Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 28

“Any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany”

“Any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany”

Manohy ilay asa natombok’ireo mpanara-dia an’i Jesosy Kristy tamin’ny taonjato voalohany ny Vavolombelon’i Jehovah

1. Inona no itovizan’ny Kristianina voalohany sy ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny?

 NAZOTO nitory izy ireo. Nanampy sy nitarika azy ireo ny fanahy masina, ary nanaiky izany tamin’ny fony manontolo izy ireo. Tsy nahasakana azy ireo tsy hitory ny fanenjehana. Tena nitahy azy ireo Andriamanitra. Azo ilazana tsara an’ireo Kristianina voalohany sy ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny ireo teny ireo.

2, 3. Inona no tsara homarihina momba ny bokin’ny Asan’ny Apostoly?

2 Azo antoka fa mampahery anao ireo tantara mahafinaritra sy manatanjaka finoana, ao amin’ny Asan’ny Apostoly. Maro ny boky miresaka ny tantaran’ny Fivavahana Kristianina tany am-boalohany, nefa tsy manan-tsahala ny Asan’ny Apostoly satria izy io irery no avy tamin’ny fanahy masina.

3 Olona 95, avy amin’ny tany 32 sy tanàna 54 ary nosy 9, no voaresaka ao amin’ny Asan’ny Apostoly. Tantaraina ao daholo na olon-tsotra, na mpivavaka nihevi-tena ho ambony, na mpanao politika nieboebo, na ireo mpanenjika romotry ny hatezerana. Ny tena tantaraina ao anefa, dia ireo rahalahinao sy anabavinao tamin’ny taonjato voalohany. Nazoto nitory ny vaovao tsara izy ireo, na teo aza ny olana teo amin’ny fiainana andavanandro.

4. Nahoana no akaikin’ny fontsika ny olona toa an-dry Paoly sy Dorkasy ary ny vavolombelona tsy nivadika fahiny?

4 Efa ho 2 000 taona izao no nitrangan’ny tantaran-dry Petera sy Paoly, izay apostoly be zotom-po, Lioka dokotera malala, Barnabasy nalala-tanana, Stefana be herim-po, Dorkasy tia niantra olona, Lydia tia nandray vahiny, ary ny maro hafa, izay vavolombelona tsy nivadika. Akaikin’ny fontsika anefa izy ireo, satria samy nirahina hanao mpianatra na izy ireo na isika. (Mat. 28:19, 20) Voninahitra ho antsika tokoa ny mandray anjara amin’io asa io!

“... any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany.”​—Asan’ny Apostoly 1:8

5. Taiza avy ny Kristianina voalohany no nisantatra ny fitoriana?

5 Eritrereto ilay asa nanirahan’i Jesosy ny mpanara-dia azy. Hoy izy: ‘Hahazo hery ianareo rehefa tonga aminareo ny fanahy masina, ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ianareo.’ (Asa. 1:8) Voalohany, nomen’ny fanahy masina hery ny mpianatra mba ho vavolombelona tany “Jerosalema.” (Asa. 1:1–8:3) Notarihin’ny fanahy hitory “eran’i Jodia sy Samaria” izy ireo, avy eo. (Asa. 8:4–13:3) Farany, dia nanomboka nitory ny vaovao tsara ‘tany amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany’ izy ireo.—Asa. 13:4–28:31.

6, 7. Rehefa mitory isika, inona no tombony ananantsika raha oharina amin’ireo mpiray finoana amintsika tamin’ny taonjato voalohany?

6 Tsy nanana ny Baiboly manontolo ireo mpiray finoana aminao tamin’ny taonjato voalohany, rehefa nitory. Tamin’ny taona 41, raha aloha indrindra, vao nisy ny Filazantsaran’i Matio. Tamin’ny taona 61 tany ho any no vita ny Asan’ny Apostoly, ary efa talohan’izay i Paoly no nanoratra ny taratasiny sasany. Tsy nanana ny Soratra Masina manontolo ny Kristianina tsirairay tamin’izany, sady tsy nanana boky homena an’ireo olona liana. Nihaino ny famakiana ny Soratra Hebreo tany amin’ny synagoga ny Kristianina jiosy, talohan’ny nahatongavany ho mpianatr’i Jesosy. (2 Kor. 3:14-16) Na izany aza, dia tsy maintsy nazoto nianatra ny Tenin’Andriamanitra izy ireo, satria voatery natao tsianjery angamba ny andinin-teny nampiasainy.

7 Manana Baiboly kosa ny ankamaroantsika ankehitriny, ary manana boky ara-baiboly be dia be. Manao mpianatra isika rehefa mitory ny vaovao tsara amin’ny fiteny maro, any amin’ny tany 230 mahery.

Nanome hery azy ireo ny fanahy masina

8, 9. a) Afaka nanao inona ny mpianatr’i Jesosy, noho ny fanahy masina? b) Inona no vokarin’ny mpanompo mendri-pitokisana, noho ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra?

8 Hoy i Jesosy rehefa naniraka ny mpianany ho vavolombelona: ‘Hahazo hery ianareo rehefa tonga aminareo ny fanahy masina.’ Mitarika ny mpanara-dia an’i Jesosy ny fanahin’Andriamanitra, izany hoe ny hery ampiasainy, ka ho vavolombelona manerana ny tany izy ireo amin’ny farany. Izy io no nahafahan’i Petera sy Paoly nanasitrana, sy namoaka demonia, ary nanangana ny maty mihitsy aza. Antony lehibe kokoa noho izany anefa no tena nanomezana ny fanahy masina. Nanome hery an’ireo apostoly sy mpianatra hafa izy io, mba hahafahan’izy ireo hampita fahalalana marina, izay hahazoana fiainana mandrakizay.—Jaona 17:3.

9 “Niteny tamin’ny fiteny maro samihafa, araka izay nampitenenan’ny fanahy azy” ny mpianatr’i Jesosy, tamin’ny Pentekosta taona 33, ka nitory momba “ny asa lehibe nataon’Andriamanitra.” (Asa. 2:1-4, 11) Tsy misy fahagagana mahatonga antsika hahay hiteny vahiny ankehitriny. Ampian’ny fanahin’Andriamanitra anefa ny mpanompo mendri-pitokisana, ka mamokatra boky ara-baiboly amin’ny fiteny maro. Mivoaka isam-bolana, ohatra, Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!, ary an-tapitrisany no atao pirinty. Olona avy amin’ny firenena sy foko ary fiteny rehetra àry no azontsika itoriana “ny asa lehibe nataon’Andriamanitra.”—Apok. 7:9.

10. Inona no efa natao mahakasika ny fandikana Baiboly, nanomboka tamin’ny 1989?

10 Nanomboka tamin’ny 1989, dia nantitranterin’ny mpanompo mendri-pitokisana fa mila adika amin’ny fiteny maro Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Efa voadika amin’ny fiteny maro izao io Baiboly io, ka am-polony tapitrisa no efa natao pirinty, ary mbola maro no hatao pirinty. Tsy vita izany raha tsy teo ny fanampian’Andriamanitra sy ny fanahiny.

11. Voadika amin’ny fiteny firy ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary ahoana no ahavitana izany?

11 Voadika amin’ny fiteny 470 mahery ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mpiasa an-tsitrapo an-jatony, any amin’ny tany 130 mahery, no mandika teny. Tsy mahagaga antsika izany, satria ‘mitory amin’ny fomba feno’ isika eran-tany, ka manazava momba an’i Jehovah sy ilay Mesia Mpanjaka ary ilay Fanjakana efa miorina any an-danitra. Tsy misy fikambanana hafa tarihin’ny fanahy masina hanao an’izany, eto an-tany.—Asa. 28:23, f.a.p.

12. Ahoana no nahafahan’i Paoly sy ny Kristianina hafa nitory?

12 Nitory tamin’ny Jiosy sy ny hafa firenena tany Antiokia any Pisidia i Paoly, ka ‘tonga mpino izay nanana toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay.’ (Asa. 13:48) Nilaza i Lioka rehefa namarana ny bokin’ny Asan’ny Apostoly fa ‘nitory ny fanjakan’Andriamanitra tamim-pahasahiana’ i Paoly, ary “tsy nisy fanakantsakanana.” (Asa. 28:31) Taiza izy no nitory? Tany Roma, renivohitr’ilay fanjakana natanjaka indrindra tamin’izany. Na nanao lahateny na nampiasa fomba hafa ny Kristianina voalohany rehefa nitory, dia nanampy sy nitarika azy ireo foana ny fanahy masina.

Nitory foana na teo aza ny fanenjehana

13. Nahoana isika no tokony hivavaka rehefa enjehina?

13 Nenjehina ny Kristianina voalohany, ka nitalaho tamin’i Jehovah mba hananan’izy ireo fahasahiana. Inona no vokany? Feno fanahy masina izy ireo ka nitory ny tenin’Andriamanitra tamim-pahasahiana. (Asa. 4:18-31) Mivavaka koa isika mba hahazoantsika fahendrena sy hery hitoriana foana, na eo aza ny fanenjehana. (Jak. 1:2-8) Mitory foana isika satria tahin’Andriamanitra sy ampian’ny fanahy masina. Tsy misy afaka mampitsahatra ny asa fitoriana, na fanoherana mahery vaika na fanenjehana amin-kabibiana. Rehefa enjehina isika dia mila mivavaka, ka mangataka fanahy masina sy fahendrena ary herim-po hitoriana ny vaovao tsara.—Lioka 11:13.

14, 15. a) Inona no nitranga “vokatr’ilay fanenjehana taorian’ny namonoana an’i Stefana”? b) Ahoana no nahalalan’ny olona maro tany Siberia ny fahamarinana?

14 Nitory tamim-pahasahiana i Stefana talohan’ny namonoan’ny fahavalony azy. (Asa. 6:5; 7:54-60) Nisy ‘fanenjehana mafy’ tamin’izany, ka niparitaka eran’i Jodia sy Samaria ny mpianatra, afa-tsy ny apostoly. Tsy nampitsahatra ny fitoriana anefa izany. Nankany Samaria i Filipo mba ‘hitory an’i Kristy’, ary nahita vokatra tena tsara. (Asa. 8:1-8, 14, 15, 25) Hoy koa ny Baiboly: “Tonga hatrany Fenisia sy Sipra ary Antiokia ireo mpianatra niparitaka vokatr’ilay fanenjehana taorian’ny namonoana an’i Stefana. Tsy nitory ny teny afa-tsy tamin’ny Jiosy anefa izy ireo. Ary nisy tamin’izy ireo avy any Sipra sy Kyrena izay tonga tany Antiokia. Niresaka tamin’ny olona miteny grika izy ireo, ka nitory ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Tompo.” (Asa. 11:19, 20) Nampiely ny hafatra momba ilay Fanjakana ny fanenjehana, tamin’izany.

15 Nitranga koa ny toy izany, tany amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha. Vavolombelon’i Jehovah an’arivony no natao sesitany tany Siberia, indrindra taorian’ny 1950. Naparitaka tamin’ny toerana samihafa izy ireo, ka niely eran’io faritra midadasika io ny vaovao tsara. Tsy ho nahita vola handehanana hitory hatrany amin’ny 10 000 kilaometatra ny Vavolombelona maro be toy izany. Ny fanjakana mihitsy anefa no nandefa azy ireo eran’ilay tany. Hoy ny rahalahy iray: “Tanteraka izany noho ny nataon’ny fitondrana, ka olona tso-po an’arivony no nahalala ny fahamarinana, tany Siberia.”

Tena mitahy i Jehovah

16, 17. Ahoana no anaporofoan’ny Asan’ny Apostoly fa nitahy ny asa fitoriana i Jehovah?

16 Tena nitahy an’ireo Kristianina voalohany tokoa i Jehovah. Namboly sy nanondraka i Paoly sy ny hafa, “fa Andriamanitra kosa no tsy nitsahatra nampitombo.” (1 Kor. 3:5, 6) Nitahy ny asa fitoriana i Jehovah ka nisy izany fitomboana izany, araka ny tantaraina ao amin’ny Asan’ny Apostoly. “Tsy nitsahatra niroborobo”, ohatra, “ny tenin’Andriamanitra, ka nihamaro be ny isan’ny mpianatra tany Jerosalema.” (Asa. 6:7) Rehefa nitatra ny asa fitoriana, dia “nandry feizay ny fiangonana eran’i Jodia sy Galilia ary Samaria. Koa nihanatanjaka ny fiangonana, sady nandeha tamin’ny fahatahorana an’i Jehovah sy ny fampiononan’ny fanahy masina, ka tsy nitsaha-nitombo.”—Asa. 9:31.

17 Nandre ny fahamarinana notorin’ny vavolombelona be herim-po ny Jiosy sy ny olona niteny grika, tany Antiokia any Syria. Hoy ny fitantarana: “Dia nomba azy ireo ny tanan’i Jehovah. Ary olona maro be tonga mpino no niova sy nanaiky ny Tompo.” (Asa. 11:21) Nandroso foana ny fitoriana tany, satria voalaza fa ‘niroborobo sy niely hatrany ny tenin’i Jehovah.’ (Asa. 12:24) Nandroso tsara ny fitorian’i Paoly sy ny hafa rehefa nitory tany amin’ny tsy Jiosy izy ireo, ka ‘niroborobo be ny tenin’i Jehovah, sady tena nahery.’—Asa. 19:20.

18, 19. a) Ahoana no ahafantarantsika fa momba antsika “ny tanan’i Jehovah”? b) Manomeza ohatra mampiseho fa manohana ny olony i Jehovah.

18 Momba antsika koa “ny tanan’i Jehovah” ankehitriny, ka maro be no lasa mpino. Nanokan-tena ho an’Andriamanitra izy ireo ka nampiseho izany tamin’ny batisa. Tojo fanoherana mahery vaika isika, ary enjehina mafy indraindray, nefa manampy sy mitahy antsika i Jehovah. Izany ihany no ahafahantsika miaritra ka ahavitantsika ny fanompoantsika, toy ny nataon’i Paoly sy ny Kristianina hafa tany am-boalohany. (Asa. 14:19-21) Eo foana i Jehovah mba hanampy antsika. Amin’ny fitsapana rehetra mahazo antsika, dia manohana antsika foana ny ‘sandriny maharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra.’ (Deot. 33:27) Tadidio koa fa tsy hahafoy ny olony mihitsy i Jehovah, noho ny anarany be voninahitra.—1 Sam. 12:22; Sal. 94:14.

19 Intỳ misy ohatra: Nitory foana ny Rahalahy Harald Abt ka nalefan’ny Nazia tany amin’ny toby fitanan’i Sachsenhausen, tamin’ny Ady Lehibe II. Nankany an-tranon’i Elsa vadiny ny polisy, tamin’ny Mey 1942, ka nentin’izy ireo ny zanany vavikely. I Elsa kosa nosamborina ary nafindrafindra toby. Hoy ny Anabavy Elsa Abt: “Izao no lesona lehibe notsoahako, taorian’ny nihazonana ahy an-taonany maro tany amin’ny toby fitanana tany Alemaina: Tena manatanjaka anao ny fanahin’i Jehovah, rehefa iharan’ny fitsapana faran’izay mafy ianao. Namaky taratasy iray aho, talohan’ny nisamborana ahy. Nilaza ilay rahavavy nanoratra azy io, fa mampilamin-tsaina ny fanahin’i Jehovah, rehefa iharan’ny fitsapana faran’izay mafy ianao. Nieritreritra aho hoe somary nanita-dresaka izy. Tsapako anefa fa marina ny teniny, rehefa niharam-pitsapana aho. Izay voalazany izay mihitsy no mitranga. Sarotra ny maka sary an-tsaina an’izany, raha mbola tsy niainanao ilay izy. Tena nahatsapa izany anefa aho.”

Aza mitsahatra mitory amin’ny fomba feno!

20. Inona no nataon’i Paoly tamin’izy nambenana tao amin’ny trano iray, ary nahoana izany no mampahery ny rahalahy sy anabavy sasany?

20 Nazoto ‘nitory ny Fanjakan’Andriamanitra’ i Paoly, hoy ny teny mamarana ny Asan’ny Apostoly. (Asa. 28:31) Nambenana tao amin’ny trano iray tany Roma izy, ka tsy afaka nitory isan-trano. Nitoriany foana anefa izay tonga tao aminy. Tsy afa-miala ao an-trano koa ny rahalahy sy anabavy sasany, satria mandamaka eo am-pandriana angamba, na mipetraka any amin’ny trano fitaizana ny be antitra, na marary, na kilemaina, na efa be taona. Tsy mety lefy anefa ny fitiavan’izy ireo an’Andriamanitra sy ny faniriany hitory. Mivavaka ho azy ireo isika ary mangataka amin’ilay Raintsika any an-danitra, mba hihaonan’izy ireo amin’izay te hianatra momba an’Andriamanitra sy ny fikasany mahatalanjona.

21. Nahoana isika no tokony hamita haingana ny asa fitoriana?

21 Afaka mitory isan-trano ny ankamaroantsika, na koa mampiasa fomba maro samihafa mba hanaovana mpianatra. Aoka àry isika tsirairay hanao izay fara herintsika mba hitoriana ilay Fanjakana, ka hitory “any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany.” Tsy maintsy vitaina haingana io asa io, satria efa miharihary ny “famantarana” ny fanatrehan’i Kristy. (Mat. 24:3-14) Aza avela ho verivery fotsiny ny fotoana. ‘Be atao amin’ny asan’ny Tompo’ isika ankehitriny.—1 Kor. 15:58.

22. Tapa-kevitra ny hanao inona isika eo am-piandrasana ny andron’i Jehovah?

22 Aoka isika ho tapa-kevitra ny hitory amim-pahasahiana sy tsy hivadika, eo am-piandrasana ny “andron’i Jehovah, dia ilay andro lehibe sady mampahatahotra.” (Joela 2:31) Mbola hahita olona maro toa an’ireo Berianina “faran’izay nazoto nandray ny teny” isika. (Asa. 17:10, 11) Tsy hitsahatra hitory mihitsy àry isika, raha tsy efa toy ny hoe rentsika izao teny izao: “Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mendri-pitokisana!” (Mat. 25:23) Raha mazoto manao mpianatra isika ankehitriny ka tsy mivadika mihitsy, dia ho faly foana mandrakizay, satria voninahitra ho antsika ny ‘nitory tamin’ny fomba feno ny Fanjakan’Andriamanitra’!