Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 124

Nisy Namadika i Kristy ary Nosamborina

Nisy Namadika i Kristy ary Nosamborina

MATIO 26:47-56 MARKA 14:43-52 LIOKA 22:47-53 JAONA 18:2-12

  • NAMADIKA AN’I JESOSY TAO AMIN’ILAY ZARIDAINA I JODASY

  • NANAPAKA NY SOFIN’NY LEHILAHY IRAY I PETERA

  • NOSAMBORINA I JESOSY

Efa lasa ela ny misasakalina tamin’izay. Efa nifanaraka ny mpisorona fa sekely volafotsy 30 no homena an’i Jodasy mba hamadihany an’i Jesosy. Nentin’i Jodasy nitady an’i Jesosy àry ny lehiben’ny mpisorona sy ny Fariseo ary ny andia-miaramila romanina sy ny mpitari-tafika iray.

Rehefa noroahin’i Jesosy avy tao amin’ilay sakafon’ny Paska i Jodasy, dia azo antoka fa nankany amin’ny lehiben’ny mpisorona. (Jaona 13:27) Namory mpiambina sy andia-miaramila izy ireo. Nentin’i Jodasy tany amin’ilay efitra nankalazan’i Jesosy sy ny apostoly ny Paska angamba aloha izy ireo. Niampita ny Lohasahan’i Kidrona izy ireo avy eo ary nankao amin’ny zaridainan’i Getsemane. Tapa-kevitra ny hitady an’i Jesosy izy ireo ka nitondra fiadiana sy jiro ary fanilo.

Nitarika an’ireo olona ireo niakatra ny Tendrombohitra Oliva i Jodasy. Nahazo antoka izy hoe taiza i Jesosy. Nijanona matetika tao amin’ilay zaridaina mantsy i Jesosy sy ny apostoly, rehefa nivezivezy teo Betania sy Jerosalema. Alina anefa tamin’io, ka nety ho takon’ny alok’ireo hazo oliva i Jesosy. Nety ho mbola tsy nahita azy koa ireo miaramila, ka ahoana no hamantaran’izy ireo azy? Nanome famantarana i Jodasy. Hoy izy: “Izay horohako no izy, ka sambory ary ento ka ambeno tsara.”—Marka 14:44.

Nahita an’i Jesosy sy ny apostoliny tao amin’ilay zaridaina i Jodasy sy ilay vahoaka. Tonga dia nankeo amin’i Jesosy i Jodasy ka niteny hoe: “Manahoana, Raby ô!”, sady nanoroka azy. Hoy i Jesosy: “Ry sakaiza, haninona eto ianao?” (Matio 26:49, 50) Izy ihany no namaly hoe: “Oroka ve no entinao hamadihana ny Zanak’olona, ry Jodasy?” (Lioka 22:48) Tapitra teo ny teniny tamin’ilay mpamadika.

Nankeo amin’ny hazavan’ireo jiro i Jesosy ka nanontany hoe: “Iza no tadiavinareo?” Nisy namaly hoe: “I Jesosy, avy any Nazareta.” Sahy nilaza i Jesosy hoe: “Izaho no izy.” (Jaona 18:4, 5) Taitra be ireo hisambotra azy ka lavo tamin’ny tany.

Tsy nanararaotra nandositra i Jesosy fa nanontany indray hoe iza no notadiavin’izy ireo. Namaly indray ireo hoe: “I Jesosy, avy any Nazareta.” Tony tsara i Jesosy niteny hoe: “Efa nolazaiko taminareo fa izaho no izy. Koa avelao handeha ireto raha izaho no tadiavinareo.” Efa mafy ny nanjo an’i Jesosy nefa mbola tsaroany ihany ilay teniny hoe tsy havelany hisy ho very ny mpanara-dia azy. (Jaona 6:39; 17:12) Niaro an’ireo apostoliny tsy mivadika tokoa izy ka tsy nisy very izy ireo afa-tsy i Jodasy, “ilay zanaky ny fandringanana.” (Jaona 18:7-9) Nangataka àry izy mba havela handeha izy ireo.

Rehefa nanatona an’i Jesosy ireo miaramila vao tena azon’ireo apostoly izay nitranga. Hoy izy ireo: “Hamely amin’ny sabatra ve izahay, Tompo ô?” (Lioka 22:49) Mbola tsy namaly akory i Jesosy dia efa nalain’i Petera ny iray tamin’ireo sabatra roa nentin’ny apostoly. Namely an’i Malko mpanompon’ny mpisoronabe izy avy eo ka nanapaka ny sofiny havanana.

Nokasihin’i Jesosy anefa ny sofin’i Malko ka sitrana. Nampita lesona lehibe i Jesosy avy eo, rehefa nandidy an’i Petera hoe: “Avereno amin’ny tranony ny sabatrao, fa ho fatin’ny sabatra izay rehetra mampiasa sabatra.” Vonona ny hosamborina i Jesosy satria hoy izy: “Ahoana no hahatanterahan’ny Soratra Masina, izay milaza fa tsy maintsy ho toy izao no hahatanterahan’izany?” (Matio 26:52, 54) Hoy koa izy: “Ny kaopy nomen’ny Raiko ahy ve tsy tokony hisotroako?” (Jaona 18:11) Nanaiky ny sitrapon’Andriamanitra i Jesosy, ary nekeny hatramin’ny ho faty.

Hoy i Jesosy avy eo tamin’ilay vahoaka: “Mivoaka mitondra sabatra sy kibay toy ny hisambotra mpangalatra ve ianareo? Nipetraka nampianatra tao amin’ny tempoly isan’andro aho, nefa tsy nosamborinareo. Mitranga anefa izao zavatra rehetra izao mba hahatanterahan’izay voasoratry ny mpaminany.”—Matio 26:55, 56.

Nisambotra an’i Jesosy ilay andia-miaramila sy ilay mpitari-tafika ary ny mpiambina teo amin’ny Jiosy ary namatotra azy. Nandositra ny apostoly rehefa nahita izany. Nisy “tovolahy iray” anefa nijanona teo mba hanaraka an’i Jesosy. I Marka mpianatr’i Jesosy angamba io. (Marka 14:51) Fantatry ny olona izy ary saika hosamborin’izy ireo ka voatery nandositra, ary tavela teo ny akanjony.