Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miaro Anao ny Mpanara-maso ny Fivezivezen’ny Fiaramanidina

Miaro Anao ny Mpanara-maso ny Fivezivezen’ny Fiaramanidina

Miaro Anao ny Mpanara-maso ny Fivezivezen’ny Fiaramanidina

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY PHILIPPINES

EFA mba noeritreretinao ve tamin’ianao teny ambony fiaramanidina, hoe ahoana no ahitan’ny mpanamory ny lalan-kalehany? Natahotra angamba ianao nieritreritra fa fiaramanidina am-polony na an-jatony mihitsy aza no mifamezivezy amin’ny fotoana iray. Nahoana no tsy mifandona izy ireny?

Ara-dalàna raha manahy momba izany ny mpandeha fiaramanidina. Asehon’ny antontan’isa anefa fa azo antoka kokoa noho ny mandeha môtô na fiarakodia, ny mandeha fiaramanidina. * Mandray anjara lehibe amin’izany ny mpanara-maso ny fivezivezen’ny fiaramanidina.

Ireo mpitari-dalana ny fiaramanidina

Ny lehiben’ny mpanamory no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fiarovana ny fiaramanidina amin’ny loza. Mazàna anefa no tsy fantany hoe misy fiaramanidina hafa eny akaikiny. Manana sampan-draharaha manara-maso ny fivezivezen’ny fiaramanidina àry ny firenena maro. Etỳ an-tany izy ireny no mitari-dalana ireo fiaramanidina.

Hoy i Samuel, mpanara-maso ny fivezivezen’ny fiaramanidina nandritra ny 13 taona, any Kalifornia: “Mandray anjara lehibe amin’ny fisorohana ny loza ny mpanara-maso ny fivezivezen’ny fiaramanidina. Ny elanelan’ireo fiaramanidina mifamezivezy no tena arahiny maso.” Hoy koa i Melba: “Ny fiarovana amin’ny loza no andraikitray voalohany. Manafaingana sy mandamina ny fivezivezen’ny fiaramanidina koa anefa izahay.” Misoroka ny fifandonan’ny fiaramanidina àry izy ireo, sady mandrindra ny fifamoivoizany.

Midika izany fa manao ny asany ny mpanamory, nefa misy olona maro etỳ an-tany koa manara-maso sy mihaino ny fizotran’ny dian’ilay fiaramanidina. Mifandray tsy tapaka amin’ireo mpanara-maso, amin’ny alalan’ny radio, ny mpanamory. Tsy ny mpanara-maso any amin’ny toerana niaingany sy hahatongavany ihany no ifandraisany fa ireo eny an-dalana koa.

Maro ny fiaramanidina haingam-pandeha ankehitriny, ka tena ilaina harahi-maso izay tsy tazan’ny mpanamory. Alao sary an-tsaina hoe mifanena ny lalan’ny fiaramanidina roa mpitondra olona. Raha efa mifankahita ireo mpanamory vao hamily ny fiaramanidiny, dia mety ho segondra vitsy sisa no ananany, mba tsy hifandonany! Afaka misoroka izany anefa ny mpanara-maso ny fivezivezen’ny fiaramanidina. Manome toromarika an’ireo mpanamory izy ireo, ela be alohan’ilay fifanenana. Tsy atahorana hifandona amin’izay ireo fiaramanidina.

Fanaraha-maso ny fiaramanidina

Misy fitaovana maromaro etỳ an-tany manoro lalana ny fiaramanidina. Misy fitaovana mifandray amin’izy ireny ao amin’ilay fiaramanidina, ka manampy ny mpanamory hahafantatra ny toerana misy azy. Voafaritra tsara ny toerana misy ireo fitaovana etỳ an-tany, ka ireny no arahin’ny mpanamory mandra-pahatongany any amin’izay alehany. Toy ny hoe misy lalana eny amin’ny habakabaka, noho ireny fitaovana ireny.

Ireny lalana ireny no ahafahan’ny mpanara-maso mahita ny toerana misy fiaramanidina. Asaina mameno taratasy milaza ny lalana kasainy haleha ny mpanamory, alohan’ny hiaingany. Mameno taratasy milaza ny momba an’ilay fiaramanidina sy ny dia hataony koa izy, ary mahazo iray amin’izany ny mpanara-maso. Manazava ny antony ilana izany i Salvador Rafael, lehiben’ny mpanara-maso ny fifamoivoizan’ny fiaramanidina. Hoy izy: “Mifanapaka ireo lalana eny amin’ny habakabaka indraindray. Tsy maintsy manao tatitra amin’ny mpanara-maso ny mpanamory, rehefa mandalo amin’ireny toerana ireny. Marihin’ny mpanara-maso eo amin’ilay taratasy momba ny fiaramanidina izany.” Mahazo an-tsaina ny lalan’ilay fiaramanidina amin’izay ilay mpanara-maso.

Manana radio ny mpanara-maso mba handraisany ireny tatitra ireny. Fantany hoe aiza ilay fiaramanidina, ary manome toromarika an’ilay mpanamory izy mba hanampiana azy ho lavitra ny fiaramanidina hafa. Maromaro ny maridrefin’onjam-peo azon’ny mpanara-maso sy ny mpanamory ifandraisana. Afaka miova mari-drefy izy ireo amin’izay, raha tsy mandeha ny iray.

Ahoana raha tsy mitovy ny fitenin’ny mpanamory sy ny mpanara-maso? Mba hisorohana izany, dia ny teny anglisy no nofidin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fiaramanidina, hampiasaina. Mitovitovy koa ny fandrenesana ny teny sy litera ary isa sasany rehefa tononina amin’ny radio. Misy fehezanteny sy fomba fanonona tsy miova àry ianaran’ireo mpanara-maso, ka ampiasainy rehefa manome toromarika ny mpanamory izy. Asaina mamerina milaza ny toromarika nolazain’ny mpanara-maso koa ny mpanamory indraindray, mba ho azo antoka kokoa ny fiarovana amin’ny loza.

Mampiasa radara koa ireo mpanara-maso. Mampiely karazana onja tsy hita maso ny radara. Rehefa midona amin’ilay fiaramanidina ireny onja ireny, dia hita eo amin’ny efijerin’ny mpanara-maso ny toerana misy ilay fiaramanidina. Misy fitaovana mandefa onja mampiavaka azy manokana ny fiaramanidina maro. Rehefa voaray ao amin’ilay radara izany ary ampidirina amin’ny ordinatera, dia miseho eo amin’ny efijerin’ny mpanara-maso ny laharan’ilay zotram-piaramanidina, ny hafainganam-pandehany, ny haavon’ny fanidinany, ary ny karazan’ilay fiaramanidina.

Inona no ataon’ny mpanara-maso mba tsy hifandonan’ireo fiaramanidina? Mety hanome toromarika an’ilay mpanamory izy mba 1) hivily lalana, na 2) hanova ny hafainganam-pandehany. Manao izany izy raha mitady hifankatratra ny fiaramanidina roa. Mety hasaina 3) hampidina na hampakatra ny fiaramanidina koa ilay mpanamory. Io no tena mahazatra.

Maro koa ny karazana radara manome fanairana ny mpanara-maso, rehefa misy toe-javatra mampidi-doza. Mandefa fanairana, ohatra, ilay izy, rehefa mitady hifanakaiky loatra ny fiaramanidina roa, na manakaiky loatra ny tany ny fiaramanidina iray.

Ny fiarovana anao no tanjona

Maro ny zavatra efa natao mba hanatsarana ny fanaraha-maso ny fivezivezen’ny fiaramanidina. Matetika no faritana mialoha ny lalana sy ny haavo anidinan’ilay fiaramanidina, raha avy etỳ an-tany ny fitaovana ampiasaina itarihana azy. Maro ny faritra eny amin’ny habakabaka tsy andalovan’ny fiaramanidina vokatr’izany, ary lavitra kokoa ny lalany. Hampiasa bebe kokoa ireo fitaovana mifandray amin’ny zanabolana ny fifamoivoizana ana habakabaka amin’ny hoavy. Hanamora kokoa ny fanovaovana ny lalan’ny fiaramanidina sy ny fitarihana azy ireo hiampita ranomasimbe izany.

Nandinika fohifohy momba ny fanaraha-maso ny fivezivezen’ny fiaramanidina isika teo. Hitantsika fa tsy ny mpanamory ihany no mahalala ny toerana misy ny fiaramanidina. Maromaro ny olona manara-maso izany avy etỳ an-tany. Natao izany mba hisorohana, araka izay azo atao, ny loza mety hitranga. Tsy mahagaga àry raha tena vitsy ny lozam-piaramanidina!

Tsy tena misy antony tokony hatahoranao àry rehefa mandeha fiaramanidina ianao. Raha mandeha ianao amin’ny manaraka, dia tadidio fa mampiasa ny masony sy ny sofiny ireo mpanara-maso mba hiarovana anao. Mahazoa toerana, makà aina tsara, ary soava dia e!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Nahatratra 11 000 tapitrisa kilaometatra ny lalana vitan’ny fiaramanidina mpitatitra olona tany Etazonia, tao anatin’ny herintaona. Iray monja anefa ny loza nitranga tao anatin’ny 334 448 ora nanidinana.

[Kisary, pejy 14, 15]

(Jereo ny gazety)

FANARAHA-MASO NY FIARAMANIDINA

Fitaovana mifandray amin’ny zanabolana

 

 

 

 

 

 

 

Fitaovana Fitaovana Radio Antenina radara

Fanaraha- mpandefa onja

maso tsy hita maso

[Sary, pejy 15]

Trano avo fiasan’ny mpanara-maso

[Sary, pejy 15]

Mpanara-maso

[Sary, pejy 15]

Foibe fanaraha-maso

[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]

Trano avo sy mpanara-maso: NASA Ames Research Center; foibe fanaraha-maso: U. S. Federal Aviation Administration