Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 21

“Afaka Amin’ny Ran’ny Olona Rehetra Aho”

“Afaka Amin’ny Ran’ny Olona Rehetra Aho”

Be zotom-po tamin’ny fanompoana i Paoly, ary nanome torohevitra an’ireo anti-panahy

Miorina amin’ny Asan’ny Apostoly 20:1-38

1-3. a) Tantarao ny zava-nitranga tamin’ny fotoana nahafatesan’i Eotyka. b) Inona no nataon’i Paoly, ary inona no toetrany fantatsika avy amin’izany?

 FENO hipoka ilay efitrano ambony rihana tao Troasy. Nandaha-teny ela be tao i Paoly, satria io no alina farany niarahany tamin’ireo rahalahy tany. Efa nisasaka ny alina. Nisy jiro maromaro nirehitra tao, ka vao mainka nafana tao an-trano. Nanjavozavo koa angamba tao, noho ny setroka. Nipetraka teo am-baravarankely ny tovolahy iray atao hoe Eotyka. Resin-tory izy raha mbola nandaha-teny i Paoly, ka nianjera avy teny amin’ny rihana faharoa.

2 Dokotera i Lioka, ka nety ho anisan’ireo voalohany nihazakazaka nankany an-tokotany mba hijery an’i Eotyka. “Rehefa narenina izy, dia hita [tokoa] fa maty.” (Asa. 20:9) Nisy fahagagana anefa avy eo. Niantoraka teo amin’ilay tovolahy i Paoly, ka nilaza hoe: “Aza miantsoantso intsony fa efa niverina ny ainy.” Natsangan’i Paoly tamin’ny maty i Eotyka!—Asa. 20:10.

3 Asehon’io tantara io fa mahery ny fanahy masina. Tsy nisy fahadisoan’i Paoly ny nahafatesan’i Eotyka, nefa tsy tiany hanamatroka an’io fotoan-dehibe io izany, sady tsy tiany hanafintohina olona. Natsangany tamin’ny maty àry i Eotyka, ka nampionona ny fiangonana izany sady nampahery azy ireo hanohy ny fanompoana. Hita avy amin’izany fa tena tsapan’i Paoly hoe nanana andraikitra hamonjy ain’olona izy. Tadidio ilay teniny hoe: “Afaka amin’ny ran’ny olona rehetra aho.” (Asa. 20:26) Andeha hojerentsika ny ohatra navelany mba hanahafantsika azy.

‘Nankany Makedonia izy’ (Asa. 20:1, 2)

4. Inona no nanjo an’i Paoly tany Efesosy?

4 Noresahin’ny toko teo aloha fa mafy ny nanjo an’i Paoly tao Efesosy. Niteraka korontana tao mantsy ny fitoriany. Anisan’ireo mpirotaka ny mpanefy volafotsy, satria niankina tamin’ny fivavahana tamin’i Artemisy ny fidiram-bolany. Hoy ny Asan’ny Apostoly 20:1: “Rehefa nitsahatra ilay savorovoro, dia nampaka ny mpianatra i Paoly. Koa nampahery sy nanao veloma azy ireo izy, ary nankany Makedonia avy eo.”

5, 6. a) Mety ho nijanona hafiriana tany Makedonia i Paoly, ary inona no nataony ho an’ny rahalahy tany? b) Ahoana no niheveran’i Paoly an’ireo mpiray finoana taminy?

5 Rehefa ho any Makedonia i Paoly, dia nijanona tao Troasy. Nisy seranan-tsambo tao. Nantenainy hihaona taminy tao i Titosy, taorian’ny iraka nampanaoviny azy tany Korinto. (2 Kor. 2:12, 13) Hitany anefa fa tsy tonga i Titosy, ka nankany Makedonia izy, ary angamba nijanona tany herintaona teo ho eo. “Nanao teny maro mba hampaherezana an’ireo mpianatra” tany izy. * (Asa. 20:2) Nankany amin’i Paoly tany Makedonia i Titosy, tamin’ny farany. Nitondra vaovao tsara izy, dia ny hoe nandray tsara an’ilay taratasy voalohany nosoratan’i Paoly ny Korintianina. (2 Kor. 7:5-7) Nanoratra ho azy ireo indray àry i Paoly, ka io ilay antsointsika hoe 2 Korintianina.

6 Mariho fa nilaza i Lioka hoe nampahery foana an’ireo rahalahy i Paoly, na tany Efesosy na tany Makedonia. Mampiseho tsara ny fiheveran’i Paoly ny mpiray finoana taminy izany. Tsy toa an’ireo Fariseo mpanambany olona izy, fa nihevitra ny Kristianina hafa ho mpiara-miasa aminy. (Jaona 7:47-49; 1 Kor. 3:9) Izany foana no toe-tsainy, na tamin’ny fotoana tsy maintsy nanomezany torohevitra hentitra aza.—2 Kor. 2:4.

7. Ahoana no azon’ny anti-panahy anahafana an’i Paoly?

7 Miezaka manahaka an’i Paoly ny anti-panahy sy ny mpiandraikitra mpitety faritany ankehitriny. Ny hampahery no tanjon’izy ireo, na dia rehefa mananatra aza. Mangoraka antsika izy ireo ka miezaka ny hampahery fa tsy hanameloka. Hoy ny mpiandraikitra mpitety faritany iray efa za-draharaha: ‘Te hanao izay mety ny ankamaroan’ny rahalahy sy anabavintsika, saingy matetika izy ireo no miady mafy satria kivy sy matahotra ary tsy afa-manoatra.’ Afaka mampahery ny mpiray finoana toy ireny ny anti-panahy.—Heb. 12:12, 13.

‘Nisy nitetika ny hamono azy’ (Asa. 20:3, 4)

8, 9. a) Inona no nampiova hevitra an’i Paoly tsy ho any Syria? b) Inona no mety ho nahatonga ny Jiosy hankahala mafy an’i Paoly?

8 Niala tany Makedonia i Paoly ka nankany Korinto, ary nijanona telo volana tany. * Te ho any Kenkrea izy avy eo, mba handray sambo ho any Syria, ka ho afaka hankany Jerosalema mba hitondra an’ireo fanomezana ho an’ny rahalahy sahirana tany. * (Asa. 24:17; Rom. 15:25, 26) Nisy zavatra tsy nampoizina anefa nampiova hevitra an’i Paoly. Hoy ny Asan’ny Apostoly 20:3: “Nisy Jiosy nitetika ny hamono azy.”

9 Tsy nahagaga raha nankahala mafy an’i Paoly ny Jiosy, satria nihevitra azy ho mpivadi-pinoana. Tamin’izy nitory farany tao Korinto, dia lasa Kristianina i Krispo, olona ambony tao amin’ny synagogan’i Korinto. (Asa. 18:7, 8; 1 Kor. 1:14) Notorin’ny Jiosy tany amin’i Galio, governoram-paritr’i Akaia, koa i Paoly tamin’izay. Tsy marim-pototra anefa ireo fiampangana ka nofoanan’i Galio ilay fitsarana. Romotra àry ny fahavalon’i Paoly. (Asa. 18:12-17) Mety ho efa fantapantatry ny Jiosy tao Korinto, fa tsy ho ela i Paoly dia handray sambo tao Kenkrea, izay tsy lavitra teo. Nitetika ny hamono azy tao Kenkrea àry ny Jiosy. Ahoana no hataon’i Paoly?

10. Kanosa ve i Paoly satria tsy nankany Kenkrea? Hazavao.

10 Tsy nankany Kenkrea indray i Paoly, fa naleony niverina tany Makedonia. Ho voatsimbina ny ainy amin’izay, ary tsy ho very ilay vola nankinina taminy. Nampidi-doza koa anefa ny nandeha an-tanety, satria matetika no nisy jiolahy niafina teny an-dalana, ary tsy azo antoka na ny hotely fatoriana aza. Naleon’i Paoly anefa nisetra an’izany rehetra izany, toy izay hahita loza tany Kenkrea. Soa ihany fa tsy nandeha irery izy tamin’io ampahany tamin’ilay dia misionera nataony io. Anisan’ny niaraka taminy mantsy i Aristarko, Gaio, Sekondo, Sopatera, Timoty, Trofimo, ary Tykiko.—Asa. 20:3, 4.

11. Mitandrina ny Kristianina mba tsy hisetra loza. Ahoana no anaovany izany? Inona no ohatra navelan’i Jesosy momba izany?

11 Manao toa an’i Paoly koa ny Kristianina ankehitriny, ka mitandrina mba tsy hisetra loza rehefa eny amin’ny fanompoana. Tsy mandeha irery, ohatra, izy ireo any amin’ny toerana sasany fa miaraka maromaro, na tsiroaroa, fara fahakeliny. Ary ahoana raha misy fanenjehana? Fantatry ny Kristianina fa tsy maintsy misy ny fanenjehana. (Jaona 15:20; 2 Tim. 3:12) Tsy minia manao vivery ny ainy anefa izy ireo. Diniho ny ohatr’i Jesosy. Indray andro, dia naka vato hitorahana azy ny mpanohitra tao Jerosalema, ka “niafina [izy] ary niala tao amin’ny tempoly.” (Jaona 8:59) Nitetika ny hamono azy ny Jiosy, tatỳ aoriana, ka ‘tsy nandehandeha an-karihary teo amin’ny Jiosy intsony izy, fa niala teo ka nankany amin’ny faritra akaikin’ny tany efitra.’ (Jaona 11:54) Nitandrina i Jesosy mba tsy hisetra loza, rehefa tsy nifanohitra tamin’ny sitrapon’Andriamanitra izany. Toy izany koa no ataon’ny Kristianina ankehitriny.—Mat. 10:16.

“Fampiononana lehibe no azon’izy ireo” (Asa. 20:5-12)

12, 13. a) Inona no vokatry ny nananganana an’i Eotyka tamin’ny maty? b) Inona no fanantenana omen’ny Baiboly ka mampionona an’ireo nidonam-pahoriana?

12 Toa nisara-dalana i Paoly sy ireo niaraka taminy rehefa avy namakivaky an’i Makedonia. Azo inoana fa nihaona tany Troasy indray izy ireo. * Hoy ilay fitantarana: “Tonga tany amin’izy ireo tany Troasy tao anatin’ny dimy andro” izahay. * (Asa. 20:6) Tao no nitranga ilay fananganana amin’ny maty voaresaka tetsy am-piandohana, dia ny nananganana an’i Eotyka. Inona no vokatr’izany teo amin’ireo rahalahy? “Fampiononana lehibe no azon’izy ireo”, hoy ny Baiboly.—Asa. 20:12.

13 Tsy misy fahagagana toy izany intsony ankehitriny. “Fampiononana lehibe” anefa no azon’ireo nidonam-pahoriana, satria mampanantena fitsanganana amin’ny maty ny Baiboly. (Jaona 5:28, 29) Eritrereto ange e! Tsy lavorary i Eotyka ka maty indray tatỳ aoriana. (Rom. 6:23) Manantena ny hiaina mandrakizay anefa ireo hatsangana amin’ny maty ao amin’ny tontolo vaovao. Tsy mety maty kosa ireo hatsangana amin’ny maty mba hiara-manjaka amin’i Jesosy any an-danitra. (1 Kor. 15:51-53) “Fampiononana lehibe” àry no azontsika Kristianina, na voahosotra isika na “ondry hafa.”—Jaona 10:16.

“Ampahibemaso sy isan-trano” (Asa. 20:13-24)

14. Inona no nolazain’i Paoly tamin’ny anti-panahin’i Efesosy, rehefa nihaona tao Mileto izy ireo?

14 Niala tao Troasy ry Paoly ka nankany Aso, Mitylena, Kio, Samo, ary Mileto. Ny ho tonga ara-potoana tany Jerosalema tamin’ny andro Pentekosta no tanjon’i Paoly, tamin’io diany niverina io. Tsy andriny izay hahatongavana tany, ka sambo tsy nivily tao Efesosy no nandehanany. Naniry hiresaka tamin’ny anti-panahin’i Efesosy anefa izy, ka nampanantsoiny izy ireo mba hihaona taminy tao Mileto. (Asa. 20:13-17) Rehefa tonga izy ireo, dia hoy i Paoly: “Fantatrareo tsara ny fanaoko nandritra ny fotoana rehetra niarahako taminareo, hatramin’ilay andro voalohany nanitsahako ny faritr’i Azia, ka nanompoako ny Tompo tamim-panetren-tena tanteraka sy tamin-dranomaso ary tao anatin’ny fitsapana nanjo ahy noho ny teti-dratsin’ny Jiosy. Ary tamin’izany dia tsy niahotra aho nilaza taminareo izay rehetra nahasoa, sy nampianatra anareo ampahibemaso sy isan-trano. Ary nanome fanazavana feno tamin’ny Jiosy sy ny Grika aho, momba ny fibebahana amin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy Tompontsika.”—Asa. 20:18-21.

15. Inona avy no mahatsara ny fitoriana isan-trano?

15 Mampiasa fomba maro isika hitoriana ny vaovao tsara. Manahaka an’i Paoly isika ka miezaka mankeny amin’izay misy olona, na eny amin’ny fijanonan’ny bisy izany, na eny amin’ny lalana be olona, na eny an-tsena. Ny fitoriana isan-trano anefa no fomba lehibe indrindra itorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nahoana? Rehefa mitory isan-trano isika, dia afaka mandre tsy tapaka ny hafatra momba ilay Fanjakana ny olona rehetra, ka hita avy amin’izany fa tsy manavakavaka Andriamanitra. Azo ampiana arakaraka izay ilainy koa ny olona tso-po, noho ny fitoriana isan-trano. Manatanjaka ny finoan’ny mpitory koa izy io, ary manampy azy hanam-paharetana. Ny fahazotoana mitory “ampahibemaso sy isan-trano” tokoa no amantarana ny tena Kristianina.

16, 17. Inona no porofo fa be herim-po i Paoly, ary ahoana no anahafantsika azy?

16 Nilaza tamin’ireo anti-panahin’i Efesosy i Paoly fa tsy fantany izay loza miandry azy, rehefa ho tonga any Jerosalema izy. Hoy izy: “Tsy heveriko ho zava-dehibe anefa ny aiko, toy ny hoe sarobidy amiko, raha mba azoko atao ihany ny hamita ny fihazakazahako sy ny fanompoana izay noraisiko tamin’i Jesosy Tompo, dia ny hitory amin’ny fomba feno ny vaovao tsara ny amin’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra.” (Asa. 20:24) Be herim-po i Paoly, ka tsy nisy na inona na inona navelany hanakana azy tsy hamita ny asa nanendrena azy, na aretina izany na fanoherana mafy.

17 Maro koa ny zava-tsarotra iaretan’ny Kristianina ankehitriny. Enjehina ny sasany, na miaritra ny mafy noho ny fandraran’ny fanjakana. Eo koa ireo misikina herim-po mba hiadiana amin’ny aretina sy ny fahakiviana. Miady mafy amin’ny fitaoman’ny mpiara-mianatra aminy koa ny tanora. Na inona na inona anefa mitranga, dia tsy mivadika ny Vavolombelon’i Jehovah, toa an’i Paoly. Tapa-kevitra ny “hitory amin’ny fomba feno ny vaovao tsara” izy ireo.

“Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra” (Asa. 20:25-38)

18. Inona no nataon’i Paoly mba tsy hananana trosan-dra, ary ahoana no azon’ny anti-panahin’i Efesosy anahafana azy?

18 Nananatra nivantana an’ireo anti-panahin’i Efesosy i Paoly avy eo, ka ny tenany no nataony ohatra. Nolazainy azy ireo aloha fa mety ho io no fotoana farany ahitan’izy ireo azy. Hoy izy avy eo: “Afaka amin’ny ran’ny olona rehetra aho, satria tsy niahotra nilaza taminareo ny sitrapon’Andriamanitra rehetra.” Ahoana no azon’ny anti-panahin’i Efesosy anahafana an’i Paoly, ka tsy hananan’izy ireo trosan-dra? Hoy i Paoly tamin’izy ireo: “Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanendren’ny fanahy masina anareo ho mpiandraikitra, mba hiandrasanareo ny fiangonan’Andriamanitra, izay novidiny tamin’ny ran’ny Zanany.” (Asa. 20:26-28) Nampitandrina i Paoly fa hisy “amboadia masiaka” hiditra mangingina eo anivon’ny andian’ondry, ka ‘hanolana hevi-teny mba hitaomana ny mpianatra hanaraka azy.’ Inona no tokony hataon’ny anti-panahy? Hoy i Paoly: “Miambena hatrany, ary tadidio fa tsy nitsahatra nananatra ny tsirairay taminareo tamin-dranomaso aho nandritra ny telo taona, na andro na alina.”—Asa. 20:29-31.

19. Inona ilay fivadiham-pinoana nitranga tamin’ny faramparan’ny taonjato voalohany? Inona no vokatr’izany nandritra ireo taonjato nanaraka?

19 Nipoitra ny “amboadia masiaka” tamin’ny faramparan’ny taonjato voalohany. Hoy ny apostoly Jaona, tamin’ny taona 98 tany ho any: “Efa misy antikristy maro sahady izao ... Niala tamintsika izy ireny, fa tsy mba namantsika. Mbola ho niaraka tamintsika ihany mantsy izy raha namantsika.” (1 Jaona 2:18, 19) Noho io fivadiham-pinoana io, dia nanjary nisy mpitondra fivavahana tao amin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina, tamin’ny taonjato fahatelo. Neken’i Constantin Mpanjaka ho ara-dalàna koa io “Fivavahana Kristianina” sandoka io, tamin’ny taonjato fahefatra. ‘Nanolana hevi-teny’ ny mpitondra fivavahana rehefa nanaraka an’ireo fombafomban’ny mpanompo sampy, izay mody natao hoe fanao kristianina. Mbola hita eo amin’ny fampianarana sy ny fombafomban’ireny fivavahana ireny ny vokatr’io fivadiham-pinoana io.

20, 21. Inona no mampiseho fa nahafoy tena i Paoly, ary ahoana no azon’ny anti-panahy anahafana azy ankehitriny?

20 Nisy olona nanararaotra ny ondry, tatỳ aoriana. Tsy toa azy ireny mihitsy anefa i Paoly, fa namelon-tena mba tsy ho enta-mavesatra ho an’ny fiangonana. Tsy nitady tombony tamin’izay nataony ho an’ny mpiray finoana taminy izy. Nampirisihin’i Paoly hahafoy tena ireo anti-panahin’i Efesosy. Nilaza izy fa ‘tsy maintsy manampy an’ireo mila ampiana’ izy ireo, ary ‘tsy maintsy mahatsiaro ny tenin’i Jesosy Tompo manao hoe: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” ’—Asa. 20:35.

21 Mahafoy tena toa an’i Paoly ny anti-panahy ankehitriny, fa tsy sahala amin’ireo mpitondra fivavahana milaza azy ho Kristianina, izay mitsentsitra ny andian’ondry fotsiny. Tsy mitady tombony ireo notendrena ‘hiandry ny fiangonan’Andriamanitra’, rehefa manatontosa ny andraikiny. Tsy tokony hisy Kristianina hirehareha sy hihevi-tena ho ambony eo anivon’ny fiangonana, satria ho lavo izay ‘mitady voninahitra ho an’ny tenany.’ (Ohab. 25:27) Tsy maintsy ho afa-baraka izay manambony tena.—Ohab. 11:2.

‘Nitomany mafy izy rehetra.’​—Asan’ny Apostoly 20:37

22. Inona no nahatonga ny anti-panahin’i Efesosy ho tia an’i Paoly?

22 Tena tia an’ireo rahalahy i Paoly ka lasa tian’izy ireo. Rehefa handeha i Paoly, dia “nitomany mafy ... izy rehetra, ary namihina ny vozon’i Paoly, ka nanoroka azy tamim-pitiavana.” (Asa. 20:37, 38) Tena mankasitraka sy tia an’ireo mahafoy tena mikarakara ny andian’ondry ny Kristianina. Tsy miaiky ve ianao, rehefa avy nandinika ny modely tsara navelan’i Paoly, fa tsy nirehareha na nanitatra izy rehefa nilaza hoe: “Afaka amin’ny ran’ny olona rehetra aho”?—Asa. 20:26.

^ feh. 8 Tamin’io dian’i Paoly tany Korinto io angamba no nanoratany ny taratasiny ho an’ny Romanina.

^ feh. 8 Jereo ilay efajoro hoe “ Nanatitra Fanampiana i Paoly.”

^ feh. 12 Mampiasa ny teny hoe “anay” sy “izahay” i Lioka ao amin’ny Asan’ny Apostoly 20:5, 6. Toa midika izany fa niaraka tamin’i Paoly indray izy tao Filipy. Navelan’i Paoly tao Filipy mantsy izy teo aloha.—Asa. 16:10-17, 40.

^ feh. 12 Nanohitra rivotra angamba ny sambon’izy ireo, matoa dimy andro vao vita ilay dia avy tao Filipy nankany Troasy, nefa roa andro monja no nanaovany izany teo aloha.—Asa. 16:11.