Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 24

“Mahereza!”

“Mahereza!”

Tsy matin’ireo Jiosy nitetika ny hamono azy i Paoly, ka afaka niaro ny tenany teo anatrehan’i Feliksa

Miorina amin’ny Asan’ny Apostoly 23:11–24:27

1, 2. Nahoana no tsy nahagaga an’i Paoly ilay fanenjehana tao Jerosalema?

 NOTANANA am-ponja indray i Paoly rehefa avy nosintonina tao anaty vahoaka romotra. Tsy nahagaga an’ilay apostoly be zotom-po io fanenjehana tao Jerosalema io. Efa nilazana mantsy izy fa nisy “gadra sy fahoriana” niandry azy tao. (Asa. 20:22, 23) Tsy fantany izay tena hanjo azy, nefa fantany fa mbola hijaly noho ny anaran’i Jesosy izy.—Asa. 9:16.

2 Efa nampitandrina an’i Paoly ny mpaminany kristianina fa hofatorana sy hatolotra “eo an-tanan’ny olona hafa firenena” izy. (Asa. 21:4, 10, 11) Vao tsy ela izay, dia nifofo ny ainy ny Jiosy. Efa saika nifandroritan’ireo tao amin’ny Fitsarana Avo izy taorian’izay, rehefa nampifanditra azy ireo ny tenin’i Paoly. Nogadrain’ny miaramila romanina ilay apostoly, ary mbola hiatrika fitsarana sy fiampangana indray. (Asa. 21:31; 23:10) Tena nila fampaherezana ny apostoly Paoly!

3. Ahoana no ahazoantsika fampaherezana mba hahafahantsika hitory foana?

3 Fantatsika miaina amin’izao andro farany izao fa “izay rehetra te hiaina ao anatin’ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra sady tafaray amin’i Kristy Jesosy dia henjehina ihany koa.” (2 Tim. 3:12) Mila fampaherezana koa isika indraindray mba hahafahantsika hitory foana. Ankasitrahantsika tokoa ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina”, noho ireo teny mampahery sy ara-potoana omeny amin’ny alalan’ny boky aman-gazety sy ny fivoriana. (Mat. 24:45) Nanome toky antsika i Jehovah fa tsy hahomby mihitsy ny fahavalon’ny vaovao tsara. Tsy hahafongotra ny mpanompon’i Jehovah izy ireny sady tsy hahavita hampitsahatra ny fitoriana. (Isaia 54:17; Jer. 1:19) Ahoana kosa ny amin’ny apostoly Paoly? Nahazo fampaherezana ve izy mba hahafahany hitory foana, na teo aza ny fanoherana? Raha eny, ahoana no nampaherezana azy, ary inona no vokany teo aminy?

Tsy nahomby ireo “niray tetika sy niozona” (Asa. 23:11-34)

4, 5. Inona no fampaherezana azon’i Paoly, ary nahoana izany no tonga ara-potoana?

4 Nahazo ny fampaherezana tena nilainy ny apostoly Paoly ny alin’ny nanavotana azy tany amin’ny Fitsarana Avo. Hoy ny Baiboly: ‘Nijoro teo anilany ny Tompo, ka nanao hoe: “Mahereza! Fa toy ny nanazavanao tsara ny momba ahy teto Jerosalema no tsy maintsy hitorianao ny teny any Roma koa.” ’ (Asa. 23:11) Nampahery an’i Paoly io tenin’i Jesosy io ka nahazo toky izy fa mbola ho afaka. Fantany fa ho tonga soa aman-tsara any Roma izy ka ho afaka hitory momba an’i Jesosy any.

“Lehilahy efapolo mahery ry zareo no efa miafina.”​—Asan’ny Apostoly 23:21

5 Tonga ara-potoana ilay fampaherezana nomena an’i Paoly. Ny ampitson’iny mantsy, dia nisy lehilahy jiosy 40 mahery ‘niray tetika mangingina ka niozona fa tsy hihinana na hisotro raha tsy efa matiny i Paoly.’ Tena vonona ny hamono an’i Paoly ireo Jiosy ireo, matoa “niray tetika sy niozona.” Nino izy ireo fa raha tsy tanterak’izy ireo ilay tetika, dia hihatra aminy ihany ilay ozona. (Asa. 23:12-15) Izao ilay tetika: Mody atao hoe te hahalala ny tena marina izy ireo ka atao indray izay hitondrana an’i Paoly eo anatrehan’ny Fitsarana Avo, mba hofotopotorana bebe kokoa. Hiandry kendry tohina eny an-dalana anefa izy ireo mba hamono an’i Paoly. Nankasitraka an’ilay tetika ny lehiben’ny mpisorona sy ny anti-panahy.

6. Ahoana no nahatratrarana an’ilay tetika hamonoana an’i Paoly, ary inona no azon’ny tanora ianarana avy amin’io tantara io?

6 Nahare an’ilay tetika anefa ny zanak’anabavin’i Paoly, ka nilaza izany tamin’i Paoly. Nasain’i Paoly nolazainy tamin’i Klaodio Lysia, mpitari-tafika romanina, ilay izy. (Asa. 23:16-22) Azo antoka fa tian’i Jehovah ny tanora toa an’io tovolahy tsy fantatra anarana io. Be herim-po izy ireny ka izay hahasoa ny vahoakan’Andriamanitra no tadiaviny fa tsy ny hahasoa ny tenany. Tsy mivadika koa izy ireny ka manao izay fara heriny mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana.

7, 8. Inona no nataon’i Klaodio Lysia mba hiarovana an’i Paoly?

7 Nifehy tafika nisy 1 000 lahy i Klaodio Lysia. Raha vao fantany àry ilay tetika, dia nasainy natao vonona ny vatan-dehilahy 470, izay nisy miaramila sy mpitan-defona ary mpitaingin-tsoavaly. Nasainy niainga tao Jerosalema ny alin’iny izy ireo mba hanatitra an’i Paoly tany Kaisaria. Natolotra an’i Feliksa Governora i Paoly, raha vao tonga tany. * Maro ny Jiosy nipetraka tany Kaisaria, satria tany no foiben’ny fitondrana romanina tany Jodia. Hafa firenena anefa ny ankamaroan’ny mponina tany Kaisaria. Nisy foiben’ny tafika romanina koa tany. Nilamina ny fiainana tany fa tsy toy ny tao Jerosalema. Tsy tia fivavahana hafa mantsy ny olona maro tao Jerosalema, ary mora nirotaka.

8 Nanoratra taratasy ho an’i Feliksa i Lysia mba hanazavana an’ilay raharaha, satria izany no notakin’ny lalàna romanina. Nolazain’i Lysia tao fa navotany tsy ‘hovonoin’ny Jiosy ho faty’ i Paoly rehefa fantany fa Romanina. Nolazainy koa fa tsy hitany izay “tokony hamonoana [an’i Paoly] ho faty na hamatorana azy.” Natolony an’i Feliksa anefa i Paoly satria nisy nitetika ny hamono azy. Ho afaka hihaino an’ireo mpiampanga an’i Paoly ilay governora amin’izay, ka hitsara an’ilay raharaha.—Asa. 23:25-30.

9. a) Ahoana no nanitsakitsahana ny zon’i Paoly? b) Nahoana isika no mitaky ny zontsika amin’ny maha olom-pirenena antsika?

9 Marina ve izay nosoratan’i Lysia? Ny sasany ihany. Toa niezaka nanatsara ny tenany tamin’ilay governora izy. Tsy ny naha Romanina an’i Paoly mantsy no tena nanavotany azy. Tsy nolazain’i Lysia koa fa efa nasainy ‘nofatorana rojo vy anankiroa’ i Paoly, ary efa nanome baiko izy mba “hokaravasina i Paoly rehefa fotopotorana.” (Asa. 21:30-34; 22:24-29) Nanitsakitsaka ny zon’i Paoly tamin’ny naha Romanina azy àry i Lysia. Toy izany koa ankehitriny. Mafana fo tafahoatra amin’ny fivavahana ny mpanohitra, ka ampiasain’i Satana izany mba hampirongatra ny fanenjehana sy hanitsakitsahana ny zontsika hanompo an’Andriamanitra. Manahaka an’i Paoly anefa isika, ka mampiasa ny lalàna sy ny zontsika amin’ny maha olom-pirenena antsika, mba hiarovan’ny lalàna antsika.

‘Faly aho hilaza ny fiarovan-tenako’ (Asa. 23:35–24:21)

10. Inona no heloka lehibe niampangana an’i Paoly?

10 ‘Nambenana tao amin’ny lapam-panjakan’i Heroda’ i Paoly tao Kaisaria, teo am-piandrasana an’ireo mpiampanga azy avy tany Jerosalema. (Asa. 23:35) Rehefa afaka dimy andro, dia tonga i Ananiasy Mpisoronabe sy Tertylo mpisolovava, ary ny anti-panahy maromaro. Nandokadoka an’i Feliksa sy nila sitraka taminy aloha i Tertylo, ka nidera azy noho ny zava-bitany ho an’ny Jiosy. * Niditra tamin’ny tena resaka i Tertylo avy eo, ka izao no nolazainy momba an’i Paoly: “Mpanakorontana io lehilahy io, ary ampirisihiny hikomy amin’ny fanjakana ny Jiosy rehetra manerana ny tany onenana, ary izy no mitarika an’ilay sektan’ny Nazareanina. Nitady hanazimbazimba ny tempoly koa izy ka nosamborinay.” Ny Jiosy koa ‘niampanga azy ka nanizingizina fa izany tokoa no izy.’ (Asa. 24:5, 6, 9) Heloka lehibe mety hanamelohana azy ho faty no niampangana an’i Paoly. Ireto avy izany: Nampirisika olona hikomy tamin’ny fanjakana, nitarika sekta mampidi-doza, ary nanazimbazimba tempoly.

11, 12. Ahoana no nanaporofoan’i Paoly fa tsy marina ny fiampangana azy?

11 Nomena fitenenana i Paoly avy eo. Hoy izy: ‘Faly aho hilaza ny fiarovan-tenako.’ Nolaviny an-kitsirano ny fiampangana azy. Tsy nanazimbazimba tempoly ilay apostoly sady tsy nitaona olona hikomy. Nolazainy fa efa “taona maro” izy no tsy tao Jerosalema, ary hitondra “fanomezana ho an’ny [Kristianina] mahantra” vokatry ny mosary sy ny fanenjehana no nahatongavany tao. Nanizingizina i Paoly fa efa ‘nadio araka ny Lalàna’ izy talohan’ny nidirany tao amin’ny tempoly, ary niezaka nanana feon’ny fieritreretana madio izy mba ‘tsy hanao ratsy teo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona.’—Asa. 24:10-13, 16-18.

12 Niaiky anefa i Paoly fa “araka ilay fomba fivavahana antsoin’izy ireo hoe ‘sekta’ ” no nanompoany an’Andriamanitry ny razany. Nantitranterin’i Paoly kosa fa ninoany “izay rehetra voalazan’ny Lalàna sy voasoratra ao amin’ny Mpaminany.” Nino ny “fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina” koa izy, toa an’ireo mpiampanga azy. Nasain’i Paoly nanome porofo, avy eo, ireo niampanga azy. Hoy izy: “Aoka ireto olona manatrika eto ireto no hilaza izay ratsy hitany nataoko fony aho nijoro teo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy, raha tsy hoe noheverin’izy ireo ho nanao ratsy angaha aho rehefa nilaza an’izao teny indraim-bava izao, tamin’izaho nijoro teo anatrehan’izy ireo: ‘Ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty no itsarana ahy eto anatrehanareo anio!’ ”—Asa. 24:14, 15, 20, 21.

13-15. Inona no ohatra tsara navelan’i Paoly ho antsika, tamin’izy nitory tamim-pahasahiana tamin’ny manam-pahefana?

13 Ahoana raha entina eo anatrehan’ny manam-pahefana isika noho ny fivavahantsika, ka endrikendrehina ho mpanakorontana, na mpitaona olona hikomy, na “sekta mampidi-doza”? Nanome ohatra tsara ho antsika i Paoly. Tsy nila ranondranony tamin’ilay governora izy, ka tsy nandokadoka azy toy ny nataon’i Tertylo. Tony sy nanaja olona foana i Paoly. Nofidiny tsara ny teny nampiasainy, ary marina sy mazava ny porofo nomeny. Nilaza i Paoly fa tsy teo ny “Jiosy avy any amin’ny faritr’i Azia”, izay niampanga azy ho nanazimbazimba tempoly. Raha araka ny lalàna anefa, dia tokony hifanatrika aminy eo ireo mba hilaza an’izay iampangany azy.—Asa. 24:18, 19.

14 Tsara homarihina koa fa tsy niahotra nanambara ny finoany i Paoly. Sahy nilaza indray izy fa nino ny fitsanganana amin’ny maty, nefa io ilay resaka niteraka korontana tamin’izy tao amin’ny Fitsarana Avo. (Asa. 23:6-10) Nanasongadina an’ilay fanantenana fitsanganana amin’ny maty i Paoly, tamin’izy niaro ny tenany. Nahoana? Satria nitory momba an’i Jesosy sy ny nitsanganany tamin’ny maty i Paoly, nefa tsy nino an’izany ireo nanohitra azy. (Asa. 26:6-8, 22, 23) Momba ny fitsanganana amin’ny maty àry no tena niadian-kevitra, izany hoe momba ny finoana an’i Jesosy sy ny nitsanganany tamin’ny maty.

15 Afaka mitory amim-pahasahiana toa an’i Paoly koa isika, ka hanovo hery avy amin’ilay tenin’i Jesosy tamin’ny mpianany hoe: “Ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako. Fa izay miaritra hatramin’ny farany no hovonjena.” Tokony hanahy ny amin’izay holazaintsika ve isika? Tsia. Nanome toky mantsy i Jesosy hoe: “Rehefa entiny mba hatolotra ny fitsarana ... ianareo, dia aza manahy ny amin’izay holazainareo. Izay omena anareo amin’izany ora izany lazaina, satria tsy ianareo no miteny, fa ny fanahy masina.”—Mar. 13:9-13.

“Natahotra” i Feliksa (Asa. 24:22-27)

16, 17. a) Ahoana no nitsaran’i Feliksa an’i Paoly? b) Inona no nety ho nahatonga an’i Feliksa hatahotra, nefa nahoana izy no nihaona imbetsaka tamin’i Paoly?

16 Tsy vao izao i Feliksa Governora no nandre momba ny zavatra inoan’ny Kristianina. Hoy ny fitantarana: “Nampihemotra an’ilay raharaha ... i Feliksa, izay nahalala marina tsara ny amin’izany Lalana izany [anarana niantsoana ny Fivavahana Kristianina tany am-boalohany], ka nanao hoe: ‘Rehefa midina atỳ i Lysia mpitari-tafika vao hanapa-kevitra ny amin’ity raharahanareo ity aho.’ Ary nomeny baiko ilay manamboninahitra mba hitana an’i Paoly, nefa koa hanalefaka ny fanagadrana azy, ary tsy handrara an’izay namany te hikarakara azy.”—Asa. 24:22, 23.

17 Rehefa afaka andro vitsivitsy, dia nampaka an’i Paoly i Feliksa sy Drosila vadiny, izay vehivavy jiosy. “Nihaino izay nolazainy ny amin’ny finoana an’i Kristy Jesosy” izy ireo. (Asa. 24:24) “Natahotra” anefa i Feliksa “rehefa niresaka momba ny fahamarinana sy ny fifehezan-tena ary ny fitsarana ho avy” i Paoly. Nanenjika azy angamba ny eritreriny, noho ny ratsy nataony. Nasainy niala teo àry i Paoly, ka nilazany hoe: “Mandehana aloha, fa mbola hampaka anao ihany aho rehefa mety ny fotoanako.” Nihaona imbetsaka tamin’i Paoly i Feliksa taorian’io. Tsy hoe te hahalala ny fahamarinana izy, fa nanantena handray kolikoly.—Asa. 24:25, 26.

18. Nahoana ry Feliksa mivady no niresahan’i Paoly momba “ny fahamarinana sy ny fifehezan-tena ary ny fitsarana ho avy”?

18 Nahoana ry Feliksa mivady no niresahan’i Paoly momba “ny fahamarinana sy ny fifehezan-tena ary ny fitsarana ho avy”? Tadidio fa tian’izy ireo ho fantatra hoe inona no takina amin’izay ‘mino an’i Kristy Jesosy.’ Fantatr’i Paoly fa naloto fitondran-tena izy mivady, sady nahery setra sy nanao ny tsy rariny, ka nohazavainy tsara ny zavatra takina amin’izay te ho tonga mpanara-dia an’i Jesosy. Nahariharin’i Paoly fa nifanipaka tanteraka tamin’ny fitsipika marin’Andriamanitra ny fomba fiainan’i Feliksa mivady. Tokony ho takatr’izy ireo avy amin’izany fa hataon’Andriamanitra ampamoaka ny olona rehetra, noho izay eritreretiny sy lazainy ary ataony. Fitsarana ambony lavitra noho izay nitsarana an’i Paoly àry no niandry azy ireo, dia ny fitsaran’Andriamanitra. Tsy nahagaga raha “natahotra” i Feliksa!

19, 20. a) Ahoana no tokony hataontsika raha misy olona toa liana amin’ny fahamarinana, nefa tsy tena te hiala amin’ny fomba ratsiny? b) Ahoana no ahalalantsika fa tsy nitady izay hahasoa an’i Paoly mihitsy i Feliksa?

19 Mety hihaona amin’olona toa an’i Feliksa koa isika eny am-pitoriana. Toa liana amin’ny fahamarinana izy ireny amin’ny voalohany, nefa tsy te hanova ny fiainany hifanaraka amin’ny fahamarinana. Tokony hitandrina isika rehefa manampy olona toy izany. Handanjalanja toa an’i Paoly anefa isika, rehefa miresaka amin’izy ireny ny fitsipika marin’Andriamanitra. Angamba hanohina ny fon’izy ireny ny fahamarinana. Raha hita anefa fa tsy mieritreritra ny hiala amin’ny fomba ratsiny ilay olona, dia aleo mikaroka an’ireo tena mangetaheta ny fahamarinana.

20 Nampiharihary an’izay tena tao am-pon’i Feliksa ireto teny ireto: “Roa taona tatỳ aoriana ... dia i Porsio Festosy no nandimby an’i Feliksa. Ary navelan’i Feliksa nifatotra i Paoly, satria te hahazo sitraka tamin’ny Jiosy izy.” (Asa. 24:27) Tsy nitady izay hahasoa an’i Paoly mihitsy izy. Fantatr’i Feliksa fa sady tsy nitaona olona hikomy ireo nanaraka “Ny Lalana” no tsy mpitaky fanovana. (Asa. 19:23) Fantany koa fa tsy nandika lalàna romanina mihitsy i Paoly. Notanany am-ponja foana anefa ilay apostoly satria te “hahazo sitraka tamin’ny Jiosy” izy.

21. Inona no nitranga tamin’i Paoly rehefa lasa governora i Porsio Festosy, ary inona no azo antoka fa nampahery an’i Paoly foana?

21 Asehon’ny Asan’ny Apostoly 24:27 fa mbola voafonja i Paoly tamin’i Porsio Festosy lasa governora nandimby an’i Feliksa. Nisy fakana am-bavany nitohitohy taorian’izay, ary natolotra tamin’ny manam-pahefana samihafa i Paoly. Nentina teo “anatrehan’ny mpanjaka sy ny governora” tokoa io apostoly be herim-po io. (Lioka 21:12) Ho hitantsika fa nitory tamin’ny mpitondra fara tampony tamin’izany andro izany izy, tatỳ aoriana. Tsy nihozongozona mihitsy ny finoany tao anatin’izany rehetra izany. Azo antoka fa nampahery azy foana ilay tenin’i Jesosy hoe: “Mahereza!”

^ feh. 7 Jereo ilay efajoro hoe “ Feliksa: Governoran’i Jodia.”

^ feh. 10 Nisaoran’i Tertylo i Feliksa, noho izy ‘nampilamina tsara’ ny firenena. Nikorontana kokoa anefa ny tao Jodia tamin’ny fotoana naha governora an’i Feliksa, tsy toy ny tamin’ny andro nitondran’ireo governora teo alohany, sy mandra-pahatongan’ny fotoana nikomian’ny Jiosy tamin’i Roma. Lainga koa ilay hoe ‘tamim-pankasitrahana lehibe indrindra’ no nandraisan’ny Jiosy ny fanavaozana nataon’i Feliksa. Tsy tia maizina an’i Feliksa aza ny ankamaroan’ny Jiosy. Nampitondra faisana azy ireo mantsy izy ary nahery setra koa tamin’izy nandrava ny fikomian’izy ireo.—Asa. 24:2, 3.