TOKO 20
“Niely Be ... Sady vao Mainka Nisy Heriny Be”, na teo aza ny Fanoherana
Nandresy foana ny vaovao tsara, ary nandray anjara tamin’izany i Apolosy sy Paoly
Miorina amin’ny Asan’ny Apostoly 18:23–19:41
1, 2. a) Inona no nanjo an’i Paoly sy ny namany, tao Efesosy? b) Inona no hodinihintsika ato amin’ity toko ity?
NITABATABA sy niantsoantso ireo vahoaka nirodorodo eran’ny lalan’i Efesosy. Nanomboka nirotaka ny olona. Nosamborina sy notaritaritina ny roa tamin’ireo mpiara-dia tamin’ny apostoly Paoly. Vetivety dia nangina ilay lala-mitafo feno fivarotana tao an-tanàna, satria vao mainka nisahotaka ny vahoaka, ka nirohotra nankao amin’ny toerana iray fanaovana fampisehoana, izay nahazaka olona 25 000. Tsy nahalala ny anton’ilay sahotaka ny ankamaroan’ireo vahoaka romotra ireo, fa niahiahy fotsiny hoe notadiavin’ny sasany hatao an-kasomparana ny tempolin’izy ireo sy ilay andriamanibavy tena maminy, dia i Artemisy. Nanomboka niantsoantso tsy an-kijanona àry izy ireo hoe: “Lehibe i Artemisin’ny Efesianina!”—Asa. 19:34.
2 Hitantsika eo indray fa nampiasa vahoaka mahery setra i Satana, mba tsy hielezan’ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy izany ihany anefa no paikadiny. Hodinihintsika ato amin’ity toko ity ny tetika maromaro nampiasainy mba hanakantsakanana ny asan’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany sy handravana ny firaisan-tsain’izy ireo. Ho hitantsika koa fa nandamòka daholo ny paikadiny, satria “noho ny herin’i Jehovah ... dia mbola niely be foana ny teniny sady vao mainka nisy heriny be tamin’ny olona.” (Asa. 19:20) Nahoana no nivoaka ho mpandresy ireo Kristianina ireo? Satria an’i Jehovah ny fandresena. Izany koa no mahatonga antsika ho mpandresy ankehitriny. Tsy maintsy manao ny anjarantsika anefa isika, toa an’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Manampy antsika ny fanahin’i Jehovah, ka afaka manana ny toetra ilaina mba hahitam-bokatra eo amin’ny fanompoana isika. Andeha aloha isika handinika ny ohatr’i Apolosy.
“Tena nahay Soratra Masina” izy (Asa. 18:24-28)
3, 4. Inona no lesoka hitan’i Akoila sy Prisila tamin’i Apolosy, ary ahoana no nanampian’izy mivady azy?
3 Tonga tao Efesosy ny Jiosy iray atao hoe Apolosy, raha mbola teny an-dalana ho any Efesosy i Paoly, tamin’ny dia misionera fahatelo nataony. Avy any Aleksandria, tanàna nalaza tany Ejipta, i Apolosy, ary nanana toetra tsara niavaka. Nahay nandaha-teny izy, sady “tena nahay Soratra Masina.” “Narehitry ny fanahy” koa izy. Nafana fo i Apolosy ka nandaha-teny tamim-pahasahiana tamin’ny Jiosy tao amin’ny synagoga.—Asa. 18:24, 25.
4 Nandre ny lahatenin’i Apolosy i Akoila sy Prisila. “Marina ny zavatra ... nampianariny momba an’i Jesosy”, ka azo inoana fa faly izy mivady nandre izany. Tsy ela anefa dia hitan’ilay mpivady kristianina fa nisy lesoka be ny fahalalan’i Apolosy, satria “ny batisan’i Jaona ihany ... no fantany.” Mpanao tranolay io mpivady tso-piaina io, nefa tsy nampiahotra azy ny fahaizan’i Apolosy nandaha-teny sy ny fianarana vitany. “Nitondra azy niaraka taminy” kosa izy mivady, ka ‘nohazavainy marina kokoa taminy ny lalan’Andriamanitra.’ (Asa. 18:25, 26) Ahoana kosa ny fihetsik’i Apolosy, izay nahay nandaha-teny sy nahita fianarana? Nanetry tena izy. Toetra iray tena lehibe tokony hananan’ny Kristianina izany.
5, 6. Inona no nahatonga an’i Apolosy ho azon’i Jehovah nampiasaina bebe kokoa, ary inona no azontsika ianarana avy amin’i Apolosy?
5 Nanaiky hampian’i Akoila sy Prisila i Apolosy, ka lasa mpanompon’i Jehovah nahita vokatra kokoa. Nankany Akaia izy, ary “nanampy be” an’ireo mpino tany. Hainy tsara ny nitory tamin’ny Jiosy tao amin’io faritra io, na dia nanizingizina aza izy ireo fa tsy i Jesosy ilay Mesia nambara mialoha. Hoy i Lioka: “Nafana fo be ... izy nanaporofo mazava ... hoe diso ny Jiosy, ka nasehony avy tao amin’ny Soratra Masina fa i Jesosy no Kristy.” (Asa. 18:27, 28) Tena nanampy ny fiangonana i Apolosy! Anisan’ny nahatonga ‘ny tenin’i Jehovah’ ho vao mainka nisy heriny be tamin’ny olona izy. Inona no azontsika ianarana avy amin’i Apolosy?
6 Tena mila miezaka manetry tena ny Kristianina. Samy manana ny manavanana antsika isika. Mety ho efa talenta izany, na vokatry ny zavatra niainana, na zavatra nianarana. Tokony ho be lavitra noho ny fahaizantsika anefa ny fanetren-tenantsika. Raha tsy izany, dia mety hanimba antsika ny fahaizantsika, satria mety hahatonga antsika hanambony tena. (1 Kor. 4:7; Jak. 4:6) Hiezaka hihevitra ny hafa ho ambony isika, raha tena manetry tena. (Fil. 2:3) Tsy ho tezitra isika rehefa ahitsy. Tsy handa koa isika raha misy te hampianatra antsika. Tsy hiseho ho mahay isika ka hoe hiziriziry amin’ny hevitsika, rehefa hitantsika fa tsy mifanaraka amin’ny fitarihan’ny fanahy masina intsony ny hevitsika. Hampiasa antsika i Jehovah sy ny Zanany raha manetry tena foana isika.—Lioka 1:51, 52.
7. Inona no porofo fa nanetry tena i Paoly sy Apolosy, ka modely ho antsika?
7 Manampy antsika tsy hifandrafy koa ny fanetren-tena. Tena tian’i Satana ny hampisaratsaraka an’ireo Kristianina voalohany. Eritrereto ny hafaliany raha lasa nifandrafy ny lehilahy roa be zotom-po toa an’i Apolosy sy ny apostoly Paoly, ka nifampialona sy niady fahefana teo anivon’ny fiangonana! Mora ho azy roa lahy ny namela izany hitranga. Nanomboka nilaza mantsy ny Kristianina sasany tany Korinto hoe “izaho an’i Paoly”, fa ny hafa kosa nanao hoe “izaho an’i Apolosy.” Nanome vahana an’izany toe-tsaina mampisaratsaraka izany ve i Paoly sy Apolosy? Tsia! Nanetry tena i Paoly ka niaiky fa anisan’ny nampandroso ny asa fitoriana i Apolosy, ka nomeny andraikitra fanampiny. I Apolosy kosa nanao izay nasain’i Paoly nataony. (1 Kor. 1:10-12; 3:6, 9; Tit. 3:12, 13) Nanetry tena sy nahay niara-niasa izy ireo, ka modely ho antsika.
“Nandresy lahatra ny olona momba ny Fanjakan’Andriamanitra izy” (Asa. 18:23; 19:1-10)
8. Taiza no lalan’i Paoly nankany Efesosy, ary nahoana izy no nifidy an’io lalana io?
8 Nampanantena ny hiverina tany Efesosy i Paoly, ary nitana ny teniny. a (Asa. 18:20, 21) Ahoana anefa no fomba niverenany tany? Tany Antiokia any Syria izy, tamin’isika niresaka azy farany. Tsy lavitra teo no nisy an’i Seleokia, ka afaka nandray sambo tany i Paoly, ary nandeha nivantana tany Efesosy. Naleony anefa “nitety ny afovoan-tany.” Tombanana ho 1600 kilaometatra eo ho eo ilay dian’i Paoly voaresaka ao amin’ny Asan’ny Apostoly 18:23 sy 19:1. Sarotra io dia io, nefa nahoana i Paoly no nifidy ny hanao izany? Satria ny ‘hampahery ny mpianatra rehetra’ no tanjony. (Asa. 18:23) Nitaky ezaka be taminy ilay dia misionera fahatelo, toa an’ireo roa voalohany ihany, nefa nihevitra izy fa nilaina natao izany. Toy izany koa ankehitriny ny toe-tsain’ny mpiandraikitra ny faritra sy ny vadiny. Ankasitrahantsika ve ny fitiavana sy ny fahafoizan-tenan’izy ireny?
9. Nahoana no nisy mpianatra maromaro nila natao batisa indray, ary inona no ianarantsika avy amin’izy ireo?
9 Nahita mpianatr’i Jaona Mpanao Batisa i Paoly, rehefa tonga tany Efesosy. Nisy 12 teo ho eo izy ireo. Ny batisan’i Jaona no nanaovana batisa azy ireo, nefa tsy nanan-kery intsony izany. Toa tsy nahalala firy na tsy nahalala mihitsy momba ny fanahy masina koa izy ireo. Nohazavain’i Paoly tamin’izy ireo àry ny batisa amin’ny anaran’i Jesosy. Nanetry tena sy vonona hianatra izy ireo, toa an’i Apolosy. Natao batisa tamin’ny anaran’i Jesosy izy ireo, ka nahazo fanahy masina sy lasa nanana fahaizana mahagaga. Mahazo fitahiana tokoa isika raha maharaka ny fandrosoan’ny fandaminan’i Jehovah.—Asa. 19:1-7.
10. Nahoana i Paoly no niala tao amin’ny synagoga ka nifindra tao amin’ny efitrano malalaka iray? Ahoana no anahafantsika azy, eny amin’ny fanompoana?
10 Tsy ela dia nisy fandrosoana koa tamin’ny lafiny hafa. Nitory tamim-pahasahiana tao amin’ny synagoga i Paoly, nandritra ny telo volana. “Nandresy lahatra ny olona momba ny Fanjakan’Andriamanitra” izy, nefa nanamafy ny fony ny sasany ka nanohitra be. Tsy nandany andro tamin’ireo “nanaratsy Ny Lalana” i Paoly. Naleony kosa nanao lahateny isan’andro tao amin’ny efitrano malalaky ny sekoly iray. (Asa. 19:8, 9) Nila niala tao amin’ny synagoga ireo naniry handroso, ka nifindra tao amin’ilay efitrano. Tokony hanahaka an’i Paoly isika ka hamarana ny resaka, rehefa hita fa tsy te hihaino ny olona itoriantsika, na koa te hiady hevitra fotsiny. Mbola maro be mantsy ny olona liana tokony handre ny hafatra mampahery torintsika.
11, 12. a) Ahoana no nampisehoan’i Paoly fa olona nazoto sy nahay nanovaova fandaharam-potoana izy? b) Ahoana no anahafantsika Vavolombelon’i Jehovah azy?
11 Nandaha-teny tao amin’io sekoly io i Paoly isan’andro, angamba tamin’ny 11 ora maraina tany ho any ka hatramin’ny 4 ora tolakandro teo ho eo. (Asa. 19:9) Nangingina tamin’io fotoana io, satria nahamay be ny andro, ka niato kely tamin’ny asa ny olona maro mba hisakafo sy haka aina. Henjana ny fandaharam-potoanan’i Paoly, kanefa raha nanaraka izany foana izy nandritra ny roa taona, dia ho nampianatra nandritra ny 3000 ora mahery. b Izany koa no nahatonga ny tenin’i Jehovah hiroborobo sy hahery foana. Olona nazoto i Paoly, ary hainy ny nanovaova ny fandaharam-potoanany mba hifanaraka tamin’izay nety tamin’ny olona nitoriany. Inona no vokany? “Nandre ny tenin’ny Tompo daholo izay nipetraka tany amin’ny faritanin’i Azia, na Jiosy na Grika.” (Asa. 19:10) Nitory tamin’ny fomba feno tokoa i Paoly!
12 Mazoto koa isika Vavolombelon’i Jehovah, ary ovaovantsika arakaraka izay mety amin’ny olona ny fandaharam-potoanantsika. Miezaka mitory isika, na aiza na aiza ahitana olona, ary na amin’ny firy na amin’ny firy. Mitory eny an-dalana, eny an-tsena, eny amin’ny toerana fijanonan’ny fiara isika, na koa an-telefaonina sy an-taratasy. Miezaka mitory isan-trano koa isika, amin’ny fotoana tena mety hahitana ny olona ao an-tranony.
Asa. 19:11-22)
“Niely be ... sady vao mainka nisy heriny be” na dia niasa aza ny fanahy ratsy (13, 14. a) Nahavita nanao inona i Paoly, noho ny fanampian’i Jehovah? b) Inona no fahadisoana nataon’ny zanak’i Skeva? Nahoana no mitovy amin’izy ireo ny olona maro ao amin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina?
13 Tantarain’i Lioka fa nahavita “fahagagana miavaka” i Paoly noho ny fanampian’i Jehovah, ary nisy vokany tena tsara izany. Sitrana ny marary, na dia ireo lamban’i Paoly sy ireo aron’akanjony aza no nentina tany. c Nivoaka koa ny demonia rehefa nampiasaina ireo zavatra ireo. (Asa. 19:11, 12) Tena resy ny tafik’i Satana, ary maro no nahamarika izany. Tsy ny rehetra anefa no faly.
14 “Nisy Jiosy nandehandeha namoaka demonia” nanandrana naka tahaka ny fahagagana nataon’i Paoly. Nanandrana namoaka demonia ny sasany tamin’izy ireo, ka niantso ny anaran’i Jesosy sy Paoly. Noresahin’i Lioka, ohatra, fa nitady hanao izany ireo fito lahy zanak’i Skeva, izay anisan’ny fianakavian’ny mpisorona. Hoy ny demonia tamin’izy ireo: “Fantatro i Jesosy, ary fantatro koa i Paoly, fa mba iza kosa ianareo?” Namely an’ireo mpisandoka ireo ilay lehilahy nisy demonia, ka niantsambotra tamin’izy ireo, toy ny bibidia. Nandositra izy fito lahy, ary naratra sy nitanjaka. (Asa. 19:13-16) Nandresy tokoa ‘ny tenin’i Jehovah’! Nibaribary mantsy fa ambony lavitra ilay hery nananan’i Paoly, ary tsy nanan-kery kosa ireo mpanaraka fivavahan-diso. Olona an-tapitrisany ankehitriny no diso hevitra ka mieritreritra fa ampy ny miantso ny anaran’i Jesosy na ny mitonona ho Kristianina. Nasehon’i Jesosy anefa fa izay tena manao ny sitrapon’ny Rainy ihany no afaka manantena hoavy azo antoka.—Mat. 7:21-23.
15. Ahoana no anahafantsika ny Efesianina, raha ny fanao sy ny zavatra misy ifandraisana amin’ny herin’ny maizina no resahina?
15 Tena afa-baraka ireo zanak’i Skeva. Inona no vokatr’izany? Olona maro no lasa natahotra an’Andriamanitra, ka tonga mpino ary tsy nampiasa herin’ny maizina intsony. Vonton’ny herin’ny maizina ny kolontsain’ny Efesianina. Fanao ny nampiasa ody, na nilaza ozona famosaviana, na niteniteny na nihirahira mba hiasan’ny herin’ny maizina. Matetika ireny teny na hira ireny no efa voarakitra an-tsoratra. Efesianina maro no nanapa-kevitra hitondra ny bokiny momba ny herin’ny maizina, ka nandoro izany ampahibemaso. Am-polony tapitrisa ariary anefa ny vidin’izany, amin’ny vola ankehitriny. d Hoy i Lioka: “Noho ny herin’i Jehovah àry, dia mbola niely be foana ny teniny sady vao mainka nisy heriny be tamin’ny olona.” (Asa. 19:17-20) Porofo tsy azo lavina izany fa resin’ny fahamarinana ny lainga sy ny herin’ny demonia! Ohatra tsara ho antsika ireo olona tsy nivadika ireo. Vonton’ny herin’ny maizina koa ny tontolo misy antsika. Raha hitantsika fa manana zavatra misy ifandraisany amin’ny herin’ny maizina isika, dia tokony hanahaka ny Efesianina ka hanary izany tsy misy hataka andro! Halaviro ireny fanao maharikoriko ireny, na inona na inona mety hafointsika noho izany.
“Nisy korontana be” (Asa. 19:23-41)
16, 17. a) Inona no nataon’i Demetrio mba hisian’ny korontana tany Efesosy? b) Inona no mampiseho fa nafana fo tafahoatra tamin’ny fivavahana ny Efesianina?
16 Hiresaka momba ilay paikadin’i Satana isika izao. Niresaka momba azy io i Lioka rehefa nilaza fa “nisy korontana be momba Ny Lalana.” Tsy nanitatra izy raha nilaza izany. e (Asa. 19:23) Ilay mpanefy volafotsy atao hoe Demetrio no nitarika an’ilay korontana. Ahoana no nisarihany ny sain’ireo mpanao asa tanana hafa? Nampahatsiahiviny azy ireo aloha fa ny fivarotana sampy no nampanan-karena azy ireo. Toa te hilaza izy, avy eo, fa nanimba ny varotr’izy ireo ny hafatra notorin’i Paoly, satria tsy manompo sampy ny Kristianina. Nirehareha noho ny fireneny ny Efesianina sady tia tanindrazana. Nohararaotin’i Demetrio izany mba hampitandremana azy ireo hoe atahorana “hoheverin’ny olona ho tsy misy dikany” i Artemisy andriamanibavin’izy ireo sy ilay tempoliny malaza eran-tany.—Asa. 19:24-27.
17 Nandaitra ny tenin’i Demetrio. Nanomboka niantsoantso tsy an-kijanona ireo mpanefy volafotsy hoe: “Lehibe i Artemisin’ny Efesianina!” Nisahotaka ny iray tanàna ka nahatonga an’ilay rotaka voalaza teo am-piandohan’ity toko ity. f Be fandavan-tena i Paoly ka te hiditra tao amin’ilay toerana fanaovana fampisehoana mba hiteny amin’ny vahoaka. Tsy navelan’ny mpianatra hisetra loza toy izany anefa izy. Nijoro teo anoloan’ny vahoaka ny lehilahy iray atao hoe Aleksandra, ary saika hiteny. Jiosy izy ka angamba tiany hazavaina fa tsy mitovy amin’ny Jiosy ireo Kristianina ireo. Herim-po very maina anefa ny azy. Rehefa fantatry ny vahoaka fa Jiosy izy, dia nikiakiaka izy ireo mba tsy handrenesana ny teniny. Niantsoantso nandritra ny adiny roa teo ho eo izy ireo hoe: “Lehibe i Artemisin’ny Efesianina!” Efa hatramin’izany no lasa tsy misaina intsony ny olona rehefa mafana fo tafahoatra amin’ny fivavahana.—Asa. 19:28-34.
18, 19. a) Ahoana no nampanginan’ny ben’ny tanàna ny vahoaka tao Efesosy? b) Ahoana no iarovan’ny manam-pahefana ny vahoakan’i Jehovah indraindray, ary inona no azontsika atao mba hiarovany antsika?
18 Nahavita nampangina ny vahoaka ihany ny ben’ny tanàna, tamin’ny farany. Nanome toky ny vahoaka io lehilahy nahay sy nisaina io, ka nilaza fa tsy atahorana hanazimbazimba ny tempolin’izy ireo sy ny andriamanibaviny ireo Kristianina ireo, sady tsy nisy zava-dratsy nataon’i Paoly sy ny namany tamin’ny tempolin’i Artemisy, ary nisy lamina efa napetraka mba hametrahana fitarainana amin’ny raharaha toy izany. Ny tena nisy vokany tamin’ilay vahoaka angamba dia ny nampahatsiahivany azy ireo fa mety hampahatezitra an’i Roma ilay fivorivoriana tsy ara-dalàna sy tsy voafehy. Noravany ny vahoaka avy eo. Mora nisendaotra izy ireo, nefa mora nisinda koa ny hatezerany, noho ilay teny voahevitra tsara sy feno fahendrena.—Asa. 19:35-41.
19 Niaro ny mpanara-dia an’i Jesosy io manam-pahefana nisaina tsara io. Tsy izy no voalohany nanao izany, ary tsy izy no ho farany. Hitan’ny apostoly Jaona tao amin’ny fahitana iray fa hitelina ny rano be alefan’i Satana ny tany, amin’ny andro farany. Tsy inona ilay tany fa ireo rafitra mafy orina eto amin’izao tontolo izao, ary ny fanenjehan’i Satana an’ireo mpanara-dia an’i Jesosy kosa ilay rano be. (Apok. 12:15, 16) Tanteraka tokoa ilay fahitana. Mpitsara maro no manao ny rariny ka miaro ny zon’ny Vavolombelon’i Jehovah hivory sy hitory ny vaovao tsara. Mety hahatonga antsika handresy koa ny fitondran-tenantsika. Azo inoana fa ny fitondran-tenan’i Paoly no nahatonga ny manam-pahefana sasany tao Efesosy ho tsara fanahy sy hanaja azy, ka naniry hiaro azy. (Asa. 19:31) Enga anie ka hisy vokany tsara eo amin’ny olona mihaona amintsika koa ny fanaovantsika ny marina sy ny fanajantsika ny hafa. Tsy fantatsika mihitsy izay mety ho vokatr’izany.
20. a) Inona no tsapanao rehefa hitanao fa mahery ny tenin’i Jehovah, tamin’ny taonjato voalohany sy ankehitriny? b) Tapa-kevitra ny hanao inona ianao, rehefa mahita fa mandresy i Jehovah ankehitriny?
20 “Mbola niely be foana ny [tenin’i Jehovah] sady vao mainka nisy heriny be tamin’ny olona”, tamin’ny taonjato voalohany. Tsy mahafaly ve ny misaintsaina izany? Tena mahafaly koa ny mahita fa i Jehovah no nahatonga antsika hivoaka ho mpandresy ankehitriny. Tsy irinao ve ny handray anjara amin’izany fandresena izany, na kely aza no vitanao? Mandraisa àry lesona avy amin’ireo ohatra vao noresahintsika, ka aoka ianao hanetry tena, haharaka ny fandrosoan’ny fandaminan’i Jehovah, hazoto hitory foana, hanalavitra izay zavatra mifandray amin’ny herin’ny maizina, ary hanao izay farany azonao atao mba ho fitoriana vita ho azy ny fanaovanao ny marina sy ny fanajanao ny hafa.
a Jereo ilay efajoro hoe “ Efesosy: Renivohitr’i Azia”, pejy 161.
b Tany Efesosy koa no nanoratan’i Paoly ny 1 Korintianina.
c Nety ho fehiloha nataon’i Paoly teo amin’ny handriny ireo lamba ireo, mba tsy hikoriana tao anaty masony ny hatsembohany. Nanao aron’akanjo koa izy. Toa midika izany fa mety ho niasa mafy nanao tranolay izy rehefa nalalaka ny fotoanany, angamba tamin’ny maraina be.—Asa. 20:34, 35.
d Resahin’i Lioka fa farantsa volafotsy 50 000 ny vidin’ireo boky. Raha denaria no tao an-tsainy, dia nila niasa 50 000 andro ny mpiasa iray vao nahazo izany, izany hoe, niasa isan’andro isan’andro nandritra ny 137 taona teo ho eo.
e Misy milaza fa io zava-nitranga io no noresahin’i Paoly rehefa nanoratra tamin’ny Korintianina izy hoe: “tsy nanampo ny ho velona intsony [izahay].” (2 Kor. 1:8) Mety ho zavatra nampidi-doza kokoa noho izany anefa no tao an-tsainy. Nanoratra i Paoly fa “niady tamin’ny bibidia tany Efesosy” izy. Inona no tiany holazaina? Nety ho niady tamin’ny biby masiaka tany amin’ny kianja filalaovana izy, na nisy olona nanohitra. (1 Kor. 15:32) Nety ho nitranga daholo izany.
f Azo lazaina fa nahavita nitaona vahoaka ny fikambanan’ny mpiasa toa an’ireo mpanao asa tanana ireo. Nampisy korontana nitovy tamin’io, ohatra, ny fikambanan’ny mpanao mofo tao Efesosy, zato taona tatỳ aoriana.