Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitsangantsangana eny Amin’ireo Lakandrano any Kerala

Mitsangantsangana eny Amin’ireo Lakandrano any Kerala

Mitsangantsangana eny Amin’ireo Lakandrano any Kerala

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY INDE

ERITRERETO hoe eny ambony tranosambo misy efitra tsara tarehy ianao, ary mamakivaky vinany maromaro ivoahan’ny renirano 44. Azonao atao izany any Kerala, any atsimoandrefan’i Inde. Misy lakandrano mirefy 900 kilaometatra any, amin’ny fitambarany. Tena mahafinaritra ny mitsangantsangana any! Hankafy ny morona feno foto-boaniho ianao rehefa misosa moramora ny sambonao. Hahatazana tanimbary maitso mavana sy farihy ary lakandrano koa ianao. Izany rehetra izany angamba no nahatonga ny gazety Jeografiam-pirenena (anglisy) hilaza, fa “anisan’ny toerana 50 tsara indrindra ‘tokony hotsidihina’ ” i Kerala.

Misy olona monina eny amoron’ireo lakandrano. Tsaroan’izy ireo fa tsy nisy mpizaha tany teny amin’ilay toerana taloha, ary tsy nisy hotely fatoriana mihaja. Tsy dia niova anefa ny fiainan’izy ireo. Miasa any amin’ireo hotely vaovao mihaja sy sampan-draharaha momba ny fizahan-tany ny sasany aminy, nefa tsy miala amin’ny kolontsainy sy ny fomba fiainany mahazatra. Mikarakara ny tanimbariny sy ny voanihony izy ireo, ary manarato mba hahazoany sakafo sy hamidiny.

Fanjonoana eny amin’ireo lakandrano

Mpanjono ny ankamaroan’ny olona any Kerala. Any ihany angamba ianao no hahita vehivavy misambotra karimeen (karazana trondro misy pentina toy ny perla) amin’ny tanana. Mampiavaka ny lakandranon’i Kerala io trondro io, ary tian’ny Karàna sy ny vahiny. Mirobo-drano ireo vehivavy mba hitady azy io, ary mitondra vilany asiany azy. Manitrika ny lohany ao anaty fotaka ireo trondro, raha vao mahita ireo vehivavy. Tsy voafitak’izany anefa ireo vehivavy fa tadiaviny amin’ny tongony ao anaty fotaka ireo trondro, ary samboriny amin’ny tanana. Mipelipelika be ilay izy rehefa ataony ao anatin’ilay vilany. Miverina izy ireo rehefa mahazo trondro ampy azy. Efa miandry eo amoron-drano ireo mpividy. Vidin’ireo hotely mihaja ireo trondro vaventy sy lafo kokoa, ary faly erỳ ireo mpanankarena mihinana azy. Ny madinidinika kosa anaovan’ireo olon-tsotra sakafo matsiro.

Harato sinoa

Fahita eny amoron’ireo lakandrano koa ny harato sinoa tsara tarehy, izay tena manintona an’ireo mpizaha tany.

Misy mihevitra fa mpivarotra sinoa avy any amin’ny lapan’i Khoubilaï Khan no nitondra voalohany an’ireo harato tao Cochin (Kochi ankehitriny), talohan’ny taona 1400. Ny Sinoa no nampiasa azy io voalohany, ary avy eo ireo Portogey mpifindra monina. Ampiasain’ny mpanarato karàna maro mba hivelomany ireny harato ireny izao, ary ahazoana sakafo ho an’olona maro be, toy ny tamin’ny 600 taona mahery lasa ihany. Mahavariana fa ampy ho an’ny olona iray tanàna ny trondro azon’ny harato iray. Mpizaha tany maro no tia maka sary an’ireo harato mihahy amin’ny filentehan’ny masoandro. Tsara erỳ ny sarin’izy ireny!

Tsy ny harato sinoa ihany no mahasarika ny mpizaha tany any Kerala. Tian’izy ireo koa ny mijery ny fifaninanana mitondra lakana bibilava. An’arivony no voasarik’io fanao nentim-paharazana io, isan-taona.

Fifaninanana mitondra lakana

Lava mahia ny lakana bibilava. Toy ny tendan’ny kôbrà ny vodin’ilay lakana, ka izany no iantsoana azy io hoe lakana bibilava. Ireo mpanjaka niady taorian’ny fotoam-pijinjana, no nampiasa azy ireny fahiny. Tsy dia nilaina intsony izy ireny, rehefa tsy nisy intsony ilay ady. Nandritra ireo fetin’ny tempoly indianina sisa no nampiasana an’ireo lakana tsara tarehy, mba hampisehoana ny kolontsaina teo an-toerana. Noravahana izy ireny ary novoizin’olona maromaro. Narahina fihetsiketsehana be izany. Nisy fifaninanana mitondra lakana nandritra ilay fety, ho fanomezam-boninahitra ny olo-manan-kaja nanatrika teo. Mbola fanao hatramin’izao izany, na dia efa 1 000 taona teo ho eo aza no nisiany.

Mahatratra 20 matetika ny lakana mifaninana, ary lehilahy tanora 100 ka hatramin’ny 150 avy no ao anatiny. Mipetraka eo amin’ny andaniny roa amin’ilay lakana ny 100 mahery, ary mampiasa fivoy fohy. Ny efatra kosa mampiasa fivoy lava, ary mijoro eo amin’ny vodin’ilay lakana sady mamily azy. Misy lehilahy roa mijoro eo afovoany, mively vata iray amin’ny hazo mba handrindrana ny fivoizan’ireo mpivoy. Misy lehilahy enina hafa koa, fara fahakeliny, mitehaka, misioka, miantsoantso, ary mihira, mba hampaherezana ireo mpivoy. Mivoy mafy mifanaraka amin’ny feon’ilay vata kapokapohina ireo mpivoy, ary manambatra ny heriny rehetra hatreny amin’ny fahatongavana. Tena mahavariana ilay fifaninanana.

Nitsidika an’i Alleppey, tanàna lehibe any amoron’ireo lakandrano, i Jawaharlal Nehru, praiminisitra voalohany tany Inde, tamin’ny 1952. Nientam-po be izy nijery an’ilay fifaninanana. Faly be izy ka tsy niraharaha ny fitsipika momba ny aro loza, fa nitsambikina tao anatin’ilay lakan’ny mpandresy, ary niara-nitehaka sy nihira tamin’ireo mpivoy. Rehefa niverina tany Dehli izy, dia nandefa lakana bibilava vita tamin’ny volafotsy ho fanomezana, ary nasiany sonia sy soratra hoe: “Ho an’ireo mpandresy amin’ny fifaninanana mitondra lakana. Zavatra miavaka eo amin’ny fiaraha-monina izy io.” Nanjary nantsoina hoe Hazakazaka Nehru ilay fifaninanana mitondra lakana, ary ilay lakana kely volafotsy no atao amboara isan-taona. Olona iray hetsy eo ho eo isan-taona, no mijery an’io fifaninanana io. Mikotaba be eny amin’ireo lakandrano any Kerala, amin’ireny fotoana ireny.

Hotely mihaja eny ambony rano

Tsy ny lakana bibilava ihany no manintona ny mpizaha tany, fa eo koa ny sambom-bary, izay sambo tranainy novana ho tranosambo mihaja.

Vaovao ny sambom-bary maro mpitondra mpizaha tany, fa ny sasany kosa efa zato taona mahery saingy nohavaozina. Kettuvallam, na “sambo misy vona”, no anaran’izy ireny taloha. Karazan-kazo iray no nanaovana ilay sambo manontolo, ary tady vita tamin’ny voam-boaniho no nanambarana an’ireo hazo, fa tsy fantsika. Nitety tanàna nitondra vary sy entana izy ireny taloha, na nitaterana zavamanitra nankany an-tany lavitra. Tsy dia nampiasaina intsony izy ireny rehefa nisy fitaovam-pitaterana arifomba kokoa. Nisy mpandraharaha iray mahira-tsaina, avy eo, nahita hevitra ka nanova azy ireny ho tranosambo ho an’ny mpizaha tany. Azo antsoina hoe hotely ambony rano izy ireny, satria misy lavarangana, efitra fatoriana sy fandroana, ary efitra fandraisam-bahiny tsara tarehy. Afaka mitondra anao any amin’izay tianao haleha sy mahandro izay sakafo tianao ny mpiasa ao amin’ilay sambo.

Haantsona eny amoron-drano ny sambo rehefa hariva, na eny ampovoan-drano ho an’izay mitady fahanginana sy filaminana. Tony tanteraka eny, fa indraindray ihany vao misy trondro mitsambikina avy ao anaty rano.

Tsy makamaka aina toy izany daholo akory ny mponina eny akaikin’ireo lakandrano. Marisika sy be zotom-po ireo “mpanarato olona.”

‘Fanaratoana olona’ eny amin’ireo lakandrano

Teny nampiasain’i Jesosy tamin’ireo mpanarato lasa mpianany ny hoe “mpanarato olona.” Hoy izy: “Andao hanaraka ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.” Ny fanampiana ny olona ho tonga mpianany no tiany holazaina amin’izany. (Matio 4:18, 19; 28:19, 20) Manao io asa io ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, anisan’izany ireo mipetraka any akaikin’ireo lakandranon’i Kerala.

Misy fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah 132 any Kerala, ary eny akaikin’ireo lakandrano ny 13 aminy. Mpanarato ny maro amin’ireo Kristianina anisan’ireo fiangonana ireo. Niresaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny mpanarato namany ny iray tamin’izy ireo, rehefa nanarato. Vetivety dia hitan’ilay lehilahy fa tsy mitovy ny fampianaran’ny fiangonany sy ny fampianaran’ny Baiboly. Nanjary liana tamin’ny Baiboly koa ny vadiny sy ny zanany efatra. Nanomboka nianatra Baiboly izy ireo, ary nandroso haingana. Efa vita batisa ny efatra amin’izy enina mianaka, ary mandroso ho amin’ny batisa ny ankizy roa.

Nandeha sambo mba hitory tany amin’ny nosy kely iray ny Vavolombelona sasany tao amin’ny fiangonana iray. Kadamakudi no iantsoan’ny tompon-tany an’ilay nosy, izany hoe “tsy tafavoaka ianao raha miditra.” Miovaova mantsy ny ora fiaingana sy fahatongavan’ny sambo. Nitory tamin’i Johny sy Rani vadiny izy ireo tany. Katolika hatramin’ny nahaterahany izy mivady, fa nankany amin’ny fivavahana iray mpanao fisaintsainana, ary nanome vola be tany. Tena liana tamin’ny fahamarinana ara-baiboly i Johny, ka nampianarina Baiboly. Nanomboka niresaka ny finoany vaovao tamin’ny hafa izy, ary afaka tamin’ny sigara sy ny fibobohan-toaka.

Niova asa i Johny satria tsy nifanaraka tamin’ny Soratra Masina ny asany teo aloha. Sahirana ara-bola izy mianakavy, tamin’ny voalohany. Nanomboka naka fozabe sy nivarotra izany anefa izy, ka afaka namelona ny ankohonany. Natao batisa izy ny Septambra 2006, ary herintaona taorian’izay ny vadiny sy ny zanany roa. Nanova tanteraka ny fiheveran’izy ireo ny fiainana, ny fanantenany fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa.—Salamo 97:1; 1 Jaona 2:17.

Mahafinaritra tokoa ny mitsidika ireo lakandranon’i Kerala, tsy noho ireo harato sinoa sy lakana bibilava ary tranosambo ihany, fa noho ireo “mpanarato olona” koa, izany hoe ireo Vavolombelon’i Jehovah mahatoky any.

[Sarintany, pejy 22, 23]

(Jereo ny gazety)

INDE

KERALA

[Sary, pejy 23]

Mpanarato ny ankamaroan’ny olona any Kerala

[Sary nahazoan-dalana]

Sary eo ambony: Salim Pushpanath

[Sary, pejy 23]

Vehivavy misambotra trondro

[Sary, pejy 24]

Fifaninanana mitondra lakana bibilava

[Sary, pejy 24]

“Kettuvallam”

[Sary, pejy 24, 25]

Tranosambo

[Sary, pejy 24, 25]

Johny sy Rani vadiny

[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]

Salim Pushpanath