Hijery ny anatiny

Iza moa i Jehovah?

Iza moa i Jehovah?

Iza moa i Jehovah?

REHEFA namakivaky ny ala mikitroka tany Kambodja i Henri Mouhot, Frantsay iray mpizaha tany mbola tsy fantatra tamin’ny taonjato faha-19, dia tonga teo amin’ny hady vory lehibe nanodidina ny tempoly iray. Ny Angkor Wat izy io, ilay trano fivavahana goavana indrindra eto an-tany. Taorian’ny indray mitopy maso monja, dia afaka nilaza i Mouhot fa asa tanan’olombelona ireo trano rakotry ny volombato. “Natsangan’olona fahiny nanana ny fahaizan’i Michel-Ange izy io, hany ka miezinezina mihoatra noho izay mety ho navelan’i Gresy na i Roma ho antsika”, hoy ny nosoratany. Efa taonjato maro no nandaozana sy tsy nikojakojana ireo trano maro loha ireo, kanefa azony antoka fa nisy mpamolavola izy ireo.

Mahaliana fa nampiasa fanjohian-kevitra mitovy amin’izany ny bokim-pahendrena iray nosoratana taonjato maro lasa izay, ka nilaza toy izao: “Fa ny trano rehetra dia samy nisy mpanao azy; fa Izay nanao ny zavatra rehetra kosa dia Andriamanitra.” (Hebreo 3:4). Mety hilaza toy izao anefa ny sasany: ‘Samy hafa amin’ny fiasan’ny zavatra nataon’ny olombelona anie ny an’ny natiora e!’ Tsy ny mpahay siansa rehetra anefa no mitovy hevitra amin’izany.

I Michael Behe dia mpampianatra mpanampy momba ny biôsimia ao amin’ny oniversiten’i Lehigh, any Pennsylvanie, Etazonia. Nanontany toy izao izy, rehefa avy nanaiky fa “tsy hoe zavatra tsy misy aina akory ireo rafitra biôsimika”: “Moa ve azo volavolaina amim-pahiratan-tsaina ireo rafitra biôsimika?” Nanohy ny teniny izy ka nasehony koa fa mamolavola fiovana fototra eo amin’ireo zavamiaina ny mpahay siansa ankehitriny, amin’ny alalan’ny fomba toy ny fanovana fototarazo. Eny, samy azo “amboarina” ny zavamananaina sy ny tsy mananaina! Nanao fikarohana lalina tao amin’ny tontolo bitiky ny sela i Behe, ka nahamarika ireo rafitra mahatalanjona mifampidipiditra, izay tsy inona fa fitambarana singan-javatra maro manana asa mifampiankina. Ny fanatsoahan-keviny? “Antsoantso mafy sady mazava hoe: ‘Famolavolana!’, no vokatr’ireny ezaka fanampiny natao handinihana akaiky ny sela ireny — ka nandinihana akaiky ny aina, teo amin’ny sehatry ny môlekiola.”

Iza àry no Mpamolavola ireny rafitra mifampidipiditra rehetra ireny?

Iza no Mpamolavola?

Hita ao amin’ny Baiboly, ilay bokim-pahendrena tranainy voalaza terỳ aloha ny valin’ilay fanontaniana. Ao amin’ny teny fanokafany, ny Baiboly dia mamaly amin’ny fomba tena tsotra sy mazava toy izao an’ilay fanontaniana hoe iza no namolavola ny zava-drehetra: “Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.” — Genesisy 1:1.

Rehefa nanavaka ny tenany tamin’ireo hafa lazaina fa Andriamanitra anefa ilay Mpamorona, dia nampahafantatra ny tenany tamin’ny anarana iray tsy manam-paharoa: “Izao no lazain’i Jehovah Andriamanitra, Izay nahary ny lanitra (...), Izay namelatra ny tany sy ny vokatra avy aminy, Izay manome fofonaina ny olona eo aminy”. (Isaia 42:5, 8, izahay no manao sora-mandry.) Jehovah no anaran’ilay Andriamanitra namolavola izao rehetra izao, ary nampisy lehilahy sy vehivavy teto an-tany. Kanefa, iza moa i Jehovah? Karazan’Andriamanitra manao ahoana izy? Ary nahoana ianao no tokony hihaino azy?

Ny dikan’ny anarany

Voalohany indrindra, inona no dikan’ny anaran’ny Mpamorona hoe Jehovah? Nosoratana tamin’ny litera hebreo efatra (יהוה) ny anaran’Andriamanitra, ary miseho efa ho im-7 000 ao amin’ny tapany amin’ny soratra hebreo ao amin’ny Baiboly. Heverina fa endriny mpampanao amin’ilay matoanteny hebreo hoe ha·wahʹ (“manjary”) io anarana io, ka noho izany, dia midika hoe “Mahatonga Izy”. Raha lazaina amin’ny teny hafa, amim-pahendrena i Jehovah dia mahatonga ny tenany ho izay rehetra ilaina mba hanatanterahana ny fikasany. Tonga Mpamorona, Mpitsara, Mpamonjy, Mpanohana ny Aina, sy ny toy izany izy, mba hanatanterahana ny fampanantenany. Ambonin’izany, ilay matoanteny hebreo dia miseho amin’ny endrika manambara asa eo an-dalam-pahatanterahana. Izany dia manondro fa mbola mahatonga ny tenany ho ilay mpanatanteraka ny fampanantenany foana i Jehovah. Eny, Andriamanitra velona izy!

Ireo toetran’i Jehovah lehibe indrindra

Mampiseho an’io Mpamorona sy mpanatanteraka ny fampanantenany io ho olona tena manintona, ny Baiboly. Ny tenan’i Jehovah mihitsy no nampiharihary ny toetra mampiavaka azy tamin’ny filazana hoe: “Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be [hatsaram-panahy miharo fitiavana, The New World Translation of the Holy Scriptures] sy fahamarinana, mitahiry [hatsaram-panahy miharo fitiavana, NW] ho an’ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana”. (Eksodosy 34:6, 7). Lazalazaina ho Andriamanitry ny hatsaram-panahy miharo fitiavana i Jehovah. Azo adika koa hoe “fitiavana tsy mivadika” ny teny hebreo ampiasaina eto. Manohy maneho fitiavana ny zavaboariny amim-pahatokiana i Jehovah, rehefa manatanteraka ny fikasany mandrakizay. Moa ve tsy hankamaminao ny fitiavana toy izany?

Mahari-po koa i Jehovah sady mailaka hamela ny helotsika. Mahafinaritra ny eo akaikin’ny olona tsy be fanakianana fa vonona hamela antsika kosa. Tsy midika anefa akory izany hoe manala tsiny ny fanaovan-dratsy izy. Hoy ny nambarany: “Izaho Jehovah dia tia rariny; halako ny fandrombahana amin’ny faharatsiana”. (Isaia 61:8). Amin’ny maha Andriamanitry ny rariny azy, dia tsy handefitra mandrakizay amin’ireo mpanota sahisahy ratsy izay mikiry amin’ny faharatsiany, izy. Afaka matoky isika, araka izany, fa amin’ny fotoana noferany, i Jehovah dia hanitsy ny tsy rariny manodidina antsika.

Mitaky fahendrena ny fihazonana fahaiza-mandanjalanja tonga lafatra eo amin’ny fitiavana sy ny rariny. Mampifandanja ireo toetra roa ireo amin’ny fomba mahatalanjona i Jehovah, rehefa mifampiraharaha amintsika. (Romana 11:33-36). Mazava ho azy fa azo atao ny mahita ny fahendreny hatraiza hatraiza. Porofon’izany ireo zava-mahatalanjona eo amin’ny natiora. — Salamo 104:24; Ohabolana 3:19.

Tsy ampy anefa ny manana fahendrena. Mba hanatanterahana amin’ny fomba feno izay zavatra tonga ao an-tsainy, dia tsy maintsy manana hery be dia be koa ilay Mpamorona. Asehon’ny Baiboly ho Andriamanitra mahery tokoa izy, araka izao teny izao: “Asandrato ny masonareo, ka mijere; iza no nahary ireny? Izy no mamoaka ny antokony araka ny isany (...) noho ny haben’ny fahatanjahany (...), ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza.” (Isaia 40:26). Eny tokoa, afaka mibaiko ‘ny haben’ny fahatanjahana’ i Jehovah mba hanatanterahana ny sitrapony. Moa ve tsy manintona anao ho amin’i Jehovah izany toetra izany?

Soa azo avy amin’ny fahalalana an’i Jehovah

“Tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no namoronan’[i Jehovah] azy”, fa “nataony honenana”, izany hoe honenan’ny olombelona izay manana fifandraisana misy heviny aminy. (Isaia 45:18; Genesisy 1:28). Miahy ireo zavaboariny eto an-tany izy. Nanome fiaingana tonga lafatra ho an’ny taranak’olombelona izy tao amin’ny fonenana iray toy ny zaridaina, dia paradisa. Manimba azy io ny olombelona, ary tena tsy nahafaly an’i Jehovah izany. Mifanaraka amin’ny tondroin’ny anarany anefa dia hanatanteraka ny fikasany tany am-boalohany ho an’ny tany sy ny olombelona, i Jehovah. (Salamo 115:16; Apokalypsy 11:18). Hamerina ny Paradisa amin’ny laoniny eto an-tany izy, ho an’ireo izay vonona hankato azy toy ny zanany. — Ohabolana 8:17; Matio 5:5.

Ny boky farany ao amin’ny Baiboly dia milazalaza ny hatsaran’ny fiainana azonao ankafizina ao amin’izany Paradisa izany: “Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.” (Apokalypsy 21:3, 4). Izany mihitsy no fiainana irin’i Jehovah hankafizinao. Izany ka Ray tsara fanahy! Vonona ve ianao hianatra bebe kokoa momba azy sy momba izay takiny aminao mba hiainana ao amin’ny Paradisa?

Raha tsy misy fanamarihana manokana, ny andinin-teny rehetra dia avy amin’ny Baiboly Fandikan-teny Protestanta (1997).