Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hawaii Ilay Nosy Lehibe

Hawaii Ilay Nosy Lehibe

Hawaii Ilay Nosy Lehibe

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY HAWAII

INONA no tonga ao an-tsain’ny olona raha vao mandre hoe Hawaii? Torapasika fotsy angamba, na rano madio mangalahala, voaniho adoladolan’ny rivotra, na alina mafana eo an-davarangana hazavain’ny fanilo tsara tarehy. Eo koa ny sakafo polinezianina ahitana mananasy, sakafo vita amin’ny saonjo, trondro manta atao lasary, ary indrindra fa ny kalua na kisoa fonosina ravin’akondro andrahoina ao anaty tany. Inona indray no hotadiavina ankoatra izany?

Mbola betsaka ny zavatra mahaliana momba an’i Hawaii. Antsoina hoe Nosy Lehibe izy io satria be velarana. Ho omby ao avokoa ireo nosy hafa manodidina toa an’i Oahu, Maui, ary Kauai, raha ampidirina ao. Mirefy 10 432 kilaometatra toradroa ny velarany, ary mbola mitatra izany. Hiresaka bebe kokoa momba izany isika, avy eo.

Toerana misy azy sy ny toetrandro

Antonony tsara ny hafanana ao amin’ilay Nosy Lehibe, satria any atsimo indrindran’ireo nosy namany no misy azy. Mahatratra 29 degre ny hafanana eny amoron-tsiraka amin’ny antoandro, rehefa vanin-taona mafana (Mey hatramin’ny Oktobra), ary 21 degre kosa rehefa ririnina (Novambra hatramin’ny Aprily). Eo anelanelan’ny 15 sy 17 degre foana, amin’ny ankapobeny, ny hafanana amin’ny alina. Matetika no mibaliaka ny masoandro any amin’ny faritr’i Kona, izay tsy be rivotra. Manorana matetika kosa any amin’ny faritr’i Hilo, izay vava rivotra.

Be voankazo sy legioma any, noho ny hafanana sy ny tany lonaka avy amin’ny volkano. Mamy be ny manga, papay, letisia, ary ny voankazo hafa. Tsara tarehy koa ny orkide sy ny antiriôma, ary maniry be ny karazana mahabibo sy ny kafe. Malaza eran-tany ny kafe any Kona. Mirohotra any Hawaii, isan-taona, ireo mpandraharaha momba ny kafe, mba hanatrika ny Fetin’ny Kafe ao Kona. Manandrana ny tsiron’ilay kafe izy ireo, ary manao fanafarana.

Tsy mitovy ny toetrandro manerana an’ilay nosy. Vokatr’izany, dia misy faritra ahitana ala mikitroka, tany efitra, ary tany ngazan’ny hatsiaka. Any amin’ny faritra atsinanana be orana no misy ilay ala mikitroka. Misy vorona maro mareva-doko ao, ary ahitana ampanga sy orkide isan-karazany. Mahatratra 25 santimetatra eo ho eo ny rotsakorana isan-taona, any amin’ny faritr’i Kona-Kohala, ary 250 santimetatra kosa ny any amin’ny faritr’i Hilo.

Kilauea, volkano matory nefa velona

Misy volkano dimy ao amin’ilay nosy: Mauna Loa, Mauna Kea, Kilauea, Kohala, ary Hualalai. Midika ara-bakiteny hoe “Mamoaka Be” ilay anarana hoe Kilauea. Velona indray io volkano io ka nipoaka be, tamin’ny 1979. Tsy nitsahatra namoaka ranoka mahamay be izy io, nanomboka tamin’ny 1983. Tanàna amoron-tsiraka telo no rava tanteraka. Tany aman-jatony hektara koa anefa no niforona.

Mitsetsatsetsa toy ny vainafo tondrahana rano ilay ranoka volkano rehefa mianjera eny an-dranomasina. Mahatonga etona sy setroka, rahona, ary fasika mainty eny amoron-dranomasina ilay izy. Azo jerena akaiky ny volkano Kilauea amin’ny ankapobeny, nefa tsy atahorana hampidi-doza.

Ny Tendrombohitra Mauna Kea no tendrombohitra avo indrindra ao amin’ilay nosy, satria 4 205 metatra ny haavony. Misy volkano matory ao. Ny Tendrombohitra Mauna Loa, mirefy 4 169 metatra, no manarakaraka azy. Raha refesina hatrany amin’ny fanambanin’ny ranomasina, dia ny Tendrombohitra Mauna Kea no avo indrindra eran-tany, satria mahatratra 9 000 metatra izy io. Ny Tendrombohitra Mauna Loa kosa no makadiry indrindra, satria 40 000 kilaometatra toratelo any ho any ny habeny.

Fialam-boly azon’ny mpitsidika atao

Matetika no ilatsahan’ny lanezy ny Tendrombohitra Mauna Kea, rehefa ririnina. Mifanaraka tsara amin’ilay anaram-bosony hoe Tendrombohitra Fotsy izany. Manao ski eny ny mponina sasany, na dia feno vato mampidi-doza aza eny. Misy teleskaopy 13 fijerena ny any ambony tsy taka-maso ao an-tampon’ny Tendrombohitra Mauna Kea. Anisan’ny matanjaka indrindra eran-tany izy ireo. Firenena 11 no manana teleskaopy ao.

Maro ny fialam-boly azo atao eny amin’ny morontsirak’ilay Nosy Lehibe. Azo atao mandavan-taona ireo fanatanjahan-tena fanao anaty rano, satria mafana foana ny andro. Maro isafidianana ireo moron-dranomasina azo itsangantsanganana. Ao ireo misy torapasika fotsy tsara tarehy, falehan’ny olona maro. Ao koa ireo torapasika mitokana, izay tsy tonganao raha tsy manao dia an-tongotra lavitra na mandeha fiara 4x4.

Tsy manan-tsahala amin’ny lafiny maro ilay Nosy Lehibe. Mampiavaka azy ny endriny, ny habeny, ny toerana misy azy, ary ny toetrandro. Sariaka sy be fitiavana koa ny mponin’i Hawaii, ary tia mandray vahiny.

[Sarintany, pejy 16]

(Jereo ny gazety)

NIIHAU

KAUAI

OAHU

HONOLULU

MOLOKAI

MAUI

LANAI

KAHOOLAWE

HAWAII

Hilo

Kohala

Mauna Kea

Hualalai

Mauna Loa

Kilauea

[Sary, pejy 16, 17]

Mauna Kea, erỳ amin’ny faravodilanitra

[Sary nahazoan-dalana, pejy 17]

U.S. Geological Survey/Photo by T.J. Takahashi