Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Misaotra fa Tena Tia Olona Ianareo”

“Misaotra fa Tena Tia Olona Ianareo”

“Misaotra fa Tena Tia Olona Ianareo”

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ROSIA

▪ Nanao fivoriana kristianina tao amin’ny sekoly iray ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Tchita, tanàna any amin’ny faritra atsinanan’i Siberia, talohan’ny nahazoany Efitrano Fanjakana vaovao. Nanoratra taratasy fankasitrahana ho azy ireo ny talen’ilay sekoly, satria nodiovin’izy ireo foana ilay efitrano sady namboariny, ary tsara fanahy sy nahalala fomba izy ireo.

Izao no ampahany tamin’ilay taratasy: “Misaotra fa tena tia olona ianareo. Miharihary amin’izay rehetra mihaona aminareo izany. Misaotra koa noho ny fampianarana Baiboly sy ny asa soa ataonareo. Tsy hohadinoinay mihitsy ny zavatra nianaranay taminareo nandritra ireo taona niarahantsika niasa. Hita fa tsara fitondran-tena, mendri-pitokisana, tsara fanahy, ary manao tsara ny asany ny olona mino an’Andriamanitra. Tena tia manatratra tanjona koa izy ireo, ary manana finoana sy zava-kendrena eo amin’ny fiainana.” Mankasitraka an’ireo teny ireo ny Vavolombelon’i Jehovah.

▪ Nisy lanonana iray nalamin’ny tompon’andraiki-panjakana tao amin’ny faritr’i Saint-Pétersbourg, tany amin’ny 5 500 kilaometatra eo ho eo any andrefan’i Tchita. Voasa tamin’izany ny solontena iray avy ao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia. Nahoana? Rehefa mitsonika ny lanezy isan-taona, dia manadio lalana 60 kilaometatra eo akaikikaikin’ny biraon’ny sampana, ny Vavolombelona eo an-toerana. Naneho ny fankasitrahany an’izany asa soa ho an’ny fiaraha-monina izany ny tompon’andraikitra iray, ka nanolotra mari-pankasitrahana ho an’ilay solontenan’ny biraon’ny sampana. Nitehaka mafy ny mpanatrika. Nisy tompon’andraikitra iray nandiso ny fanononana ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah tao amin’ny lahateniny. Nahagaga fa nisy mpanatrika maromaro tsy Vavolombelona nanitsy izany avy hatrany. Hita fa fantatr’izy ireo tsara ny anaran’Andriamanitra sy ny olona mitondra azy io.

Ny fitoriana ampahibemaso ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia no tena mahatonga izany. Miisa 150 000 eo ho eo izao izy ireo any. Inona no tanjony? Ny hampiseho hatrany fa “tena tia olona” izy ireo. Toriny amin’izay maniry hihaino àry ny hafatra mampahery avy ao amin’ny Baiboly.—Matio 22:39.

[Sary, pejy 29]

Nahazo Mari-pankasitrahana ny biraon’ny sampan’i Rosia