Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mafana Nefa ao Anaty Lanezy

Mafana Nefa ao Anaty Lanezy

Mafana Nefa ao Anaty Lanezy

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY FAILANDY

MAMIRIFIRY ny ririnina any akaikin’ny Tendrontany Avaratra, ka ho jihitry ny hatsiaka ny olona, na ho faty mihitsy aza, raha tsy manao mafana tsara. Velona foana anefa ireo biby maro be any, na mafana ny andro na mangatsiaka. Manafana azy mantsy ny volony, ary mahavariana fa miaro azy amin’ny rivotra mangatsiaka koa ny lanezy.

Lasa potika gilasy ny enton-drano rehefa mivaingana, ary potika gilasy be dia be no lasa lanezy. Mitombo avo folo heny eo ho eo ny hadirin’ny rano rehefa lasa lanezy. Midika izany fa misy rivotra be dia be eny anelanelan’ireo potika gilasy. Miaro ny voan-javatra sy ny zavamaniry amin’ny hatsiaka mamirifiry àry ny lanezy, mandra-pahafanan’ny andro. Toy ny tahirin-drano goavana izy io, ka manondraka ny tany sy mameno ny renirano rehefa mitsonika.

Fiainana any ambany lanezy

Maro ny biby madinika voloina mivezivezy any amin’ireo lalan-kely any ambany lanezy. Manohy ny fiainany andavanandro izy ireny, ka ny fitadiavan-kanina no tena imasoany. Anisan’izy ireny ireo biby iray karazana amin’ny totozy sy ny voalavo. Mpihinana bibikely ny iray aminy ary amin’ny alina vao miasa. Matetika kosa ny totozy no tazana mitsoriadriaka eny ambony lanezy mba hitady voaroy, voan-javatra, voamadinika, ary hodi-kazo malemy hohanina.

Ahoana no ahafahan’ireny biby madinika ireny hihazona ny hafanan’ny vatany? Tsy ny volony fotsiny no manafana azy. Mahavita mamadika haingana ny sakafo haniny ho lasa hafanana koa ny vatany. Mila misakafo be àry izy. Isan’andro, ohatra, dia mahalany bibikely sy olitra ary soherina efa hitovy lanja aminy, ilay karazana voalavo mpihinana bibikely. Ny karazana totozy iray aza mahalany sakafo betsaka kokoa noho ny lanjany. Tsy mitsahatra mitady sakafo àry ireny biby ireny, saika amin’ny fotoana rehetra tsy atoriany.

Sakafo tian’ireo biby mpiremby, toy ny vorondolo sy ny karazana jaboady madinika, ny maro amin’ireny biby madinika mampinono ireny. Manifinify sy kingakinga ireo jaboady madinika ka hainy tsara ny mamakivaky ireo lalan-kely miolakolaka any ambany lanezy, rehefa mitady sakafo izy. Mahavita mihaza bitro lehibe noho ny tenany mihitsy aza izy ireo.

Mihaza koa ny vorondolo. Matsilo sofina be ny vorondolo volondavenona, ka afaka manaraka ny dian’ny totozy iray any ambany lanezy, raha tsy dia matevina ny lanezy. Rehefa hitany ny misy ilay hazany, dia mitsoraka avy hatrany ao anaty lanezy izy, misambotra azy io amin’ireo hohony, ary lasa. Raha matevina loatra anefa ny lanezy, dia mety ho noana na ho faty mosary mihitsy ny biby mpiremby maro, ary hitombo be ny isan’ireo biby tokony hohaniny.

Maro ny biby misakafo be amin’ny andro mafana mba hatavy. Izany avy eo no mamelona azy mandritra ny ririnina tsy ahitany sakafo. Misy zavatra azo hanina ihany anefa matetika. Mihinana sampan-kazo vao mitsiry, ohatra, ny serfa. Ny kesika no tena tiany. Ny vontsira indray mihinana ny voamadinika voangony, ary ny bitrodia mikiky ny hodi-kazo sy rantsan-kazo ary ny zana-kazo. Ny karazam-borona sasany kosa tia mihinana laingon-kesika sy voaroy mivaingan’ny hatsiaka.

Mitsoraka any anaty lanezy!

Miaro amin’ny hatsiaka ny lanezy, ka misitrika any ambaniny ny vorona maro rehefa maka aina amin’ny antoandro na matory amin’ny alina. Anisan’izany ireo karazana akohonala sy ny karazam-boronkely toy ny tsikirity. Tonga dia mitsoraka any anaty lanezy avy eny am-panidinana ny vorona sasany raha lalina sy malemy ny lanezy. Izany no tetika ataony mba tsy hahafahan’ny biby mpiremby hahita na hanimbolo ny dian-tongony.

Raha vao tafiditra any ambany lanezy izy ireo, dia manao lalan-kely marin-drano mahatratra iray metatra eo ho eo. Antsoina hoe kieppi izy io amin’ny teny failandey. Fafan’ny rivotra mandritra ny alina avy eo, izay marika mety hamantarana ny fisian’ireo vorona ao ambany lanezy. Raha misy olona mandalo eny akaiky eny, dia reny avy hatrany. Mivoaka tampoka tsy lavitra an’ilay olona izy ary manakopaka mafy ny elany, ka taitra ny mpandalo tsy manampo na inona na inona.

Mampiditra akanjo mafana

Miova ny volon’ny biby sasany any amin’ny tendrontany rehefa mihamangatsiaka na mihamafana ny andro, ka toy ny hoe misolo akanjo izy ireny. Mahatonga azy ireo hitovitovy amin’ny loko manodidina azy izany. Rehefa mihamangatsiaka, ohatra, ny andro any Failandy, dia maniry volo fotsy na fotsy matroka ny amboadia sy ny bitrodia ary ny karazana jaboady sasany.

Mipentimpentina ny lokon’ny karazana akohonala iray, nefa lasa fotsy botsiaka rehefa ririnina. Zara raha misy volo koa ny rantsany rehefa mafana ny andro, saingy lasa voloina rehefa mangatsiaka, ka toy ny manao “kiraro fitondra amin’ny lanezy” izy. Ny biby hafa kosa miova loko ka lasa mipentimpentina toy ny lokon’ny tany sy ny lanezy manodidina azy. Miaro azy tsy ho hitan’ny biby mpiremby izany.

Maro ny vorona mandehandeha eny amin’ny lanezy na eny amin’ny gilasy, nefa tsy misy zavatra miaro ny tongony. Efa mba noeritreretinao ve hoe nahoana izy ireny no tsy ngoly na marary? Misy zavatra mahavita mihazona hafanana ao amin’ny tongony. Izy io no mahatonga ny ra mafana avy any amin’ny fony hikoriana hatrany amin’ny tongony, ary hanafana ny ra mangatsiaka avy any amin’ny tongony.

Ahitana zavamananaina any amin’ny tendrontany mamanala ka hatrany amin’ny tany mafana. Tsy velona fotsiny anefa izy ireny, fa mahazo aina tsara koa. Matetika no deraina noho ny ezaka vitany ireo lehilahy sy vehivavy nahita sy naka sary an’ireny zavaboary ireny, ary mendrika izany izy ireo. Mendrika ny hoderaina kokoa anefa ny Mpamorona ny tany sy ny zava-mahatalanjona rehetra eo aminy! Hoy ny Apokalypsy 4:11: “Mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery ianao, Jehovah ô, eny, ry Andriamanitray ô, satria namorona ny zava-drehetra ianao, ary noho ny sitraponao no nampisy sy namoronana azy ireny.”

[Efajoro/Sary, pejy 18]

Be Atao ny Kristianina na Mangatsiaka aza ny Andro!

Manao akanjo mifanaraka amin’ny toetrandro ny Vavolombelon’i Jehovah any Failandy, mandritra ny ririnina, ary manohy ny fanompoany an’Andriamanitra. Faly ny sasany aminy manao dia lavitra mba hanatrehana fivoriana kristianina. Tsy mihena mihitsy ny isan’ny mpanatrika fivoriana any ambanivohitra, mandritra ireo volana maro mangatsiaka. Mazoto mitory foana koa izy ireo. Tena heverin’izy ireo ho voninahitra ny miresaka momba an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona. Vonona hivoaka ny tranony mafana izy ireo, mba hitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra.—Matio 24:14.

[Sary, pejy 16, 17]

Pétrels ao anaty lava-bato

[Sary nahazoan-dalana]

By courtesy of John R. Peiniger

[Sary, pejy 16, 17]

Karazana jaboady

[Sary nahazoan-dalana]

Mikko Pöllänen/Kuvaliiteri

[Sary, pejy 17]

Gisabe

[Sary, pejy 17]

Bitrodia

[Sary, pejy 17]

Amboadia