Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOPY MASO ERAN-TANY

Maresaka Momba An’i Afrika

Maresaka Momba An’i Afrika

Fikambanana sy olona tsara sitrapo maro no miezaka mafy mba hanatsarana ny fiainan’ny olona ao Afrika. Hoatran’ny mbola be dia be anefa ny vato misakana.

Ripaka ny Tokantandroka

Nahatratra 1 004 ny tokantandroka nisy namono tao Afrika Atsimo tamin’ny 2013, nefa 13 fotsiny izany tamin’ny 2007. Misy mivarotra an-tsokosoko mantsy ny tandrok’izy ireny. Mbola be mpitady foana izany, na dia efa betsaka aza no maty. Lafo noho ny volamena aza ilay izy indraindray. Maherin’ny arivo tapitrisa ariary ny vidin’ny tandroka iray.

ERITRERETO IZAO: Ho vitan’ny fitondran’olombelona ve ny hanafoana ny zava-dratsy toy izany?—Jeremia 10:23.

Kolikoly

Any Afrika Atsinanana no ahitana an’ireo firenena be mpanao kolikoly indrindra eran-tany, hoy ny Mangarahara Iraisam-pirenena, fikambanana miady amin’ny tsolotra. Na mahafantatra mpanao kolikoly aza anefa ny olona, dia tsy manao tatitra momba izany ny 90 isan-jatony. Hoy ny mpitondra tenin’ilay fikambanana, avy any Kenya: “Hoatran’ny tsy matoky ny olona hoe hanao zavatra ny fanjakana raha anaovana tatitra momba ny kolikoly.”

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY: “Manajamba ny mason’ny mahiratra ny kolikoly.”—Eksodosy 23:8.

Afrikanina Mampiasa Internet

Nilaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fifandraisan-davitra fa efa ho ny 20 isan-jaton’ny Afrikanina no hampiasa Internet, rehefa mifarana ny taona 2014. Vao mainka mihamitombo ny Afrikanina mampiasa Internet amin’ny fitaovana entin-tanana, satria raha jerena ny salanisa eran-tany dia avo roa henin’izany ny ao Afrika.