Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARAM-PIAINANA

Tsy Manana Ahiahy Aho Satria Matoky An’i Jehovah

Tsy Manana Ahiahy Aho Satria Matoky An’i Jehovah

REHEFA misy manontany momba ny fiainako, dia matetika aho no miteny hoe: “Izaho ange valizy eny an-tanan’i Jehovah e!” Izaho izao rehefa mitondra valizy, dia azoko entina any amin’izay tiako ilay izy. Dia tiako raha izay koa no ataon’i Jehovah sy ny fandaminany amiko, hoe ry zareo no manendry ny toerana sy ny fotoana handehanako. Nekeko daholo ny fanendrena ahy na dia sarotra aza, na nampidi-doza mihitsy. Nianarako anefa hoe rehefa matoky an’i Jehovah ianao, dia tsy manana ahiahy izany.

NANOMBOKA NATOKY AN’I JEHOVAH AHO

Teraka tao amin’ny tanàna kely any amin’ny faritra iray any atsimoandrefan’i Nizeria aho, tamin’ny 1948. Natao batisa ny dadafaranay nandritra an’izay fotoana izay, dia lasa Vavolombelon’i Jehovah. Moustapha no anarany. Natao batisa koa i Wahabi zokinay lahimatoa. Maty i Dada tamin’izaho sivy taona. Tena vaky ny foko! Nilaza tamiko anefa i Wahabi hoe mbola afaka ny hahita azy izahay rehefa hatsangana amin’ny maty izy. Nampionona ahy izany, dia lasa te hianatra Baiboly aho. Natao batisa aho tamin’ny 1963. Natao batisa koa ny rahalahiko telo.

Nankany Lagos tany amin’i Wilson zokinay lahy aho tamin’ny 1965. Ninamana be tamin’ny mpisava lalana maharitra tao amin’ny fiangonana Igbobi aho tany. Tiako be ny nahita an-dry zareo falifaly sy nafana fo, dia nanao mpisava lalana koa aho tamin’ny Janoary 1968.

Nandamina fivoriana manokana niaraka taminay tanora ny rahalahy iray nanompo tao amin’ny Betela. Albert Olugbebi no anarany. Nila mpisava lalana manokana, hono, tany amin’ny faritra avaratr’i Nizeria. Mbola tadidiko tsara ny hafanam-pon’i Olugbebi tamin’izy nilaza hoe: “Tanora ianareo dia azonareo ampiasaina ho an’i Jehovah ny fotoananareo sy ny herinareo. Midadasika be ny faritany!” Te hanolo-tena hoatran’i Isaia mpaminany aho dia nandefa fangatahana.​—Isaia 6:8.

Voatendry ho mpisava lalana manokana tany amin’ny tanànan’i Kano, any amin’ny faritra avaratr’i Nizeria, aho tamin’ny Mey 1968. Nisy ady nandravarava tany Biafra tamin’izay (1967-1970). Nifindra tany atsinanan’i Nizeria ilay ady taorian’izay. Nisy rahalahy tsara fanahy niezaka nandresy lahatra ahy mba tsy handeha ho any. Hoy anefa aho: “Misaotra anao amin’ny fiahiana. Fa raha any no tian’i Jehovah hanendrena ahy, dia matoky tanteraka aho fa hanampy ahy izy.”

NATOKY AN’I JEHOVAH, NA DIA TANY AMIN’NY FARITRA ROTIDROTIKY NY ADY AZA

Nampalahelo be ny fiainana tany Kano. Ravan’ny ady an-trano mantsy io tanàna lehibe io. Rehefa nanompo izahay, dia indraindray nahita faty niampatrampatra teny. Marina hoe nisy fiangonana vitsivitsy tany Kano, nefa nitsoaka ny ankamaroan’ny mpiara-manompo. Tsy ampy 15 akory ny mpitory tavela, ary natahotra sy kivy ry zareo. Faly erỳ ry zareo nahita anay! Mpisava lalana manokana enina mantsy izahay no voatendry tany. Nihatony ry zareo rehefa nampaherezinay. Nampianay ry zareo mba hamerina ny fandaharana ara-panahy efa fanaony sy hamerina tatitra, ary hanafatra boky sy gazety any amin’ny biraon’ny sampana indray.

Nanomboka nianatra teny haoussa izahay enina. Betsaka no nihaino tsara rehefa notorina tamin’ny fitenin-drazany ny hafatra momba ilay Fanjakana. Nila nitandrina be anefa izahay, satria tsy faly tamin’ny asa fitoriana nataonay ny mpivavaka tao amin’ny fivavahana be mpanaraka tao amin’ilay faritra. Nisy fotoana aza izaho sy ilay namako nenjehina lehilahy iray izay tamin’ny antsy. Soa ihany izahay fa nahery nihazakazaka noho izy, dia tsy tratrany! Na teo aza ireny loza ireny, dia nataon’i Jehovah ‘niadana sy nilamin-tsaina’ izahay, ka nihabetsaka ny mpitory. (Sal. 4:8) Maherin’ny 500 izao ny mpitory any Kano ary 11 ny fiangonana.

FANOHERANA TANY NIGER

Mpisava lalana manokana tany Niamey, any Niger

Volana vitsivitsy ihany aho no tany Kano, dia avy eo nalefa tany Niamey niaraka tamin’ny mpisava lalana manokana roa hafa, tamin’ny Aogositra 1968. Renivohitry ny Repoblikan’i Niger any Afrika Andrefana izy io. Tsy ela dia hitanay hoe anisan’ny faritra mafana indrindra eran-tany i Niger. Tsy vitan’ny hoe nianatra nizaka hafanam-be àry izahay, fa nila nianatra teny frantsay koa. Izay mantsy no teny ofisialy any. Na teo aza izany, dia natoky an’i Jehovah izahay, ka nanomboka nitory tao amin’ilay renivohitra niaraka tamin’ny mpitory vitsivitsy teo an-toerana. Tsy ela dia efa saika nahazo an’ilay boky hoe Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay ny olona rehetra mahay mamaky teny tany Niamey. Nisy aza nitady anay mihitsy mba hangataka iray!

Tsy ela dia fantatray hoe tsy nankasitraka ny Vavolombelon’i Jehovah ny manam-pahefana. Nanao fivoriamben’ny faritra voalohany tao amin’ilay tany, ohatra, izahay tamin’ny Jolay 1969. Nisy 20 teo ho eo ny mpanatrika. Efa tsy andrinay ny handrobohana an’ireo mpitory vaovao roa. Tonga avy any anefa ny polisy dia nanajanona an’ilay fandaharana, ny andro voalohany. Nentin-dry zareo tany amin’ny paositry ny polisy ny mpisava lalana manokana sy ny mpiandraikitra ny faritra. Rehefa avy nanadihady anay ry zareo, dia nasainy niverina izahay ny ampitson’iny. Efa tsinjotsinjonay hoe ho ratsy ny tohin’ny tantara, dia nataonay tany an-tranon’olona ny lahatenin’ny batisa, ary niafinafina izahay rehefa nandroboka an’ireo mpitory roa tany an-drenirano.

Noroahin’ny minisitry ny atitany izaho sy ny mpisava lalana manokana dimy hafa, herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana. Nomeny 48 ora izahay mba hialana tao amin’ilay tany, sady izahay ihany, hono, no mitady an’izay fomba handehananay. Nanaiky izahay, dia tonga dia nankany amin’ny biraon’ny sampan’i Nizeria ka nahazo fanendrena vaovao.

Voatendry tany amin’ny tanàna kely nizerianina antsoina hoe Orisunbare aho. Tiako be ny fanompoana tany niaraka tamin’ny mpitory vitsivitsy teo an-toerana. Nasain’ny biraon’ny sampana hiverina tany Niger anefa aho afaka enim-bolana. Gaga be aho aloha sady nitebiteby, nefa tsy andriko koa ny hihaona tamin’ny rahalahy tany Niger indray!

Niverina tany Niamey aho. Nihaona tamina mpandraharaha nizerianina aho ny ampitson’ny nahatongavako. Fantany hoe Vavolombelon’i Jehovah aho, dia nanomboka nanontanintany momba ny Baiboly izy. Nianatra Baiboly izahay ka niala tamin’ny sigara sy toaka izy, ary natao batisa. Faly aho hoe nitondra ny anjara birikiko mba hampandrosoana ny asantsika tany amin’ny faritra samihafa tany Niger. Nisy fitomboana foana tany, na dia niadana aza. Nisy 31 ny Vavolombelona tao amin’ilay firenena tamin’izaho vao tonga, ary 69 tamin’izaho niala tany.

“TSY TENA MAHAFANTATRA MOMBA NY ASAN’ILAY FANJAKANA ANY GUINÉE IZAHAY”

Niverina tany Nizeria aho tamin’ny faramparan’ny 1977 mba hiofana nandritra ny roatokombolana. Niantso ahy i Malcolm Vigo, mpandrindra ny Komitin’ny Sampana, tamin’ny faran’ilay fiofanana. Nisy taratasy avy any amin’ny sampan’i Sierra Leone nasainy novakiko. Nitady rahalahy mpisava lalana mpitovo sy salama tsara ary mahay teny anglisy sy frantsay, hono, ry zareo, mba ho mpiandraikitra ny faritra atỳ Guinée. Nilaza tamiko ny Rahalahy Vigo hoe nampiofanina ho amin’izany aho. Nohamafisiny tsara anefa hoe tsy ho mora io fanendrena io. Izao no nolazainy: “Eritrereto tsara aloha vao manaiky an’ilay izy ianao.” Tonga dia namaly anefa aho hoe: “Handeha aho satria i Jehovah no mandefa ahy.”

Nandray raoplanina nankany Sierra Leone aho, dia nihaona tamin’ny mpiara-manompo tao amin’ny biraon’ny sampana. Nisy rahalahy iray anisan’ny Komitin’ny Sampana izay nilaza tamiko hoe: “Tsy tena mahafantatra momba ny asan’ilay Fanjakana any Guinée izahay.” Marina fa ilay sampana no niandraikitra ny asa fitoriana tatỳ Guinée, satria eo akaiky eo ihany io firenena io. Tsy afaka nifandray tamin’ny mpitory tatỳ anefa ry zareo satria nisy korontana. Niezaka imbetsaka nandefa solontena tatỳ ny sampana nefa tsy nahavita mihitsy. Izaho àry no nasaina nanketo Conakry renivohitr’i Guinée, mba hangataka fahazoan-dalana hipetraka eto.

“Handeha aho satria i Jehovah no mandefa ahy”

Nankany amin’ny masoivohon’i Nizeria aho rehefa tonga teto Conakry, dia nihaona tamin’ny ambasadaoro. Nolazaiko taminy hoe te hitory tatỳ Guinée aho. Nampirisika ahy anefa izy mba tsy hijanona atỳ sao, hono, ho voasambotra aho na ho ratsy kokoa noho izany aza no hahazo ahy. Izao no nolazainy: “Miverena any Nizeria dia any mitory e!” Fa hoy aho: “Tapa-kevitra ny hijanona aho ka!” Nanoratra tamin’ny minisitry ny atitany teto Guinée àry izy mba hanampy ahy, dia noraisin’izy io tsara aho rehefa tonga tany.

Niverina tany amin’ny biraon’ny sampan’i Sierra Leone aho tsy ela taorian’izay, dia nolazaiko tamin’ireo rahalahy ny fanapahan-kevitr’ilay minisitra. Nihorakoraka erỳ ry zareo rehefa naheno ny fomba nitahian’i Jehovah ny diako! Nahazo alalana hipetraka tatỳ Guinée mantsy aho.

Nanao ny asan’ny faritra tany Sierra Leone

Nanao ny asan’ny faritra tatỳ Guinée sy Sierra Leone aho tamin’ny 1978 ka hatramin’ny 1989. Mpiandraikitra ny faritra mpisolo toerana tany Liberia koa aho tamin’izany. Narary matetika aho tamin’ny voalohany, nefa aho tany amin’ny toerana mitokana indraindray. Na izany aza, dia niezaka mafy ireo rahalahy mba hitondra ahy tany amin’ny hopitaly.

Narary be aho, indray mandeha, satria voan’ny tazomoka sady nisy kankana tao amin’ny tsinaiko. Rehefa sitrana aho, dia henoko fa hay ireo rahalahy efa nifampiresaka hoe aiza no handevenana ahy! Na dia efa saika maty aza aho, dia tsy nieritreritra ny hiala amin’ny fanendrena ahy mihitsy. Resy lahatra foana aho hoe ilay Andriamanitra afaka manangana ny maty ihany no afaka manampy ahy tsy hanana ahiahy mihitsy.

MATOKY AN’I JEHOVAH IZAHAY MIVADY

Tamin’ny mariazinay, 1988

Nihaona tamin’i Dorcas aho tamin’ny 1988. Mpisava lalana tena manetry tena izy sady tia an’i Jehovah. Nivady izahay, dia niara-nanao ny asan’ny faritra. Hita mihitsy hoe be fitiavana i Dorcas sady tena mahafoy tena. Nandeha an-tongotra hatramin’ny 25 kilaometatra izahay rehefa nitsidika fiangonana, moa ny entana nolanjaina ihany. Raha lavitra kokoa ny fiangonana notsidihinay, dia izay fitaovam-pitaterana nisy teo no nandehananay tamin’ny lalana feno fotaka sy lavaka.

Tena be herim-po i Dorcas. Nisy fotoana, ohatra, izahay nila niampita rano feno voay. Nanao dia nandritra ny dimy andro izahay, indray mandeha, nefa tapaka daholo ny tetezan-kazo hiampitana tamin’izay renirano iray izay. Tsy maintsy nandeha lakana àry izahay. Loza anefa fa rehefa nitsangana hivoaka an’ilay lakana i Dorcas, dia nianjera tao amin’ilay rano lalina be! Izahay roa anefa samy vato alatsaka, moa ilay rano feno voay. Soa ihany fa nisy tovolahy tonga dia nitsoraka namonjy azy. Samy nanonofy ratsy momba an’iny izahay elaela, nefa notohizinay foana ny fanompoanay.

Jahgift sy Eric zanakay; tena fanomezana avy amin’i Jehovah izy mianadahy

Taitra be izahay tamin’ny voalohandohan’ny 1992 rehefa nahalala hoe bevohoka i Dorcas. Vita hatreo ve izany ny fanompoana manontolo andro? Nataonay an-tsaina anefa hoe nomen’i Jehovah fanomezana izahay! Nataonay hoe Jahgift (midika hoe “Fanomezan’i Jah”) àry ny anaran’ilay zanakay vavy. Niteraka an’i Eric koa izahay efa-taona taorian’izay. Tena fanomezana avy amin’i Jehovah izy mianadahy. Nisy fotoana i Jahgift nanompo tao amin’ny biraon’ny fandikan-teny mitokana tatỳ Conakry. I Eric kosa mpikarakara fiangonana.

Marina hoe tsy maintsy nijanona tsy nanao mpisava lalana manokana intsony i Dorcas. Mbola nanao mpisava lalana maharitra foana anefa izy, na dia rehefa nitaiza aza. Izaho kosa mbola afaka nanao fanompoana manontolo andro manokana, noho ny fanampian’i Jehovah. Lasa mpisava lalana manokana indray i Dorcas, rehefa lehibe ny zanakay. Samy misionera eny amin’ny saha atỳ Conakry izahay roa izao.

ILAY MANAMPY ANTSIKA TSY HANANA AHIAHY

Nandeha tany amin’izay nitondran’i Jehovah ahy foana aho. Matetika izahay mivady no nahatsapa hoe narovany sy notahiny. Matoky an’i Jehovah izahay, dia voaro amin’ny adin-tsaina be dia be mahazo ny olona miantehitra amin’ny vola aman-karena. Izahay sy Dorcas mihitsy no mahita hoe i Jehovah ilay ‘Andriamanitra mpamonjy antsika’ no tena afaka manampy antsika tsy hanana ahiahy. (1 Tan. 16:35) Matoky aho fa “harovan’i Jehovah” ny ain’izay rehetra matoky azy, “ka ho toy ny hoe fonosiny tsara ao anaty kitapo.”​—1 Sam. 25:29.