Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANY SY MPONINA

Fitsidihana An’i Liechtenstein

Fitsidihana An’i Liechtenstein

IRAY amin’ireo firenena kely indrindra eran-tany i Liechtenstein. Any amin’ny tendrombohitr’i Alpes no misy azy, eo anelanelan’i Soisa sy Aotrisy. Ny Selta, ny Romanina, ny olona avy any Rhétie, ary ny Alamans no nipetraka tany nandritra ny taonjato maro. Tokony ho 1500 taona lasa izay ny fokon’ny Alamans no nanorim-ponenana tany, ary taranak’io foko io ny roa ampahatelon’ny mponina any.

Ny Alemà no fiteny ofisialy, nefa manana fitenim-paritra koa ny tanàna tsirairay. Anisan’ny sakafo mampiavaka an’io tany io ny Tüarka-Rebel, izay vita amin’ny katsaka, sy ny Käsknöpfle, izay paty asiana fromazy.

Käsknöpfle

Akanjo mampiavaka ny foko iray

Rehefa tonga any ny mpitsidika dia mahatazana tendrombohitra feno lanezy, lohasaha maitso mavana, tanimboaloboka, ary zavamaniry isan-karazany. Ahitana karazana orkide dia efa ho 50, ohatra, any. Misy tranombakoka sy trano fanaovana teatra ary toerana fanamboarana divay koa any. Be mpizaha tany àry any, na fahavaratra na ririnina.

Efa hatramin’ny 1920 tany ho any no nisy Vavolombelon’i Jehovah tany Liechtenstein. Misy 90 eo ho eo izao izy ireo any, ary mampianatra an’izay lazain’ny Baiboly amin’ny tompon-tany sy ny vahiny.