Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manahaka ny Fiheveran’i Jehovah ny Rariny ve Ianao?

Manahaka ny Fiheveran’i Jehovah ny Rariny ve Ianao?

“Hanambara ny anaran’i Jehovah aho. ... Andriamanitra mendri-pitokisana izy, ary tsy mba manao ny tsy rariny.”—DEOT. 32:3, 4.

HIRA: 110, 2

1, 2. a) Inona no tsy rariny nanjo an’i Nabota sy ny zanany lahy? b) Inona ny toetra roa hodinihintsika ato?

VOAHELOKA ho faty ny lehilahy iray. Fa naninona? Nisy lehilahy tsy manjary anankiroa nanendrikendrika azy. Nalahelo be sady tezitra be ny fianakavian’ilay lehilahy sy ny namany. Azo antoka fa izany koa no tsapan’ny olona rehetra tia rariny, rehefa nahita ny namonoana an’io lehilahy tsy manan-tsiny io sy ny zanany. Tsy angano izany fa tena nisy. Tamin’ny andron’i Ahaba mpanjakan’ny Israely izany no nitranga. Nabota no anaran’ilay lehilahy. Mpanompon’i Jehovah izy ary tsy nivadika mihitsy.—1 Mpanj. 21:11-13; 2 Mpanj. 9:26.

2 Handinika an’izay nanjo an’i Nabota isika. Hojerentsika koa hoe inona no fahadisoana lehibe nataon’ny anti-panahy iray tamin’ny taonjato voalohany. Hianarantsika amin’izany fa mila manetry tena sy mamela heloka isika, rehefa misy mpiara-manompo manao ny tsy rariny. Hanahaka ny fiheveran’i Jehovah ny rariny isika amin’izay.

NAMADIKA NY RARINY IZY IREO

3, 4. Hoatran’ny ahoana i Nabota, ary nahoana izy no tsy nety nivarotra ny taniny tamin’i Ahaba Mpanjaka?

3 Nanao ratsy i Ahaba Mpanjaka sy Jezebela vadiny, ary nanahaka azy ireo ny ankamaroan’ny Israelita. Nivavaka tamin’i Bala izy ireo ary tsy nanaja an’i Jehovah sady tsy niraharaha ny fitsipiny. I Nabota kosa tsy nivadika tamin’i Jehovah. Sarobidy taminy mihoatra noho ny ainy ny fifandraisany tamin’i Jehovah.

4 Vakio ny 1 Mpanjaka 21:1-3. Saika hovidin’i Ahaba ny tanimboalobok’i Nabota na hatakalony tanimboaloboka tsara kokoa. Tsy nety anefa i Nabota. Nanaja tsara izy rehefa nanazava hoe: “Sanatria ahy ny hanome anao ny lova avy amin’ny razako, satria tsy mifanaraka amin’ny fihevitr’i Jehovah izany!” Tsy nanaiky i Nabota satria milaza ny lalàn’i Jehovah ho an’ny firenen’Israely hoe tsy azo atao varo-maty ny lova. (Lev. 25:23; Nom. 36:7) Tena nankatò an’i Jehovah i Nabota.

5. Inona no nataon’i Jezebela ka nahatonga an’i Nabota hovonoina ho faty?

5 Nanao zavatra nahatsiravina i Ahaba Mpanjaka sy ny vadiny, rehefa tsy nety nivarotra an’ilay tanimboaloboka i Nabota. Nisy lehilahy roa nasain’i Jezebela hanendrikendrika an’i Nabota, mba hahazoan’ny vadiny an’ilay tanimboaloboka. Novonoina ho faty i Nabota sy ny zanany lahy vokatr’izany. Tena tsy rariny ilay izy. Inona àry no nataon’i Jehovah?

ARA-DRARINY NY DIDIM-PITSARAN’I JEHOVAH

6, 7. Inona no mampiseho fa tia rariny i Jehovah, ary nahoana izany no nampahery ny havan’i Nabota sy ny namany?

6 Naniraka an’i Elia avy hatrany i Jehovah mba hiteny an’i Ahaba. Nasainy nilaza taminy i Elia fa sady namono olona izy no nangalatra. Namoaka didim-pitsarana àry i Jehovah hoe hisy hamono hoatran’i Nabota sy ny zanany i Ahaba sy ny vady aman-janany.—1 Mpanj. 21:17-25.

7 Marina fa nalahelo be ny havan’i Nabota sy ny namany noho ny nataon’i Ahaba. Azo antoka anefa fa nampahery an-dry zareo ny nahafantatra hoe hitan’i Jehovah ilay tsy rariny ary nanao zavatra avy hatrany izy. Nisy zava-nitranga tsy nampoizina nisedra azy ireo anefa. Mety ho sarotra tamin’izy ireo ny nanetry tena sy natoky an’i Jehovah tamin’izay.

8. Inona no nataon’i Ahaba rehefa naheno ny didim-pitsaran’i Jehovah izy, ary inona no vokany?

8 Rehefa fantatr’i Ahaba ilay didim-pitsaran’i Jehovah, dia “nandrovitra ny akanjony izy, ka nitafy lamba gony nataony nanolo-koditra. Dia nifady hanina izy sady nandry nitafy gony teo foana. Ary ny famindrany dia nahitana fa kivy tanteraka izy.” Tena nanetry tena i Ahaba. Izao àry no nolazain’i Jehovah tamin’i Elia: “Nanetry tena izy noho ny amiko, ka tsy hataoko tonga amin’izao androny izao ilay loza. Amin’ny andron’ny zanany kosa vao hataoko tonga amin’ny ankohonany izany.” (1 Mpanj. 21:27-29; 2 Mpanj. 10:10, 11, 17) Namindra fo tamin’i Ahaba i Jehovah, ilay “mpandinika ny fo.”—Ohab. 17:3.

TENA ILAINA NY MANETRY TENA

9. Nahoana ny havan’i Nabota sy ny namany no mety ho nila nanetry tena?

9 Inona no mety ho noeritreretin’ny fianakavian’i Nabota sy ny namany, rehefa fantany fa niova ny didim-pitsaran’i Jehovah momba an’i Ahaba? Mety ho lasa sarotra tamin’izy ireo ny natoky an’i Jehovah. Raha izany no nitranga, dia nila nanetry tena izy ireo. Nanompo an’i Jehovah foana sy tsy nivadika taminy izy ireo raha nanao an’izany, sady natoky fa tsy mba manao ny tsy rariny izy. (Vakio ny Deoteronomia 32:3, 4.) Hahita ny hampiharana ny rariny i Nabota sy ny zanany lahy ary ny fianakaviany, rehefa hanangana azy ireo amin’ny maty i Jehovah. (Joba 14:14, 15; Jaona 5:28, 29) Raha manetry tena koa ny olona iray, dia hitadidy hoe “hotsarain’Andriamanitra ny karazan’asa rehetra mbamin’ny zava-miafina rehetra, ka izy no hamaritra na tsara izany na ratsy.” (Mpito. 12:14) Dinihin’i Jehovah ny zava-drehetra, hatramin’ny zavatra tsy fantatsika, izay izy vao mamoaka didim-pitsarana. Mila manetry tena àry ny olona iharan’ny tsy rariny, raha te hatoky azy foana.

10, 11. a) Inona avy no mety hahatonga antsika hieritreritra hoe misy tsy rariny eo anivon’ny fiangonana? b) Nahoana no manampy antsika ny manetry tena?

10 Inona no hataonao raha tsy azonao tsara na tsy ekenao ny fanapahan-kevitry ny anti-panahy? Inona, ohatra, no hataonao raha nisy andraikitra na tombontsoam-panompoana nesorina taminao na tamin’ny mpianakavinao na namanao? Ary ahoana raha voaroaka ny vadinao, na ny zanakao, na ny namanao be, nefa tsy ekenao ilay izy? Ahoana no hataonao raha mieritreritra ianao hoe tsy tokony ho namindra fo tamin’ny olona iray nanota ny anti-panahy? Mety ho sarotra amintsika ny hatoky an’i Jehovah rehefa mitranga ny zavatra hoatr’izany. Mety hisalasala koa isika raha mety ny fomba andaminany ny fiangonana. Inona àry no hanampy antsika? Mila manetry tena isika. Nahoana?

Ahoana no hataonao raha tsy ekenao ny fanapahan-kevitra ampandrenesin’ny anti-panahy? (Fehintsoratra 10, 11)

11 Voalohany, satria rehefa manetry tena isika dia hiaiky fa tsy fantatsika ny zava-drehetra. Na fantatsika daholo aza ny momba an’ilay zava-nitranga, dia i Jehovah ihany no mahalala izay any am-pon’ny olona. (1 Sam. 16:7) Hanetry tena isika raha mitadidy an’izany. Hiaiky koa isika hoe voafetra ny zavatra fantatsika, ka hanova ny fomba fihevitsika isika. Faharoa, hahavita hankatò isika raha manetry tena. Hanam-paharetana koa isika, ka hiandry an’i Jehovah handamina ny tsy rariny. Hoy mantsy ny Baiboly: “Ho tsara fiafara ireo matahotra an’Andriamanitra. ... Ho ratsy fiafara kosa ny ratsy fanahy, sady tsy ho afaka hanalava ny androm-piainany.” (Mpito. 8:12, 13) Handray soa àry ny rehetra raha manetry tena isika.—Vakio ny 1 Petera 5:5.

NIHATSARAVELATSIHY IZY

12. Inona izao no hodinihintsika, ary nahoana?

12 Nisy zava-nitranga nisedra ny Kristianina tany Antiokia, any Syria, tamin’ny taonjato voalohany. Hita tamin’ilay izy raha nanetry tena sy vonona hamela heloka izy ireo na tsia. Handinika an’io tantara io isika izao, ka ho afaka hieritreritra hoe tia mamela heloka ve isika. Ho hitantsika koa fa amin’i Jehovah, dia misy ifandraisany ny mamela heloka sy ny manao ny rariny.

13, 14. Inona no andraikitra nananan’ny apostoly Petera, ary inona no porofo fa be herim-po izy?

13 Anti-panahy ny apostoly Petera, ary be mpahalala be izy teo anivon’ny fiangonana. Naman’i Jesosy izy, ary nomeny andraikitra lehibe. (Mat. 16:19) Nirahina hitory tamin’i Kornelio sy ny olona rehetra tao an-tranony, ohatra, izy tamin’ny taona 36. Tena niavaka izany satria tsy Jiosy i Kornelio sady tsy voafora. Rehefa nahazo fanahy masina ry zareo, dia hoy i Petera: “Nandray ny fanahy masina tahaka antsika koa ireto olona ireto, koa misy aminareo ve afaka misakana azy tsy hatao batisa amin’ny rano?”—Asa. 10:47.

14 Nivory tany Jerosalema ny apostoly sy ny anti-panahy, izany hoe ny filan-kevi-pitantanana, tamin’ny taona 49, mba handinika hoe tsy maintsy forana ve izay tsy Jiosy lasa Kristianina. Tsy natahotra i Petera tamin’izay nampahatsiahy azy ireo fa nahazo fanahy masina ireo hafa firenena tsy voafora, taona vitsivitsy talohan’izay. Izy mihitsy no nahita an’izany, ka tena nanampy ny filan-kevi-pitantanana hanapa-kevitra izy. (Asa. 15:6-11, 13, 14, 28, 29) Azo inoana fa tena nankasitraka an’i Petera ny Kristianina jiosy sy hafa firenena, satria sahy nilaza ny zava-nisy izy. Azo antoka fa mora tamin’izy ireo ny natoky an’io rahalahy tena matotra io.—Heb. 13:7.

15. Inona no fahadisoana nataon’i Petera? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

15 Nankany Antiokia, any Syria, i Petera, taoriana kelin’ilay fivoriana tany Jerosalema. Niaraka tsara tamin’ireo mpiara-manompo tsy jiosy izy tany. Azo antoka fa nandray soa tamin’ny zavatra fantatr’i Petera sy ny traikefany izy ireo. Tampotampoka teo anefa dia lasa tsy nety niara-nisakafo tamin-dry zareo i Petera. Tsy maintsy ho gaga be ry zareo sady nalahelo. Nanao hoatran’ny nataon’i Petera koa ny mpiara-manompo jiosy sasany, hatramin’i Barnabasy. Mety ho nampisara-bazana ny fiangonana anefa izany. Fa inona no nahatonga an’i Petera hanao an’izany, nefa izy anti-panahy matotra be? Ary inona no azontsika ianarana avy amin’io zava-nitranga io, ka afaka manampy antsika raha sendra misy anti-panahy miteny na manao zavatra mampalahelo antsika?

16. Ahoana no nanitsiana an’i Petera, ary inona avy ny fanontaniana mety ho tonga ao an-tsaintsika?

16 Vakio ny Galatianina 2:11-14. Lasa natahotra olona i Petera. (Ohab. 29:25) Efa fantany tsara ny fiheveran’i Jehovah ny tsy Jiosy. Matin-kenamaso an’ireo Jiosy voafora, avy any amin’ny fiangonan’i Jerosalema, anefa izy. Natahotra izy hoe inona no hoeritreretin’izy ireo rehefa mahita azy miaraka amin’ny Kristianina tsy jiosy. Nanarin’ny apostoly Paoly àry i Petera satria nihatsaravelatsihy. Teo koa mantsy i Paoly tamin’ilay fivoriana tany Jerosalema, ary naheno an’i Petera niaro an’ireo Kristianina tsy jiosy. (Asa. 15:12; Gal. 2:13) Inona àry izao no hataon’ireo Kristianina tsy jiosy, amin’izany tsy rariny nataon’i Petera izany? Ho tafintohina ve ry zareo? Hesorina amin’i Petera ve ny andraikiny satria nanao fahadisoana izy?

MIEZAHA HAMELA HELOKA

17. Inona no porofo fa namela ny helok’i Petera i Jehovah?

17 Azo inoana fa nanetry tena i Petera ary nanaiky ny torohevitr’i Paoly. Tsy milaza ny Baiboly hoe nesorina taminy ny andraikiny. Nahazo fanahy masina aza izy tatỳ aoriana, ka nanoratra taratasy anankiroa lasa anisan’ny Baiboly. “Rahalahy malalantsika” no niantsoany an’i Paoly, ao amin’ilay taratasy faharoa nosoratany. (2 Pet. 3:15) Marina fa tena nampalahelo an’ireo Kristianina tsy jiosy ny zavatra nataon’i Petera. Na izany aza, dia mbola nampiasa azy foana i Jesosy, ilay lohan’ny fiangonana. (Efes. 1:22) Afaka nanahaka an’i Jesosy sy ny Rainy àry ireo rahalahy sy anabavy teo anivon’ny fiangonana, ka namela ny helok’i Petera. Manantena isika fa tsy nisy tafintohina tamin’ny fahadisoana nataon’io lehilahy tsy lavorary io izy ireo.

18. Rahoviana ianao no mila miezaka manahaka ny fiheveran’i Jehovah ny rariny?

18 Tsy lavorary daholo koa ny anti-panahy, hoatran’ny tamin’ny taonjato voalohany ihany. “Manao fahadisoana imbetsaka mantsy isika rehetra.” (Jak. 3:2) Tsy misy mandà an’izany isika. Sarotra amintsika anefa ny manaiky an’izany rehefa misy rahalahy manao fahadisoana, ka isika mihitsy no voa. Hanahaka ny fiheveran’i Jehovah ny rariny ve isika rehefa mitranga izany? Ahoana, ohatra, raha hoatran’ny hoe manavakavaka ny anti-panahy iray rehefa jerena ny zavatra teneniny? Ary raha misy anti-panahy manao teny tsy voahevitra, ka mampahatezitra na mampalahelo anao? Ho tafintohina ve ianao? Tonga dia hieritreritra ve ianao hoe tsy tokony ho anti-panahy intsony izy? Sa ianao hanam-paharetana ka hiandry an’i Jesosy, ilay lohan’ny fiangonana? Hiezaka ve ianao mba tsy hifantoka amin’ny fahadisoany, fa hitadidy ohatra hoe tsy nivadika tamin’i Jehovah nandritra ny taona maro izy? Ahoana raha mbola anti-panahy foana ilay rahalahy nanao zavatra nampalahelo anao, na hoe vao mainka izy nahazo andraikitra hafa? Hiara-paly aminy ve ianao? Manahaka ny fiheveran’i Jehovah ny rariny ianao, raha mamela heloka.—Vakio ny Matio 6:14, 15.

19. Tokony hiezaka hanao inona isika?

19 Tia rariny isika ka tsy andrintsika izay hanafoanan’i Jehovah tanteraka ny tsy rariny ataon’i Satana sy ity tontolo ity. (Isaia 65:17) Mandra-pahatongan’izany anefa, dia hiezaka mafy isika mba hanetry tena rehefa iharan’ny tsy rariny. Hiaiky isika hoe tsy mahafantatra ny zava-drehetra, sady hiezaka hamela an’izay manao fahadisoana amintsika. Manahaka ny fiheveran’i Jehovah ny rariny isika raha manao an’izany.