Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Manompoa An’i Jehovah”

“Manompoa An’i Jehovah”

“Aza malaina amin’izay ataonareo. . . . Manompoa an’i Jehovah.”—ROM. 12:11.

1. Ahoana no fiheveran’ny olona ny hoe mpanompo, ary nahoana no tsy mitovy amin’izany ilay fanompoana resahin’ny Romanina 12:11?

MARO no mihevitra fa ny hoe mpanompo na andevo dia olona anjakazakan’ny tompony sy ampijaliny. Hafa mihitsy anefa ny hoe mpanompon’Andriamanitra. Milaza ny Baiboly fa Tompo be fitiavana Andriamanitra, ary an-tsitrapo ny fanompoana azy. Fanompoana masina atao noho ny fitiavana no tian’ny apostoly Paoly horesahina, rehefa nampirisika ny Kristianina izy hoe: “Manompoa an’i Jehovah.” (Rom. 12:11) Inona no tafiditra amin’io fanompoana io? Inona no azontsika atao mba tsy ho andevozin’i Satana sy ity tontolo ity isika? Inona no valisoa ho azontsika raha manompo an’i Jehovah foana isika ary tsy mivadika aminy?

“TENA TIAKO NY TOMPOKO”

2. a) Inona no mety hahatonga ny mpanompo israelita iray tsy hanaiky hafahana? b) Inona no dikan’ilay hoe tevehina ny sofin’ilay mpanompo?

2 Hita amin’ny Lalàna nomena ny Israely hoe inona no takin’i Jehovah amin’izay te ho mpanompony. Voalaza ao fa tokony hafahana ny mpanompo hebreo amin’ny taona fahafito anompoany. (Eks. 21:2) Voalaza ao koa anefa fa afaka mijanona amin’ny tompony izy, raha tena tia an’ilay tompony ka tsy te handao azy. Raha izay no safidiny, dia hankinin’ny tompony eo amin’ny varavarana na amin’ny tolàna izy, ary hotevehiny amin’ny haolo ny sofiny. (Eks. 21:5, 6) Mariho fa ny sofina no notevehina. Mifandray amin’ny hoe mandre na mihaino ilay teny hoe mankatò, amin’ny teny hebreo. Midika izany fa maniry hanompo sy hankatò ny tompony foana ilay mpanompo. Toy izany koa isika rehefa manokan-tena ho an’i Jehovah. Misafidy ny hankatò an’Andriamanitra isika satria tia azy.

3. Inona no mahatonga antsika hanokan-tena ho an’Andriamanitra?

3 Efa nanapa-kevitra ny ho lasa mpanompon’i Jehovah isika, vao natao batisa. Nanokan-tena isika satria naniry hankatò an’i Jehovah sy hanao ny sitrapony. Tsy nisy nanery antsika hanao izany. Na ny ankizy atao batisa aza manapa-kevitra  samirery ny hanokan-tena ho an’i Jehovah. Tsy hoe te hampifaly ny ray aman-dreniny fotsiny izy ireny. Ny fitiavana an’i Jehovah, ilay Tompontsika any an-danitra, no mahatonga antsika hanokan-tena ho azy. Hoy ny apostoly Jaona: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny.”—1 Jaona 5:3.

OLONA AFAKA NEFA MBOLA MPANOMPO

4. Inona no ilaina raha te ho lasa “mpanompon’ny fahamarinana” isika?

4 Tena misaotra an’i Jehovah isika fa navelany ho lasa mpanompony. Mino ny sorom-panavotan’i Kristy isika, ka tsy andevon’ny ota intsony, izany hoe tsy fehezin’izy io. Nanaiky an-tsitrapo ho eo ambany fahefan’i Jehovah sy Jesosy isika, na dia mbola tsy lavorary aza. Nanazava tsara izany i Paoly. Hoy izy: “Hevero ho efa maty tokoa ny tenanareo raha ny amin’ny ota, fa velona ho an’Andriamanitra kosa, noho i Kristy Jesosy.” Nampitandrina izy avy eo hoe: “Tsy fantatrareo angaha fa raha manolo-tena ho mpanompon’ny olona iray ianareo ka mankatò azy, dia lasa mpanompony satria mankatò azy, izany hoe, na mpanompon’ny ota izay mitarika ho amin’ny fahafatesana, na mpanompon’ny fankatoavana izay mitarika ho amin’ny fahamarinana? Isaorana anefa Andriamanitra fa na mpanompon’ny ota aza ianareo taloha, dia tonga mpankatò amin’ny fonareo, eny, mpankatò ilay karazam-pampianarana nankinina taminareo. Koa tonga mpanompon’ny fahamarinana ianareo, satria novotsorana ho afaka tamin’ny ota.” (Rom. 6:11, 16-18) Mariho fa nilaza i Paoly hoe ho lasa “mpanompon’ny fahamarinana” ny olona iray raha ‘mankatò amin’ny fo.’ Lasa “mpanompon’ny fahamarinana” àry isika rehefa manokan-tena ho an’i Jehovah.

5. Inona no ady tsy maintsy ataontsika rehetra, ary nahoana?

5 Misy zavatra roa misakana antsika tsy hiaina mifanaraka amin’ny fanokanan-tenantsika anefa, ka mila miady amin’izany isika. Voalohany, ny tsy fahalavorariantsika. Hoy i Paoly: “Tena mahafinaritra ahy ny lalàn’Andriamanitra, araka ny toetra maha izy ahy, nefa ao amin’ny vatako dia ahitako lalàna hafa miady amin’ny lalàn’ny saiko sady mitondra ahy ho babon’ny lalàn’ny ota ao amin’ny vatako.” (Rom. 7:22, 23) Efa raiki-tampisaka ao amintsika koa ny tsy fahalavorariana. Mila miady foana àry isika mba tsy ho resin’ny fanirian’ny nofo. Nampirisika antsika ny apostoly Petera hoe: “Aoka ho olona afaka ianareo, nefa aoka tsy ho fanaronana ny ratsy izany fahafahanareo izany, fa hanompoana an’Andriamanitra kosa.”—1 Pet. 2:16.

6, 7. Inona no ataon’i Satana mba hahatonga an’ity tontolo ity hanintona antsika?

6 Faharoa, mila miady amin’ity tontolo fehezin’ny demonia ity isika. Mamely antsika i Satana, ilay mpitondra an’ity tontolo ity, mba hahatonga antsika hivadika amin’i Jehovah sy Jesosy. Tiany hanompo azy isika ka taominy hanaraka ny toe-tsainy. (Vakio ny Efesianina 6:11, 12.) Amin’ny fomba ahoana? Ataony, ohatra, izay hahatonga an’ity tontolo ity hanintona antsika. Nampitandrina toy izao i Jaona: “Raha misy tia an’izao tontolo izao, dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray, satria ny zava-drehetra eo amin’izao tontolo izao, izany hoe ny fanirian’ny nofo sy ny fanirian’ny maso ary ny fampideraderana fananana, dia tsy avy amin’ny Ray fa avy amin’izao tontolo izao.”—1 Jaona 2:15, 16.

7 Miely hatraiza hatraiza ny faniriana hanan-karena. Tian’i Satana hihevitra isika fa ny vola no mahasambatra. Be dia be izao ny fivarotana lehibe. Mampirisika ny olona tsy hieritreritra afa-tsy ny hampitombo fananana sy hiala voly koa ny dokam-barotra. Misarika ny olona mba hijery toerana mahafinaritra, ohatra, ny mpikarakara dia, ary olona manana ny toe-tsain’ity tontolo ity matetika no tafaraka aminao  amin’ireny dia ireny. Hita amin’izany fa na aiza na aiza, dia ampirisihina ny olona mba hanao izay hahametimety ny fiainany, saingy araka ny fiheveran’ity tontolo ity azy.

8, 9. Inona no mety hitranga amintsika, ary nahoana izany no mampidi-doza?

8 Nisy Kristianina nanana ny fomba fisainan’ity tontolo ity tamin’ny taonjato voalohany, ka nampitandrina ny fiangonana i Petera hoe: “Fahafinaretana ho azy ireo ny manana fiainana mirenty amin’izao antoandrobenanahary izao. Toy ny pentimpentina sy tsiny izy ireo, ary finaritra erỳ manao fampianarana mamitaka, rehefa miara-misakafo aminareo amin’ny fanasana. Fa teny fireharehana sy tsy mahasoa no lazain’izy ireo. Ary ny fanirian’ny nofo sy ny fitondran-tena baranahiny no itaomany olona, dia ireo vao afa-niala tamin’olona manana fitondran-tena tsy mety. Fahafahana no ampanantenainy azy ireo, nefa ny tenany aza andevon’ny fahalotoana. Tonga andevon’izay maharesy azy mantsy izay resy.”—2 Pet. 2:13, 18, 19.

9 Tsy hoe lasa manana fahafahana ny olona rehefa mahazo izay rehetra ‘irin’ny masony.’ Lasa andevon’i Satana Devoly, ilay tompon’ity tontolo ity, kosa izy. (1 Jaona 5:19) Mety ho lasa andevon’ny vola sy harena tokoa ny olona, ary mampidi-doza izany satria sarotra ialana.

ASA MAHAFA-PO

10, 11. Iza no tena lasibatr’i Satana ankehitriny, ary nahoana no mety hiteraka olana ho azy ireo ny fianarana eto amin’ity tontolo ity?

10 Ireo mbola tsy dia nahita fiainana no kendren’i Satana, toy izay nataony tany Edena. Ny tanora no tena ataony lasibatra. Tsy faly i Satana rehefa manolo-tena hanompo an’i Jehovah ny tanora, na ny olon-kafa. Tian’ilay fahavalon’Andriamanitra hivadika daholo ny olona efa nanokan-tena ho an’i Jehovah.

11 Eritrereto indray ilay mpanompo nanaiky hotevehina. Tsy maintsy ho nanaintaina izy. Tsy ela anefa dia afaka izany, ary lasa nisy famantarana maharitra teo aminy hoe mpanompo izy. Toy izany koa no mitranga rehefa manao safidy tsy mitovy amin’ny an’ny namany ny tanora. Mety ho sarotra izany, ary mety hampahory mihitsy aza. Ataon’i Satana izay hiheveran’ny olona fa mahafa-po ny manana asa maharitra eto amin’ity tontolo ity. Tokony hitadidy anefa ny Kristianina fa ny fifandraisana amin’Andriamanitra no zava-dehibe indrindra. Hoy i Jesosy: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.” (Mat. 5:3) Velona mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra ny Kristianina, fa tsy hanao ny sitrapon’i Satana. Mahafinaritra azy ny lalàn’i Jehovah, ary misaintsaina izany andro aman’ alina izy. (Vakio ny Salamo 1:1-3.) Maro amin’ny fianarana ankehitriny anefa no mahatonga ny mpanompon’i Jehovah tsy hanam-potoana firy hisaintsainana ny Tenin’Andriamanitra sy hanompoana azy.

12. Inona no safidy ananan’ny tanora maro ankehitriny?

12 Nety ho nanasarotra ny fiainan’ny Kristianina ny tompony, raha tsy nivavaka tamin’i Jehovah. Nanoro hevitra toy izao àry i Paoly ao amin’ny taratasiny voalohany ho an’ny Korintianina: “Mpanompon’olona ve ianao no nantsoina? Aoka tsy hampanahy anao izany, nefa raha misy mety hahafahanao amin’izany, dia hararaoty.” (1 Kor. 7:21) Tsara kokoa tamin’ilay mpanompo ny niala, raha afaka nisafidy izy. Ankehitriny koa, dia tsy maintsy mianatra mandritra ny taona maromaro ny ankizy any amin’ny tany maro. Afaka mifidy izy avy eo na hanohy ny fianarany na tsia. Mety tsy ho afaka hanompo manontolo andro anefa izy, raha manohy fianarana mba hahazoana asa maharitra eto amin’ity tontolo ity.—Vakio ny 1 Korintianina 7:23.

Iza no hotompoinao?

FIANARANA AMBONY SA NY FIANARANA TSARA INDRINDRA?

13. Inona no fianarana tena hahasoa ny mpanompon’i Jehovah?

13 Hoy i Paoly tamin’ny Kristianina tany Kolosia: “Tandremo sao hisy hahalasa anareo ho rembiny amin’ny alalan’ny filozofia sy ny famitahana poakaty araka ny fampianarana nifandovan’ny olombelona, eny, araka ny zavatra fototra eo amin’ity tontolo ity, fa tsy araka an’i Kristy.” (Kol. 2:8) Manam-pahaizana maro ankehitriny no mampiely ‘filozofia sy famitahana poakaty araka ny fampianarana nifandovan’ny olombelona.’ Ahitana an’izany amin’ny fianarana ambony. Ny handranto fahalalana no tena ilofosan’ireo manao fianarana ambony, ka matetika ireo mahazo diplaoma no tsy manana ny fahaizana ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Inona kosa ny fianarana fidin’ny mpanompon’i Jehovah? Izay fianarana hanome azy ny fahaizana ilaina mba hahafahany hanana fiainana tsotra sy hanompo an’i Jehovah. Raisin’izy ireo am-po ity torohevitra nomen’i Paoly an’i Timoty ity: “Fomba hahazoan-tombony be tokoa ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra, raha ampiarahina amin’ny fahaiza-mianina amin’izay ananana. Koa raha manan-kanina sy fitafiana ary fialofana isika, dia aoka hianina amin’izany.” (1 Tim. 6:6, 8) Tsy mifofotra mba hahazo diplaoma sy anaram-boninahitra ny tena Kristianina. Manao izay fara heriny kosa izy ireo mba hanampiana olona ho tonga mpianatr’i Jesosy, ka ireny olona ireny no toy  ny “taratasy fiderana” ho azy ireo.—Vakio ny 2 Korintianina 3:1-3.

14. Ahoana no niheveran’i Paoly ny tombontsoany hanompo an’Andriamanitra sy Kristy?

14 Ohatra tsara ny apostoly Paoly. Nampianarin’i Gamaliela, mpampianatra Lalàna Jiosy, izy. Mitovitovy amin’ny fianarana eny amin’ny oniversite ny fianarana nataony. Ahoana anefa no niheveran’i Paoly an’izany raha oharina amin’ny tombontsoany hanompo an’Andriamanitra sy Kristy? Hoy izy: ‘Heveriko ho fatiantoka ny zava-drehetra, satria tsy misy toa azy ny hasarobidin’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy Tompoko. Fa noho ny aminy no nidirako fatiantoka ny amin’ny zava-drehetra ary heveriko ho fako miavosa ireny mba hahazoako an’i Kristy.’ (Fil. 3:8) Afaka manampy ny tanora sy ny ray aman-dreniny kristianina mba hanao safidy tsara eo amin’ny resaka fianarana izany. (Jereo ny sary.)

NY FAMPIANARANA TSARA INDRINDRA

15, 16. Inona no fampianarana omen’ny fandaminan’i Jehovah, ary inona no zava-kendren’izany?

15 Inona no zava-misy any amin’ny ankamaroan’ny sekoly fanaovana fianarana ambony? Matetika ny olona any no tia mikomy amin’ny fanjakana sy ny manam-pahefana hafa. (Efes. 2:2) Tsy toy izany kosa ny eo anivon’ny fiangonana kristianina fa milamina tsara. Ao no anomezan’ny fandaminan’i Jehovah ny fampianarana tsara indrindra. Afaka mandray soa amin’ny Sekolin’ny Fanompoana, ohatra, isika isan-kerinandro. Misy koa ireo fampiofanana manokana ho an’ny rahalahy mpitovo mpisava lalana (Sekoly Ara-baiboly ho An’ny Rahalahy Mpitovo), sy ho an’ny mpivady mpisava lalana (Sekoly Ara-baiboly ho An’ny Mpivady Kristianina). Manampy antsika hankatò an’i Jehovah, ilay Tompontsika any an-danitra, ireny fampianarana ireny.

16 Manampy antsika hahita fahamarinana sarobidy maro ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Watchtower Library amin’ny CD-ROM. Natao hanampiana antsika amin’ny fanompoana an’i Jehovah izany fampianarana rehetra izany. Mahatonga antsika hahay hanampy ny hafa hihavana amin’Andriamanitra koa izany. (2 Kor. 5:20) Ho afaka hampianatra ny hafa ireny olona ampiantsika ireny avy eo.—2 Tim. 2:2.

INONA NO VALISOAN’NY MPANOMPO?

17. Inona no valisoa ho azontsika raha mifidy ny fampianarana tsara indrindra isika?

17 Nahazo teny fiderana ireo mpanompo roa tsy nivadika, ao amin’ilay fanoharan’i Jesosy momba ny talenta. Faly izy ireo ary faly koa ny tompony ka nanome azy ireo asa fanampiny. (Vakio ny Matio 25:21, 23.) Ho faly sy handray valisoa koa isika, raha mifidy ny fampianarana tsara indrindra. Diniho ny ohatr’i Michael. Nahay be izy tany am-pianarana ka nantsoin’ny mpampianatra hanatrika fivoriana iray, izay nandinihana ny fomba hampidirana azy any amin’ny oniversite. Gaga anefa izy ireo fa naleon’i Michael nianatra asa. Vetivety izy dia afaka namelon-tena sy nanao ny asan’ny mpisava lalana maharitra. Nahatsiaro ho matiantoka ve izy? Hoy izy: “Tena nahasoa ahy ny fampiofanana ara-baiboly azoko noho izaho mpisava lalana sady anti-panahy. Be dia be ny tombontsoa sy fitahiana ananako, ary sarobidy lavitra noho izay vola nety ho azoko izany. Tena faly aho fa tsy nanao fianarana ambony.”

18. Nahoana ianao no mifidy ny fampianarana tsara indrindra?

18 Manampy antsika hahalala ny sitrapon’Andriamanitra sy hanompo azy ilay fampianarana tsara indrindra. Izy io koa no mahatonga antsika hanantena ny “hafahana amin’ny fanandevozan’ny fahalovana, ka hanana ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.” (Rom. 8:21) Ny tena zava-dehibe anefa, dia manjary fantatsika ny fomba tsara indrindra ampisehoana fa tena tiantsika i Jehovah, ilay Tompontsika any an-danitra.—Eks. 21:5.