Hijery ny anatiny

Ry Tanora—Inona no Tanjonareo eo Amin’ny Fiainana?

Ry Tanora—Inona no Tanjonareo eo Amin’ny Fiainana?

Ry Tanora—Inona no Tanjonareo eo Amin’ny Fiainana?

“TIAKO ho faran’izay tsara ny fiainako”, hoy ny tovovavy iray. Azo antoka fa mitovy hevitra aminy ianao. Ahoana anefa no hahatongavana amin’izany? Mety hilaza ny namanao na ny mpampianatra anao, fa tafita ianao raha be vola sy manana asa ambony. Izany koa angamba no lazain’ny haino aman-jery.

Mampitandrina ny tanora anefa ny Baiboly, fa “toy ny misambo-drivotra fotsiny” ny olona mikatsaka harena sy laza. (Mpitoriteny 4:4) Nahoana? Satria vitsy ny tanora lasa mpanankarena sy malaza, ary matetika aza izy ireo no diso fanantenana. Hoy ny tanora britanika iray nikatsaka asa ambony: “Toy ny boaty poakaty ilay izy. Tsy misy na inona na inona akory ao anatiny rehefa jerenao!” Marina fa mety hahatonga anao hanan-karena sy halaza ny asa, nefa tsy hanampy anao hifandray amin’Andriamanitra. (Matio 5:3) Mampitandrina antsika koa ny 1 Jaona 2:17 hoe: “Mandalo izao tontolo izao.” Na dia tafita eto amin’ity tontolo ity aza ianao, dia tsy haharitra izany.

Hoy àry ny Mpitoriteny 12:1: ‘Tsarovy ilay Mpamorona Be Voninahitra nanao anao, amin’ny andro fahatanoranao.’ Ny fanompoana an’i Jehovah Andriamanitra tokoa no fomba tsara indrindra azo ampiasana ny fiainana. Misy fepetra tsy maintsy fenoina anefa aloha. Ahoana no hamenoana izany? Inona avy no azo atao eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra?

Fepetra fenoina mba ho Vavolombelon’i Jehovah

Tsy maintsy miezaka aloha ianao mba hanana faniriana hanompo an’Andriamanitra. Tsy tongatonga ho azy izany, na dia Kristianina aza ny ray aman-dreninao. Ianao mihitsy no mila mifandray amin’i Jehovah. Hoy ny tovovavy iray: “Manampy anao hifandray amin’i Jehovah ny vavaka.”—Salamo 62:8; Jakoba 4:8.

Manasongadina fepetra hafa ny Romanina 12:2, izay milaza hoe: ‘Diniho tsara ka fantaro ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sady ankasitrahana no tonga lafatra.’ Efa nampisalasala anao ve ny zavatra sasany nampianarina anao? Araho àry ilay fampirisihan’ny Baiboly hoe ‘diniho tsara ka fantaro’ raha marina ireny. Manaova fikarohana. Mamakia Baiboly sy boky ara-baiboly. Tsy tokony ho ny saina fotsiny no ampiasaina rehefa mianatra momba an’Andriamanitra. Ilainao koa ny manokana fotoana hisaintsainana izay vakinao, mba hilentehan’izany ao am-ponao. Hitombo ny fitiavanao an’Andriamanitra amin’izay.—Salamo 1:2, 3.

Resaho amin’ny mpiara-mianatra sy ny olon-kafa, avy eo, izay nianaranao. Ny fitoriana isan-trano no dingana manaraka. Mety hihaona amin’ny mpiara-mianatra aminao ianao rehefa mitory, ary ho menatra azy ireo amin’ny voalohany. Mampirisika antsika tsy ho “menatra noho ny vaovao tsara” anefa ny Baiboly. (Romanina 1:16) Tsy tokony ho menatra ianao, satria hafatra manome fiainana sy fanantenana no entinao.

Mety ho efa miara-mitory amin’ny ray aman-dreninao ianao, raha Kristianina izy ireo. Mijoro fotsiny eo am-baravarana ve anefa ianao, na mametraka gazety sy taratasy mivalona fotsiny? Sa ianao sahy mitory ka mampiasa Baiboly? Raha tsy izany, dia mangataha fanampiana amin’ny ray aman-dreninao na amin’ny Kristianina matotra eo anivon’ny fiangonana. Ataovy tanjona ny ho tonga mpitory tsy vita batisa.

Rehefa mandeha ny fotoana, dia haniry hanolo-tena ho an’Andriamanitra ianao, izany hoe hivoady ny hanompo azy. (Romanina 12:1) Tsy raharaha manokana eo aminao sy Andriamanitra fotsiny izany. Takiny ny hanaovan’ny olona rehetra “fanambarana ampahibemaso mba hahazoana famonjena.” (Romanina 10:10) Amin’ny fotoan’ny batisanao, no voalohany anaovanao fanambarana ampahibemaso ny finoanao. Atao batisa ao anaty rano ianao avy eo. (Matio 28:19, 20) Marina fa dingana lehibe ny batisa. Aza avela hisakana anao anefa ny tahotra hoe sao tsy hahefa ny voadinao ianao. Homen’Andriamanitra “hery fanampiny” mba tsy hivadihana mantsy ianao, raha miantehitra aminy.—2 Korintianina 4:7; 1 Petera 5:10.

Lasa Vavolombelon’i Jehovah ianao rehefa vita batisa. (Isaia 43:10) Tokony hisy vokany lalina eo amin’ny fomba hampiasanao ny fiainanao izany. ‘Mandà tena’ ny olona manolo-tena. (Matio 16:24) Mety hanova ny tanjonao ianao ary hamoy ny zavatra sasany tianao, mba hanaovana ny fanjakan’Andriamanitra ho loha laharana. (Matio 6:33) Misy fomba maro hikatsahana an’ilay Fanjakana, rehefa avy nanolo-tena sy vita batisa ny olona iray. Inona avy izany?

Fanompoana manontolo andro

Mpisava lalana: Mpitory vita batisa sy fakan-tahaka, manokana 70 ora isam-bolana, fara fahakeliny, mba hitoriana ny vaovao tsara ny mpisava lalana. Hihatsara ny fahaizanao mitory sy mampianatra, raha mandany fotoana betsaka hanompoana ianao. Mpisava lalana maro no faly nanampy an’ireo olona nampianariny Baiboly, ho tonga Vavolombelona vita batisa. Misy asa mahafaly sy mahafa-po kokoa noho izany ve?

Manao asa tapa-potoana ny ankamaroan’ny mpisava lalana, mba hivelomana. Maro no miomana ho amin’izany, ka miofana any amin’ny sekoly fianarana asa na amin’ny ray aman-dreniny. Mety ho hitanao sy ny ray aman-dreninao, fa mbola mila mianatra ianao aorian’ny fianaranao eny amin’ny lise. Tsy ny hahazoana vola be anefa no anaovanao izany, fa ny hahafahanao hamelon-tena sady hanao fanompoana. Angamba aza ianao ho afaka hanompo manontolo andro mihitsy.

Tsy ny asany anefa no tena ifantohan’ny mpisava lalana fa ny fanompoany, izany hoe ny fanampiana ny hafa hahazo ny fiainana. Nahoana raha atao tanjona ny ho mpisava lalana? Matetika izany no mitarika ho amin’ny tombontsoa hafa. Misy mpisava lalana, ohatra, mifindra any amin’ny toerana ilana mpitory ilay Fanjakana maro kokoa. Ny hafa kosa mianatra teny vahiny, ary manompo miaraka amin’ny fiangonana mampiasa an’ilay fiteny, na mifindra any amin’ny tany mampiasa izany. Mahafa-po tokoa ny asan’ny mpisava lalana!

Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana: Maharitra roa volana izy io, ary natao hampiofanana mpisava lalana maharitra za-draharaha, izay vonona hifindra any amin’ny toerana mila fanampiana. Mpivady na rahalahy mpitovo na anabavy mpitovo 23 taona ka hatramin’ny 65 taona no afaka manao an’io sekoly io. Manahaka an’i Jesosy Kristy, ilay mpitory ny vaovao tsara lehibe indrindra, izy ireo, ka toy ny milaza hoe: “Inty‵ aho iraho!” (Isaia 6:8; Jaona 7:29) Mety ho tsy maintsy hanatsotra ny fiainany ilay mpisava lalana, any amin’izay tany anendrena azy. Mety ho samy hafa be amin’izay nahazatra azy ny toetrandro sy ny sakafo ary ny fombafomba. Angamba izy mila mianatra ny fitenin’ny olona any mihitsy. Hanampy azy hanana ny toetra ilaina amin’izany a‵ry io sekoly io, sady hahatonga azy ho ampy fahaizana mba hahavitana zavatra betsaka kokoa ho an’i Jehovah sy ny fandaminany..

Fanompoana ao amin’ny Betela: Asa an-tsitrapo atao ao amin’ny tranon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io. Misy tendrena hikarakara sy hanamboatra boky ara-baiboly. Ny hafa kosa manampy azy ireo, ka mikojakoja ny trano sy ny fitaovana, na mikarakara izay ilain’ny fianakavian’ny Betela, na manao zavatra hafa. Fanompoana masina ho an’i Jehovah ny asa rehetra atao ao amin’ny Betela. Faly ireo anisan’ny fianakavian’ny Betela mahalala, fa mahasoa ny rahalahy maro maneran-tany izay rehetra ataony.

Asaina ho ao amin’ny Betela, indraindray, ny rahalahy manana fahaizana manokana. Ao anefa ny ankamaroany vao ampiofanina. Tsy miasa mba hanan-karena ireo ao amin’ny Betela. Mahafa-po azy ireo anefa ny sakafo sy fonenana ary vola fanampiana kely omena azy. Hoy ny rahalahy tanora iray manompo ao amin’ny Betela: “Mahafinaritra be ilay izy! Tsy mora ny zavatra atao eto, nefa maro ny fitahiana azoko.”

Mpanompo iraisam-pirenena: Mandray anjara amin’ny fanorenana tranon’ny sampana sy Efitrano Fanjakana izy ireo. Manampy amin’ny asa fanorenana any amin’ny firenena maro izy ireo. Fanompoana masina toy ny nataon’ireo nanorina ny tempolin’i Solomona no ataon’izy ireo. (1 Mpanjaka 8:13-18) Mitovy ihany ny fandaharana atao mba hikarakarana azy ireo sy ny fianakavian’ny Betela. Manana tombontsoa lehibe tokoa ireo rahalahy sy anabavy ireo, sady manome voninahitra an’i Jehovah.

Manompoa an’i Jehovah amin’ny fo manontolo

Ny fanompoana an’i Jehovah no fomba tsara indrindra azonao ampiasana ny fiainanao. Nahoana raha atao tanjona ny hanompo azy manontolo andro? Resaho amin’ny ray aman-dreninao izany, na amin’ny anti-panahinareo, na amin’ny mpiandraikitra ny faritra. Raha mahaliana anao ny asa ao amin’ny Betela, na ny Sekoly Ara-baiboly ho An’ny Rahalahy Mpitovo, na ny Sekoly Ara-baiboly ho An’ny Mpivady Kristianina, dia manatreha an’ireo fivoriana atao ho an’ireo maniry hanao izany, amin’ny fivoriamben’ny faritra sy ny fivoriamben’ny vondrom-paritra.

Marina fa tsy ny rehetra no afaka hanompo manontolo andro. Mety hahatonga izany ny aretina, ny olana ara-bola, ny adidy amin’ny fianakaviana. Tsy maintsy manaraka izao lazain’ny Baiboly izao anefa ny Kristianina nanolo-tena rehetra: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo.” (Matio 22:37) Takin’i Jehovah ny hanomezanao azy ny tsara indrindra, araka izay toe-javatra misy anao. Ataovy zava-dehibe eo amin’ny fiainana àry ny fanompoana an’i Jehovah. Manàna tanjona eo amin’ny fanompoana. “Tsarovy ilay Mpamorona Be Voninahitra nanao anao. Eny, tsarovy izy amin’ny andro fahatanoranao.” Hahazo fitahiana mandrakizay ianao raha manao izany!

Nalaina avy tao amin’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ny andinin-teny rehetra ato.