Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tantara An-kira Mampihetsi-po

Tantara An-kira Mampihetsi-po

Tantara An-kira Mampihetsi-po

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ITALIA

MIJORO mahitsy ilay mpihira, nefa tsy mihinjitra be. Mitraka izy, mibontsina ny tratrany, tsy miketrona ny handriny, ary mahitsy tsara ny molony. Efa sasa-miandry ny mpanatrika. Mandeha kely aloha ny feon-kiran’ny orkesitra, ary manomboka manao feo fahatelo ilay mpihira. Toa tsy sahirana mihitsy izy, ary toy ny hoe avy any an-kafa ilay feo fa tsy avy ao anatiny. Mirefodrefotra ny tehaka aorian’izay.

Mpihira maromaro no mandray anjara amin’ny tantara an-kira na opéra. Mandravaka azy io ny mozika tendren’ny orkesitra. Tia tantara an-kira ve ianao? Efa nijery an’ireny tany amin’ny trano fanaovana fampisehoana ve ianao? Ahoana no ahaizan’ireny mpihira ireny mamoaka feo tena avo sady mahasondriana?

Zavamaneno tena kanto

Fanomezana mahatalanjona avy amin’Andriamanitra ny feo. Antsoina hoe zavamaneno koa izy io, ary tena marina izany. Vitsy ny olona mahatafavoaka feo avo sy maranitra, nefa maro no tia mihira. Efa mandeha ho azy toy ny misakafo na matory mihitsy izany. Na mahay mihira anefa ianao na tsia, dia mety ho tianao ho fantatra hoe avy aiza moa ny feonao.

Avy ao amin’ny lohatraoka, izay eo afovoan’ny tendanao, ny feo. Taola-malemy no manodidina azy io, ary misy hozatra kely roa atao hoe tadim-peo ao anatiny. Inona no mahatonga ny feo? Tsy mihenjana ny tadim-peo raha miaina tsotra ianao. Misokatra miendrika telozoro fotsiny ny vavatraoka. Rehefa mihira kosa ianao dia mibosesika avy any amin’ny lohatraoka ny rivotra, ary mikatona kokoa ny vavatraoka. Mihovotrovotra àry ny tadim-peo, ka mamoaka feo. Arakaraka ny ihenjanan’ny tadim-peo no mampihovotrovotra azy ireo, sy mahatonga ny feo ho avo kokoa. Raha tsy mihenjana loatra kosa izy ireo dia tsy hihovotrovotra be, ka hidoboka kokoa ny feo. Mihena mantsy ny rivotra mibosesika, ary misokatra kokoa ny vavatraoka.

Mahay mihira sady matanjaka

Tena tsara feo i Enrico Caruso, mpihira italianina malaza. Tsy nahay nihira mafy anefa izy, tamin’ny mbola tanora. Nihanahay kosa izy rehefa nanao fanazaran-tena foana. Marina fa voajanahary ny feo manga, nefa tena ilaina koa ny fahaizana mihira. Tsy maintsy mianatra miaina tsara ny mpihira, mba hahazo rivotra ampy sy tsy ho mora sempotra. Voalaza fa tena nahay an’izany i Carlo Broschi, mpihira malaza tamin’ny taonjato faha-18, antsoina koa hoe Farinelli. Afaka nihira naoty 150 àry izy, rehefa avy nifoka rivotra indray mandeha monja.

Mila mianatra mamoaka feo mafy koa ny mpihira, ka ny vatany ihany no toy ny fanamafisam-peo. Araka ny manam-pahaizana sasany, dia ny taolan-tratra no ampiasaina rehefa te hamoaka feo midoboka, ary ny valanorano sy ny taolana amin’ny tarehy kosa raha te hamoaka feo maranitra.

Maro no mihevitra fa ny tenda ihany no miasa rehefa mihira. Azo lazaina hoe ny vatan’ilay olona manontolo mihitsy anefa no mihira, satria miasa daholo ny heriny rehetra. Tsy maintsy atao mifandanja tsara àry ny fihenjanan’ny hozatra rehetra. Mandreraka ny mihira amin’ny opéra, ka tsy vitan’ny olona kely aina. Izany angamba no mahatonga ny hoe somary matavy ny mpihira amin’izy ireny. Anisan’ny mpihira nalaza indrindra tamin’ny taonjato faha-20 i Maria Callas. Nampahia tena anefa izy, ka nihena be tampoka ny lanjany. Maro no mino fa izany no nanimba ny feony.

Niova tsikelikely

Nivoatra ny opéra rehefa nandeha ny fotoana. Tsy fiangonana na toerana kelikely intsony, ohatra, no nanaovana fampisehoana, fa trano manokana mihitsy. Niova koa ny fomba fihira. Nalefaka sy mora ary tsy namizana izany taloha, fa izao kosa lasa mila ezaka be satria ny vatana no anamafisana ny feo. Vao mainka nisongadina ilay fiovana, rehefa lasa orkesitra be toy ny an-dry Verdi sy Wagner no nampiasaina, fa tsy tsotsotra toy ny an-dry Mozart. Tsy ny mozika no tena nisongadina fa ny feon’ilay mpihira sy ny fahaizany, tamin’ny 1600 ka hatramin’ny 1850 tany ho any. Taorian’izay ka hatramin’ny antsasaky ny taonjato faha-20 anefa dia tsy nisongadina loatra intsony ny feon’ny mpihira, na dia mbola nilaina aza.

Ahavitana karazan-kira be dia be ny opéra, ka maro ny hira noforonin’ny mpanakanto. Anisan’ny nalaza tamin’izany ry Paisiello, Cimarosa, Gluck, Mozart, Donizetti, Rossini, Bellini, Wagner, Verdi, Puccini, Bizet, Meyerbeer, ary Mascagni. Mbola malaza foana ny hiran’izy ireo, sady tena mampihetsi-po.

Zava-dratsy natao noho ny mozika

Nisy zavatra tena ratsy koa anefa, teo amin’ny tantaran’ny opéra. Nisy, ohatra, zatovolahy novosirina talohan’ny hahavaky feo azy, mba tsy hiova mihitsy ilay feony maranitra, izay tena miavaka sy mafy tsara. * Nandritra ny zato taona mahery no nisian’izany teto Italia. Hoy i Guido Tartoni: “Ny Eglizy” no nampirisika an’izany, “satria tsy navela nihira tao am-piangonana ny vehivavy.”

Lasa malaza be ny mpihira sasany, ka ataon’ny mpankafy azy toy ny andriamanitra kely mihitsy. Ohatra amin’izany izay nitranga tamin’ny fandevenana an’i Luciano Pavarotti. Nantsoina hoe La Divina (Andriamanibavy) koa i Maria Callas, ary natao hoe La Stupenda (Ilay Mahatalanjona) i Joan Sutherland. Tena mampihetsi-po ny tantara an-kira, ka be mpitia.

Raha sendra mandre hira opéra malaza àry ianao, dia henoy tsara ilay izy. Eritrereto ny fanazaran-tena sy ezaka mafy nataon’ilay mpihira, mba hamoahana an’ilay feo manga. Mety hiaiky ianao amin’izay fa rehefa “natambatra ny teny sy mozika, dia toy ny hoe manana elatra ny tononkalo satria misy feo milantolanto.” Toy izany ny tantara an-kira, hoy ny mpanoratra iray.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 16 Manazava izany bebe kokoa ny Mifohaza! (frantsay) 8 Febroary 1996, pejy 11-14.

[Efajoro/Sary, pejy 12]

SOKAJIM-PEO SAMIHAFA

Soprano colorature (feo voalohany mampientanentana): Feom-behivavy tena avo, haingana nefa misosa tsara. Anjaran’olona mavitrika sy fetsifetsy no lalaoviny.

Soprano lyrique (feo voalohany milantolanto): Feom-behivavy tsy avo be. Milalao tantaran’olona be fihetseham-po na raiki-pitia.

Soprano dramatique (feo voalohany mampitaintaina): Feom-behivavy iva kokoa. Milalao ny anjara tena mampangitakitaka.

Mezzo-soprano: Feom-behivavy midoboka kokoa noho ny feo voalohany. Milalao ny anjaran’ny vehivavy efa lehibebe, na ny fahavalon’ilay manao feo voalohany.

Contralto (feo faharoa): Feom-behivavy vitsy mpanana. Mitovy amin’ny mezzo-soprano ny anjarany.

Ténor (feo fahatelo): Feon-dehilahy mitovitovy amin’ny feo voalohany, izany hoe avo, milantolanto, ary mampitaintaina. Milalao ny anjaran’ny mahery fo na ny olon-tian’ilay vehivavy.

Baryton: Eo anelanelan’ny feo fahatelo sy beso. Milalao ny anjaran’ny ray, na rahalahy, na rafilahy.

Basse (beso): Misy karazany telo: beso fisaka (buffo), beso ambany (cantante), ary beso midoboka (profundo). Ilay voalohany milalao ny anjaran’olona mavitrika sy fetsifetsy, ny faharoa raiki-pitia, ary ny fahatelo maneho fihetseham-po tena mahery.

[Sary, pejy 10]

Mpihira eny ambony sehatra

[Sary, pejy 10]

Trano fijerena “opéra”

[Sary nahazoan-dalana, pejy 10]

Sehatra: Philip Groshong for The Cincinnati Opera; trano: Courtesy of Tourism Office of Budapest