Hijery ny anatiny

Ny Taonarivo Vaovao — Inona no Ampanantenain’ny Hoavy ho Anao?

Ny Taonarivo Vaovao — Inona no Ampanantenain’ny Hoavy ho Anao?

Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 36

Ny Taonarivo Vaovao — Inona no Ampanantenain’ny Hoavy ho Anao?

Ny Taonarivo Vaovao — Fiandohan’ny Vanim-potoana Vaovao Ve?

NIFARANA tamin’ny misasakalin’ny 31 Desambra 1999, ny taonjato faha-20. * Izy io dia taonjato nahitana fisafotofotoana izaitsizy. Izy io koa anefa dia nahitana ny fiandohan’ny teknolojia vaovao, ny fandrosoana ara-pitsaboana nanaitra, ny fampahalalam-baovao tondraka, ary ny fitomboana haingana teo amin’ny toe-karena maneran-tany. Noho izany, ny taonarivo vaovao dia noraisin’ny maro ho mariky ny fanantenana sy ny fiovana. Mety hahitana ny faran’ny ady, ny fahantrana, ny fandotoana ny tontolo iainana, ary ny aretina ve ny taonarivo?

Maro no manantena izany. Azo inoana ve anefa fa hitondra fiovana izay hahasoa anao ilay taonarivo vaovao — fiovana izay hahatonga ny fiainanao sy ny an’ny fianakavianao ho voaro sy hisian’ny filaminan-tsaina? Diniho ny hagoavan’ny sasany monja amin’ireo zava-manahirana izay atrehintsika.

Fandotoana

Ireo tany mandroso dia “manimba ny tontolo iainana, amin’ny ambaratonga maneran-tany sy mampiely fandotoana ary mampikorontana ny ekôsistema”. Raha mitohy io fironan-javatra ankehitriny io, “dia ho eo ambany fandrahonana hatrany ny tontolo iainana voajanahary”. — “Global Environment Outlook—2000”, Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana Momba ny Tontolo Iainana.

Aretina

“Amin’ny taona 2020, ny aretina tsy mifindra dia hantenaina hahatonga fahafatesan’olona fito isaky ny folo, any amin’ireo faritra mandroso, nefa latsaka ny antsasak’izany no maty amin’izao andro izao.” — “The Global Burden of Disease”, Fampahalalam-baovaon’ny Oniversiten’i Harvard, 1996.

Milaza ny manam-pahaizana sasany fa “amin’ny taona 2010, dia hihena 66 tapitrisa ny isan’ny olona [ho velona] any amin’ny tany 23, izay ahitana ny valanaretina [SIDA] mahery indrindra”. — “Confronting AIDS: Evidence From the Developing World”, tatitra nataon’ny Vaomiera Eoropeanina sy ny Banky Iraisam-pirenena.

Fahantrana

“Olona efa ho 1,3 arivo tapitrisa no tsy manana iray dolara isan’andro akory ivelomana, ary manakaiky ny arivo tapitrisa no tsy afaka mahita ny sakafo hohaniny.” — “Human Development Report 1999”, Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana.

Ady

“Nahatratra ambaratonga mbola tsy nisy toy izany ny herisetra tany amin’ny [tany maro samihafa]. Vokatry ny [fisaratsarahana] ara-pirazanana sy ara-poko ary ara-pivavahana (...) izany herisetra izany dia hahaforona (...) ilay karazana fifandonana ho fahita indrindra ao anatin’ny ampahefatry ny taonjato manaraka (...), izay hamono olona ana hetsiny maro isan-taona.” — “New World Coming: American Security in the 21st Century”, Vaomiera Amerikanina Momba ny Fiarovam-pirenena/Taonjato Faha-21.

Ilay tabataba be sy fientanam-po noho ny taonarivo vaovao àry dia manafina fotsiny ny zava-misy mifandray amin’ny fandotoana sy ny aretina ary ny ady, izay mandrahona be mbola tsy nisy toy izany. Ny fototr’ireo zava-manahirana ireo dia ny fitsiriritana tafahoatra sy ny tsy fitokisana ary ny fitiavan-tena — toetra izay tsy ho hain’ny fikarohana ara-tsiansa sy ny teknolojia na ny politika fotsiny foanana.

Ilay Taonarivo Izay Hitondra Fitahiana ho an’ny Olombelona

Nanamarika toy izao ny mpanoratra fahiny iray, indray mandeha: “Tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” (Jeremia 10:23). Tsy vitan’ny hoe tsy manana ny fahaizana hanapaka ny tany fotsiny ny olombelona, fa tsy manana ny zo hanao izany koa izy. Ny Mpamorona antsika, dia i Jehovah Andriamanitra, irery ihany no manana ny zo sy ny fahaizana handamina ny zava-manahirana ny olombelona. — Romana 11:33-36; Apokalypsy 4:11.

Rahoviana anefa? Ary amin’ny fomba ahoana? Maro be ny porofo fa efa eo akaikin’ny fiafaran’ny “andro farany” isika. Raha sitrakao, dia sokafy ny Baibolinao, ary vakio ny 2 Timoty 3:1-5 (New World Translation). Milazalaza amin’ny fomba mazava ireo lafin-toetra hasehon’ny olona mandritra izao “fotoan-tsarotra” izao, izy io. Ny Matio 24:3-14 sy ny Lioka 21:10, 11 koa dia milazalaza “ny andro farany”. Ny ifantohana ao dia ireo fisehoan-javatra nitranga nanomboka tamin’ny 1914, toy ny ady maneran-tany sy ny areti-mandringana ary ny mosary miely patrana.

Tsy ho ela, dia hifarana “ny andro farany”. Milaza toy izao ny Daniela 2:44: “Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; (...) fa ireo fanjakana [eto an-tany] rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” Araka izany, dia nambara mialoha fa hanorina Fanjakana, na fitondram-panjakana, iray, izay hanapaka ny tany, Andriamanitra. Araka ny Apokalypsy 20:4, io fitondram-panjakana io dia hanapaka mandritra ny arivo taona — fanjakana arivo taona iray! Diniho ny sasantsasany monja amin’ireo fomba hanatsarana ny toe-piainan’ny olombelona rehetra, mandritra io Fanjakana Arivo Taona be voninahitra io:

Toe-karena.“Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; ary hanao tanimboaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy. Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’olon-kafa”. — Isaia 65:21, 22.

Fahasalamana. “Hampahiratina ny mason’ny jamba, ary hampahaladina ny sofin’ny marenina. Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan’ny moana”. “Tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho”. — Isaia 33:24; 35:5, 6.

Tontolo iainana. Andriamanitra dia ‘hanimba izay manimba ny tany’ . — Apokalypsy 11:18.

Fihavanana eo amin’ny olona. “Ary tsy handratra na hanimba eran’ny tendrombohitro masina izy; fa ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah”. — Isaia 11:9.

Olona an-tapitrisany maro no mino an’ireo fampanantenan’ny Baiboly ireo, ka mibanjina ny hoavy amin’ny fijerena ny lafy tsaran-javatra. Ho vokany, dia afaka miatrika tsara kokoa ireo fanerena sy zava-manahirana eo amin’ny fiainana izy ireo. Ahoana no ahafahan’ny Baiboly mitarika ny fiainanao?

Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana!

Mahazendana ny zava-bitan’ny siansa sy ny teknolojia indraindray! Na dia izany aza, dia tsy nahatonga ny fiainan’ny ankamaroan’ny olona ho azo antoka sy sambatra ny fahalalan’olombelona. Ny hany fahalalana afaka manatanteraka izany dia voalazan’ny Baiboly ao amin’ny Jaona 17:3 (NW ), izay manao hoe: “Izao no midika ho fiainana mandrakizay: Ny fandraisany fahalalana anao, ilay hany Andriamanitra marina, sy an’ilay nirahinao, i Jesosy Kristy.”

Hita ao amin’ireo pejin’ny Baiboly izany fahalalana izany. Na dia maro aza no manana ny fomba fiheviny manokana momba an’io boky masina io, dia vitsy no efa nandinika azy io. Ahoana ny aminao? Marina aloha fa mitaky ezaka be ny famakiana ny Baiboly. Mendrika ny hanaovana izany anefa izy io. Ny Baiboly no hany boky izay “ara-tsindrimandrin’Andriamanitra sady mahasoa ho fampianarana, ho fananarana, ho fandaminan-javatra, ho fifehezana amin’ny rariny”. — 2 Timoty 3:16, NW.

Ahoana àry no ahafahanao manomboka mianatra ny Baibolinao? Nahoana raha manaiky ny fanampian’ny Vavolombelon’i Jehovah? Mampianatra maimaim-poana olona an-tapitrisany maro, any an-tokantranony, izy ireo. Mba hanampiana anao amin’io lafiny io, dia mampiasa zavatra vita an-tsoratra isan-karazany miorina amin’ny Baiboly, toy ny bokikely Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?, izy ireo. Izy io dia mamaly amin’ny fomba voafintina ny maro amin’ireo fanontanianao momba ny Baiboly, toy ny hoe: Iza moa Andriamanitra? Inona no fikasan’Andriamanitra ho an’ny tany? Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra? Ahoana no ahafahan’ny Baiboly manatsara ny fiainam-pianakavianao?

Raha tianao ny hitsidihan’ny Vavolombelon’i Jehovah anao, any an-tokantranonao, dia fenoy kely, aza fady, ilay tapakila eto ambany. Ho faly izy ireo hanome anao fanazavana misimisy kokoa momba ny Fanapahana Arivo Taonan’ny Fanjakan’Andriamanitra be voninahitra!

□ Ho tiako ny hahazo ny bokikely Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? Fiteny

□ Mba andefaso olona aho, aza fady, hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tokantranoko.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Ny resahintsika eto dia ny fomba fijery be mpitia any amin’ny tany tandrefana, momba ilay taonarivo vaovao. Raha ny tena izy, dia hanomboka amin’ny 1 Janoary 2001 ilay taonarivo vaovao.