Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 2

‘Ho Vavolombeloko Ianareo’

‘Ho Vavolombeloko Ianareo’

Nampiofanin’i Jesosy hitarika ny asa fitoriana ny apostoly

Miorina amin’ny Asan’ny Apostoly 1:1-26

1-3. Ahoana no nandaozan’i Jesosy ny apostoly, ary inona avy no fanontaniana mipetraka?

 TIAN’IZY ireo hitohy foana ilay izy. Faly erỳ ny apostoly nandritra ny herinandro maromaro! Natsangana tamin’ny maty i Jesosy, ka nivadika ho fifaliam-be ny famoizam-pon’izy ireo. Imbetsaka niseho i Jesosy nandritra ny 40 andro, ka mbola nampianatra sy nampahery ny mpanara-dia azy. Tonga anefa izao ny andro isehoany farany amin’ny mpianany.

2 Nihaino tsara ny teny rehetra nolazain’i Jesosy ny apostoly, teo amin’ny Tendrombohitra Oliva. Tsy hitahita akory dia tapitra ny teniny. Nanandratra ny tanany hitso-drano azy ireo izy, ary nanomboka niakatra ho eny amin’ny lanitra. Nibanjina azy ny apostoly, raha iny izy niakatra iny. Nisy rahona nanakona azy tamin’ny farany, ka tsy hita intsony izy. Efa lasa izy, nefa mbola nibanjina ny lanitra teo foana izy ireo.—Lioka 24:50; Asa. 1:9, 10.

3 Niova be ny fiainan’ny apostoly taorian’izay. Inona izao no hataon’izy ireo satria lasa any an-danitra i Jesosy Tompony? Azo antoka fa nampiofana azy ireo ny Tompony mba hanohy ilay asa efa natombony. Ahoana no nanampian’i Jesosy azy ireo mba ho vonona hanao an’io asa lehibe io, ary ahoana no nataon’izy ireo? Nahoana izany no mahakasika ny Kristianina ankehitriny? Mampahery ny valiny omen’ny Asan’ny Apostoly toko voalohany.

“Porofo maro tsy azo lavina” (Asa. 1:1-5)

4. Ahoana no anombohan’i Lioka ny fitantarany ao amin’ny Asan’ny Apostoly?

4 Miresaka amin’i Teofilo i Lioka, eo am-piandohan’ny Asan’ny Apostoly. Io lehilahy io ilay nanoratany ny Filazantsarany, izay nosoratany taloha kokoa. * Mifampitohy ireo boky ireo, satria fintinin’i Lioka eo am-piandohan’ny Asan’ny Apostoly ny zavatra tantarainy eo amin’ny faran’ny Filazantsarany, saingy novany ny fomba nilazany azy sady nampiany tsipiriany hafa.

5, 6. a) Inona no hanampy ny mpanara-dia an’i Jesosy hanana finoana matanjaka foana? b) Hazavao fa miorina amin’ny “porofo maro tsy azo lavina” ny finoan’ny Kristianina ankehitriny.

5 Inona no hanampy ny mpanara-dia an’i Jesosy hanana finoana matanjaka foana? Hoy ny Asan’ny Apostoly 1:3: ‘Porofo maro tsy azo lavina no nentin’i Jesosy naneho hoe velona izy.’ I Lioka “dokotera malala” ihany no nampiasa an’ilay teny nadika hoe ‘porofo tsy azo lavina’, ao amin’ny Baiboly. (Kol. 4:14) Teny fampiasa amin’ny fitsaboana izy io, ary midika hoe porofo marim-pototra sy azo antoka. Porofo toy izany no nomen’i Jesosy. Niseho imbetsaka tamin’ny mpanara-dia azy izy, indraindray tamin’ny mpianatra iray na roa, indraindray tamin’ny apostoly rehetra, ary indray mandeha tamin’ny mpino 500 mahery. (1 Kor. 15:3-6) Porofo tsy azo lavina tokoa izany!

6 Miorina amin’ny “porofo maro tsy azo lavina” koa ny finoan’ny tena Kristianina ankehitriny. Misy porofo ve hoe niaina teto an-tany i Jesosy, maty noho ny fahotantsika, ary natsangana tamin’ny maty? Misy tokoa! Fitantarana azo antoka avy amin’ny vavolombelona nanatri-maso no ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ka manome antsika ny porofo rehetra ilaintsika. Tena hatanjaka ny finoantsika raha mianatra an’ireny tantara ireny isika, ary mivavaka rehefa manao izany. Tsarovy fa tsy finoana befahatany fotsiny ny tena finoana, fa miorina kosa amin’ny porofo marim-pototra. Ilaina ny tena finoana mba hahazoana fiainana mandrakizay.—Jaona 3:16.

7. Inona no modely navelan’i Jesosy teo amin’ny fampianarana sy fitoriana?

7 ‘Niresaka momba ny fanjakan’Andriamanitra’ koa i Jesosy. Nohazavainy, ohatra, ireo faminaniana milaza hoe tsy maintsy hijaly sy ho faty ny Mesia. (Lioka 24:13-32, 46, 47) Rehefa nanazava ny anjara asany amin’ny maha Mesia azy izy, dia nasongadiny ny Fanjakan’Andriamanitra, satria izy no ho mpanjaka ao. Io Fanjakana io foana no foto-kevitry ny fitoriany, ary mbola io koa no tena torintsika ankehitriny.—Mat. 24:14; Lioka 4:43.

“Any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany” (Asa. 1:6-12)

8, 9. a) Inona no hevi-diso roa nananan’ny apostolin’i Jesosy? b) Ahoana no nanitsian’i Jesosy azy ireo? Inona no lesona raisintsika avy amin’izany?

8 Tafangona teo amin’ny Tendrombohitra Oliva ny apostoly, ary teo no nihaonany farany tamin’i Jesosy, tetỳ an-tany. May erỳ izy ireo nanontany hoe: “Tompo ô, izao ve no ampodianao ny fanjakana ho amin’ny Israely?” (Asa. 1:6) Asehon’io fanontaniana io fa nanana hevi-diso roa ny apostoly. Voalohany, noheverin’izy ireo fa hampodiana amin’ny firenen’ny Israely ara-nofo ny Fanjakan’Andriamanitra. Faharoa, nantenain’izy ireo hitondra avy hatrany ilay Fanjakana. Ahoana no nanitsian’i Jesosy azy ireo?

9 Toa efa fantatr’i Jesosy fa ho voahitsy tsy ho ela ilay hevi-diso voalohany. Folo andro mantsy sisa dia ho hitan’ny mpanara-dia azy fa hisy firenena vaovao hiforona, dia ny Israely ara-panahy. Efa tsy hifandray amin’ny Israely ara-nofo intsony Andriamanitra. Ary ahoana ilay hevi-diso faharoa? Tsara fanahy i Jesosy ka nampahatsiahy azy ireo toy izao: “Tsy mila mamantatra ny fotoana na ny vanim-potoana ianareo, fa ny Ray irery ihany no manam-pahefana amin’izany.” (Asa. 1:7) Manana fandaharam-potoana i Jehovah ary manaja izany. Nilaza i Jesosy talohan’ny nahafatesany, fa tsy nahalala ny “andro sy ora” hahatongavan’ny farany na dia ny Zanaka aza, fa “ny Ray ihany.” (Mat. 24:36) Miasa saina amin-javatra tsy tokony hidirantsika koa isika, raha manahy tafahoatra momba ny fotoana hahatongavan’ny farany.

10. Inona no toe-tsain’ny apostoly tokony hiezahantsika hananana, ary nahoana?

10 Mila mitandrina anefa isika mba tsy hanamavo an’ireo apostolin’i Jesosy. Tena nanam-pinoana izy ireo, ary nanetry tena ka nanaiky hahitsy. Marina fa hevi-diso no nahatonga azy ireo hanontany, nefa hita avy amin’izany fa tsara ny toe-tsainy. Imbetsaka i Jesosy no nampirisika ny mpanara-dia azy hoe: “Miambena hatrany.” (Mat. 24:42; 25:13; 26:41) Mailo izy ireo ka nandinika tsara mba hahitana porofo fa efa hanao zavatra i Jehovah. Tokony hiezaka hanana toe-tsaina toy izany isika ankehitriny. Vao mainka tena ilaina izany amin’izao fifaranan’ny “andro farany” izao.—2 Tim. 3:1-5.

11, 12. a) Nirahin’i Jesosy hanao inona ny mpanara-dia azy? b) Nahoana no tena nety ny niresahan’i Jesosy momba ny fanahy masina, tamin’izy naniraka ny mpianany hitory?

11 Nampahatsiahivin’i Jesosy an’ireo apostoly izay tokony hoheverin’izy ireo ho zava-dehibe. Hoy izy: “Hahazo hery ... ianareo rehefa tonga aminareo ny fanahy masina, ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ianareo.” (Asa. 1:8) Ao Jerosalema, tanàna namonoana an’i Jesosy, no hotorina voalohany ilay vaovao hoe natsangana tamin’ny maty izy. Hotorina eran’i Jodia izany avy eo, vao any Samaria, ary any an-tany lavitra.

12 Nety ny nataon’i Jesosy, satria talohan’ny nanirahany azy ireo hitory, dia nampanantena indray izy fa hanome fanahy masina mba hanampiana azy ireo. Eo no miseho voalohany ao amin’ny Asan’ny Apostoly ny teny hoe “fanahy masina”, izay hita in-40 mahery ao. Imbetsaka io boky io no manasongadina fa tsy afaka manao ny sitrapon’i Jehovah isika, raha tsy ampian’ny fanahy masina. Tena ilaina àry ny mangataka azy io tsy tapaka amin’ny alalan’ny vavaka. (Lioka 11:13) Izao no fotoana tena ilantsika azy io.

13. Irahina hitory amin’iza ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny? Nahoana isika no tokony hazoto hitory?

13 Tsy toy ny tamin’izany andro izany intsony izao ny hevitry ny hoe “faritra lavitra indrindra amin’ny tany.” Hitantsika tao amin’ny toko teo aloha anefa fa nanaiky tanteraka hanao ilay asa fitoriana nanirahana azy ny Vavolombelon’i Jehovah. Fantany mantsy fa tian’Andriamanitra handre ny vaovao tsara momba ny Fanjakany ny karazan’olona rehetra. (1 Tim. 2:3, 4) Mazoto manao an’io asa mamonjy aina io ve ianao? Tsy hahita asa mahafa-po noho io ianao! Hanome anao ny hery ilaina hanaovana azy io i Jehovah. Ny Asan’ny Apostoly dia hiresaka betsaka momba ny fomba mahomby sy toe-tsaina mila hananana, mba hahitana vokatra amin’io asa io.

14, 15. a) Inona no nolazain’ny anjely momba ny fiverenan’i Kristy, ary inona no tiany holazaina? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.) b) Hazavao fa toy ny “fomba” niakaran’i Kristy tany an-danitra ihany no niverenany.

14 Hitantsika teo am-piandohan’ity toko ity, fa niakatra nankany an-danitra i Jesosy ary tsy hita intsony. Mbola nijoro nibanjina ny lanitra teo foana anefa ny apostoly 11. Farany, dia nisy anjely roa niseho, izay somary nibedy azy ireo hoe: “Ry lehilahy galilianina, nahoana ianareo no mijoro eto mijery ny lanitra? Iny Jesosy nakarina niala taminareo ho any an-danitra iny, dia ho avy amin’iny fomba iny ihany, toy ilay nahitanareo azy niakatra tany an-danitra.” (Asa. 1:11) Te hilaza ve ireo anjely fa iny vatan’i Jesosy nentiny niakatra iny ihany no hiverenany, araka ny ampianarin’ny fivavahana sasany? Tsia. Ahoana no ahalalantsika izany?

15 Nilaza ireo anjely fa hiverina “amin’iny fomba iny ihany” i Jesosy, fa tsy hoe amin’iny bika nahitana azy iny. * Tamin’ny fomba ahoana no niakarany? Efa tsy hita intsony izy rehefa niteny ireo anjely. Ny apostoly ihany, izany hoe lehilahy vitsivitsy monja, no nahalala fa niala teto an-tany i Jesosy ary lasa nankany amin’ny Rainy any an-danitra. Toy izany koa ny fiverenan’i Kristy. Ary izany tokoa no nitranga! Izay tena mahazo ny hevitry ny Soratra Masina ihany no mahalala fa efa manatrika i Jesosy, ary efa mpanjaka. (Lioka 17:20) Mila mahafantatra ny porofon’ny fanatrehany isika, ary milaza izany amin’ny hafa mba hahalalan’izy ireo koa fa efa akaiky ny farany.

“Asehoy izay nofidinao” (Asa. 1:13-26)

16-18. a) Inona no ianarantsika momba ny fivoriana kristianina, araka ny Asan’ny Apostoly 1:13, 14? b) Inona no ianarantsika avy amin’ny ohatr’i Maria renin’i Jesosy? d) Nahoana no zava-dehibe amintsika ny fivoriana?

16 Tsy mahagaga raha “faly be [ny apostoly] rehefa niverina tany Jerosalema.” (Lioka 24:52) Hanaraka ny toromarik’i Kristy ve izy ireo? Nivory tao amin’ny “efitrano ambony rihana” izy ireo, hoy ny Asan’ny Apostoly 1:13, 14. Misy tsipiriany mahaliana antsika momba an’ireny fivoriana ireny. Nisy rihana ny ankabeazan’ny trano tany Palestina, ary avy tany an-tokotany ny tohatra nankao. Mety ho tao ambony rihana tamin’ilay tranon’ny renin’i Marka, voaresaka ao amin’ny Asan’ny Apostoly 12:12, io “efitrano ambony rihana” io. Na ahoana na ahoana, dia toa efitrano tsotra fivorian’ny mpanara-dia an’i Kristy ilay izy. Iza anefa no nivory tao, ary inona no nataon’izy ireo?

17 Mariho fa tsy ny apostoly ihany no nivory tao, ary tsy ny lehilahy fotsiny koa. Teo koa ny “vehivavy sasany”, toa an’i Maria renin’i Jesosy. Io no andininy farany miresaka an’i Maria, ao amin’ny Baiboly. Tsy nahagaga raha teo izy. Tsy nitady laza mantsy izy fa nanetry tena, ka niara-nivory tamin’ireo anadahiny sy rahavaviny ara-panahy. Tena nampahery azy ny nahita ny zanany lahy efatra niaraka taminy teo. Tsy mpino mantsy ireo zanany ireo, fony fahavelon’i Jesosy. (Mat. 13:55; Jaona 7:5) Niova anefa izy ireo taorian’ny nahafatesan’i Jesosy sy nananganana azy tamin’ny maty.—1 Kor. 15:7.

18 Mariho koa ny antony nivorian’ireo mpianatra ireo: “Naharitra nivavaka tao anatin’ny firaisan-tsaina izy rehetra.” (Asa. 1:14) Zava-dehibe tamin’ny Kristianina foana ny fiaraha-mivory. Mivory isika mba hifampahery, hianatra, handray torohevitra, ary indrindra fa hivavaka amin’i Jehovah Raintsika any an-danitra. Tena mahafaly azy ny vavaka sy ny hira fiderana ataontsika any am-pivoriana, sady zava-dehibe amintsika. Enga anie isika tsy hahafoy mihitsy an’ireny fivoriana masina sy mampahery ireny!—Heb. 10:24, 25.

19-21. a) Nitana andraikitra teo anivon’ny fiangonana i Petera. Inona no ianarantsika avy amin’izany? b) Nahoana no nila nosoloana i Jodasy, ary inona no ianarantsika avy amin’ny fomba nanoloana azy?

19 Nisy zava-dehibe tsy maintsy nalamin’ireo mpanara-dia an’i Kristy ireo, ka ny apostoly Petera no nandray an-tanana ny raharaha. (Asa. 1:15-26) Tsy mampahery tokoa ve ny mahalala fa niova be i Petera, nefa vao herinandro vitsy monja izy no nanda ny Tompony intelo? (Mar. 14:72) Mora manota isika rehetra, ka mila ampahatsiahivina hoe “tsara toetra sy vonona hamela heloka” an’izay tena mibebaka i Jehovah.—Sal. 86:5.

20 Takatr’i Petera fa tokony hosoloana i Jodasy, ilay apostoly namadika an’i Jesosy. Hosoloana an’iza anefa? Nilaza i Petera fa tokony ho iray amin’ireo niaraka tamin’i Jesosy nandritra ny fanompoany ilay apostoly vaovao, sady vavolombelon’ny nitsanganany tamin’ny maty. (Asa. 1:21, 22) Mifanaraka amin’ity fampanantenan’i Jesosy ity izany: “Hipetraka eo ambony seza fiandrianana roa ambin’ny folo koa ianareo izay efa nanaraka ahy, ka hitsara ny foko roa ambin’ny folon’ny Israely.” (Mat. 19:28) Toa efa fikasan’i Jehovah ny hoe apostoly 12 niaraka tamin’i Jesosy nandritra ny fanompoany teto an-tany, no ho “vato fototra” roa ambin’ny folon’i Jerosalema Vaovao. (Apok. 21:2, 14) Nataon’Andriamanitra takatr’i Petera àry fa tanteraka tamin’i Jodasy ilay faminaniana hoe: “Aoka ho lasan’olon-kafa ny andraikitra notanany.”—Sal. 109:8.

21 Ahoana no nifidianana an’ilay apostoly? Antsapaka no natao, toy ny fanaon’ny olona fahiny. (Ohab. 16:33) Eo ny Baiboly no miresaka farany hoe nampiasaina tamin’izany fomba izany ny antsapaka. Tsy nilaina intsony izany rehefa nilatsaka ny fanahy masina. Mariho anefa ny antony nanaovana antsapaka. Nivavaka toy izao ny apostoly: “Jehovah ô, ianao no mahalala ny fon’ny olona rehetra, koa asehoy izay nofidinao amin’izy roa lahy ireto.” (Asa. 1:23, 24) I Jehovah no tian’izy ireo hisafidy. I Matia no voafidy. Azo inoana fa iray tamin’ireo mpianatra 70 nirahin’i Jesosy hitory izy. Lasa anisan’ny “roa ambin’ny folo lahy” àry i Matia. *Asa. 6:2.

22, 23. Nahoana isika no tokony hanaiky sy hankatò an’ireo mitarika eo anivon’ny fiangonana?

22 Mampahatsiahy antsika io zava-nitranga io fa zava-dehibe ny hoe voalamina ny vahoakan’Andriamanitra. Hatramin’izao, dia misy lehilahy mendri-pitokisana tendrena mba hiandraikitra fiangonana. Mandinika tsara ny fepetra takin’ny Soratra Masina amin’izy ireny ny anti-panahy, ary mivavaka mba hahazo ny fitarihan’ny fanahy masina. Mihevitra azy ireny ho voatendrin’ny fanahy àry ny fiangonana. Mankatò sy manaiky azy ireny isika, ka misy fiaraha-miasa tsara eo anivon’ny fiangonana.—Heb. 13:17.

Manaiky sy mankatò an’ireo mpiandraikitra voatendry foana isika

23 Hitan’ireo mpianatra ireo fa natsangana tamin’ny maty i Jesosy, ary nohatsaraina koa ny fitantanana ny fiangonana. Nampahery azy ireo izany ka vonona tanteraka hiatrika izay hitranga izy ireo. Hisy zava-dehibe hitranga mantsy, ary hiresaka an’izany ny toko manaraka.

^ feh. 4 Misy milaza fa olona ambony mbola tsy mpino i Teofilo, satria miantso azy hoe “Teofilo hajaina” i Lioka ao amin’ny Filazantsarany. Antsoin’i Lioka hoe “Teofilo” fotsiny anefa izy ao amin’ny Asan’ny Apostoly. Misy manam-pahaizana milaza fa lasa mpino i Teofilo rehefa avy namaky ny Filazantsaran’i Lioka. Izany, hoy izy ireo, no nahatonga an’i Lioka tsy nampiasa anaram-boninahitra fa niantso azy toy ny rahalahy kristianina.

^ feh. 15 Ilay teny grika hoe trôpôs, izay midika hoe “fomba”, no ampiasain’ny Baiboly eto, fa tsy môrfe, izay midika hoe “bika.”

^ feh. 21 Notendrena ho “apostoly ho an’ny hafa firenena” i Paoly tatỳ aoriana, nefa tsy anisan’ny 12 lahy. (Rom. 11:13; 1 Kor. 15:4-8) Tsy nahafeno fepetra ho amin’io tombontsoa sarobidy io izy, satria tsy niaraka tamin’i Jesosy nandritra ny fanompoany teto an-tany.