Hijery ny anatiny

Nahoana ianao no afaka mitoky amin’ny Baiboly

Nahoana ianao no afaka mitoky amin’ny Baiboly

Nahoana ianao no afaka mitoky amin’ny Baiboly

Ny olona sasany dia milaza fa tsy azo ianteherana ny Baiboly, ary nahazo vahana ny fiheveran’izy ireo. Araka izany, dia olona maro no manilika izay lazain’ny Baiboly hoe tsy azo itokisana.

Etsy an-danin’izany, izay nolazain’i Jesosy Kristy tao amin’ny vavaka nataony tamin’Andriamanitra dia mampirisika hanana fitokisana: “Ny teninao no fahamarinana.” Ary ny Baiboly dia milaza tena ho ara-tsindrimandrin’Andriamanitra. — Jaona 17:17; 2 Timoty 3:16.

Ahoana ny hevitrao momba izany? Misy antony tsara hatokisana ny Baiboly ve? Sa tena misy porofo fa tsy azo ianteherana ny Baiboly, fa misy teny mifanipaka sy tsy mifanaraka ao?

Misy teny mifanipaka ve ao?

Raha mety hilaza ny sasany fa mifanohitra ny tenin’ny Baiboly, moa ve mba efa nisy olona nampiseho taminao ohatra iray tena misy? Tsy nahita mihitsy iray afaka nahatohitra ny fandinihana akaiky izahay. Marina fa mety hisy toa tsy fifanarahana eo amin’ny fitantarana sasany ao amin’ny Baiboly. Nefa mandrakariva ny zava-manahirana dia ny tsy fahampian’ny fahalalana mifandray amin’ny tsipiriany sy ny toe-javatra tamin’izany fotoana izany.

Ohatra, ny olona sasany dia hitarika ny saina ho amin’izay heveriny ho tsy fifanarahan-kevitra ao amin’ny Baiboly, ka manontany hoe: ‘Taiza no nahazoan’i Kaina ny vadiny?’ Ny fanombantombanana dia ny hoe: Kaina sy Abela irery no naterak’i Adama sy Eva. Tsy fahatakarana izay voalazan’ny Baiboly anefa no iorenan’io fanombantombanana io. Manazava ny Baiboly fa “niteraka zazalahy sy zazavavy” (mitondra ny mariky ny maro amin’ny teny hebreo) i Adama. (Genesisy 5:4). Araka izany, i Kaina dia nanambady ny iray tamin’ireo anabaviny na mety ho ny zanaky ny iray tam-po taminy.

Ireo mpanakiana matetika dia tsy mitady afa-tsy fifanoherana ary mety hanao hoe: ‘Matio, mpanoratra ao amin’ny Baiboly milaza fa kapiteny no tonga nitaraina tamin’i Jesosy, nefa Lioka kosa milaza fa iraka no nalefany hangataka ho azy. Iza amin’ireo no marina?’ (Matio 8:5, 6; Lioka 7:2, 3). Nefa moa ve tena misy fifanoheran-kevitra amin’izany?

Rehefa ny asa na ny nataom-bahoaka no lazaina fa nataon’ilay tena tompon’andraikitra amin’izany, dia tsy misy olona mazava saina hihevitra izany ho tsy fifanarahan-kevitra. Hataonao ve, ohatra, fa diso ny fanambarana fa ny prezidàn’ny firaisana iray dia nanamboatra arabe iray na dia ireo enjenierany sy mpiasany aza no tena nanamboatra ilay arabe? Mazava ho azy fa tsia! Toy izany koa fa tsy mifanipaka velively ny fanambaran’i Matio fa kapiteny no nanao fangatahana tamin’i Jesosy, nefa araka ny fanoratan’i Lioka, ny fangatahana toy izany dia natao tamin’ny alalan’ny iraka sasany.

Ny fahalalana tsipiriany maromaro kokoa dia mampisava izay toa noheverina ho tsy fifanarahan-kevitra ao amin’ny Baiboly.

Ny Tantara sy ny Siansa

Maro teo aloha no nisalasala ny amin’ny fahamarinan’ny Baiboly ara-tantara. Nolavin’ny mpanakiana, ohatra, fa tena nisy tokoa ny olona voatantara ao amin’ny Baiboly toa an’i Sargona mpanjakan’i Asyria, Belsazara tany Babylona, ary Pontio Pilato governora romana. Maro anefa ny fahitan-javatra vao haingana nisesy nanamarina an’ireo fitantaran’ny Baiboly. Noho izany, dia hoy ny nosoratan’i Moshe Pearlman mpanoratra tantara: “Nanomboka niova hevitra tampotampoka teo ireo mpisalasala fa marina na dia ireo tapany ara-tantara amin’ny Testamenta Taloha aza.”

Mba hatokisantsika ny Baiboly dia tokony ho marina koa izy, eo amin’ireo lafiny ifandraisany amin’ny siansa. Izany ve no izy? Tsy ela loatra izay, dia nanipaka ny Baiboly ireo mpahay siansa ka nitompo teny fa tsy nisy fiandohana izao rehetra izao. Ilay mpandinika kintana atao hoe Robert Jastrow anefa tato ho ato dia nampiseho zava-tsikaritra vaovao izay manohitra izany, ka manazava hoe: “Hitantsika izao fa manentana handray ny fanazavan’ny Baiboly ny niandohan’izao tontolo izao izay ahariharin’ny fandinihan-kintana. Ireo tsipiriany fotsiny no tsy mitovy, fa amin’ny tena fotopotony dia iray hevitra ihany ny fanazavan’ny fandinihan-kintana sy ny fitantaran’ny Baiboly ao amin’ny Genesisy.” — Genesisy 1:1.

Ny olombelona dia nanova koa ny heviny mifandray amin’ny endriky ny tany. “Ireo dia ho fahitan-javatra”, hoy ny fanazavan’ny The World Book Encyclopedia, “dia nampiseho fa boribory ny tany fa tsy fisaka toy izay niheveran’ny besinimaro azy.” Ny Baiboly kosa anefa dia efa nilaza ny marina hatramin’ny voalohany! Roa arivo taona talohan’ireo dia ireo dia efa nilaza toy izao ny Baiboly ao amin’ny Izaia 40:22 (Fandikan-teny Katolika): Izy no manerinerina eo ambonin’ny andohalambon’ny tany”, na araka ny fandikan-teny hafa, “ny boriborin’ny tany”, (Douay), na koa “ny tany boribory”. (Moffatt).

Arakaraka ny itomboan’ny fahalalan’ny olombelona àry dia miharihary kokoa fa tena azo itokisana ny Baiboly. Sir Frederic Kenyon, izay talen’ny British Museum teo aloha, dia nanoratra hoe: “Ny vokatr’izay efa vita hatramin’izao dia manamarina izay tokony ho fanoloran-kevitry ny finoana, dia ny hoe: tsy mahay afa-tsy ny manandratra kokoa ny Baiboly ny fitomboam-pahalalana.”

Milaza mialoha ny hoavy

Kanefa, moa ve azontsika itokisana tokoa ireo fanambaran’ny Baiboly ny hoavy, anisan’izany ny fampanantenany ‘lanitra vaovao sy tany vaovao izay hitoeran’ny fahamarinana’? (2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:3, 4). Fa inona no fahatsiarovana avelan’ny lasa raha ny amin’ny hoe azo itokisana ny Baiboly sa tsia? Hita miverimberina eo ireo fahatanterahana faminaniana natao taonjato maro mialoha, ka izany dia hatramin’ny tsipiriany madinika indrindra!

Tokony ho 200 taona alohan’ny fotoana, ohatra, ny Baiboly dia efa nilaza ny hahalavoan’ilay fanjakan’i Babylona nahery izaitsizy. Voatonona mihitsy aza ireo handresy azy, dia ny Mediana niray dina tamin’ny Persiana. Mbola tsy nahita masoandro akory aza Kyrosy mpanjaka persiana dia efa voalazan’ny Baiboly mialoha ny fotoana handraisany anjara lehibe amin’ilay fanafihana. Nambarany fa ho “tankina” ireo rano aron’i Babylona, dia ny ony Eofrata, ka “tsy hirindrina intsony ny vavahady” [an’i Babylona]. — Jeremia 50:38; Isaia 13:17-19; 44:27-45:1.

Dia tanteraka daholo ireny tsipiriany manokana ireny, araka ny voalazan’i Herodotosy mpanoratra tantara. Nolazain’ny Baiboly mialoha koa fa ho rava tsy honenana intsony i Babylona. Dia toy izany tokoa no niseho. Antontan-tany lao misavovona fotsiny i Babylona amin’izao fotoana izao. (Isaia 13:20-22; Jeremia 51:37, 41-43). Ary ny Baiboly dia feno faminaniana hafa izay nanaitra ny saina ny fahatanterahany.

Koa inona àry no voalazan’ny Baiboly mialoha momba ny fandehan-javatr’izao tontolo izao ankehitriny? Hoy izy hoe: “Any aoriana any, dia hisy andro sarotra; fa ho tia tena ny olona, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, mpiteny ratsy, mpanohi-dray aman-dreny, tsy mankasitraka, tsy tia vavaka, tsy manam-pitiavana, (...) tia ny fahafinaretan’ny nofo noho Andriamanitra, ary manana ny endriky ny fitiavam-bavaka, nefa tsy manana ny heriny.” — 2 Timoty 3:1-5, Kat.

Tsy isalasalana fa hitantsika tanteraka tokoa izany izao! Kanefa koa ny Baiboly milaza mialoha ny amin’ny “fahataperan’izao tontolo izao” fa: “Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary”. Ary fanampin’izany koa dia: “Hisy horohoron-tany lehibe ary (...) areti-mandringana any amin’ny tany samy hafa”. — Matio 24:7; Lioka 21:11.

Tena eo an-dalam-pahatanterahana tokoa ireo faminanian’ny Baiboly amin’izao fotoana izao! Koa ahoana àry izany ny amin’ireo fampanantenany mbola hotanterahina toy ny hoe: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay”, sy ny hoe: “Hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary (...) tsy (...) hianatra ady intsony”? — Salamo 37:29; Isaia 2:4.

‘Mahafinaritra loatra izany ka tsy mety ho tanteraka’, hoy angamba ny sasany. Kanefa raha ny marina dia tsy misy antony tokony hisalasalantsika ny amin’izay rehetra nampanantenain’ny Mpamorona antsika. Azo itokisana ny Teniny! (Titosy 1:2). Amin’ny fandinihana ny porofo fanampiny, dia vao mainka hanjary hiaiky bebe kokoa ny amin’izany ianao.

Raha tsy misy fanamarihana manokana, ny andinin-teny rehetra ao amin’ny Baiboly dia nalaina avy tao amin’ny Fandikan-teny Malagasy.

[Teny notsongaina, pejy 4]

“Ny vokatr’izay efa vita hatramin’izao dia manamarina izay tokony ho fanoloran-kevitry ny finoana, dia ny hoe: tsy mahay afa-tsy ny manandratra kokoa ny Baiboly ny fitomboam-pahalalana.”