Hijery ny anatiny

Jesosy Kristy—Iza moa Izy?

Jesosy Kristy—Iza moa Izy?

Jesosy Kristy—Iza moa Izy?

“NA DIA ny olona maro izay tsy Kristianina aza dia mino fa mpampianatra lehibe sy hendry Izy. Azo antoka fa anisan’ny olona nanan-kery nitaona lehibe indrindra teto an-tany Izy.” (The World Book Encyclopedia). Iza moa “Izy”? I Jesosy Kristy, ilay mpanorina ny Kristianisma. Fantatrao ve hoe iza izy? Manova ny fiainanao amin’ny lafiny sasany ve izy?

Ireo fisehoan-javatra nifandray tamin’ny fanompoan’i Jesosy dia voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Baiboly, ao amin’ireo asa soratra ara-tantara efatra antsoina hoe ireo Filazantsara. Tena marina ve ireo fitantarana ireo? Izao no nosoratan’ilay mpahay tantara fanta-daza atao hoe Will Durant, taorian’ny namakafakany azy ireo: ‘Ny hoe nisy olon-tsotra sasantsasany nahavita, tao anatin’ny taranaka iray, namorona olona niavaka tsara iray izay nanana toetra nahery sy nanintona aoka izany, namorona fitsipi-pitondran-tena ambony aoka izany, ary namorona fiheverana mandrisika aoka izany ny amin’ny atao hoe firahalahian’olombelona, dia ho fahagagana sarotra inoana lavitra noho izay voatantara ao amin’ireo Filazantsara.’

Ho an’ny olona an-tapitrisany maro any Orient sy any an-toeran-kafa anefa, dia olon-tsy fantatra i Jesosy Kristy. Mety hino izy ireo fa nisy izy, saingy tsy heveriny hoe misy ifandraisan’i Jesosy amin’ny fiainany. Ny hafa manilika an’i Jesosy ho tsy mendrika ny hitodihan’ny sainy, noho izay nataon’ireo nihambo ho mpanara-dia azy. ‘Nandatsaka baomba ataomika tany Nagasaki, izy ireo’, hoy ny holazain’ny olona sasany any Japon, ‘dia i Nagasaki izay tanàna nisy Kristianina maro kokoa noho ny tany amin’ny ankamaroan’ny tanàna eto Japon.’

Kanefa, moa ve ianao hanome tsiny ny dokotera iray noho ny aretin’ny marary iray, raha tsy manaraka ny toromarik’ilay dokotera ilay marary? Mazava ho azy fa tsia. Efa hatramin’ny ela ny olona ao amin’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina no tsy niraharaha ny toromarik’i Jesosy mba handresena ireo zava-manahirana azy ireny andavanandro. Noho izany, nahoana raha ny tenanao mihitsy no mianatra momba an’i Jesosy, toy izay hanilika azy noho ireo olona lazaina fa Kristianina kanefa tsy manaraka ny toromarika nomeny? Diniho ny Baiboly dia ho fantatrao hoe iza marina i Jesosy, ary hoe ahoana no ahafahany manova ny fiainanao mihitsy aza.

Ny fitiavana — Ilay toromarika nomeny

I Jesosy Kristy dia mpampianatra lehibe izay nipetraka tany Palestina efa ho 2 000 taona lasa izay. Zavatra kely dia kely no fantatra momba ny fahazazany. (Matio, toko 1 sy 2; Lioka, toko 1 sy 2). Nanomboka ny fanompoany mba “hanambara ny marina” i Jesosy, fony izy 30 taona. (Jaona 18:37; Lioka 3:21-23). Nifantoka tamin’ny fanompoan’i Jesosy ampahibemaso, nandritra ireo telo taona sy tapany farany nandalovany teto an-tany, ireo lehilahy efatra nitantara ny fiainan’i Jesosy.

Nanome ny mpianany ny fanalahidy hiatrehana ireo zava-manahirana isan-karazany teo amin’ny fiainan’izy ireo i Jesosy, nandritra ny fanompoany. Inona izany fanalahidy izany? Ny fitiavana. Tao amin’ny iray tamin’ireo toriteny nalaza indrindra teo amin’ny tantara, antsoina hoe ny Toriteny teo An-tendrombohitra, i Jesosy dia nampianatra ny mpianany ny fomba hanehoana fitiavana amin’ny mpiara-belona. Hoy izy: “Koa amin’izany na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany”. (Matio 7:12). Antsoina hoe ny Fitsipika Volamena io foto-pitsipika io. Anisan’ny “olona” noresahin’i Jesosy teto na dia ireo fahavalon’ny tena aza. Hoy izy tao amin’io toriteny io ihany: “Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo”. (Matio 5:44). Moa ve ny fitiavana toy izany tsy handamina ny ankamaroan’ireo zava-manahirana atrehintsika amin’izao andro izao? Nihevitra toy izany i Mohandas Gandhi, filoha karàna. Voalaza fa niteny toy izao izy: ‘Rehefa ho tonga amin’ny fifanarahana miorina amin’ireo fampianaran’i Kristy voasoratra ao amin’io Toriteny teo An-tendrombohitra io [isika], dia ho voalamintsika ireo zava-manahirana eo amin’izao tontolo izao.’ Raha ampiharina ny fampianaran’i Jesosy momba ny fitiavana, dia afaka manasitrana ireo aretina mahazo ny olombelona izany.

Ny fitiavany niseho tamin’ny asa

Nampihatra izay nampianariny i Jesosy. Nametraka ny tombontsoan’ny hafa ho alohan’ny an’ny tenany izy, ary nampiseho ny fitiavana tamin’ny asa. Indray andro dia nanampy olona maro be i Jesosy sy ny mpianany, ka tsy nanam-potoana hisakafoana. Hitan’i Jesosy fa nila ‘niala sasatra kelikely’ ny mpianany, hany ka nankany amin’ny toerana iray nitokana izy ireo. Tonga tany talohan’izy ireo anefa ny vahoaka ary niandry ny hahatongavany. Ho nanao ahoana ny fihetsikao raha ianao no teo amin’ny toeran’i Jesosy? “Onena azy” i Jesosy, ka “nampianatra azy zavatra maro”. (Marka 6:30-34). Io fahatsapana fangorahana lalina io no nanosika azy hanampy ny hafa.

Tsy voafetra ho amin’ny fampianarana ara-panahy ihany ny zavatra nataon’i Jesosy ho tombontsoan’ny hafa. Nanome fanampiana azo notsapain-tanana koa izy. Ohatra, indray mandeha izy dia namahana 5 000 lahy (ankoatra ny zaza amam-behivavy) izay naharitra nihaino azy mandra-paharivan’ny andro. Namahana olona 4 000 hafa koa izy, tatỳ aoriana. Tamin’ilay voalohany, dia nampiasa mofo dimy sy hazandrano roa izy, ary tamin’ilay farany, dia mofo fito sy hazandrano madinika vitsivitsy. (Matio 14:14-21; 15:32-38; Marka 6:35-44; 8:1-9). Fahagagana ve izany? Eny, mpanao fahagagana i Jesosy.

Nanasitrana marary maro koa i Jesosy. Nanasitrana ny jamba, sy ny kilemaina, sy ny boka, ary ny marenina izy. Nanangana ny maty mihitsy aza izy! (Lioka 7:22; Jaona 11:30-45). Niangavy azy toy izao ny boka iray, indray mandeha: “Raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.” Nanao ahoana ny fihetsik’i Jesosy? “Naninjitra ny tànany [izy], dia nanendry azy ka nanao taminy hoe: Mety Aho; madiova hianao.” (Marka 1:40, 41). Natosiky ny faniriana mafy hanampy azy ireny i Jesosy. Tamin’ny alalan’ireny fahagagana ireny no nampisehoany ny fitiavany an’ireo nampahorina.

Sarotra inoana ve izany? Teny ampahibemaso anefa no nanaovan’i Jesosy ny ankamaroan’ireo fahagagany. Na dia ireo mpanohitra izay nanandrana nitady zavatra hokianina taminy tamin’ny fotoana rehetra aza, dia tsy afaka nanda ilay hoe nanao fahagagana izy. (Jaona 9:1-34). Ankoatra izany, dia nisy zava-kendrena ny fahagagana nataony. Nanampy ny olona izy ireny mba hahafantatra fa i Jesosy no ilay nirahin’Andriamanitra. — Jaona 6:14.

Ny fandinihana fohy ny fampianaran’i Jesosy sy ny fiainany fotsiny dia efa mahatonga antsika ho tia azy, ka manosika antsika haniry hanahaka ny fitiavany. Tsy amin’io lafiny io ihany anefa no ahafahan’i Jesosy manova ny fiainanao. Tsy vitan’ny hoe mpampianatra lehibe izay nampianatra ny fitiavana izy. Nanambara izy fa efa nisy ny tenany talohan’ny naha olombelona azy, tamin’ny naha Zanaka lahitokan’Andriamanitra azy. (Jaona 1:14; 3:16; 8:58; 17:5; 1 Jaona 4:9). Mbola misy izy taorian’ny naha olombelona azy, ka izany dia mahatonga azy ho zava-dehibe kokoa ho anao. Ambaran’ny Baiboly fa natsangana tamin’ny maty i Jesosy ary nomena fiandrianana ho Mpanjakan’ilay Fanjakan’Andriamanitra izy ankehitriny. (Apokalypsy 11:15). Hoy i Jesosy: “Izao no midika ho fiainana mandrakizay: Ny fandraisany fahalalana anao, ilay hany Andriamanitra marina, sy an’ilay nirahinao, i Jesosy Kristy.” (Jaona 17:3, New World Translation; 20:31). Eny tokoa, ny fandraisana fahalalana an’i Jesosy Kristy dia afaka ny hidika ho fiainana tsy misy farany ao amin’ny Paradisa! Ahoana no hetezan’izany? Nahoana raha mianatra bebe kokoa momba an’i Jesosy mba hahitana ny fomba ‘haneren’ny fitiavan’i Kristy antsika’ hanahaka azy? (2 Korintiana 5:14). Ho faly hanampy anao ny Vavolombelon’i Jehovah. — Jaona 13:34, 35.

Raha tsy misy fanamarihana manokana (toy ny hoe NW ho an’​ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao—Fanaovana Fikarohana, anglisy), ny andinin-teny rehetra dia avy amin’ny Baiboly Fandikan-teny Protestanta (1997).