Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Ratsy ve ny Miteny Ratsy?

Tena Ratsy ve ny Miteny Ratsy?

Manontany ny Tanora Hoe...

Tena Ratsy ve ny Miteny Ratsy?

“Te hitovy tamin’ny mpiara-mianatra tamiko aho. Izany angamba no nahatonga ahy ho lasa mpiteny ratsy.”—Mitia. *

Tsy noeritreretiko hoe tena tsy mety ny miteny ratsy. Naheno olona niteny ratsy foana aho tsinona, na tany am-pianarana na tao an-trano.”—Davida.

TSY mampaninona matetika rehefa ny olon-dehibe no miteny ratsy, fa manafintohina kosa rehefa ny ankizy no manao izany. Mahazo miteny ratsy àry ve ny olon-dehibe, fa tsy mahazo manao izany kosa ny ankizy? Ankoatra izany, dia maro be ny olona miteny ratsy. Rariny àry raha manontany ianao hoe: “Tena ratsy ve ny miteny ratsy?”

Nahoana ny olona no miteny ratsy?

Be dia be tokoa ny olona miteny ratsy. Misy tanora milaza àry, fa raha omena vola izy isaky ny mandre teny ratsy any am-pianarana, dia ho lasa mpanankarena be, ka tsy voatery hiasa mihitsy. Ho afaka hiala amin’ny asany koa ny ray aman-dreniny. Hoy i Evelyne, 15 taona: “Mpiteny ratsy ny namako. Toa isaky ny miteny ry zareo, dia tsy maintsy misy teny ratsy maromaro lazainy. Lasa sarotra aminao ny tsy hiteny ratsy, rehefa izany foana no renao isan’andro.”

Mandre teny ratsy foana koa ve ianao? Sa efa lasa mpiteny ratsy mihitsy? * Makà fotoana kely àry handinihana hoe inona no mahatonga izany. Ho mora kokoa aminao amin’izay, ny hiezaka mba tsy hiteny ratsy intsony.

Valio àry ireto fanontaniana ireto.

Inona matetika no mahatonga anao hiteny ratsy?

□ Satria tezitra ianao na diso fanantenana

□ Mba ho voamariky ny olona

□ Mba ho tian’ny namana

□ Mba te hiseho hoe mafy be

□ Mba hikomiana amin’ny olon-dehibe

□ Antony hafa ․․․․․

Aiza ianao no tena sahy miteny ratsy?

□ Any am-pianarana

□ Any am-piasana

Ao amin’ny hafatra amin’ny Internet, na amin’ny telefaonina

□ Rehefa irery

Nahoana ianao no mihevitra fa tsy mampaninona ny miteny ratsy?

□ Satria manao izany ny namako

□ Satria manao izany ny ray aman-dreniko

□ Satria manao izany ny mpampianatra

□ Satria feno teny ratsy ny fialam-boly ao amin’ny tele sy radio ary gazety

□ Satria teny fotsiny ilay izy, fa tsy avy ao am-po

□ Satria tsy miteny ratsy aho, raha tsy rehefa miaraka amin’olona mahatanty izany

□ Satria ․․․․․․

Nahoana ianao no tokony hiezaka mafy mba tsy hiteny ratsy intsony? Fa tena ratsy tokoa ve ny miteny ratsy? Diniho izao:

Tsy hoe teny fotsiny ilay izy. Hoy mantsy i Jesosy: “Hita amin’izay lazainao ny ao am-ponao.” (Lioka 6:45, Dikan-teny Anglisy Maoderina) Angamba ianao te hitovy fotsiny amin’ny namanao, matoa maka tahaka ny fomba fiteniny. Hita avy amin’izany anefa ny tena toetranao. Tsy mba manana hazondamosina ianao, fa “manaraka ny maro” fotsiny.—Eksodosy 23:2.

Tsy izay ihany anefa. Hoy i James O’Connor, manam-pahaizana momba ny fiteny: “Matetika ny olona mpiteny ratsy no tia manakiana, ratsy toetra, tsy matokitoky olona, mora tezitra, tia mifamaly, ary be taraina.” Misy olona miteny ratsy, ohatra, rehefa tsy araka ny nieritreretany azy ny zava-mitranga. Mihevitra izy fa tsy maintsy mandeha tsara foana izay rehetra atao, ka tsy tantiny raha vao misy zavatra tsy mety na diso. ‘Tony sy matotra kosa ny olona tsy mpiteny ratsy, ka [mahay] miatrika ny zavatra mahasosotra mitranga isan’andro’, hoy ihany i O’Connor. Koa inona àry no tianao? Hitovy amin’ny olona mpiteny ratsy sa ny olona tsy manao izany?

Lasa ratsy laza ianao raha miteny ratsy. Azo inoana fa manao izay hahatsaratsara ny paozinao ianao, toy ny ankamaroan’ny tanora. Te hohajain’ny olona mantsy ianao. Mba fantatrao ve anefa, fa tsy ny paozinao loatra no hitsaran’ny olona anao, fa ny teny ampiasainao? Miankina amin’ny fiteninao àry no...

▪ hahazoanao namana tsara na tsia.

▪ hahitanao asa na tsia.

▪ hanajan’ny olona anao na tsia.

Marina fa mety hanaja anao ny olona raha vao mahita ny paozinao. Matetika anefa no miova avy hatrany ny fihetsiny raha vao miteny ratsy ianao. Hoy i O’Connor: “Raha mba fantatrao mantsy, fa mety ho efa nahazo namana betsaka ianao hoatr’izay, raha tsy mpiteny ratsy. Tsy fantatrao koa fa mety ho efa nisy olona nihataka taminao, na tsy nanaja anao intsony, noho ianao zatra miteny ratsy.” Inona no dikan’izany? Ianao ihany no ho voa mafy, raha miteny ratsy.

Tsy manaja ny Mpamorona ny olona miteny ratsy. Eritrereto hoe nomenao akanjo ny namanao. Ahoana hoy ianao raha hataony famafana gorodona na famafana tongotra ilay izy? Fanomezana avy amin’ny Mpamorona ny fitenenana. Eritrereto koa àry izay tsapany, rehefa ampiasaintsika amin’ny fomba ratsy izy io. Tsy mahagaga raha milaza ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Aoka hesorina tsy ho eo aminareo ny lolompo rehetra sy ny fahatezerana rehetra sy ny fahavinirana rehetra sy ny filelalelana rehetra ary ny fanevatevana rehetra, mbamin’ny faharatsiana rehetra.”—Efesianina 4:31.

Misy antony tsara àry matoa ianao mila miezaka mba tsy hiteny ratsy intsony. Inona anefa no azonao atao, raha efa lasa mpiteny ratsy be ianao, ka sarotra aminao ny miova?

Voalohany: Tsy maintsy miaiky ianao fa tokony hanao izany. Tsy ho vitanao mantsy ny tsy hiteny ratsy intsony, raha tsy ekenao fa hahasoa anao ny miova. Inona amin’ireto manaraka ireto no handrisika anao tsy hiteny ratsy intsony?

□ Te hampifaly ny Mpamorona ny fitenenana aho

□ Te hohajain’ny olona kokoa aho

□ Te hampitombo ny teny azoko ampiasaina aho

□ Te hanatsara ny toetrako aho

Faharoa: Fantaro ny mahatonga anao hiteny ratsy. Hoy i Mitia: “Lasa nahatsapa hoe mafy be aho, rehefa niteny ratsy. Tsy tiako tsinona ny hobaikobaikoin’ny olona. Tiako hoe izaho no hibaiko azy sy hiteniteny azy, hoatran’ny ataon’ny namako rehetra.”

Ary ianao? Mila fantatrao koa ny antony mahatonga anao hiteny ratsy. Ho mora aminao amin’izay ny hahita ny fomba hialana amin’izany. Aoka hatao hoe miteny ratsy ianao satria manao izany daholo ny ankizy. Miezaha àry mitadidy fa manana fitsipika sy toetra tena tsara ianao. Hanampy anao hanana hazondamosina izany. Hilainao rahateo io toetra io any aoriana any.

Fahatelo: Mitadiava fomba mihaja hilazana zavatra. Tsy ampy ny mifehy tena mba tsy hiteny ratsy. Ilainao koa ny manana “ny toetra vaovao.” (Efesianina 4:22-24) Hahay hifehy tena kokoa ianao amin’izay, ary hohajain’ny olona. Ho tsapanao koa fa mendri-kaja ianao.

Hanampy anao hitafy ny toetra vaovao sy hanana izany foana ireto andinin-teny ireto:

Kolosianina 3:2: “Ataovy foana izay hifantohan’ny sainareo amin’ny zavatra any ambony.”

Lesona: Aoka ianao hizatra hieritreritra zavatra tsara. Miankina amin’izay ao an-tsainao mantsy ny zavatra lazainao.

Ohabolana 13:20: “Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry; fa izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza.”

Lesona: Mora maka tahaka ny fomba fitenin’ny namanao ianao.

Salamo 19:14: “Aoka ny tenin’ny vavako sy ny fisainan’ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, Jehovah ô.”

Lesona: Dinihin’i Jehovah ny fomba ampiasantsika ny fitenenana, izay fanomezana avy aminy.

Mbola mila fanampiana hafa ve ianao? Ampiasao ilay tabilao etsy ambony. Soraty eo hoe impiry isan’andro ianao no miteny ratsy. Ho hitanao amin’izay raha efa niezaka ianao na tsia. Ho gaga ianao fa vetivety dia tsy hiteny ratsy firy intsony!

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Novana ny anarana ato.

^ feh. 8 Misy antony lehibe mahatonga ny Kristianina tsy hiteny ratsy. Hoy mantsy ny Baiboly: “Aoka tsy hisy teny ratsy hivoaka amin’ny vavanareo.” Ary “aoka ho teny mahafinaritra sady mamy sira foana no holazainareo.”—Efesianina 4:29; Kolosianina 4:6.

ERITRERETO IZAO:

Raha mpiteny ratsy ianao...

▪ olona hoatran’ny ahoana no te ho namanao?

▪ hahita asa ve ianao sa tsia?

▪ ahoana no ho fiheveran’ny olona anao?

[Tabilao, pejy 21]

JEREO NY EZAKA VITANAO

Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma Asabotsy Alahady

Herin. 1 ․․․․․․ ․․․․․․․ ․․․․․․․․․ ․․․․․․․․ ․․․․․․ ․․․․․․․․ ․․․․․․

Herin. 2 ․․․․․․ ․․․․․․․ ․․․․․․․․․ ․․․․․․․․ ․․․․․․ ․․․․․․․․ ․․․․․․

Herin. 3 ․․․․․․ ․․․․․․․ ․․․․․․․․․ ․․․․․․․․ ․․․․․․ ․․․․․․․․ ․․․․․․

Herin. 4 ․․․․․․ ․․․․․․․ ․․․․․․․․․ ․․․․․․․․ ․․․․․․ ․․․․․․․․ ․․․․․․

[Sary, pejy 20]

Azo inoana fa hanaja ny fanomezana sarobidy azonao ianao. Hajao àry ilay fanomezana avy amin’ny Mpamorona, dia ny fitenenana