Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Azo Atao ny ho Salama Kokoa

Azo Atao ny ho Salama Kokoa

Rustam

BE ATAO i Rustam, mipetraka any Rosia. Mpifoka sigara sy mpiboboka toaka izy nefa takany tatỳ aoriana fa novidiny lafo izany, ka nialany. Mbola kamokamo ihany anefa izy rehefa miasa ela eo amin’ny ordinaterany.

Miditra amin’ny valo maraina i Rustam nefa hoatran’ny tsy tena mifoha tsara raha tsy amin’ny folo, sady marary matetika. Novany àry ny fahazarany. Inona no vokany? Hoy izy: “Roa andro isan-taona aho no marary, raha be indrindra, tato anatin’ny fito taona. Azoko ny aiko, velombelona tsara aho, ary tiako ny fiainako.”

Mipetraka any Népal i Ram mivady sy ny zanany roa. Tsy misy kabine na fanariana fako sy rano maloto eo amin’ny manodidina azy ireo, ary feno moka sy lalitra. Narary matetika ny taovam-pisefoan’izy ireo sy ny masony, taloha. Nanova ny fahazarany koa izy ireo ka tena nihatsara ny fahasalamany.

Karakarao ny fahasalamanao

Olona maro no tsy mahatakatra hoe misy ifandraisany ny fahazarany sy ny fahasalamany, na manankarena izy na mahantra. Mihevitra angamba izy ireo fa kisendrasendra na tsy miankina amin’ny olona ny hahasalama azy. Izany no mahatonga ny olona maro tsy hiezaka hanatsara ny fahasalamany sy hanao zavatra tsara.

Tena afaka miaro sy manatsara fahasalamana anefa ianao sy ny fianakavianao, na mahantra ianareo na manankarena. Tsy ho very maina ny ezaka ataonareo. Azonao hatsaraina ny fiainanao ary tsy voatery ho faty tanora ianao.

Maka rano fisotro madio ry Ram

Ho salama kokoa ny ankizy raha manana fahazarana tsara ny ray aman-dreniny sady mampianatra ny zanany hanao toa azy. Mety handany fotoana sy vola bebe kokoa izany nefa andraisan-tsoa, satria tsy harary izy ireo ary tsy ho lany vola sy fotoana amin’ny fitsaboana. Aleo tokoa misoroka toy izay mitsabo!

Misy fomba dimy nanampy an’i Rustam sy Ram ary ny hafa, ao amin’ireo lahatsoratra manaraka. Tena ilaina ireo ary mety hanampy anao koa.