Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rajako eny Amin’ny Harambato

Rajako eny Amin’ny Harambato

Rajako eny Amin’ny Harambato

ANY amin’ny tany mafana no tena ahitana rajako. Ahitana karazany vitsivitsy koa any amin’ny tany tsy dia mafana loatra. Misy ihany anefa ny maningana.

Misy andiana rajako vitsivitsy mikarenjy any amin’ny alan’ny Tandavan-tendrombohitra Atlas, any Afrika Avaratra, nefa misy lanezy any isaky ny ririnina. * Misy andiany iray mitovy karazana amin’izy io koa any amin’ny 300 kilaometatra any avaratra, izany hoe any amin’ny farany atsimon’i Eoropa, any amin’ny Harambaton’i Gibraltar.

Ahoana no nahatonga an’ireo rajako ireo any Gibraltar? Samy manana ny heviny ny manam-pahaizana. Misy milaza fa nipetraka tany amin’ny toerana maro tany Eoropa io karazana rajako io fahiny, fa ireo any Gibraltar no sisa tavela. Misy indray mino fa ireo mpanjana-tany arabo na britanika no nitondra azy ireo teny amin’ireo harambato ireo. Ny angano kosa milaza fa nanaraka zohy nampitohy an’i Afrika sy Eoropa ireo rajako ireo, saingy efa tsy misy intsony io zohy io ankehitriny. Na ahoana na ahoana fomba nahatonga azy ireo tany, dia ireo ihany no rajakodia any Eoropa.

Monina ao anaty ala kesika, eny an-tampon’ny Harambaton’i Gibraltar ireo rajako ireo. Milaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Miaro ny Rajako, fa ireo rajako ireo no “malaza indrindra ao amin’ilay saikinosy” na dia zato eo ho eo monja aza ny isany. *

Tsy ory sakafo ireo rajako tia sangisangy ireo, satria fito tapitrisa ny mpizaha tany tonga any isan-taona. Fanaon’izy ireo ny mitady zavamaniry any anaty ala mba hohaniny, kanefa lasa zatra mangataka izy ireo izao, ary indraindray aza mangalatra ny sakafon’ireo mpitsidika. Omen’ny fanjakana voankazo sy legioma koa izy ireo.

Manokana fotoana be dia be ifampikarakarana koa ireo rajako ireo. Samy mikarakara ny zanany ny rajako lahy sy rajako vavy, ary miara-milalao amin’izy ireo. Tia miara-monina ny rajako, ka raikitra ny ady indraindray rehefa misy ny olana. Mandrahona na mikiakiaka ireo rajako lehibe, rehefa tiany handositra ireo rajako kely kokoa. Akatrokatrony koa ny nifiny mba hampitony azy.

Mbola tsy fantatra marina hoe ahoana no nahatonga an’ireo rajako ireo hipetraka any Gibraltar. Mampisy endrika an’ilay harambato manasaraka ny Ranomasina Atlantika sy ny Ranomasina Mediterane, anefa izy ireo. Tsy ho toy izany i Gibraltar raha tsy teo ireo rajako ireo.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Tsy vaventy io karazana rajako io, sady tsy misy rambo.

^ feh. 5 Manintona mpizaha tany koa ny karazana rajako japoney iray, mitovy karazana amin’ireo. Eny amin’ny toerana misy loharano mafana no ahitana azy ireo amin’ny ririnina.