Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Izany fa ‘Miantsoantso ny Fahendrena’! Henonao Ve?

Izany fa ‘Miantsoantso ny Fahendrena’! Henonao Ve?

‘Tsy miantsoantso ve ny fahendrena, ary manandratra ny feony ny fahaiza-manavaka? Eny an-tampon-kavoana, sy eny amoron-dalana, ary eny amin’ny sampanan-dalana no ijanonany. Eo amin’ny fidirana amin’ny vavahady, no iantsoantsoany mafy.’—OHABOLANA 8:1-3.

TENA ilaina ny fahendrena, raha tsy izany isika manao hadalana foana. Avy aiza anefa ny tena fahendrena? Avy amin’ilay Andriamanitra Mpamorona, satria izy no hendry indrindra. Io fahendrena io no resahin’ilay andinin-teny etsy ambony. Voasoratra ao amin’ny Baiboly ny tena fahendrena, ka afaka mahazo azy ny olona rehetra. Diniho ange izao e:

  • Ny Baiboly no “boky miely indrindra eran-tany”, araka Ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy). “Izy io no nadika imbetsaka indrindra, sy amin’ny fiteny be indrindra.” Misy amin’ny fiteny efa ho 2 600 mantsy ny Baiboly manontolo na ny ampahany aminy, ka afaka manana azy io ny 90 isan-jato maherin’ny olona eran-tany.

  • Toy ny hoe ‘miantsoantso mafy’ koa ny fahendrena, satria torina eran-tany. Hoy mantsy ny Matio 24:14: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny [faran’ity tontolo ity].”

Anisan’ny fahendrena torina amin’io “vaovao tsara” io ny momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Andriamanitra ihany mantsy no tena hendry ka afaka mamaha ny olana rehetra mahazo ny olombelona. Ny Fanjakany no hampiasainy mba hanaovana izany. Tena fitondrana izy io, ary hanjaka amin’ny tany manontolo. (Daniela 2:44; 7:13, 14) Nivavaka àry i Jesosy hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!”—Matio 6:9, 10.

Faly ny Vavolombelon’i Jehovah mitory ny Fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tany 239! “Miantsoantso” tokoa àry ny tena fahendrena, izany hoe ny fahendren’Andriamanitra! Miantsoantso eny rehetra eny izy io, na dia eny “amin’ny fidirana amin’ny vavahady” aza. Henonao ve ilay izy?