Hijery ny anatiny

Nahoana ny Fiainana no Feno Zava-manahirana Toy Izao?

Nahoana ny Fiainana no Feno Zava-manahirana Toy Izao?

Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 34

Nahoana ny Fiainana no Feno Zava-manahirana Toy Izao?

Mety Hisy ve ny Paradisa Iray Tsy Hisian’ny Zava-manahirana?

MIHAMAFY HATRANY IREO ZAVA-MANAHIRANA LEHIBE — NAHOANA?

Nanan-java-manahirana foana ny olona. Na dia maro aza no nihevitra fa afaka ny handamina azy ireo ny haitao maoderina, dia mihamafy ireo zava-manahirana lehibe.

Heloka Bevava: Vitsy no mahatsiaro tena ho voaro rehefa mandeha eny amin’ny arabe na rehefa mipetraka ao an-tranony aza. Tany amin’ny tany eoropeana iray, dia efa ho 1 tao anatin’ny 3 ny olona niharan’ny heloka bevava tamin’ny taona vao haingana iray.

Ny Tontolo Iainana: Ny fandotoana ny rivotra sy ny tany ary ny rano dia mihamiely hatrany. Any amin’ireo firenena an-dalam-pandrosoana, dia ny ampahefatry ny mponina no tsy afaka manana rano madio.

Fahantrana: Betsaka kokoa noho ny hatramin’izay ny olona mahantra sy noana. Maherin’ny 90 isan-jaton’ny olona any amin’ny tany sasany no miaina ao anatin’ny fahantrana; ny 30 isan-jaton’ireo olona afa-miasa, izany hoe olona tokony ho 800 tapitrisa, dia tsy an’asa na manao asa tsy mifanaraka amin’ny fahaizany — ary mitombo ny isany.

Hanoanana: Na dia ampy sakafo aza ny tenanao, dia olona an-tapitrisany maro mihamitombo isa no tsy toy izany. Any amin’ireo tany tsy dia mandroso, isan-taona dia olona 13 tapitrisa fara fahakeliny, ary ankizy ny ankamaroany, no maty noho ny vokatry ny hanoanana.

Ady: Olona ana hetsiny maro no voavono tamin’ny fipoahan’ny herisetra ara-poko vao haingana. Ary tamin’izao taonjato faha-20 izao, dia namono olona mahery lavitra ny zato tapitrisa ireo ady.

Zava-manahirana Hafa: Ireo zava-manahirana ireo dia ampio ny fitomboan’ny isan’ny fianakaviana rava sy ny vehivavy miteraka tsy manambady ary ny tsy manan-trano ipetrahana, ny fielezan’ny fidorohana zava-mahadomelina, ny fihanaky ny fahalotoam-pitondran-tena. Tena marina ny nolazain’ny minisitra taloha iray tany Etazonia hoe: “Be dia be loatra tsotra izao ireo famantarana fa (...) nanjary lo tanteraka ny sivilizasiona.” Tao anatin’ny fe-potoana iray naharitra 30 taona vao haingana, ny mponin’i Etazonia dia nitombo 41 isan-jato, fa ny heloka bevava nahery vaika kosa nisondrotra 560 isan-jato, ny zaza sary 400 isan-jato, ny fisaraham-panambadiana 300 isan-jato, ny famonoan-tena eo amin’ny zatovo, maherin’ny 200 isan-jato. Mitovy amin’izany ny tarehin-javatra any amin’ny firenena hafa.

Nahoana no mihamafy hatrany ireo zava-manahirana?

Manome ny valiny ny Mpamorona antsika. Miantso an’izao andro feno zava-manahirana izao hoe “andro farany”, dia fe-potoana “hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina”, ny Teniny. (2 Timoty 3:1, NW). Ny andro faran’ny inona? Miresaka ny amin’ny “fahataperan’izao tontolo izao” ny Baiboly. — Matio 24:3.

Ireo zava-manahirana mihamitombo amin’izao andro izao dia porofo mazava fa akaiky ny faran’izao fandehan-javatra izao, anisan’izany ny faran’ny faharatsiana sy ny an’ireo izay tompon’andraikitra ny aminy. (Matio 24:3-14; 2 Timoty 3:1-5; Apokalypsy 12:7-12). Tsy ho ela Andriamanitra dia hisalovana ka hanao izay handaminana tanteraka ny zava-manahirana rehetra amin’izao andro izao. — Jeremia 25:31-33; Apokalypsy 19:11-21.

TSY NAHOMBY IREO FIVAVAHAN’ITỲ TONTOLO ITỲ

Tsy nanampy mba handaminana ireo zava-manahirana amin’izao andro izao ireo fivavahan’itỳ tontolo itỳ, fa nanampy trotraka azy ireo kosa aza. Nandritra ireo ady, dia namono Katolika ireo Katolika, namono Protestanta ireo Protestanta — ary an-tapitrisany maro taminy. Vao haingana tatsy Rwanda, izay Katolika ny ankamaroan’ny mponina ao, dia nifamono ny olona ary ana hetsiny maro taminy! (Jereo ny sary eto amin’ny ankavia.)

Moa ve i Jesosy handeha ho any an’ady, hitondra basy na langilangy ka hamono ny mpianany satria hoe hafa noho ny azy ny firazanan’izy ireo? Azo antoka fa tsia! “Izay tia an’Andriamanitra”, hoy ny Baiboly, “dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa.” (1 Jaona 4:20, 21). Ireo fivavahan’itỳ tontolo itỳ dia tsy nanao izany. “Manaiky fa mahalala an’Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin’ny asany”. — Titosy 1:16.

Ankoatra izany, noho izy ireo tsy tena manohana ireo fari-pitsipika ara-pitondran-tena ao amin’ny Baiboly, ireo fivavahan’izao tontolo izao dia anisan’ny tompon’andraikitra amin’ny fikororosiana manafintohin’ny fitondran-tena maneran-tany.

Nilaza i Jesosy fa ho azo atao ny hanavaka ny fivavahan-diso amin’ny fivavahana marina amin’ny alalan’ny “voany” — amin’ny alalan’izay ataon’ireo mpikambana ao aminy. Hoy koa izy: “Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.” (Matio 7:15-20). Ny Tenin’Andriamanitra dia mampirisika antsika mafy mba handositra hiala ny fivavahana izay mamoa voa ratsy ka miandry fandringanana. — Apokalypsy 18:4.

Nahomby ny fivavahana marina

Ny fivavahana marina kosa dia “mamoa voa tsara”, indrindra fa ny fitiavana. (Matio 7:17; Jaona 13:34, 35). Fianakavian’ny mpirahalahy kristiana iraisam-pirenena sy tafaray iza no mampihatra izany fitiavana izany? Iza no mandà tsy hamono ireo mpiray finoana aminy, na olon-kafa na iza na iza? — 1 Jaona 3:10-12.

Ny Vavolombelon’i Jehovah dia malaza ho mamoa izany ‘voa tsara’ izany. Manerana ny giloby, any amin’ny tany maherin’ny 230, izy ireo dia ‘efa nanefy ny sabany ho fangady’. (Isaia 2:4). Ny fitiavany ny olona koa dia asehon’ny fankatoavany ny didin’i Kristy mba hitory ny “vaovao tsara” momba ny Fanjakan’Andriamanitra maneran-tany. (Matio 24:14, NW ). Mampihatra sy mampirisika hanaraka ireo fari-pitondran-tena ambony ampianarina ao amin’ny Baiboly koa izy ireo. — 1 Korintiana 6:9-11.

Nahomby ny fivavahana marina, satria mitarika ny olona ho any amin’Ilay hany afaka mandamina ireo zava-manahirana ny olombelona. Tsy ho ela Izy Io dia hitondra tontolo iray vaovao tanteraka. Iza moa Izy Io? (Jereo, aza fady, ny pejy ao ambadika.)

AZO ANTOKA NY PARADISA IRAY TSY HISIAN’NY ZAVA-MANAHIRANA

Raha afaka ny handamina ny zava-manahirana rehetra mampahory ny olombelona ianao, moa ve ianao tsy hanao izany? Mazava ho azy fa hanao izany ianao! Tokony hihevitra àry ve isika fa ilay Mpamorona antsika be fitiavana, ilay hany manana ny hery sy ny fahendrena handaminana ny zava-manahirana ny olombelona, dia tsy hanao izany?

Ahariharin’ny Baiboly fa Andriamanitra dia hisalovana eo amin’ny raharahan’ny olombelona amin’ny alalan’ny fitondram-panjakany any an-danitra izay eo an-tanan’i Jesosy Kristy. Izy io dia ‘hanorotoro’ ireo fitondram-panjakana simba tanteraka eto an-tany. (Daniela 2:44; Matio 6:9, 10). Ary nahoana? Miteny amin’Andriamanitra ilay mpanao salamo ka mamaly izany toy izao: “[Mba, NW ] ho fantany fa Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.” — Salamo 83:18.

Rehefa hifarana itỳ tontolo itỳ, moa ve hisy ho tafita velona? “Mandalo izao fiainana izao sy ny filany”, hoy ny Baiboly, “fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” (1 Jaona 2:17). Aiza no hiainan’ireo ho tafita velona ireo mandrakizay? “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay”, hoy ny avalin’ny Baiboly. — Salamo 37:9-11, 29; Ohabolana 2:21, 22.

Ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra, dia “tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintanana”. (Apokalypsy 21:4). Tsy hisy heloka bevava intsony, na fahantrana, na hanoanana, na aretina, na alahelo, na fahafatesana! Eny, na dia ireo maty aza dia ho velona indray! ‘Hisy fitsanganana amin’ny maty.’ (Asan’ny Apostoly 24:15, NW ). Ary ny tany mihitsy dia hovana ho paradisa ara-bakiteny. — Isaia 35:1, 2; Lioka 23:43, NW.

Inona no tsy maintsy ataontsika mba hiainana ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra? Hoy i Jesosy: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny [fandraisana fahalalana momba anao, NW ], Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” (Jaona 17:3). Olona tso-po an-tapitrisany maro manerana ny tany manontolo no mandray izany fahalalana izany. Izy io dia mahatonga azy ireo hahazaka ny maro amin’ireo zava-manahirana azy manokana ankehitriny. Ary ny zava-dehibe kokoa dia noho izy io manome azy ireo fatokiana feno fa ireo zava-manahirana mihoatra ny fahaizany mandamina dia hamboarina tanteraka ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]

WHO photo by P. Almasy

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

Jerden Bouman/Sipa Press