Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hatao mba Tsy ho Resin’ny Fakam-panahy?

Ahoana no Hatao mba Tsy ho Resin’ny Fakam-panahy?

Manontany ny Tanora Hoe...

Ahoana no Hatao mba Tsy ho Resin’ny Fakam-panahy?

Vao tonga kelikely tao amin’ilay fety i Karen, dia nisy ankizilahy roa nitondra baoritra maromaro. Tonga dia fantany ny tao anatiny. Henony mantsy ireo ankizy ireo niteny hoe hisy labiera be dia be any amin’ilay fety. Mazava ho azy fa tsy nolazain’i Karen tamin’ny ray aman-dreniny izany. Tsy te hino mantsy izy hoe marina ilay izy. Nieritreritra koa izy fa mety hisy olon-dehibe ao amin’ilay trano.

Nahare feon’olona fantany tampoka i Karen, niteny hoe: “Inona koa ity ataon-dry mijorojoro eo? Manimba fety fotsiny!” Nitodika i Karen, ka hay i Jessica namany ilay izy. Nitondra tavoahangina labiera roa vao nosokafana izy, ary nomeny an’i Karen ny iray, sady hoy izy: “Dia lazao indray fa mbola tsy ampy taona indrỳ, ka tsy mahazo mifalifaly!”

Tsy te handray i Karen, nefa sarotra be ny handa an’ilay izy. Namany mantsy i Jessica, sady tsy te hatao hoe manimba fety izy. Nieritreritra àry i Karen hoe: ‘I Jessica koa ange mba hendry ihany e! Nefa izy aza misotro! Sady labiera koa ve dia maninona! Izaho ange tsy hoe mifoka rongony na mijangajanga e!’

BETSAKA ny fakam-panahy rehefa tanora ianao. Matetika izany no fakam-panahy hampiaraka. Hoy i Rado, * 17 taona: “Sahisahy be ny ankizivavy any am-pianaranay. Mikasikasika anao ry zareo, sady jereny hoe hanohitra ianao sa tsia. Tsy avelany mihitsy ianao fa ataony foana!” Hoy i Diana, 17 taona koa: “Nisy ankizilahy nanatona ahy, dia nisakambina ahy. Nokapohiko mafy ny tanany, sady niteny aho hoe: ‘Mialà erỳ fa ianao aza tsy fantatro akory!’ ”

Mety ho sendra fakam-panahy koa ianao, sady toa tsy misy farany ilay izy. Hoy ny Kristianina iray: “Hoatran’ny olona mandondòna ao am-baravaranao ny fakam-panahy. Efa misy soratra eo ivelany hoe Tsy Mandray Olona, nefa tsy te hahalala an’izany izy.” Imbetsaka ve ianao no miady amin’ny fakam-panahy? Inona amin’ireto, ohatra, izany?

□ Hifoka sigara

□ Hisotro toaka

□ Hifoka rongony

□ Hijery sary vetaveta

□ Hijangajanga

□ Zavatra hafa․․․․․

Aza mieritreritra hoe tsy afaka ny ho Kristianina ianao, raha alaim-panahy hanao ny sasany amin’ireo. Azonao atao tsara mantsy ny manohitra fakam-panahy. Ahoana no hanaovanao izany? Fantaro ny antony mahatonga ny fakam-panahy. Ireto misy antony telo.

1. Tsy lavorary isika. Mora manao ratsy ny olona, satria tsy lavorary. Kristianina matotra ny apostoly Paoly, nefa niaiky hoe: “Rehefa te hanao izay tsara aho, dia ato anatiko ihany ny ratsy.” (Romanina 7:21) Na ny olona matotra be aza, dia mahatsapa ihany indraindray fa mahery “ny fanirian’ny nofo sy ny fanirian’ny maso.” (1 Jaona 2:16) Vao mainka mafy ny fakam-panahy raha eritreretina foana. Hoy mantsy ny Baiboly: “Ny faniriana rehefa kolokoloina, dia miteraka fahotana.”—Jakoba 1:15.

2. Ny fitaoman’ny manodidina. Feno fakam-panahy manodidina antsika. Hoy i Tatamo: “Miresaka firaisana foana ny olona any am-pianarana sy any am-piasana. Izany foana koa no alefan’ny tele sy ny filma. Mody ataon-dry zareo mahafinaritra sy manintona be ilay izy, fa tsy asehony mihitsy ny voka-dratsiny!” Hitan’i Tatamo tamin’ny zavatra niainany fa tena mafy ireny fakam-panahy ireny. Hoy izy: “Nanomboka nampiaraka aho tamin’izaho 16 taona. Nipetraka mihitsy Neninay niresaka tamiko hoe: ‘Raha izao no mitohy dia ho bevohoka ianao.’ Sosotra aho hoe i Neny ve dia mieritreritra an’izany! Bevohoka tokoa anefa aho, roa volana tatỳ aoriana.”

3. “Ny faniriana mpitranga eo amin’ny tanora.” (2 Timoty 2:22) Izay faniriana rehetra mahazo ny tanora no tiana holazaina amin’izany. Ao, ohatra, no maniry ho tian’ny namany na hahaleo tena. Tsy hoe ratsy izany, nefa mitarika ho amin’ny fakam-panahy raha tafahoatra. Raha maniry mafy ny hahaleo tena, ohatra, ianao dia mety hiala amin’ireo zavatra tsara nampianarin’ny ray aman-dreninao. Izany no nahazo an’i Steve, tamin’izy 17 taona. Hoy izy: “Nikomy tamin’ny ray aman-dreniko aho, taoriana kelin’ny batisako. Nataoko daholo izay nolazain’izy ireo hoe tsy tokony hatao.”

Ekena aloha fa tena mahery ireny faniriana ireny. Afaka mandresy fakam-panahy anefa ianao. Ahoana no hahavitanao izany?

▪ Voalohany, fantaro izay fakam-panahy mafy indrindra aminao. (Mety ho efa nomarihinao tetsy aloha ilay izy.)

▪ Faharoa, eritrereto hoe: ‘Isaky ny inona no tena mitranga io fakam-panahy io?’ Mariho ny iray amin’ireto:

□ Any am-pianarana

□ Any am-piasana

□ Rehefa irery

□ Hafa․․․․․

Mety tsy ho tratran’ny fakam-panahy mihitsy ianao raha fantatrao ny fotoana mety hitrangany. Tadidio ilay tantara kely terỳ am-piandohana. Inona no fantatr’i Karen, ka tokony ho efa nahitany fa tsy fahendrena ny mankany amin’ilay fety? Inona no azony natao mba tsy ho tratran’ny fakam-panahy?

▪ Efa hitanao izao ny 1) fakam-panahy mety hitranga, sy ny 2) fotoana mety hitrangany. Inona amin’izay àry no tokony hataonao? Eritrereto aloha hoe ahoana no ialana amin’ilay fakam-panahy, na hampihenana an’ilay izy. Soraty eto ambany izay azonao atao.

․․․․․

․․․․․

(Ohatra: Raha imbetsaka ianao no teren’ny ankizy hifoka sigara rehefa avy mianatra, dia mandehana lalan-kafa mba tsy ho hitany. Raha matetika ianao no mahita sary vetaveta tampoka ao amin’ny Internet, dia fidio ilay programa manakana an’izany tsy hiseho eo amin’ny ordinateranareo. Farito tsara koa izay tianao hokarohina, mba tsy hisy zavatra hafa hipoitra afa-tsy izay ilainao ihany.)

Mazava ho azy aloha fa misy fakam-panahy tsy azo ialana. Tsy maintsy ho sendra an’izany ianao, na ho ela na ho haingana, ary mety ho tampoka sy tena mafy ilay izy. Inona àry no azonao atao?

Miomàna. Nahavita nanda avy hatrany i Jesosy, rehefa “nalain’i Satana fanahy.” (Marka 1:13) Nahoana? Satria efa tapa-kevitra ny tsy hivadika izy. Tadidio fa nanan-tsafidy i Jesosy. Afaka nanaiky ho resin’ny fakam-panahy izy, raha tiany. Efa vonona hankatò ny Rainy anefa izy, na inona na inona mitranga. (Jaona 8:28, 29) Tena vokatry ny fony no nitenenany hoe: “Tsy ny hanao ny sitrapoko no nidinako avy tany an-danitra, fa ny hanao ny sitrapon’ilay naniraka ahy.”—Jaona 6:38.

Soraty eto ambany ny antony roa tokony hanoheranao an’ilay fakam-panahy mpahazo anao, sy ny fomba roa eritreretinao handresena azy io.

1. ․․․․․

2. ․․․․․

Tadidio fa raha manaiky ho resin’ny fakam-panahy ianao, dia lasa andevozin’ny fanirianao. (Titosy 3:3) Havelanao hibaiko anao ve izy io? Aoka àry ianao ho matotra ka fehezo ny fanirianao, fa tsy izy io indray no hifehy anao.—Kolosianina 3:5.

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Novana ny anarana ato.

ERITRERETO IZAO:

▪ Mba alaim-panahy koa ve ny anjely?—Genesisy 6:1-3; Jaona 8:44.

▪ Inona no vokany eo amin’ny hafa, raha mahatohitra fakam-panahy ianao?—Ohabolana 27:11; 1 Timoty 4:12.

[Efajoro, pejy 27]

ANDRAMO IZAO

Makà tondroavaratra (boussole), ary hamarino hoe manondro avaratra ny fanjaitrany. Avy eo dia asio andriamby eo akaikiny. Inona no vokany? Tsy hanondro avaratra intsony ilay fanjaitra, fa hihodina any amin’ilay andriamby.

Hoatran’ny tondroavaratra ny feon’ny fieritreretana. Hanao safidy tsara ianao, raha voaofana tsara izy io. Toy ny andriamby kosa ny naman-dratsy, ka mety hitarika anao haditra. Inona àry no tokony hataonao? Halaviro izay olona na toe-javatra mety hitarika anao hanao safidy ratsy.—Ohabolana 13:20.

[Efajoro, pejy 27]

SOSO-KEVITRA

Eritrereto mialoha izay havalinao rehefa misy mitady hitaona anao haditra. Tsy voatery hiseho ho masina be ianao, fa angamba mila hentitra sy mandà tsotra fotsiny. Raha misy ankizy manome sigara anao, ohatra, dia afaka miteny ianao hoe: “Aoka izao fa izaho tsy mifoka!”

[Sary, pejy 28]

Raha manaiky ho resin’ny fakam-panahy ianao, dia lasa andevozin’ny fanirianao