Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 103

Nanadio ny Tempoly Indray Izy

Nanadio ny Tempoly Indray Izy

MATIO 21:12, 13, 18, 19 MARKA 11:12-18 LIOKA 19:45-48 JAONA 12:20-27

  • NOZONIN’I JESOSY ILAY AVIAVY ARY NODIOVINY NY TEMPOLY

  • TSY MAINTSY MATY I JESOSY MBA HANANA FIAINANA NY OLONA MARO

Efa nijanona telo alina tao Betania i Jesosy sy ny mpianany, hatramin’ny nahatongavany avy tany Jeriko. Vao maraim-be izy ireo dia nankany Jerosalema, ny alatsinainy 10 Nisana. Noana i Jesosy. Nahita aviavy naniry izy ary nankeny. Nisy voany ve ilay izy?

Faramparan’ny Martsa tamin’izay, nefa volana Jona vao fotoanan’ny aviavy. Nitsimoka aloha kokoa anefa ilay hazo ka efa nisy raviny. Nihevitra àry i Jesosy fa efa mamoa koa ilay izy. Tsy nahita voany anefa izy. Namitaka fotsiny ireo ravina. Hoy àry i Jesosy: “Aoka tsy hisy hihinana voa avy aminao intsony mandrakizay.” (Marka 11:14) Nanomboka nalazo avy hatrany ilay hazo. Ny ampitso maraina vao fantatra ny dikan’izany.

Tsy ela dia tonga tao Jerosalema i Jesosy sy ny mpianany. Nankao amin’ny tempoly izy. Efa nijerijery tao izy ny omalin’io. Tsy nijerijery fotsiny izy tamin’ity indray mandeha ity fa nanao zavatra, toy ny nataony tamin’ny Paska taona 30, izany hoe telo taona talohan’izay. (Jaona 2:14-16) “Nandroaka an’izay nivarotra sy nividy tao” izy ary “nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan’ny mpivarotra voromailala.” (Marka 11:15) Tsy nisy navelany hitondra entana hanivaka teo an-tokotanin’ny tempoly koa aza.

Nahoana i Jesosy no hentitra be tamin’ireo mpanakalo vola sy mpivarotra biby tao amin’ny tempoly? Hoy izy: “Moa ve tsy voasoratra hoe: ‘Ny tranoko hantsoina hoe trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra’? Fa ianareo kosa nanao azy ho lava-bato fieren-jiolahy.” (Marka 11:17) Nantsoiny hoe jiolahy ireo olona ireo satria nataon’izy ireo lafo loatra ny vidin’ny biby nilaina tamin’ny sorona. Nihevitra azy ireo ho mpanao an-keriny na mpandroba i Jesosy.

Nandre izay nataon’i Jesosy ny lehiben’ny mpisorona sy mpanora-dalàna ary ireo lohandohany tamin’ny vahoaka. Nitady hevitra indray àry izy ireo mba hamonoana azy. Nisy olana anefa. Tsy nahita fomba hamonoana an’i Jesosy izy ireo satria nitangorona mba hihaino azy ny olona.

Tsy ny Jiosy ihany no tonga hankalaza ny Paska fa ireo olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy koa. Nisy Grika tonga mba hivavaka nandritra an’ilay fety. Nanatona an’i Filipo izy ireo, angamba satria anarana grika ilay hoe Filipo. Nangataka ny hihaona tamin’i Jesosy izy ireo. Tsy nahazo antoka i Filipo hoe nety izany ka nanontany an’i Andrea izy. Toa mbola tao amin’ny tempoly i Jesosy ka niresaka taminy izy roa lahy.

Fantatr’i Jesosy fa andro vitsivitsy sisa dia ho faty izy. Hitany àry fa tsy fotoana fampifaliana an’ireo te hahalala zavatra tamin’izay na fotoana fitadiavana laza. Nilaza an’ity fanoharana ity izy mba hamaliana an’ireo apostoly roa: “Tonga ny fotoana hanomezam-boninahitra ny Zanak’olona. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa raha tsy latsaka amin’ny tany ny voa ka maty, dia mitoetra ho voa iray monja izy. Fa raha maty kosa izy, dia mamokatra betsaka.”—Jaona 12:23, 24.

Mety ho toa tsy misy dikany ny voa iray. Toy ny hoe “maty” izy io rehefa atao ao anaty tany satria tsy azo lazaina hoe voa intsony. Afaka maniry anefa izy io ary mitombo, ka lasa misy voany maro be. Toy izany koa i Jesosy. Lavorary izy ary tsy nivadika tamin’Andriamanitra mandra-pahafatiny. Afaka manome fiainana mandrakizay ho an’ny olona maro mahafoy tena toa azy àry izy. Hoy izy: “Izay tia ny ainy no hamoy azy, fa izay mankahala ny ainy eo amin’izao fiainana izao kosa, no hiaro azy ho amin’ny fiainana mandrakizay.”—Jaona 12:25.

Tsy ny tenany ihany no noeritreretin’i Jesosy teo, satria hoy izy: “Raha misy manompo ahy, dia aoka izy hanaraka ahy, ary izay misy ahy no hisy ny mpanompoko koa. Izay manompo ahy dia homen’ny Ray voninahitra.” (Jaona 12:26) Valisoa lehibe tokoa izany! Hiara-manjaka amin’i Kristy ireo homen’ny Rainy voninahitra.

Hoy i Jesosy rehefa nieritreritra fa hijaly mafy sy hanaintaina be izy rehefa ho faty: “Mitebiteby mafy aho izany! Koa inona àry no holazaiko? Ray ô, vonjeo ho afaka amin’ity ora ity aho.” Tsy midika anefa izany hoe tsy te hanao ny sitrapon’Andriamanitra izy, satria hoy izy: “Nefa dia ho amin’ity ora ity no nahatongavako.” (Jaona 12:27) Nekeny daholo izay nokasain’Andriamanitra, anisan’izany ny fahafatesany ho sorona.