Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mazoto Manolo-tena Hanompo An’i Jehovah ve Ianao?

Mazoto Manolo-tena Hanompo An’i Jehovah ve Ianao?

“Nirotsaka an-tsitrapo ny olona, ka misaora an’i Jehovah!” —MPITS. 5:2.

HIRA: 150, 10

1, 2. a) Inona no nolazain’i Elifaza sy Bildada momba ny fanompoantsika an’i Jehovah? b) Inona kosa no nolazain’i Jehovah?

NISY lehilahy telo atao hoe Elifaza Temanita sy Bildada Sohita ary Zofara niresaka tamin’i Joba. Nametraka fanontaniana mampisaintsaina i Elifaza tamin’izay hoe: “Mila olona tomady angaha moa Andriamanitra sa izy mila olona lalin-tsaina? Ho finaritra ve ilay Mahery Indrindra raha marina ianao, sa misy tombony ho azy raha ataonao tsy misy hokianina ny fiainanao?” (Joba 22:1-3) Azo antoka fa nieritreritra i Elifaza hoe tsia daholo ny valin’ireo. I Bildada aza nilaza hoe tsy misy olona afaka ny ho marina eo anatrehan’Andriamanitra mihitsy.—Vakio ny Joba 25:4.

2 Nilaza i Elifaza sy Bildada fa tsy misy dikany amin’i Jehovah ny ezaka ataontsika mba hanompoana azy. Tsy misy maha samy hafa antsika amin’ny bibikely sy ny olitra ary ny kankana, hono. (Joba 4:19; 25:6) Hoatran’ny hoe nanetry tena ry zareo, raha jerena maimaika. (Joba 22:29) Marina fa faran’izay ambony i Jehovah raha oharina amintsika. Bitika sady tsy misy dikany isika raha tazanina avy eny an-tampon-tendrombohitra na avy eny ambony raoplanina. Hoatr’izany ve anefa no fiheveran’i Jehovah ny ezaka ataontsika mba hanompoana azy? Tsia! Nolazainy mazava tsara fa nandainga i Elifaza sy Bildada ary Zofara. Nahafinaritra azy kosa i Joba ka nantsoiny hoe ‘mpanompony.’ (Joba 42:7, 8) Tena tsy marina àry ilay hoe tsy misy dikany amin’Andriamanitra ny olona.

“INONA MOA NO OMENAO AZY?”

3. Inona no nolazain’i Eliho momba ny ezaka ataontsika hanompoana an’i Jehovah, ary inona no tiany holazaina tamin’izany?

3 Nisy tovolahy atao hoe Eliho nihaino ny resak’i Joba sy izy telo lahy. Nanontany an’i Joba izy avy eo hoe: “Raha tena marina aza ny anao, inona moa no omenao [an’Andriamanitra] amin’izany, na azony avy amin’ny tananao?” (Joba 35:7) Tsy te hilaza akory i Eliho hoe tsy misy dikany ny ezaka ataontsika hanompoana an’i Jehovah. Izy koa tsy nahitsin’i Jehovah rehefa niteny an’izany. Te hilaza kosa izy fa tsy voa mafy i Jehovah na tsy manompo azy aza isika. Tsy mila na inona na inona mantsy izy. Tsy misy azontsika atao ka hoe hahatonga azy hanankarena kokoa na hahery kokoa. Avy aminy daholo aza ny toetra tsara sy ny fahaizana ananantsika, ary hitany ny fomba ampiasantsika azy ireny.

4. Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny zavatra ataontsika rehefa manampy ny sahirana isika?

4 Tsara fanahy amin’i Jehovah isika rehefa tsara fanahy amin’ny mpanompony. Hoy mantsy ny Ohabolana 19:17: “Izay miantra ny mahantra dia mampisambotra an’i Jehovah, ary Izy no hanonitra an’izay nafoin’ilay olona.” Midika izany fa isaky ny manampy an’ireo olona sahirana isika dia hitan’i Jehovah. Toy ny trosa mila aloany amintsika no fiheverany an’izany. Eritrereto ange e! Ilay Mpamorona an’izao rehetra izao no mieritreritra hoe ananantsika olombelona mpanota trosa. Mampanantena mihitsy aza izy fa hamaly soa antsika. Manamarina an’izany ny tenin’i Jesosy Zanany.—Vakio ny Lioka 14:13, 14.

5. Inona avy ny fanontaniana hodinihintsika ato?

5 Nasain’i Jehovah hisolo tena azy i Isaia mpaminany. Hita amin’izany fa tiany rehefa misy olona manampy azy hanatanteraka ny fikasany. (Isaia 6:8-10) Tsy nisalasala i Isaia nilaza hoe: “Intỳ aho iraho!” Tena mazoto hoatr’izany koa ny mpanompon’i Jehovah maro be, na dia sarotra aza indraindray ny zavatra ampanaovina azy. Mety hisy hieritreritra ihany anefa hoe: ‘Mba tena misy dikany ve ny ezaka ataoko? Tsara fanahy aloha i Jehovah mamela an’ahy hanolo-tena hanao ny asany e! Tsy ho vita foana ve anefa ny zavatra tiany hatao, na inona na inona ataoko eo amin’ny fanompoana azy?’ Hahita ny valin’izany isika rehefa mandinika ny zava-nitranga tamin’ny andron’i Debora sy Baraka.

NATAHOTRA NEFA LASA BE HERIM-PO

6. Inona no tsy nitovizan’ny Israelita tamin’ny tafik’i Jabina?

6 “Nampahory” an’ireo Israelita sy “lozabe taminy” i Jabina mpanjaka kananita, nandritra ny 20 taona. Nampahatahotra azy ireo tamin’izany na dia ny nivoaka ny tranony aza. Sady tsy nanana fitaovana hiarovan-tena mantsy izy ireo no tsy nanana fitaovam-piadiana hanafihana ny fahavalo. Ny fahavalony anefa nanana kalesin’ady 900 nisy lelan’antsy.—Mpits. 4:1-3, 13; 5:6-8. *

7, 8. a) Inona no nasain’i Jehovah nataon’i Baraka? b) Ahoana no nahatonga ny Israelita handresy an-dry Jabina? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

7 Atody niady amam-bato ny Israelita. Nasain’i Jehovah nilaza tamin’i Baraka anefa i Debora mpaminanivavy hoe: “Mandehana ka aoka ianareo hiely eran’ny Tendrombohitra Tabara. Makà lehilahy iray alina eo amin’ny taranak’i Naftaly sy Zebolona. Ary hosarihako ho any aminao, any amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Kisona, i Sisera lehiben’ny tafik’i Jabina, sy ireo kalesin’adiny mbamin’ny olony. Dia hatolotro eo an-tananao izy.”—Mpits. 4:4-7.

8 Nampahafantarina ny olona àry izany, ka nisy lehilahy 10 000 vonona hiady tonga teo amin’ny Tendrombohitra Tabara. Tonga dia nanaraka ny tenin’i Jehovah i Baraka sy ireo lehilahy ireo, ka nandeha niady tamin’ny fahavalony tao Tanaka. (Vakio ny Mpitsara 4:14-16.) Nisy oram-be nivatravatra tampoka anefa, dia lasa namotaka be ilay toerana. Nahazo tombony àry ry Baraka, ka nanenjika an-dry Sisera hatrany amin’ny 24 kilaometatra tany Haroseta. Nihitsoka ny kalesin’i Sisera ka navelany satria tsy nisy nilana azy intsony. Nihazakazaka nandositra àry izy ary nankany Zananima. Nankany amin’ny tranolain’i Jaela, vadin’i Hebera Kenita, izy mba hiafina. Reraka be anefa izy dia resin-tory. Tsy natahotra i Jaela fa tonga dia namono azy ho faty. (Mpits. 4:17-21) Nandresy àry ny Israelita satria nampian’i Jehovah. *

SAMY NANANA NY FIHEVERANY NY ASA AN-TSITRAPO

9. Inona no lazain’ny Mpitsara 5:20, 21 momba an’ilay ady tamin’i Sisera?

9 Manampy antsika hahazo kokoa an’izay tantaraina ao amin’ny Mpitsara toko faha-⁠4 ny toko faha-⁠5. Milaza, ohatra, ny Mpitsara 5:20, 21 hoe: “Avy tany an-danitra ny kintana no niady tamin’i Sisera, avy tamin’ny lalana arahiny ireny no niady taminy. Nopaohin’ny riakan’i Kisona ireny.” Midika ve izany hoe nisy anjely nanampy ny Israelita, sa hoe nisy tainkintana niraraka avy tany an-danitra? Tsy miresaka an’izany ny Baiboly. Azo antoka anefa fa i Jehovah no nahatonga an’ilay oram-be nivatravatra. Tamin’ny fotoana sy toerana nilana azy mihitsy mantsy ilay izy no avy, dia lasa nihitsoka ireo kalesin’ady 900. Tsy nisy afaka nilaza ireo lehilahy 10 000 hoe izy no nahatonga ny Israelita handresy. Intelo kosa ny Mpitsara 4:14, 15 no milaza fa avy amin’i Jehovah izany.

10, 11. Inona ilay hoe “Meroza”, ary nahoana izy io no voaozona?

10 Nidera an’i Jehovah tamin’ny hira i Debora sy Baraka rehefa avy nandresy. Mahagaga fa nisy an’izao ny tonon’ilay hira: “‘Ozòny i Meroza’, hoy ilay anjelin’i Jehovah, ‘ozòny tsy misy farany ny mponina ao, satria tsy mba tonga nanampy an’i Jehovah, tsy niaraka tamin’ireo olo-mahery mba hanampy an’i Jehovah.’”—Mpits. 5:23.

11 Tena nandaitra angamba ilay ozona natao tamin’i Meroza, matoa tsy tena fantatra ny momba azy io. Mety ho tanàna izy io, ary tsy mba tonga nanampy an’i Baraka angamba ny mponina tao, tamin’izy niantso olona hanolo-tena hiady. Ry zareo ve anefa dia tsy ho naheno an’ilay antso, nefa lehilahy 10 000 teny amin’ny manodidina an-dry zareo no efa nanolo-tena? Mety ho tanàna nandalovan’i Sisera tamin’izy nandositra koa ilay hoe Meroza. Hitan’izy ireo tsara angamba io miaramila ratsy fanahy io nandeha irery sady kivy be. Afaka nisambotra azy tsara ry zareo tamin’izay. Afaka nanampy an’i Jehovah hanatanteraka ny fikasany izy ireo, dia ho nahazo fitahiana. Tsy niraika anefa ry zareo, ary tsy mba be herim-po hoatran’i Jaela.—Mpits. 5:24-27.

12. Inona no tsy itovizan’ireo olona resahin’ny Mpitsara 5:9, 10, ary inona no ianarantsika avy amin’izany?

12 Hitantsika ao amin’ny Mpitsara 5:9, 10 koa fa tena tsy nitovy ny toe-tsain’ny olona tamin’ny andron’i Baraka. “Nirotsaka an-tsitrapo niaraka tamin’ny vahoaka” ireo ‘mpitari-tafika teo amin’ny Israely’, ka nidera azy ireo i Debora sy Baraka. Vonona handeha teny an-tendrombohitra Tabara feno vatovato sy tany amin’ilay lohasaha namotaka tany Kisona izy ireo. Nisy kosa tsy nety nanolo-tena fa nihevi-tena ho ambony, ka toy ny olona ‘nitaingina ampondravavy mena somary mavo.’ Nisy koa te hiadankadana, toy ny olona ‘nipetraka teo ambony karipetra mirenty.’ Ny sasany tsy te hanasarotra ny fiainany fa naleony ‘nandeha teny an-dalana.’ Nasaina ‘nandinika’ àry izay rehetra tia fahafinaretana hoe voa mafy ry zareo satria tsy mba nanararaotra nanao an’izay nasain’i Jehovah natao. Mila mieritreritra koa amin’izao izay rehetra afaka manompo an’i Jehovah bebe kokoa nefa tsy manao an’izany.

13. Inona no nampiavaka ny fokon’i Zebolona sy Naftaly tamin’ny fokon’i Robena sy Dana ary Asera?

13 Nasehon’i Jehovah tamin’izay hoe izy no Mpanjakan’izao rehetra izao. Nahita an’izany ireo nanolo-tena hiady. Afaka niresaka ny zavatra hitany izy ireo rehefa ‘nitantara ny zavatra ara-drariny nataon’i Jehovah.’ (Mpits. 5:11) Variana tamin’ny fananany kosa ny fokon’i Robena sy Dana ary Asera. Naleony nikarakara ny andian’ondriny sy ny sambony ary ny fitodian-tsambony, toy izay hanao an’izay nasain’i Jehovah natao. (Mpits. 5:15-17) Ny fokon’i Zebolona sy Naftaly indray “nanao vivery ny ainy” mba hanampiana an’i Debora sy Baraka. (Mpits. 5:18) Inona no ianarantsika avy amin’izany?

“MISAORA AN’I JEHOVAH!”

14. Ahoana no ampisehoantsika hoe manohana ny zon’i Jehovah hitondra isika?

14 Tsy asaina miady isika mba hampisehoana fa manohana ny zon’i Jehovah hitondra. Asaina mitory kosa isika, ary tokony ho be herim-po sy hazoto rehefa manao an’izany. Tena mila mpiasa an-tsitrapo be dia be izao ny fandaminan’i Jehovah. Rahalahy sy anabavy an-tapitrisany no manolo-tena hanompo manontolo andro, ary tanora ny sasany amin’izy ireo. Ao no mpisava lalana, Betelita, ary mpiasa an-tsitrapo manorina Efitrano Fanjakana. Misy koa manao asa an-tsitrapo rehefa fivoriambe. Miasa mafy koa ireo anti-panahy anisan’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly sy mikarakara fivoriambe. Matokia fa tena faly i Jehovah mahita anareo mazoto manao an’izay asainy hatao. Tsy hanadino an’izany izy.—Heb. 6:10.

Alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra, dia eritrereto izay ho vokatr’ilay izy amin’ny ankohonanao sy ny fiangonana (Fehintsoratra 15)

15. Inona no hanampy antsika hahita raha mbola mazoto manolo-tena hanao ny asan’i Jehovah isika na tsia?

15 Mila mieritreritra toy izao àry isika: ‘Ny olon-kafa ve no avelako hanao ny ankamaroan’ny asa? Ny hahazo vola sy harena ve no tena eritreretiko, dia lasa tsy mazoto manolo-tena hanao ny asan’i Jehovah aho? Manam-pinoana sy herim-po toa an’i Baraka, Debora, Jaela, ary ireo lehilahy 10 000 ve aho, ka mampiasa an’izay ananako mba hanompoana an’i Jehovah? Mieritreritra ny hifindra any an-toeran-kafa ve aho mba hahazoana vola bebe kokoa? Dia efa nivavaka momba an’izany ve aho sady nisaintsaina an’izay ho vokatr’izany amin’ny ankohonako sy ny fiangonana?’ *

16. Na manana an’izay rehetra ilainy aza i Jehovah, dia inona no azontsika omena azy?

16 Tena voninahitra lehibe ny hoe avelan’i Jehovah hanohana ny zony hitondra. Te hitondra koa i Satana ka mitaona ny olona hanaraka azy, efa hatramin’ny andron’i Adama sy Eva. Rehefa tsy manaiky hotaomin’i Satana àry isika, dia asehontsika azy tsara hoe i Jehovah no tohanantsika. Mazoto manolo-tena hanao ny asan’i Jehovah isika, satria matoky azy sy tsy mivadika aminy. Faly i Jehovah mahita an’izany. (Ohab. 23:15, 16) Noho ireny ezaka ataontsika ireny, dia afaka mamaly an’ilay manaratsy azy izy. (Ohab. 27:11) Ankatoavy foana àry i Jehovah. Izany no zavatra sarobidy azonao omena azy sady tena mahafaly azy.

17. Inona no resahin’ny Mpitsara 5:31 momba ny hoavy?

17 Izay manohana ny zon’i Jehovah hitondra sisa no hiaina eto an-tany tsy ho ela. Tsy andrintsika izay hahatongavan’izany! Nihira i Debora sy Baraka hoe: “Ho faty toy izany koa anie ny fahavalonao rehetra, Jehovah ô! Fa izay tia anao kosa ho tahaka ny masoandro mibaliaka.” (Mpits. 5:31) Izany koa no faniriantsika, ary ho tanteraka izany rehefa haringan’i Jehovah ity tontolon’i Satana ity. Rehefa hanomboka ny Hara-magedona, dia tsy hila olona hanolo-tena handringana ny fahavalo i Jehovah. ‘Hijoro tsara fotsiny’ isika amin’izay, ary ‘hijery ny famonjen’i Jehovah.’ (2 Tan. 20:17) Mandra-pahatongan’izay anefa, dia afaka manaporofo tsara isika hoe manohana an’i Jehovah. Betsaka ny azontsika atao, ka ho be herim-po sy hazoto isika hanao an’izany.

18. Inona no ho vokany raha mazoto manolo-tena hanompo an’i Jehovah isika?

18 Nihira i Debora sy Baraka rehefa nandresy, ary tsy zavaboary no nomeny voninahitra tamin’izany fa Ilay Avo Indrindra. Izao no fiandohan’ilay hira: “Nirotsaka an-tsitrapo ny olona, ka misaora an’i Jehovah!” (Mpits. 5:1, 2) Hidera an’i Jehovah koa ny olona rehefa mahita antsika mazoto manolo-tena hanompo azy.

^ feh. 6 Lava be sady maranitra be ilay lelan’antsy, ary mitovitovy amin’ny antsim-bilona ny paozin’ny sasany. Mety ho teo amin’ny kodiaran’ny kalesy no nisy an’ilay izy. Azo antoka àry fa nampahatahotra be ilay kalesy.

^ feh. 8 Manazava bebe kokoa an’izay nitranga tamin’io fotoana io Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra 2015, pejy 12-15.

^ feh. 15 Jereo ilay hoe “Manahy Momba ny Vola”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 2015.