nataony ho Andriamaniny avy. Rariny va no ilazàna fa ilay tena Andriamanitra dia nanolotra fandresena ho an’ny sasany ka namèla kosa ny hafa ho resy? Mampiseho ny Baiboly fa tsy nisy firenena niady ka nivavaka tamin’ilay tena Andriamanitra. Jehovah, Mpamorona ny tany sy ny lanitra, dia tsy mba nanana andraikitra eo amin’ny fikorontanana sy ny ady miseho (Korintiana voalohany 14:33). Ambony lavitra noho ireo andriamanitra hivavahan’ny miaramila mpiady Jehovah. Eny, fa Izy kosa, no ilay Andriamanitra hivavahan’ny olona avy amin’ny firenena rehetra izay mangetaheta fiadanana. Hoy ny Baiboly: “Ary Petera niloa-bava ka nanao hoe: Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (Asa. 10:34, 35). Koa ny olona izay ankasitrahany ary, dia ireo izay mikatsaka ny fahalalana ny Baiboly, ka tsy manompo afa-tsy ilay Andriamanitra tokana sy marina: dia ny Mpamorona. — Asa. 17:24-27.

19. Toe-javatra inona no mampiseho fa ny chrétienté, na izay milaza azy hoe kristiana, dia tsy tena kristiana fa mpanohitra kosa an’Andriamanitra?

19 Misy olona sasany mahatsapa ny fisian’ny fisarahana eo amin’ireo manao azy ho kristiana, eo amin’ireo firenena milaza am-pahibemaso fa mpomba ny Baiboly. Hataon’ireny olona ireny ahoana no fino izany Andriamanitra lazain’ny Soratra Masina izany, nefa tsinjony fa ireo firenena manana ny Baiboly ireo indrindra dia tsy manan-draharaha afa-tsy ny fanandramana ny baomba atomika? Azo lazaina fa ny Baiboly dia tsy mba nanam-piovàna, fa ireo firenena manao azy ho kristiana kosa dia lavitra ny finoana hampianarin’ny Baiboly, toy ny halavitry ny elanelan’ny Poly atsimo sy ny Poly avaratra. Fiatsarambelatsihy rano fotsiny ny asam-pivavahany. Hananany ny Baiboly, saingy tsy manaraka ny didy sy ny fampianarana voatahiry ao izy. Indray andro, ilay prezida amerikana nanome baiko handatsaka ny baomba atomika voalohany tao Hiroshima, dia nihiaka hoe: “Raha izao lahy isika no mba nanana olona iray toa an’Isaia na toa an’i masindahy Paoly, dia mba hisy hitarika antsika amin’izao fotoan-tsarotra izao.” Raha nino ny voalazan’Isaia kosa mantsy ity prezidà ity dia tsy nampandatsaka na oviana na oviana ilay baomba izy, satria ity mpaminany nofinofisiny eto ity, dia nitory kosa ny hanefèna ny sabatra ho fangady sy ny lefona ho fanetezam-boaloboka. Izao koa no teny nambaran’i Paoly izay hangatahany vonjy etoana: “Tsy mba miady araka ny nofo izahay, fa tsy avy amin’ny nofo no fiadian’ny tafikay.” (Isaia 2:4; II Korintiana 10:3, 4). Tsy mba ny fankasitrahana sy ny fanarahana ny torohevim-pahendrena ato amin’ny Baiboly no niazakazahan’ireo firenena manao azy ho mpivavaka, fa ny fitaovam-piadiana kosa no nanaovany tongotra ankatoka. Noho izany, dia tsy mba firenena tena kristiana fatram-pankato ny fitsipiky ny Baiboly ireo, ary satria tsy nanao ny sitrapon’Andriamanitra izy, dia hanatrika kosa ny fanapahan’ny fitsaràny. — Matio 7:18-23.

NY FAHAGAGANA SY NY ASA VITAN’I JEHOVAH

20. Nahoana no maha-aradalàna ny finoana ny zava-mahagaga vitan’Andriamanitra?

20 Mamorona Jehovah ary mahavita fahagagana koa. Tsy efa mba velompanontaniana va hianao momba ireto zavatra hafahafa voalazan’ny Baiboly ireto? Dia ny nahatonga ny rano ho rà, ny ranomasina Mena nizara ho roa, ny niterahan’ny reny virijiny, an’i Jesosy, etc.? Azo lazaina fa nohon’ny maha-fohy fisainana ny olombelona, dia tsy takany velively ny nahatonga ireny, toy ny tsy fahatakarany tanteraka hoe: fahagagana tokoa mantsy ny fiposahan’ny masoandro sy ny filentiny. Mbola fahagagana koa ny namoronana ny olombelona. Tsy vavolombelona nanatrika izany ny olona velona ankehitrio, saingy fantany fa nisy izany noho izy miaina. Miharihary tokoa mantsy fa ny aina rehetra eto ambonin’ny tany sy izao rehetra izao, dia fahagagana isan’andro vaky. Noho izany dia mbola hisalasalana va ny filazan’ny Baiboly fa Andriamanitra dia nahavita fahagagana manokana ho amin’ny fotoan’andro voatokana, eny fa na dia tsy ilaina intsony aza ny fahagagana toy iretsy voalaza etsy aloha amin’izao androntsika izao?

21. Tantarao ny asa kanto indrindra vitan’Andriamanitra.

21 Izay rehetra àry dia fahagagana avokoa, nefa tamin’ny asantanan’Andriamanitra rehetra, dia ny voalohan’asany no fatratra indrindra. Tsy iza izany fa ny zanany tany an-danitra. Hoy ny Baiboly raha milaza ny momba azy io: “Izy no endrik’Andriamanitra tsy hita, ny lahimatoa (na ny teraka voalohany indrindra) talohan’izao zavatra àry rehetra izao; fa teo aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy ety ambonin’ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita. Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany.” (Kolosiana 1:15, 16, Da; Jaona 1:3). Ny teny no anarana nentin’io zanany tany an-danitra io. Ary taon-jato maro taty aoriana dia niseho tety ambonin’ny tany izy ka nanjary nitondra ny anaran’olombelona hoe: “Kristy Jesosy”. (I Timoty 2:5, Da.) Izany no nahatonga ity filazàna ity hoe: “Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny; dia voninahitra miendrika ho an’ny Lahitokana avy tamin’ny Ray, sady feno hasoavana sy fahamarinana.” — Jaona 1:14.

22. a) Ahoana no azo hanazavàna ny firaisan’Andriamanitra sy ny Zanany? b) Manana porofo va isika milaza fa namorona zanaka hafa koa Andriamanitra tany an-danitra?

22 Ny fifandraisan’ny Ray sy ny Zanaka, dia azo hoarina amin’ny fifampitondran’ny prezidà iray sy ny solontenany mpanatanteraka ny andraikitra iray. Hoy ny Zanaka araka ny bokin’ny Ohabolana (8:22, 30): “Jehovah nahary ahy ho fiandohan’ny alehany, ho voalohany amin’ny asany; hatramin’ny taloha dia mpita-marika teo anilany aho.” Avy amin’ny Zanany ary, dia ilay iraka mpanatanteraka, no namoronan’i Jehovah ireo mponina hafa koa tany an-danitra. Taty aoriana, dia ireo zanak’Andriamanitra ireo indrindra no nihoby ny nanamboaran’ilay mpiasa lehiben’i Jehovah, ny tany sy ny lanitra, hita-maso. Hinoanao va ny maha asatanan’Andriamanitra izany rehetra izany? Hoy Jehovah mantsy tamin’i Joba: “Taiza hianao fony Aho nanorina ny Tany? Ambarao raha hainao . . . raha mbola niara-nihira ny kintan’ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak’Andriamanitra?” — Joba 38:4, 7.

23. Inona no asan-tanan’Andriamanitra tety ambonin’ny tany ary inona no azo hambara ny amin’izany?

23 Taty aoriana, dia ny zavatra hita maso sy manan’aina eto ambonin’ny tany no noforoniny, dia ny zava-maniry izany, ny hazo, ny voninkazo, ny trondro, ny vorona ary ny biby mandeha tongotra efatra (Genesisy 1:11-13, 20-25). Dia hoy Andriamanitra tamin’ilay kamadaorony: “ ‘Nde isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika . . . Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; lahy sy vavy no namoronany azy.” (Genesisy 1:26, 27). Koa satria tahaka ny endrik’Andriamanitra ka notafiany fitiavana sy fahendrena ary fahamarinana sy hery ny olona voalohany, dia mampiseho izany fa ambony lavitra nohon’ny biby izy. Tsy mitovy karazana amin’ny biby ny olona satria afaka misaina, afaka mikàsa, ary indrindra afaka hankalaza an’Andriamanitra izy. Hevitra tonga ho azy, na hoy ny teny baiko hoe “instinct”, no mitarika ny biby, fa tsy mba fieritreretana kosa toy ny an’ny olona. Hevi-dravina loatra lahy ny tsy finoana ny fisian’ny mpamorona ka haneken’ny sasany kosa fa ny olombelona mitafy toetra ambony, dia avy amin’ny biby no niandohany saingy niova tsikelikely teny ireny vao nanjary olona. — Salamo 92:6, 7; 139:14.

24, 25. a) Zava-tsarobidy inona no efa teo ampelatanan’ny olombelona? b) Ho foana ny tebiteby hoe: tsy ampy hitoeran’ny olona intsony ny tany. Nahoana?

24 Miasa mandraka ankehitrio ny Ray sy ny Zanaka, maika va fa ny olona? (Jaona 5:17) Hoy Andriamanitra tamin’i Adama sy Eva: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy ary manjakà amin’ny hazan-drano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany.” (Genesisy 1:28). Moa va ny dikan’izany dia hoe: na efa feno olona aza ny tany dia mbola hiteraka foana ny olona? Tsia. Raha ilazàna hianao hoe: Fenoy kafé io tasy io; rehefa feno ny tasy dia hijanona hianao, satria raha tsy izany dia hiraraka eran’ny latabatra ny kafé. Ary toy izany koa: Nandidy ny olona Andriamanitra hameno ny tany nefa rehefa mby eo amin’ny antoniny, dia hitsahatra ny fiterahana. Tsy ho sarotra ny hahatanteraka izany eo amin’ny olona tanteraka sy tonga lafatra. Eto amin’izao fiainantsika mbola tsy tanteraka izao hiany no mbola hisian’ny fahasahiranan-tsaina eo amin’ny fitomboana ’tsisy fetra.

25 Tany atsinanana, tao amin’ny saha Edena no nametrahan’Andriamanitra ny lehilahy voalohany. Zaridaina eni-pahafinaretana izy io, araka ny asehon’ity sary eo amin’ny fonon’ity boky ity, saingy tamin’izany, dia mbola Adama sy Eva no hany mbola mponina tao. Tsy hita poka intsony iny paradisa iny, noho izy efa nopahon’ny safo-drano. Ny toerana tokon’ny ho nisy azy kosa nefa dia tao Moyen-Orient. Ny ahafantarana izany dia noho ireo renirano sasantsasany voalazan’ny Baiboly fa namaky ny saha Edena dia mbola ao hatramin’izao (Genesisy 2:7-14). Efa teo am-pelatanan’ny olona tokoa mantsy ny fahefana ny hanitatra ny tanimbolin’i Edena hanerana ny tany rehetra, ka hikoly sy hanova izao rehetra izao ho paradisa manontolo. — Isaia 45:12, 18.

NY FIKOMIANA SY NY FAHAFATESANA

26. Noho izany, inona no fanontaniana mipetraka?

26 Koa raha hevitra efa tapak’Andriamanitra ary ny hanorina paradisa ety an-tany, nahoana no mbola manjaka eto amin’ity planetantsika ity hiany ny tsy fahamarinana, ny fijaliana sy ny fangirifiriana? Porofo va izany fa tsy manan-kery Andriamanitra? Izy va no fototr’izao fahoriana izao? Azo atao va ny manantena fa hifarana hiany izao toe-javatra izao? Inona no lazain’i Baiboly?

27. Ahoana no nidiran’ny fikomiana tao amin’ny saha Edena?

27 Manambara ny Baiboly, fa raha noforonina ny olombelona, dia nisy anjely iray napetrak’i Jehovah tao Edena. Zanak’Andriamanitra, sady feno fahendrena no nitoeran’ny hatsaran-tarehy fatratra izy io. Nisy tombon-tsoa sasany natolotra azy io koa teo amin’ny asa nametrahana azy tao Edena. Saingy niavona ny fony noho ny hatsaratarehiny, ka ny tenany no nasandrany fa tsy i Jehovah (Ezekiela 28:12, 14, 15, 17). Velona tao am-pony ary ny tetika hisintonana ny lehilahy sy ny vehivavy voalohany, hisaraka amin’Andriamanitra, ka ny tenany no tiany hasosoka hiankohofana. Naka ny endriky ny menarana izy, ary novokisany lainga i Eva. Notarihiny aloha ravehivavy tsy hankatò an’Andriamanitra Tsitoha, ary taty aoriana dia voasarika koa Adama. — Genesisy 2:15-17; 3:1-6.

28. Inona no nanjo ny olona raha nandika ny didy izy?

28 Ny fahafatesana no efa voalazan’Andriamanitra ho tambin’ny fandikàna ny teniny. Hoy koa ny didy navoakan’i Jehovah tamin-dravehivavy: “Hahabe dia hahabe ny fahorianao Aho, indrindra fa raha manan-anaka hianao; ary fahoriana no hiterahanao zanaka; ary ny vadinao no hianteheran’ny fanirianao, ka izy no hanafaka anao.” Fa hoy kosa Izy tamin’i Adama: “Ny fahatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina mandram-piverinao amin’ny tany; fa ny tany no nanalàna anao, fa vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao.” (Genesisy 3:16-19). Dia noroahina teo amin’ilay paradisam-pahasambarana ary ireo ray aman-drenintsika voalohany, ka tany tsy nahavokatra no nipetrahany mandra-pahafatiny. — Genesisy 5:5.

29. Iza no mbola tompon’izao tontolo izao tsy hita maso? Inona no misoritra eo amin’ny fiainan’izao tontolo izao ankehitrio, mitory ny toeny?

29 Hatreo dia Menarana no anarana nomena ilay anjely namitaka ny olona (II Korintiana 11:3). Nantsoina hoe Satana koa izy, na “mpanohitra” ny dikany; na hoe koa Devoly, na “Mpanoso-dratsy” ny dikany. Izy io koa dia voaozona ho eo ambanin’ny didim-pahafatesana (Genesisy 3:15; Hebreo 2:14). Navelan’i Jehovah ho mpanjaka sy andriamanitry ny firenena sy ny olom-bery hiany nefa Satana mandritra ny fotoana vitsy aloha. Ekenao va fa miharihary hatraiza hatraiza ny fanapahan’i Satana eo amin’ny fisehoan’ny toetrany, dia ny fitiavan-tena izany, ny tsy fangoraham-po, sy ny tsy fanaovana ny rariny. Misoritra eo amin’izao tontolo izao tokoa ny hasomparan’ilay mpitarika azy tsy hita maso, ary izany indrindra no hilazan’i Baiboly hoe: “Izao tontolo izao dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.” — Jaona voalohany 5:19.

30. Inona moa ny “Ota”? Nitarika inona ho an’ny olona ny ota?

30 Efa niongana teo amin’ny zo nananany, teo amin’ny naha-olo tsy nanantsiny azy Adama sy Eva vao niatomboka niteraka. Isika rehetra izao dia taranany avokoa, taranaka tsy lavorary, koa izany no hiaran’ny fahafatesana amintsika. Mpanoratra iray ao amin’ny Baiboly no manazava izany amin’izao teny izao: “Avy tamin’olona iray ho amin’izao tontolo izao no nidiran’ny ota, ary ny ota no idiran’ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.” (Romana 5:12). Inona no antsoina eto hoe “Ota”? Ny ota dia ny tsy fahatratrarana ny tarigetran’ny fahalavorariana. Jehovah dia tsy mankasitraka na mitahiry ny ain’izay rehetra tsy feno sy tsy tanteraka. Koa satria ny olona rehetra efa nandova ny ota sy ny tsy fahatanterahan’i Adama, dia mihatra aminy ary ny fahafatesana. Toy ny fahafatesan’ny biby ny fahafatesan’ny olona very zò. — Mpitoriteny 3:19-21.

31. Inona no atao hoe: “fahafatesana” nolovàna tamin’i Adama?

31 Inona ny “fahafatesana”? Ny fahafatesana dia izay mifanohitra amin’ny aina. Napetrak’Andriamanitra teo ampelatanan’ny olombelona ny fiainana mandrakizay teto an-tany raha nitandrina ny didiny izy. Saingy tsy nankatò izany ny olona ka niharan’ny valiny, dia ny fahafatesana, ny fialàn’ny fofon’aina, ny fahafoanan’ny fikasàna (Salamo 146:4). Andriamanitra tsy nilaza fa hamindra ny fanahiny ho any an-danitra, na hampidina azy any amin’ny afobe raha nanota izy, na maty. Fa nampahafantatra azy mialoha kosa Andriamanitra hoe: “Ho faty hianao raha homana io hazo io.” Ny Devoly mpamono olona no nandainga hoe: “Tsy ho faty hianao.” (Genesisy 2:17; 3:4; Jaona 8:44). Eny, lovan’ny olon-drehetra tamin’i Adama ny fahafatesana, na ny fiverenana indray ho vovoka. — Mpitoriteny 9:5, 10; Salamo 115:17.

32. Toy inona moa no famirapiratry ny ho avy miandry ny olona sy ny tany?

32 Koa noho izany ary, dia tsy mba misy intsony izany ny ho avin’ireo izay efa nodimandry? Hisy dia hisy tokoa, sady fanantenana faran’izay soa! Manambara ny Baiboly fa Andriamanitra dia tsy maintsy hanatanteraka an-tsakany sy an-davany ny fikasàny, dia ny hanorenany paradisa eto an-tany ho an’ny olona rehetra, sy ho an’ireo efa maty koa. Hoy Jehovah: “Ny lanitra no seza fiandrianako, ary ny tany no fitoeran-tongotro.” “Hasiako voninahitra ny fitoeran-tongotro.” (Isaia 66:1; 60:13). Nohon’ny fahafenom-pitiavany, dia efa nirahiny ny zanany, nirahiny tety an-tany ny Teny, mba handovàn’ny olona ny fiainana eo aminy. Zava-dehibe telo loha izao no hodinihintsika, zavatra izay nototosain’Andriamanitra avy amin’ny zanany, dia 1o) Ny fomba nentiny hanafaka ny olona amin’ny herin’ny fahafatesana, 2o) Ny hitsanganan’ny maty, 3o) Ny hananganany fitondram-panjakana tonga lafatra eo amin’ny olona rehetra.

FAMOTSORANA NY GADRAN’NY FAHAFATESANA

33, 34. a) Inona no lalan-tokana azon’ny olona hizorana hanavotra azy amin’ny fahafatesana? b) Milazà ohatra iray.

33 Hatramin’ny fahiny ela, ny mpaminanin’Andriamanitra dia tsy mba nanankina ny finoany teo amin’izay hoe: Tsy fahafatesan’ny fanahin’olona. Ny teny nomen’i Jehovah azy no nitokisany, dia ny “hanavotana azy tsy ho azon’ny herin’ny fiainan-tsy-hita”. (Hosea 13:14.) Koa fomba manao ahoana ary no azoana mamaha ny gadran’ny fahafatesana? Tsy maintsy tanterahina aloha ny lalampahamarinan’Andriamanitra hoe “Aina takalon’ny aina, maso takalon’ny maso, nify takalon’ny nify”. (Deoteronomia 19:21.) Noho izany, mba hanavotana ilay aina tsy nisy tsiny narian’i Adama noho ny otany, dia tsy maintsy misy ain’olona iray tanteraka sy tsy misy tsiny koa hatolotra ho takalon’iny.

34 Ho raisintsika ohatra ny birao mpampisambo-bola arahan’antoka iray. Tsy misy olona maniry ny hifampiraharaha amin’io birao io, ary izany no sary mampiseho tsara ny zava-mahazo ny olombelona amin’izao fotoana izao. Raha misy olona iray mametraka ny famataran’androny atao antoka, dia tsy voahavony io zavany io raha tsy manefa ny takalom-bola nametrahany azy izy. Izany no lalan-tokana azoany mampody ny fananany. Dia tsy misy hafa amin’io famataran’andro voatàna io ny olona ankehitrio. Eo ambany ziogan’ny tsy fahatanterahana mitondra azy ho eo amin’ny fahafatesana izy, toy ny maha-arafesenina ilay famataran’andro raha mipetraka ela loatra, ary tsy ho afa-patorana amin’ny alalan’ny tenany, raha tsy misy olona hafa avy any ivelany hanefa ny takalombidiny. Andevon’ny fahafatesana ny olona satria narian’i Adama ilay aina tsy nisy tsiny nananany talohan’ny nanotany, koa ny lalan-tokana hamaha ny olona amin’izany gadra izany, dia ny fisian’ny aina iray hafa tsy misy tsiny koa hatakalo ilay narian’i Adama.

35. Fomba inona no nentin’i Jehovah nanolorana avotra: dia aina iray tanteraka, tsy misy tsiny?

35 Hitantsika nefa fa ny taranak’i Adama dia mpanota avokoa, ka aiza no hahitàna izany olona tsy manan-tsiny izany? Fa voasoratra hoe: “Tsy misy mahavotra ny rahalahiny akory, na mahazo manome an’Andriamanitra izay avony.” (Salamo 49:8). Lalana avy amin’Andriamanitra ihany no azo hizorana, ary io lalana io no isan’ny zava-dehibe indrindra tamin’ny zava-mahagaga vitany. Napetrany tao ankibon’ilay vehivavy jiosy, Maria virijiny ny aina tsy nisy tsinin’ny zanany tany an-danitra, dia ny Teny izany. Nitoe-jaza razazavavy ary nitera-dahy nomena ny anarana hoe “Jesosy”, izany hoe “Jehovah Fahamarinantsika” no dikany (Matio 1:18-25). Hinoanao va ny nahatanterahan’izany fahagagana izany na dia indray monja azo no nisehoany teo amin’ny tantara? Tsarovy nefa fa iny indray mandeha monja iny dia ampy nanatanterahan’Andriamanitra ny fikasàny lehibe.

36. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy ny fitiavany ny olona maniry fiainana?

36 Dia nitombo Jesosy ka nialehibe. Natolony ho an’i Jehovah ny tenany. Natao batisa izy, ary tamin’izany indrindra no nanendren’i Jehovah azy hanatanteraka ny sitrapony (Matio 3:13, 16, 17). Tsy nisy tsiny ny fiainany tety an-tany, ka azony natolotra ho sorona, ho takalo ny tenany hanavotana ny olombelona amin’ny fahafatesana (Romana 6:23; 5:18, 19). Hoy mantsy Jesosy: “Tonga aho mba hananany fiainana, sady hananany be dia be.” “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.” (Jaona 10:10; 15:13). Nabaribariny teo amin’ny fanolorany ny ainy teo amin’ny hazo fijaliana ny fitiavany ny olona rehetra izay maniry handova fiainana avy amin’ny alalan’ny fanati-panavotany. — Matio 20:28; I Timoty 2:5, 6.

NY FIAINANA VAOVAO

37. Ahoana no nahatonga ny zanak’Andriamanitra ho velona indray, ary inona no porofo hananantsika ny amin’izany?

37 Efa novonoin’ny fahavalony ary izao ilay zanak’Andriamanitra. Efa nalevona izy, ka ahoana kosa no azoany manolotra eo anatrehan’ny Rainy ilay aina tsy nisy tsiny nataony sorona? Very va iny? Tsia, satria nitàna ny fahamarinany hatramin’ny farany izy, ary teto dia nanatanteraka fahagagana hafa kely indray Andriamanitra. Natsangany tamin’ny maty ny zanany tamin’ny andro fahatelo, ary tsy natsangany ho nofo intsony fa fanahy tsy mety maty kosa (Romana 6:9; I Petera 3:18). Ho porofo fa efa nitsangana tamin’ny maty tokoa izy, dia naka endrik’olona Jesosy teo amin’ny toerana ary tamin’ny fotoana samy hafa, ka niseho tamin’ny mpianany tsy homby diman-jato. Na iray aza tamin’ireo mpianany ireo, dia tsy nisy izay tsy nino ny fahagagana momba ny fitsanganana amin’ny maty, indrindra fa ny apostoly Paoly jamban’ny fanelatrelatry ny voninahitr’i Jesosy raha niseho taminy izy. — I Korintiana 15:3-8; Asa 9:1-9.

38. a) Nampiasain’i Jesosy ho amin’ny inona ny fanoloran-tenany, ary ho an’iza aloha? b) Fahagagana lehibe hafa inona koa no nambaran’i Jesosy?

38 Efa-polo andro taty aoriana dia niakatra tany an-danitra Jesosy nitsangana tamin’ny maty mba hanatri-tava an’Andriamanitra sy hanolotra azy ny fanatipanavotana sarobidy: dia ny ainy tsy nisy tsiny tety an-tany nataony sorona hanavotana ny olon-drehetra. Fa voasoratra hoe: “Fa izy kosa, rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa nipetraka mandrakizay eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra, ka hatramin’izao dia miandry izy mandra-panaony ny fahavalony ho fitoera-tongony.” (Hebreo 10:12, 13). Ny hahazo tombo-tsoa voalohany amin’ny alalan’izany avotra izany, dia “ireo ondry vitsy”, na ireo kristiana tsy nivadika, “an’i Kristy”. (Lioka 12:32; I Korintiana 15:22, 23.) Ireo no ilay “navotana avy tamin’ny olona ho voaloham-bokatra”, ka natsangana tamin’ny maty koa ho sakaizan’i Kristy sy efa miara-monina aminy any an-danitra (Apokalypsy 14:1-5). Fa mba inona kosa ary ny anjara miandry ireo maty marobe matory ao ambany rangolahy? Fony Jesosy mbola niaina tety an-tany, dia efa nanambara izy fa hisy fahagagana hitranga amin’ny andro izay hamerenany indray ny paradisa eto ambonin’ny tany rehetra. Hoy izy: “Aza gaga amin’izany fa avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana ny feony, dia hivoaka izy; izay nanao tsara dia ho any amin’ny fitsanganana ho fiainana; fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin’ny fitsanganana ho fitsarana.” — Jaona 5:28, 29, NW.

39, 40. Inona marina no tena dikan’ny hoe: “fitsanganana amin’ny maty”?

39 “Aza gaga amin’izany hianareo” hoy Jesosy. Hoy angaha isika: ahoana ary no hahavelona indray ny olona izay efa maty taon-jato maro lasa izay? Efa vovoka ny tenany, efa lasa zezika nampirobona ny ahitra mihitsy aza, ary ny taolany izao dia efa tsy maintsy potika ka nataon’ny biby sakafo? Ny atao hoe “fitsanganana amin’ny maty” dia tsy ny fikambanana indray ny nofo sy ny taolana naha-hianao anao akory, fa ny famoronan’Andriamanitra ny toetr’olona tsirairay kosa. Hamorona vantana vaovao avy amin’ny tany indray izy, ka hotefeny eo ilay endrika taloha, ny saina nananana, dia izay hoe: ny toe-piaina nananan’ilay olona hatramin’ny andro nahafatesany.

40 Atao hoe nanana trano iray hianao, ohatra izany. Tsy foinao izy io. Potika sy fongana nefa iny trano iny tamin’ny ady. Taty aoriana dia azonao natao indray ny nanangana trano tsy misy hafa amin’iny, satria ny sariny sy ny toetoeny rehetra nitiavanao azy dia raiki-tapisaka ao amin’ny sainao ao. Fa ambony lavitra noho izany kosa: Na dia efa maty fahagola aza ny olona tian’Andriamanitra, dia voatahiriny ny fahatsiarovana azy. Tsy mahagaga izany satria izy no tompon’ny saina ary mbola izy koa no tompon’ny hery azoany mamorona indray ireny olona ireny (Isaia 64:8). Izany no hampiasan’ny Baiboly ny teny hoe “Fasana fahatsiarovana”. Koa amin’ny fotoana voatendry hitsanganan’ny maty, dia amin’izay no hanatanterahan’Andriamanitra izany zava-mahagaga izany, dia toy ny namoronany ny lehilahy sy ny vehivavy voalohany, saingy amin’itò kosa dia maro no indray hovelominy. — Genesisy 2:7; Asa 24:15.

41. Nahoana no azo heverina sy tsy hisalasalana ny fiainana mandrakizay ety an-tany?

41 Havoakan’Andriamanitra avy ao am-pasana ny maty ka hampanantenainy fiainana mandrakizay ety an-tany. Dia ho tanteraka ve izany fiainana mandrakizay ety an-tany izany? Eny, ho tanteraka tokoa izany, satria fikasàna sy sitrak’Andriamanitra (Jaona 6:37-40; Matio 6:10). Ny fahafatesana dia tsy inona fa lova fotsiny hiany avy amin’i Adama. Fohy dia fohy tokoa anie izany zato taona izany, raha ny karazan-javatra mahavariana natao hiriariavan’ny olombelona eto an-tany no dinihina sy heverina ê! Koa raha nanome ny tany Andriamanitra dia ny hanjakan’ny olona eo amin’ny hankaton’ny zavaboariny fotoana ela no nokendreny, tsy mandritra ny zato na arivo taona fa mandrakizay. — Salamo 115:16; 133:3.

NY FANJAKANA TONGA LAFATRA MITONDRA FIHAVANANA

42. Inona no anton’ny ilàna fitondram-panjakana tsy misy tsininy? Inona no fikasan’Andriamanitra ny amin’izany?

42 Hatramin’ny nahafoana ny paradisa voalohany ka mandraka ankehitrio, dia mbola eo ambany fahefan’i Satana, “Andriamanitr’izao tontolo izao” ny fitondram-panjakana ny olona. (II Korintiana 4:4) Ny ady, ny alozàna, ny faharatsiana, ny tsy fahamarinam-pototry ny fanjakana rehetra dia vavolombelon’izany. Ny fikambanam-pirenena, na ny S.D.N., na ny O.N.U., dia tsy nanan-kery hanova fikorontanana ho fihavanana. Mangetaheta fitondram-piadanana nefa ny olona, ka moa ve tsy ara-dalàna raha sady hanorina indray ny paradisa eto an-tany ny Mpamorona, no hanangana koa fanjakana tonga lafatra hitondra sy hitandrina azy? Izany dia izany indrindra no sitrapony. Hanana masoivoho Andriamanitra amin’ny fanatanterahana izany, dia ilay Mpanjaka, ilay “Andrian’ny Fiadanana”, ilay voalaza fa “ny handrosoan’ny fanapahany sy ny fiadanany dia tsy hanam-pahataperana”. — Isaia 9:6, 7.

43. a) Iza no ho foiben’io fitondram-panjakana io? b) Ahoana sy ahoana no sokajikajin’io fitondram-panjakana io any an-danitra sy ety an-tany?

43 Hanao ahoana ary ny toetoen’ity fanjakana ity? Ho entim-bahoaka va sa tsy refesi-mandidy? Aiza no toerana hilasian’ny filohany? Any Washington va, sa any Moscou, sa any Tokyo, sa any amin’ny renivohitra lehibe hafa eto ambonin’ny tany? Mampiseho ny Baiboly fa ity fanjakana tonga lafatra ity dia ambony lavitra dia lavitra noho ny fanjakana entina sy noforonon’olona. Ziona no anaran’ny renivohiny, ary any an-danitra no lapany. Avy eo amin’izany toerana avo izany no hanapahan’i Kristy Jesosy Mpanjaka ny tany rehetra, araka ny rariny sy ny hitsiny (Salamo 48:2, 3; Zakaria 9:9, 10). Ankoatr’izany dia hisy mpanampy azy ao amin’izany fanjakana any an-danitra sy tsy hita maso izany, dia ny voafidy tamin’ireo olo-mahatoky, ny mpianany niara-niharitra taminy teo amin’ny fisedrana, ireo nilazany hoe: “Ary hianareo no naharitra nanaraka ahy tamin’ny fakam-panahy nihatra tamiko; koa izaho dia manendry fanjakana ho anareo tahaka ny nanendren’ny Raiko ahy.” (Lioka 22:28, 29). Olom-bitsy no voaray hiara hanapaka amin’i Jesosy Kristy any an-danitra. Raiso ohatra ny firenena ankehitrio, dia jereo fa vitsy foana amin’ireo mpanan-draharaha ao no voafidy handray anjara amin’ny governemanta ao amin’ny fihaonam-be na ny parlemanta. Hampahafantarin’ny Baiboly fa efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy no isan’ny handray anjara hiaraka amin’i Kristy ao antampon’i Ziona renivohiny (Apokalypsy 14:1, 3). Fa hoy angamba hianao: Dia tsy mba hisy mpitondra hita maso izany ety an-tany? Hisy tokoa tokoa. Ny andininy faha-16 amin’ny Salamo faha-45 dia milaza ny momba ny sasany amin’ireo olomahatoky fahiny ireo, izay hitsangana amin’ny maty ka hotendren’ny Mpanjaka ho “mpanapaka eny amin’ny tany rehetra”. Mbola hisy koa mpitondra hafa, izay tsy mitovy velively amin’irony olom-panjakana matimatim-pahefana irony. Ary noho izy ireo tsy nisaraka tamin’ny fitsipiky ny fahamarinana, dia Kristy no hametraka azy eo amin’ny toerany sy ny asany tsirairay avy. — Isaia 32:1.

44, 45. a) Inona no fonjakevitry ny toritenin’i Jesosy? b) Nahoana no tsy niorina avy hatrany ny fitondram-panjakana tanteraka? c) Inona indrindra no hiavahan’ny taona 1914, raha ny faminaniana sy ny toe-javatra mitranga eran-tany no heverina?

44 Rahoviana ary no hiorina ity fanjakana tonga lafatra ity, ary amin’ny fomba manao ahoana? Nandritra ny andro niainan’i Jesosy tety an-tany, dia io fanjakana io no fototry ny teny notoriny. (Matio 4:17; Lioka 8:1) Tsy tamin’izany andro izany nefa no nanorenany azy, na fony izy nitsangana tamin’ny maty (Asa 1:6-8). Eny, fa na dia efa tafakatra tany an-danitra aza izy dia mbola niandry ny fotoana voatendrin’Andriamanitra (Salamo 110:1, 2). Ny faminaniana ao amin’ny Baiboly dia manondro fa ny taona 1914, no fotoana nanorenana ny fanjakana. “Fa hoy hianao: Fa tsy io taona io indrindra va no niatombohan’ny fahorian’ny olona ka lazaina fa taona nanorenana ity fanjakana tonga lafatra ity?” Io indrindra no tianay resahina, satria misy hifandraisany akaiky dia akaiky tokoa eo amin’ny nihavian’ny fanjakan’Andriamanitra sy ny niantombohan’ny loza amin’atambo mitranga amin’izao androntsika izao. ’Nde hiarahatsika midinika izany.

45 Efa-polo taona talohan’io fotoana io, ilay gazety atao hoe “La Tour de Garde” na “Ny Rova Fiambenana” (gazetim-pinoana be isa indrindra), dia nitarika ny saim-bahoaka hieritreritra fa io taona 1914 io dia taona voamariky ny faminaniana ao amin’ny Baiboly. Mampi-tolagaga loatra ny mandinika ny niatombohan’izany tamin’ny taona 1914. Sivin-jato sy arivo taona mahery izay, dia efa naminany Kristy, ary nilaza, fa hisy “famantarana” hitranga eo amin’ny faran’izao tontolo izao, ho porofo fa efa mby eo amin’ny herin’ny fanapahany izy (Kristy izany), na dia tsy hita maso aza. Hoy izy raha namaly ny mpianany nanontany azy ny amin’izany famantarana izany: “Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin’ny tany samy hafa. Fa izany rehetra izany no fiandohan’ny fahoriana.” (Matio 24:3, 7, 8). Mahavariana tokoa fa vavolombelon’izany teny izany dia nipoaka ny “ady lehibe voalohany nifanaovan’izao tontolo izao”, tamin’ny taona 1914. Ny vokatry ny loza naterany, dia efatra heny noho izay vokatry ny ady 900 nitranga nandritra ny 2500 taona talohan’ny daty 1914! Ary hatramin’ny 1914, dia tsy nitsahatra intsony ny karazam-pahoriana. Niharan’ny vokatry ny ady va hianao? ny vokatry ny mosary, ny vokatry ny horohoron-tany mahatsiravina nianjady teto amin’ity tany ity hatramin’ny taona 1914? — Raha izany, dia vavolombelona nahitamaso ny “famantarana” ny “fara-andron’izao tontolo izao” hianao.

46. Nanao ahoana ny fitombon’ny zava-nitranga manatanteraka ny “famantarana” tamin’ny taona faramparany teo?

46 Mbola nihamafy ny herin’ny “fahoriana” nandritra ny ady lehibe faharoa, izay im-pito noho ilay voalohany ny hamafin’ny fanimbàna nafitsony. Tanteraka koa ary ilay faminanian’i Jesosy hoe: “Hisy fahorian’ny firenena amin’ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon’ny ranomasina sy ny fanonjany, ka ho reraka ny fon’ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany.” (Lioka 21:25, 26). Ny fitombon’ny fahasiahana sy ny faharatsiana, ny fikomiana sy ny vonoan’olona hita na dia eo amin’ny zaza aza; ny fandrosoan’ny fankahalàna fivavahana sy ny fahasimbam-pitondratena, izany toe-javatra mahabe ahiahy rehetra izany dia efa voambara avokoa fa isan’ny famantarana ny “andro farany”. — Matio 24:12; II Timoty 3:1-5.

47. Iza no fototry ny fahoriana eto an-tany ary nahoana no nitombo ireny hatramin’ny taona 1914?

47 Lazaina nefa fa niorina tamin’ny taona 1914 ny fanjakan’ny lanitra, koa nahoana no mbola misy fahaverezan-kevitra lehibe toy izao ihany? I Satana ilay Devoly no fototr’izao. Ny zavatra nataon’i Kristy voalohany indrindra, raha vao notolorana ny fanapahana ny fanjakana izy, dia ny ady nifanaovany tamin’i Satana tany an-danitra. Ny vokatr’iny ady iny dia ity: Satana, “ilay mpamitaka ny tany rehetra”, dia nazera tamin’ny tany, niaraka tamin’ny anjeliny. Ary satria fantany fa efa kely sisa ny androny, dia manao maty farany izy, ka izany no hianjadian’ny fahasarotam-piainana mahatsiravina ety an-tany amin’izao fotoana izao. Fa voasoratra hoe: “Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.” — Apokalypsy 12:7-9, 12.

48. a) Havelan’Andriamanitra hanimba ny tany va ny olona tia tena? b) Fomba manao ahoana ary no entin’Andriamanitra hanongotana ny fahoriana sy ny fototry ny fahoriana?

48 Hisy fitsaharany ihany va izao toe-javatra izao indray andro any? Eny tokoa, rehefa haninjitra ny sandriny ny Fanjakan’ny lanitra, dia ny fanjakan’Andriamanitra Tsy-Toha, ka “hanorotoro izay manimba ny tany.” (Apokalypsy 11:18; Daniela 2:44). Na oviana na oviana, ity tany ity, izay asatanan’Andriamanitra, dia tsy havelany hopotehin’ny baomba atomikan’ny komonista, na ny baomba nikleran’ny kristiana sandoka, na ny hafa koa, satria hoy Andriamanitra: “Izao no kasaiko hatao: hamory firenena sy hanangona fanjakana aho, hanidinako ny fahatezerako amin’ireo, dia ny firehetan’ny fahatezerako rehetra, ka ho levon’ny afon’ny fahasaro-piaroko ny tany rehetra.” (Zefania 3:8) Hotoloran’i Jehovah hery lehibe avy amin’ny zavaboahariny i Kristy handevonana an’i Satana sy ny mpomba azy ety an-tany. Ary ity fandringanana ity dia hanerana izao tontolo izao, toy ny safo-drano tamin’ny andron’i Noa. — Jeremia 25:31-34; II Petera 3:5-7, 10.

49. a) Inona moa ity atao hoe: “Hara-magedona” ity? b) Iza hiany no ho voavonjy?

49 Ny famongorana ny firenena ratsy rehetra dia antsoin’ny Baiboly hoe: Hara-Magedona (Apokalypsy 16:14-16). Ny ho voavonjy amin’izany adin’Andriamanitra izany kosa ka hiditra ao amin’ny tany vaovao mandry fehizay, dia ny mpanetri-tena, ny mitady an’i Jehovah sy mikatsaka ny fahamarinana tokana ihany (Zefania 2:3; Isaia 26:20, 21). Hoy ny Baiboly mantsy azy ireo: “Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.” (Salamo 37:11). Rehefa izany, dia hanomboka amin’izay ny asa goavamben’ny fampodiana indray amin’ny laoniny ny paradisa ety an-tany.

KATSAHO NY FIANARANA NY HIDIRANAO AO AM — PARADISA

50. Nahoana no sarotra ny androm-piainantsika? Noho izany, asa lehibe inona no tanterahina ankehitrio?

50 Mandia fotoana sarotra indrindra eo amin’ny tantarany izao ny olombelona. Raha niteny momba izao tabatabam-piainantsika izao, sy ny “famantarana” ny hiafaran’izany tsy ho ela intsony, i Jesosy, dia hoy izy “Tsy mba ho lany izao taranaka izao mandra-pahatongan’izany rehetra izany.” (Matio 24:34). Ny taranaky ny velona amin’izao androntsika izao indrindra no manana tombo-tsoa hahalala ny Baiboly, ka mety tsy ho faty mihitsy aza raha tonga ny fara-andro. Toy izao koa ny faminanian’i Jesosy momba izao androtsika izao: “Ary hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14). Ny Fikambanana atao hoe: “Ny vavolombelon’i Jehovah”, dia manatanteraka amin-kerimpo tokoa izany asa fitoriana izany, ka efa 800.000 izao no isan’ireo ministra miasa eo amin’ny tany 175 samy hafa, ary mitombo isan’andro izany tarehi-marika izany. — Isaia 43:10-12.

51. Inona no tokon’ny hataon’ny olokendry rehetra raha ny momba ny fivavahana no heverina ary inona no antony hanaovana izany?

51 Renao va ny teny vavolombelona? Mazava aminao va ny anton’ny mahamaika azy? Tianao va ny ho voavonjy ka tsy ho faty raha tonga aza ny faran’ity fiainana vonto tabatabam-pahoriana ity? Tianao va ny ho velona ka hiditra ao amin’ilay tanim-piadanana sy faharavoravoana? Raha tianao izany rehetra izany, dia miasà dieny izao, ka aza mangataka andro. Mianàra, dia ho tsapanao izay tena finoana marina. Loza lehibe miantona ny fiheverana fa ny fivavahana dia toy ny fanaka fotsiny, toy ny zavatra efa mahazatra fotsiny ao an-trano ka tsy ampiasaina raha tsy efa misy andro hilàna azy. Loza lehibe miantona koa ny fiheverana fa tsara sy mahitsy daholo ny foto-pinoana rehetra satria hoe: tarigetra tokana ihany no tratrarina. Maro amin’ireny finoana ireny no miavaka amin’ny fanaovana mamy fo velona, ary ny fomba vaovao ampiasainy dia tsy mba misy fampianarana ny fanantenana ny fiainam-baovao sy ny paradisa an-tany. Zava-dehibe loatra ny fahafantarana ny fivavahana ampianarin’ny Baiboly. Ilain’ny olona ny fianarana satria mba te ho olom-banona ihany moa ny tena. Ary toy izany koa: ilaina ny fianarana ny Baiboly raha mba te ho isan’ireo olona handova ny fiainana mandrakizay ety an-tany koa hianao (Jaona 17:3; II Timoty 3:16, 17). Koa hianaro ny Baiboly izao ankehitrio izao, miaraha amin’ny mpikambana ho amin’izao tontolo izao vaovao, dia ny an’ny vavolombelon’i Jehovah. Manokàna tena ho an’i Jehovah Andriamanitra, Mpamorona izao rehetra izao, ary torio hatraiza hatraiza ny anarany. Miankina amin’izany indrindra ny fanavotana anao sy ny ho avinao. Enga anie ka ny fitadiavan-karena sy ny ahiahim-piainana rehetra tsy hisakana ny hitoazanao ny fiainana! Hoy Jesosy: “Katsaho aloha ny Fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.” — Matio 6:33.

52, 53. Inona no mampihavaka ny Fikambanana ho amin’ny Tany Vaovao amin’ny fikambanana hafa? Inona no teny vavolombelona voalaza ny amin’izany?

52 Raha miara-dia amin’ny mpikambana ho amin’izao tontolo izao vaovao hianao, dia ho tsapanao fa hafa indrindra noho ny fikambanana rehetra izy. Ny mpikambana rehetra ao mantsy dia mandray am-po ny didy voalohany lehibe ao amin’ny Baiboly hoe: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra, sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra.” (Matio 22:37). Safononoka ny fitiavan’izy rehetra an’ilay Mpamorona, loharanon’ny ainy, sy namoha ho azy ny lalana mitondra ho amin’ny fiainam-baovao, ary anisan’izany, ny fiainana mandrakizay ety an-tany. Ankoatra izany, dia tia ny namany toy ny tenany koa ireo mpikambana rehetra ao ireo (Matio 22:39). Porofo mampiseho miharihary izany fifankatiavany izany, dia ny fivoriam-be fanaony, iraisan’ny mpikambana rehetra eran’izao tontolo izao, ary izany dia vavolombelona fa ny olona rehetra mety hiray hina avokoa. Jereo ange! Nandritra ny valo andro (nanomboka tamin’ny 27 juillet ka hatramin’ny 3 aout 1958) noho ny sitrapon’ny Ray, dia nivory tany New-York ny vavolombelon’i Jehovah eran-tany. Ny kianja roa lehibe indrindra tao an-tanana, dia ny Yankee Stadium sy ny Polo Grounds, dia nahavory vahoaka marobe tokoa (180.291 tamin’ny andro nanombohana ary 253.922 tamin’ny famaranana). Ny anton’ny nahavory azy toy izany dia ny handalinana ny fahalalana ny Baiboly. Avy tamin’ny tany 123 samy hafa no nihavian’ny mpivory tao. Mpirahalahy avokoa izy rehetra, mpirahalahy voafatotry ny kofehim-pitiavana tena kristiana. Nampihetsi-po fatratra loatra iny fanehoam-piraisana iny, ka nahatahiry ao amin’ny Bokin’ny Kongresy Amerikana ny filazan’ny gazety New York Times ny momba an’iny (1958, appendice, pejy A6907). Ireto misy santionany vitsivitsy:

53 “HITA FA NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH NO VAHINY MAHAFATRA-PO INDRINDRA — IREO OLONA 180.000 AVY TAMIN’NY TANY REHETRA DIA NODERAINA NOHO NY FAHALALA-POMBA NASEHONY, NOHO NY FILAMINANY SY NY FAHADIOVANY. . . . Niloa-bava ny mponin’i New York tsy vaky volo fa mendrika hianarana tokoa ny fitondratenan’ireo vavolombelon’i Jehovah ireo. . . . Hoatra ny angano hoy izy ny filazàna ny hadiony. . . . ary ny fahalala-pomba no tarigetrany. . . . Ny Vice-prezidà ny Convention and Visitor’s Bureau ao New York (na ny sampan-draharaha mpikarakara ny fandraisam-bahiny) dia nanolotra anarana ny vavolombelon’i Jehovah hoe: “Mpitondra zava-tsoa ho an’ny ambanilanitra”. Ary ny fitondratenany hoy iza dia tsy mba toy ny an’izao tontolo izao.”

54. a) Nahoana ny vavolombelon’i Jehovah no mihataka amin’izao tontolo izao? b) Inona ny hoavy kanto manaloana azy?

54 Eny, “tsy mba an’izao tontolo izao tokoa mantsy izy ireo”, satria ireo vavolombelona “avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny rehetra ireo”, dia efa nivondrona ho iray, ka efa nisaraka tamin’izao tontolo izao, dia izao tontolo izao efa eo ankatoky ny fahalevonana (Apokalypsy 7:9; I Jaona 2:15-17). Ny fanantenany rehetra sy ny fitiavany rehetra, dia efa nankininy tanteraka eo amin’ilay fiainam-baovao mendri-boninahitra efa nokasain’i Jehovah hoforonina (Isaia 65:17, 18). Mino ny toky nomen’Andriamanitra ny amin’izany izy, ary manantena koa ny tsy handia fahafatesana raha mifarana izao tontolo izao, fa hiditra velona kosa ao amin’ilay tany vaovao (Hebreo 11:1, 6; Jaona 11:26). Noho ny hasaro-bidy ny sorona natolotr’i Kristy, dia ho tanteraka amin’ireo olona ireo ny teny ao amin’i Joba 33:24, 25. Fahasoavana re izany!

55. a) Inona no anton-javatra hifandraisan’ny olomahatokiny mafy amin’i Jehovah? b) Lazao ny sasantsasany amin’ireo fandrotsaham-pitahiana ho avy.

55 Koa milofosa amin’ny fahalalana, ary manàna zotom-po hampitombo ny fitiavanao sy ny fankasitrahanao an’i Jehovah Andriamanitra, sy ny Zanany ary ny fanjakan’ny lanitra mitondra amin’ny rariny sy ny hitsiny. Ny soa ho entin’ity fanjakana tonga lafatra ity dia mbola hazavain’ny Baiboly hoe: “Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olony, ary Izy hitoetra eo aminy, dia Andriamaniny.” Lavitra dia lavitra “an’izany Andriamanitra” izany ny firenena revo loatra sy adalan’ny fikarohana ny fiadiana atomika, fa akaiky an’ilay Ray be fitia sy hiankohaka eo anatrehany kosa ny mponin’izao tontolo izao vaovao. Hiray fo, ho tia sy hanaja ny Rainy ireo zanany ireo, amin’ny alalan’ny fomba-pivavahana tokana, dia ny fanompoana marina an’i Jehovah. Ray be fitiavana tokoa Andriamanitra! Eny, “Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony, ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.” — Apokalypsy 21:3, 4.

56. Inona no hitokiana marimarina fa tsy maintsy “havaozin’i Jehovah ny zavatra rehetra”?

56 Izany sy izany ary no hahatanteraka ilay fahagagana tsy misy toa azy, dia ny fanorenana indray ny tany ho paradisa, eo ambany fifehezan’ny fanjakana tonga lafatry ny lanitra. Sahala amin’ny finoana fa rahampitso dia hiposaka sy hilentika ny masoandro, no hahatanteraka koa izany fanavaozana izany, satria ny teny fampanantenana nomen’i Jehovah, Jehovah Mpamorona ny lanitra sy ny tany, dia “mahatoky sy marina”. Eny, avy eo ambonin’ny seza fiandrianany Andriamanitra no miantso amin’ny feo mahery hoe: “Indro, havaoziko ny zavatra rehetra.” — Apokalypsy 21:5.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Monarchs and Tombs and Peoples—the Dawn of the Orient, pejy 25.

[Fanontaniana]