Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 4

‘Tsy dia Nahita Fianarana Sady Olon-tsotra’

‘Tsy dia Nahita Fianarana Sady Olon-tsotra’

Sahy ny apostoly, ary notahin’i Jehovah

Miorina amin’ny Asan’ny Apostoly 3:1–5:11

1, 2. Inona no fahagagana nataon’i Petera sy Jaona teo akaikin’ny vavahadin’ny tempoly?

 NIANTEFA teny amin’ireo vahoaka nisomebiseby ny tara-masoandro folakandro. Indreny fa mitanjozotra ho ao amin’ny tempoly ireo Jiosy tia fivavahana sy ny mpianatr’i Kristy. Efa ho tonga ny “ora fivavahana.” * (Asa. 2:46; 3:1) Tao anatin’ireo vahoaka ireo i Petera sy Jaona, ary nizotra nankany amin’ilay vavahadin’ny tempoly atao hoe Vavahady Kanto, izay nisy varavarana goavana kopa-droa, norakofana halimo namirapiratra. Re ny fitabataban’ny vahoaka sy ny fikasaosaokan’ny tongony. Mbola mafy noho izany anefa ny antsoantson’ny mpangataka iray efa zokinjokiny, izay kilemaina hatrany an-kibon-dreniny.—Asa. 3:2; 4:22.

2 Tamy i Petera sy Jaona ka naverin’ilay rangahy ilay teny fampiasany rehefa mangata-bola. Nijanona izy roa lahy ka nanantena hahazo zavatra ilay rangahy. Hoy anefa i Petera: “Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako kosa no omeko anao: Amin’ny anaran’i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mandehana!” Gaga be ny vahoaka rehefa noraisin’i Petera ny tanan’ilay kilemaina, ka afaka nijoro izy! Sambany izy vao nitsangana! (Asa. 3:6, 7) Nibanjina ny tongony sitrana ilay rangahy, ary nanandrana nandeha. Tsy mahagaga raha nitsambikimbikina izy ary nidera an’Andriamanitra!

3. Inona no fanomezana tsy manam-paharoa azon’ilay rangahy sy ny vahoaka?

3 Nihazakazaka nankeo amin’i Petera sy Jaona teo amin’ny lala-mitafon’i Solomona ny vahoaka, sady gaga. Efa nijoro sy nampianatra teo i Jesosy taloha, ary teo koa i Petera no nanazava ny tena dikan’ilay zava-nitranga. (Jaona 10:23) Sarobidy lavitra noho ny volafotsy sy volamena ny fanomezana nomen’i Petera an’ilay rangahy sy ny vahoaka. Tsy fanasitranana fotsiny ilay izy, fa nampiany koa izy ireo mba ho afaka hibebaka sy ho voavela heloka ary ho tonga mpanara-dia an’i Kristy, ilay notendren’i Jehovah ho ‘Mpitarika Lehibe Indrindra manome fiainana.’—Asa. 3:15.

4. a) Nampifanandrina an’iza ilay fanasitranana mahagaga? b) Inona avy no fanontaniana hovaliantsika?

4 Niavaka tokoa iny andro iny! Sitrana ny olona iray ka afaka nandeha. Olona an’arivony koa no afaka nahazo fanasitranana ara-panahy ka nahay nandeha mendrika an’Andriamanitra. (Kol. 1:9, 10) Noho iny zava-nitranga iny, dia nifanandrina tamin’ny mpanara-dia an’i Kristy ny manam-pahefana, izay niezaka nisakana azy ireo tsy hankatò an’ilay baikon’i Jesosy hitory. (Asa. 1:8) ‘Tsy dia nahita fianarana sady olon-tsotra’ i Petera sy Jaona, nefa inona no ianarantsika avy amin’izy roa lahy rehefa nitory tamin’ny vahoaka izy ireo? * (Asa. 4:13) Ahoana no nataon’izy ireo sy ny mpianatra hafa rehefa nisy fanoherana, ary ahoana no azontsika anahafana azy?

Tsy noho ny “herinay” (Asa. 3:11-26)

5. Inona no ianarantsika avy amin’ny fomba niresahan’i Petera tamin’ny vahoaka?

5 Nijoro teo anoloan’ny vahoaka i Petera sy Jaona. Fantany fa tsy ela izay dia niantsoantso ny hamantsihana an’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana ny sasany tamin’ireo. (Mar. 15:8-15; Asa. 3:13-15) Eritrereto ange ny herim-pon’i Petera e! Sahy nilaza izy hoe ny anaran’i Jesosy no nanasitranana an’ilay kilemaina. Tsy natahotra nilaza ny marina izy, fa notsoriny hoe anisan’ny tompon’andraikitra tamin’ny namonoana an’i Kristy ilay vahoaka. Tsy nanana lolompo tamin’izy ireo anefa i Petera, satria ‘noho ny tsy fahalalany no nanaovan’izy ireo’ izany. (Asa. 3:17) Nantsoiny hoe rahalahy izy ireo, ary ny fitahiana hoentin’ilay Fanjakana no tena noresahiny. Ho tonga ny “fotoana mamelombelona” avy amin’i Jehovah raha mibebaka izy ireo ary mino an’i Kristy. (Asa. 3:19) Tsy tokony hisalasala koa isika fa ho sahy hanambara ny didim-pitsaran’Andriamanitra ho avy. Tsy hivantambantam-piteny na hasiaka na hitsaratsara olona anefa isika. Hihevitra kosa isika fa mety ho lasa rahalahintsika ny olona itoriantsika. Toa an’i Petera, dia ny fitahiana hoentin’ilay Fanjakana no tena resahintsika.

6. Inona no nampiseho fa nanetry tena i Petera sy Jaona?

6 Nanetry tena izy roa lahy, ka tsy nilaza hoe izy no nahavita an’ilay fahagagana. Hoy kosa i Petera: “Nahoana ianareo no mibanjina anay, toy ny hoe ny herinay na ny fahafoizan-tenanay ho an’Andriamanitra no nampandehananay azy?” (Asa. 3:12) Fantatr’i Petera sy ny apostoly hafa fa tsy ny fahaizany no nahavitany an’izay zavatra tsara vitany teo amin’ny fanompoana, fa ny herin’Andriamanitra. Nanetry tena izy ireo ka i Jehovah sy Jesosy no nomeny ny voninahitra rehetra tamin’ny zava-bitany.

7, 8. a) Inona no fanomezana azontsika omena ny olona? b) Ahoana no ahatanterahan’ilay hoe ‘haverina amin’ny laoniny ny zava-drehetra’ ankehitriny?

7 Tokony hanetry tena koa isika rehefa mitory. Tsy manome hery antsika hanaovana fanasitranana mahagaga ny fanahy masina ankehitriny. Azontsika ampiana hino an’Andriamanitra sy Kristy anefa ny olona, ka hahazo an’ilay fanomezana nomen’i Petera, izany hoe ho afaka ny ho voavela heloka sy hahazo famelombelomana avy amin’i Jehovah. Olona ana hetsiny isan-taona no mandray an’io fanomezana io ka lasa Kristianina vita batisa.

8 Ao anatin’ilay fotoana antsoin’i Petera hoe ‘famerenana ny zava-drehetra amin’ny laoniny’ isika ankehitriny. Tanteraka ny teny “nampilazain’Andriamanitra ny mpaminaniny masina fahiny”, rehefa niorina tany an-danitra ilay Fanjakana tamin’ny 1914. (Asa. 3:21; Sal. 110:1-3; Dan. 4:16, 17) Taoriana kelin’izay i Kristy no nanomboka namerina tamin’ny laoniny ny fivavahana marina eto an-tany. Olona an-tapitrisany àry no ao anatin’ny paradisa ara-panahy, ka lasa vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Niala tamin’ny toetra ratsiny taloha izy ireo, ary ‘nitafy ny toetra vaovao izay noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra.’ (Efes. 4:22-24) Tsy herin’olombelona no ahavitana izany asa mahatalanjona izany, fa ny fanahin’Andriamanitra, toy ny nanasitranana an’ilay kilemaina. Tokony ho sahy hampiasa tsara ny Tenin’Andriamanitra toa an’i Petera isika rehefa mampianatra. Tsy ny fahaizantsika no ahavitantsika manampy olona ho tonga mpianatr’i Kristy, fa ny herin’Andriamanitra.

“Tsy azonay atao ny tsy hiteny intsony” (Asa. 4:1-22)

9-11. a) Inona no nataon’ireo lohandohany teo amin’ny Jiosy, noho ny fitorian’i Petera sy Jaona? b) Tapa-kevitra ny hanao inona izy roa lahy?

9 Nisahotaka kely ny olona noho ilay lahatenin’i Petera, sy noho ilay rangahy nitsambikimbikina sy niantsoantso satria sitrana. Nijery haingana ny zava-nisy àry ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly, izay nitandro ny filaminana tao, mbamin’ireo lehiben’ny mpisorona. Azo inoana fa Sadoseo ireo lehilahy ireo. Sekta manankarena sy to teny teo amin’ny firenena ny Sadoseo, ary nitandro fihavanana tamin’ny Romanina. Nolavin’izy ireo ny lalàna am-bava, izay tena tian’ny Fariseo, ary tsy nino ny fitsanganana amin’ny maty izy ireo. * Sosotra izy ireo satria hitany tao amin’ny tempoly i Petera sy Jaona, ary sahy nilaza hoe natsangana tamin’ny maty i Jesosy!

10 Tezitra ny mpanohitra ka nataony am-ponja i Petera sy Jaona, ary notereny hankeo anoloan’ny Fitsarana Avo Jiosy, ny ampitson’iny. Nieritreritra ireo mpitondra nihevi-tena ho ambony ireo fa “tsy dia nahita fianarana izy roa lahy sady olon-tsotra”, ka tsy nanan-jo hampianatra tao amin’ny tempoly. Tsy nianatra tany amin’ny sekoly ara-pivavahana izy roa lahy, nefa sahy niteny sady natoky an’izay nolazainy, ka gaga ny fitsarana. Nahoana i Petera sy Jaona no nahavita izany? Satria efa “niaraka tamin’i Jesosy izy roa lahy.” (Asa. 4:13) Toy ny manana fahefana ny Tompony rehefa nampianatra, fa tsy toy ny mpanora-dalàna.—Mat. 7:28, 29.

11 Nandidy azy roa lahy tsy hitory intsony ilay fitsarana, izay tompon’ny teny farany teo amin’ny Jiosy. Vao herinandro vitsivitsy talohan’izay io fitsarana io no nilaza fa “mendrika ny ho faty” i Jesosy. (Mat. 26:59-66) Tsy natahotra i Petera sy Jaona, na dia olona ambony sy nanan-karena ary nahita fianarana aza no teo anoloany. Niteny tamim-panajana kosa izy ireo hoe: “Ianareo no aoka hitsara raha marina eo imason’Andriamanitra na tsia ny hihaino anareo, fa tsy hihaino an’Andriamanitra. Raha izahay kosa, dia tsy azonay atao ny tsy hiteny intsony momba izay efa hitanay sy renay.”—Asa. 4:19, 20.

12. Inona no hanampy antsika ho be herim-po sy hatoky an’izay lazaintsika?

12 Hanana herim-po toy izany ve ianao? Inona no tsapanao rehefa mitory amin’ny olona ambony, mpanankarena, na nahita fianarana? Ahoana raha maneso ny finoanao ny havana, mpiara-mianatra, na mpiara-miasa? Matahotra ve ianao? Azonao resena izany. Nampianarin’i Jesosy hiaro ny finoany ny apostoly, ka ho sahy sy hanaja olona rehefa manao izany. (Mat. 10:11-18) Nampanantena i Jesosy, rehefa natsangana tamin’ny maty, fa homba ny mpianany foana izy “mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” (Mat. 28:20) Mampianatra antsika hahay hiaro ny finoantsika ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina”, izay tarihin’i Jesosy. (Mat. 24:45-47; 1 Pet. 3:15) Mianatra an’izany isika any am-pivoriana, toy ny amin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Eo koa ireo boky ara-baiboly, toy ny Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina. Mahay manararaotra an’izany ve ianao? Ho be herim-po sy hatoky an’izay lazainao ianao raha manao izany. Tahafo ny apostoly ka aza avela hisy na inona na inona hanakana anao tsy hiresaka an’ireo fahamarinana mahatalanjona hitanao sy renao.

Aza misy avela hanakana anao tsy hiresaka ny fahamarinana tsara be nianaranao

“Nanandra-peo nivavaka tamin’Andriamanitra” izy ireo (Asa. 4:23-31)

13, 14. Inona no tokony hataontsika rehefa tojo fanoherana? Nahoana?

13 Niara-nivory tamin’ny fiangonana i Petera sy Jaona raha vao nivoaka ny fonja. “Nanandra-peo nivavaka tamin’Andriamanitra” izy rehetra, ka nangataka herim-po hitoriana foana. (Asa. 4:24) Fantatr’i Petera tsara fa hadalana ny miantehitra amin’ny herin’ny tena, eo am-piezahana hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Natoky tena mantsy izy herinandro vitsivitsy talohan’io, ka niteny tamin’i Jesosy hoe: “Na hahafoy anao daholo aza ny rehetra noho izay hanjo anao, izaho kosa tsy mba hahafoy anao mihitsy!” Resin’ny tahotr’olona anefa izy avy eo, araka ny efa nolazain’i Jesosy, ka nanda an’ilay namany sy mpampianatra azy. Naka lesona tamin’iny fahadisoany iny i Petera.—Mat. 26:33, 34, 69-75.

14 Nirahina ho vavolombelon’i Kristy isika. Tsy ampy anaovana izany anefa raha fahavononana fotsiny. Tahafo i Petera sy Jaona raha misy mpanohitra mitady hanala anao amin’ny finoana, na hanakana anao tsy hitory. Mivavaha mba homen’i Jehovah hery. Mitadiava fanampiana amin’ny fiangonana, ka lazao amin’ny anti-panahy sy ny olona matotra hafa ny manjo anao. Tena misy heriny ny vavaka ataon’ny hafa.—Efes. 6:18; Jak. 5:16.

15. Nahoana ianao no tsy tokony ho kivy raha efa nisy fotoana tsy nitorianao intsony taloha?

15 Raha efa nisy fotoana tsy nitorianao intsony taloha, dia aza kivy! Tadidio fa tsy nitory nandritra ny fotoana kelikely koa ny apostoly rehetra, taorian’ny nahafatesan’i Jesosy. Tsy ela anefa dia nitory indray izy ireo. (Mat. 26:56; 28:10, 16-20) Aza avela hanakivy anao ireo fahadisoanao. Makà kosa lesona avy amin’ireny, ka ampiasao hampaherezana ny hafa izany.

16, 17. Inona no ianarantsika avy amin’ny vavak’ireo mpianatra tao Jerosalema?

16 Inona no tokony hangatahina amin’ny vavaka rehefa mampahory antsika ny manam-pahefana? Mariho fa tsy nangataka ny hanafoanana ny fitsapana ny mpianatra. Tsaroan’izy ireo tsara mantsy ilay tenin’i Jesosy hoe: “Raha nanenjika ahy izy dia hanenjika anareo koa.” (Jaona 15:20) Nangatahin’izy ireo kosa i Jehovah mba ‘hihaino’ ny fandrahonan’ny mpanohitra. (Asa. 4:29) Takatr’izy ireo fa tanteraka ny faminaniana rehefa enjehina izy ireo. Fantany avy tamin’ilay vavaka nampianarin’i Jesosy fa “hatao etỳ an-tany” ny sitrapon’Andriamanitra, na inona na inona lazain’ny mpitondra olombelona.—Mat. 6:9, 10.

17 Te hanao ny sitrapon’i Jehovah ireo mpianatra, ka nivavaka toy izao: “Ataovy izay hahatonga anay mpanomponao hitory ny teninao amim-pahasahiana be.” Nanao zavatra avy hatrany i Jehovah, ka “nihovotrovotra ilay toerana nivoriany, ary feno fanahy masina izy rehetra, ka nitory ny tenin’Andriamanitra tamim-pahasahiana.” (Asa. 4:29-31) Tsy misy mahasakana ny sitrapon’Andriamanitra tsy ho tanteraka. (Isaia 55:11) Na toa tsy mahita lalan-kivoahana aza isika, ary tena mahery ny mpanohitra, dia afaka matoky isika fa homen’Andriamanitra hery hitoriana ny Teniny amim-pahasahiana foana, raha manandra-peo mivavaka aminy.

‘Tsy olona fa Andriamanitra’ no hanao ampamoaka (Asa. 4:32–5:11)

18. Inona no nataon’ireo anisan’ny fiangonana tao Jerosalema ho an’ny mpiray finoana taminy?

18 Vetivety dia nitombo ilay fiangonana vao niforona tao Jerosalema, ka lasa 5 000 mahery ny olona anisan’izy io. * Samy hafa fiaviana izy ireo nefa “iray fo sy iray saina.” (Asa. 4:32; 1 Kor. 1:10) Nivavaka ny mpianatra mba hitahian’i Jehovah ny ezaka nataony. Tsy vitan’izany fa nifanohana teo amin’ny lafiny ara-panahy koa izy ireo, ary nifanampy rehefa nilaina izany. (1 Jaona 3:16-18) Nivarotra ny taniny, ohatra, i Josefa, ilay mpianatra nantsoin’ny apostoly hoe Barnabasy. Foiny daholo ny vidin’ilay tany, mba hanampiana an’ireo avy lavitra ho afaka hijanona ela kokoa tao Jerosalema. Ho afaka handalina an’ilay finoany vaovao izy ireo amin’izay.

19. Nahoana no novonoin’i Jehovah i Ananiasy sy Safira?

19 Nivarotra ny taniny koa i Ananiasy sy Safira, ary nanao fanomezana. Nilaza izy mivady fa nanome ny vola rehetra, nefa “nisy notazoniny mangingina ho azy” ilay izy. (Asa. 5:2) Novonoin’i Jehovah izy mivady. Tsy hoe satria tsy ampy ny vola nomeny, fa satria antony ratsy no nanaovany fanomezana, sady namitaka izy mivady. ‘Tsy olona no nofitahiny, fa Andriamanitra.’ (Asa. 5:4) Nitovy tamin’ireo mpihatsaravelatsihy nomelohin’i Jesosy i Ananiasy sy Safira. Voninahitra avy amin’olombelona no zava-dehibe taminy, fa tsy ny fankasitrahan’Andriamanitra.—Mat. 6:1-3.

20. Inona no tokony hotadidintsika rehefa manao fanomezana ho an’i Jehovah?

20 Nalala-tanana ireo mpianatra tao Jerosalema. Manahaka azy ireo ny Vavolombelona an-tapitrisany ankehitriny, ka manao fanomezana an-tsitrapo mba hanohanana ny asa fitoriana maneran-tany. Tsy misy terena hanokana fotoana na hanome vola ho amin’io asa io. Tsy tian’i Jehovah hanompo azy amin’alahelo na an-tery isika. (2 Kor. 9:7) Tsy ny habetsahan’ny vola omentsika no mahaliana an’i Jehovah, fa ny antony anomezantsika izany. (Mar. 12:41-44) Tsy irintsika mihitsy ny hitovy amin’i Ananiasy sy Safira. Mitandrina isika mba tsy hanompo an’Andriamanitra noho ny fitadiavana tombontsoa na voninahitra. Aoka kosa isika hanahaka an’i Petera sy Jaona ary Barnabasy, ka ny tena fitiavana an’i Jehovah sy ny mpiara-belona no anompoantsika an’Andriamanitra.—Mat. 22:37-40.

^ feh. 1 Nisy vavaka natao tao amin’ny tempoly, tamin’ny fotoan’ny fanatitra maraina sy hariva. Tamin’ny “ora fahasivy” ny fanatitra hariva, izany hoe tamin’ny telo tolakandro.

^ feh. 4 Jereo ireto efajoro ireto: “ Petera: Mpanarato Lasa Apostoly Nafana Fo”, pejy 30, sy “ Jaona: Ilay Mpianatra Tian’i Jesosy.”

^ feh. 18 Angamba tsy nisy afa-tsy Fariseo 6 000 teo ho eo, sy Sadoseo 6 000 latsaka kely, tao Jerosalema, tamin’ny taona 33. Izany koa angamba no vao mainka nampahatahotra azy ireo rehefa niely ny fampianaran’i Jesosy.