Hijery ny anatiny

 Manontany ny Tanora Hoe...

Ahoana no Hanatsarako ny Vavaka Ataoko?

Ahoana no Hanatsarako ny Vavaka Ataoko?

“Tsy tokony hohadinoina mihitsy Andriamanitra. Mety hitranga anefa izany rehefa be atao ianao any am-pianarana na any am-piasana, na rehefa miaraka amin’ny namana sy ny fianakaviana.”—Faviola, 15 taona, Etazonia.

“AZA mitsahatra mivavaka.” (1 Tesalonianina 5:17) “Mahareta amin’ny vavaka.” (Romanina 12:12) “Ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo.” (Filipianina 4:6) Mety ho fantatrao tsara ireo andininy ireo raha Kristianina ianao. Ekenao koa angamba fa fomba fifandraisana hafa kely ny vavaka, satria ahafahanao miresaka amin’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra, amin’ny fotoana rehetra, na andro na alina! Milaza koa ny Baiboly fa “mihaino antsika izy.” *1 Jaona 5:14.

Sahala amin’ilay tanora voaresaka teo aloha anefa, dia mety ho sarotra aminao ny mivavaka. Inona àry no azonao atao? Hamaly izany ity lahatsoratra ity, ary hanampy anao 1) hamantatra hoe inona ny olana, sy 2) hanana tanjona tsara mahakasika ny vavaka, ary 3) hamaha ireo olana mba hanatratraranao ny tanjonao.

Hofantarintsika aloha hoe inona ny olana. Inona no tena sarotra aminao rehefa mivavaka? Soraty eto ny valin-teninao.

․․․․․

Avy eo, dia manàna tanjona. Mariho hoe iza amin’ireto no tanjona tianao hotratrarina. Raha hafa noho ireo, dia soraty eo amin’ilay hoe “Tanjona hafa.”

  • Te hivavaka matetika kokoa aho.
  • Tiako hovaovana ny vavaka ataoko.
  • Te hanao vavaka avy amin’ny fo aho.
  • Tanjona hafa ․․․․․

Sokafy ilay “varavarana”

Toy ny varavarana ny vavaka. Raha hitanao hoe mihidy izy io, dia ampiasao ny lakile ao amin’ny Baiboly

Azo ampitahaina amin’ny varavarana ny vavaka. Azonao sokafana izy io isaky ny te hanao izany ianao. Tanora maro anefa no miaiky fa mahalana izy ireo vao mamoha azy io, ary misalasala hanao izany aza indraindray. Aza kivy raha izany no tsapanao! Efa fantatrao  mantsy izao ilay olana, ary efa manana tanjona ianao. Ny vahaolana sisa no ilainao, izany hoe ny lakile hamohana ilay varavarana. Misy olana vitsivitsy ireto, sy soso-kevitra mety hanampy anao:

Olana: MANAO AN-TSIRAMBINA.

“Lasa manao an-tsirambina ny vavaka aho indraindray, satria be atao be.”—Preeti, 20 taona, Grande-Bretagne.

Vahaolana: “Mitandrema tsara hatrany mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty tsara ny fotoana, fa ratsy izao andro izao.”—Efesianina 5:15, 16.

Soso-kevitra: Fidio izay fotoana tsara ahafahanao mivavaka isan’andro. Azonao soratana amin’ny taratasy mihitsy izany, mba tsy hohadinoinao. Hoy i Yoshiko, tovovavy 18 taona, any Japon: “Lasa variana amin-javatra hafa aho, raha tsy manokana fotoana hivavahana.”

Olana: TSY MIFANTOKA.

“Tsy mifantoka aho rehefa mivavaka, fa miriorio be ny saiko.”—Pamela, 17 taona, Meksika.

Vahaolana: “Izay mameno ny fon’ny olona no lazain’ny vavany.”—Matio 12:34.

Soso-kevitra: Raha mora miriorio ny sainao, dia ataovy fohy aloha ny vavakao, mandra-pahaizanao mifantoka kokoa. Izay zavatra tena lehibe aminao koa resahina ao amin’ny vavaka. Hoy i Marina, ankizivavy 14 taona, any Rosia: “Rehefa nihalehibebe aho, dia nanomboka tsapako hoe resaka atao amin’Andriamanitra tokoa ny vavaka. Nandrisika ahy hamboraka aminy ny ao am-poko izany.”

Olana: FAHAZARANA FOTSINY.

“Mitovy foana ny zavatra lazaiko rehefa mivavaka.”—Dupe, 17 taona, Bénin.

Vahaolana: “Hosaintsainiko tokoa ny asanao rehetra, ary hoeritreretiko lalina ny zavatra nataonao.”—Salamo 77:12.

Soso-kevitra: Raha tsapanao hoe lasa piliavava fotsiny ny vavakao, dia soraty izay fitahiana azonao avy amin’i Jehovah isan’andro. Avy eo dia isaory izy. Raha izany foana no ataonao mandritra ny herinandro, dia hiovaova ny vavakao satria hisy zavatra fito samy hafa horesahinao. Soraty koa izay nitranga nandritra ny andro. Hoy i Bruno, tovolahy 21 taona, any Brezila: “Miezaka mitadidy izay nitranga nandritra ny andro aho, rehefa mivavaka.” Izany koa no ataon’i Samantha, tovovavy 18 taona, any Etazonia. Hoy izy: “Miezaka mitadidy izay zavatra niavaka androany aho, ary izany no resahiko ao amin’ny vavaka. Amin’izay aho tsy mamerimberina teny mitovy foana.” *

Olana: MISALASALA.

“Nivavaka momba ny olana iray nitranga tany am-pianarana aho, nefa tsy nilamina ilay izy fa niampy olana hafa indray aza. Nieritreritra àry aho hoe: ‘Inona moa no mbola hivavahako? Tsy mihaino akory i Jehovah!’ ”—Minori, 15 taona, Japon.

Vahaolana: ‘Rehefa misy fakam-panahy dia hasian’i [Jehovah Andriamanitra] lalan-kivoahana, mba hahazakanareo izany.’—1 Korintianina 10:13.

Soso-kevitra: Azo antoka fa tena “Mpihaino vavaka” i Jehovah. (Salamo 65:2) Raha efa nivavaka momba ilay zavatra mampanahy anao àry ianao, dia diniho ihany sao mba efa nivaly ilay vavakao, na dia mety ho tsy araka ny nieritreretanao azy aza. Azo inoana mantsy fa namaly ny vavakao i Jehovah, matoa mbola mahavita miaritra ianao. Nomeny hery hiaretana ilay zava-tsarotra ianao, na dia tsy nesoriny aza ilay izy.—Filipianina 4:13.

Olana: MENATRA.

“Menatra aho raha hitan’ ny mpiara-mianatra amiko mivavaka alohan’ny sakafo.”—Hikaru, 17 taona, Japon.

Vahaolana: “Misy fotoanany daholo ny raharaha rehetra.”—Mpitoriteny 3:1.

Soso-kevitra: Mety hidera anao ny olona mahita anao mivavaka mangina. Tsy voatery hasehonao amin’ny olona anefa hoe mivavaka ianao. Nivavaka vetivety anakampo, ohatra, i Nehemia, mpanompon’Andriamanitra, rehefa teo anatrehan’i Artaksersesy Mpanjaka. Tsy misy filazana mihitsy anefa hoe fantatr’ilay mpanjaka izany. (Nehemia 2:1-5) Afaka mivavaka anakampo amin’i Jehovah koa ianao, nefa tsy hisarika mason’olona.—Filipianina 4:5.

Olana: MAHATSIARO HO TSY MENDRIKA.

“Efa fantatr’i Jehovah ny olana manjo ahy. Izaho aza leo azy ireny, mainka fa izy! Mahatsiaro ho tsy mendrika ny hiresaka aminy aho indraindray.”—Elizabeth, 20 taona, Irlandy.

Vahaolana: “Apetraho [amin’Andriamanitra] daholo izay rehetra mampanahy anareo, satria miahy anareo izy.”—1 Petera 5:7.

Soso-kevitra: Anaovy fikarohana sy saintsaino ireto andininy ireto: Lioka 12:6, 7; Jaona 6:44; Hebreo 4:16; 6:10; 2 Petera 3:9. Ho hitanao avy amin’ireo fa te hihaino anao i Jehovah, ary tsy voatery ho Kristianina matotra be ianao vao hanao izany izy. Nisy zavatra nampanahy sy nampahory an’i Davida mpanao salamo koa, kanefa natoky izy fa “akaikin’izay torotoro fo i Jehovah, ary mamonjy an’izay ketraka.” *Salamo 34:18.

Tena miahy anao i Jehovah matoa izy mihitsy no mihaino ny vavakao. Hoy i Nicole, tovovavy 17 taona, any Italia: ‘I Jehovah mihitsy no mihaino ny vavaka ataontsika, fa tsy nankininy tamin’ny anjely izany. Midika izany fa zava-dehibe aminy ny vavaka ataontsika.’

^ feh. 4 Tsy mila onjam-peo ny Mpamorona mba handrenesana antsika, ka reny na dia ny vavaka atao anakampo aza.—Salamo 19:14.

^ feh. 23 Jereo ny lahatsoratra hoe “Eken’Andriamanitra ve ny Fampiasana Sapile?”, pejy 18.

^ feh. 32 Miresaha amin’ny ray aman-dreninao, raha tsapanao fa tsy mihaino ny vavakao Andriamanitra, satria nanao fahotana lehibe ianao. ‘Antsoy [koa] ny anti-panahin’ny fiangonana’, satria ho afaka hanampy anao hihavana amin’Andriamanitra indray izy ireo.—Jakoba 5:14.

ERITRERETO IZAO:

  • Inona avy ny zava-dehibe amin’i Jehovah, ka azonao resahina ao amin’ny vavaka?
  • Inona ny zavatra mahakasika ny hafa azonao resahina amin’i Jehovah?